Enga Anie i Jehovah Hilaza hoe Tsara ny Tatitra Momba Anao
‘Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.’ — NEHEMIA 13:22, 31.
1. Inona no manampy ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra hanome tatitra tsara dia tsara an’i Jehovah?
MANANA ny fanampiana ilaina rehetra mba hanomezana tatitra tsara dia tsara ho an’i Jehovah, ireo mpanompony. Nahoana? Satria izy ireo manana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra amin’ny maha-anisan’ny fandaminany eto an-tany azy ireo. Nambarany tamin’izy ireo ny fikasany, ary nomeny fanampiana sy fahatakarana hevi-dalina ara-panahy tamin’ny alalan’ny fanahiny masina izy ireo. (Salamo 51:11; 119:105; 1 Korintiana 2:10-13). Rehefa heverina ireo toe-javatra manokana ireo, i Jehovah dia mitaky amim-pitiavana amin’ireo mpanompony eto an-tany mba hanome azy tatitra momba ny tenan’izy ireo, sy izay tontosain’izy ireo noho ny tanjaka omeny sy noho ny fanampian’ny fanahiny masina.
2. a) Tamin’ny fomba inona avy no nanomezan’i Nehemia tatitra tsara momba ny tenany ho an’Andriamanitra? b) Inona no fiangaviana namaranan’i Nehemia ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany?
2 Ny lehilahy iray nanome tatitra tsara momba ny tenany ho an’Andriamanitra dia i Nehemia, mpitondra kapoakan’ny Mpanjaka persiana Artaksersesy (Longimanus). (Nehemia 2:1). Tonga governoran’ny Jiosy i Nehemia, ka nanorina indray ny mandan’i Jerosalema teo anoloan’ny fahavalo sy ny loza. Noho ny zotom-pony ho an’ny fanompoam-pivavahana marina, dia nampihariny ny Lalàn’Andriamanitra ary nanehoany fiahiana ireo nampahorina. (Nehemia 5:14-19). Nampirisika ny Levita i Nehemia mba hanadio ny tenany tsy tapaka sy hiambina teo am-bavahady ary hanamasina ny andro Sabata. Noho izany, dia afaka nivavaka toy izao izy: “Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ny famindramponao.” Nety koa ny namaranan’i Nehemia ny bokiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra tamin’ny fiangaviana hoe: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.” — Nehemia 13:22, 31.
3. a) Ahoana no hilazalazanao ny olona iray manao soa? b) Mety hahatonga antsika hametraka fanontaniana inona avy amin’ny tenantsika ny fisaintsainana ny amin’ny lalana narahin’i Nehemia?
3 Ny olona iray manao soa dia manana hatsaran-toetra ka manatontosa asa marina handraisan’ny hafa fahasoavana. Lehilahy toy izany i Nehemia. Izy dia nanana fahatahorana feno fanajana ara-pivavahana an’Andriamanitra, sy zotom-po lehibe ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Ambonin’izany, izy dia velom-pisaorana noho ireo tombontsoa nananany teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ary nanome tatitra tsara dia tsara momba ny tenany ho an’i Jehovah. Ny fisaintsainana ny lalana narahiny dia mety hahatonga antsika hanontany tena hoe: ‘Ahoana no fiheverako ireo tombontsoa sy andraikitra nomen’Andriamanitra ahy? Tatitra karazany inona momba ny tenako no omeko an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy?’
Mahatonga antsika hampamoahina ny fahalalana
4. Inona no fanirahana nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy, ary inona no nataon’ireo izay “nirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay”?
4 Nanome izao fanirahana izao an’ireo mpanara-dia azy, i Jesosy: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidi[ak]o anareo”. (Matio 28:19, 20). Ny fanaovana mpianatra olona dia tamin’ny fampianarana azy ireny. Ireo izay nampianarina toy izany ka “nirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay” dia natao batisa tahaka an’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW; Marka 1:9-11). Ny fanirian’izy ireo hitandrina izay rehetra nandidiany dia avy tamin’ny fo. Tonga tamin’ny fanoloran-tena izy ireo tamin’ny fandraisana sy ny fampiharana ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. — Jaona 17:3, NW.
5, 6. Ahoana no tokony ho fahazoantsika ny Jakoba 4:17? Hazavao amin’ny ohatra ny fampiharana azy io.
5 Arakaraka ny maha-lalina ny fahalalantsika ny Soratra Masina no maha-tsara kokoa ny fototra iorenan’ny finoantsika. Amin’izay fotoana izay ihany, no mahatonga antsika hampamoahin’Andriamanitra bebe kokoa. Hoy ny Jakoba 4:17: “Izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.” Io fanambarana io dia miharihary fa fanatsoahan-kevitra avy tamin’izay vao avy nolazain’i Jakoba mpianatra momba ny fireharehana fa tsy ny fianteherana tanteraka amin’Andriamanitra. Raha fantatry ny olona iray fa tsy afaka manatontosa zavatra mateza na inona na inona izy raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah, kanefa tsy manao asa mifanaraka amin’izany ny tenany, izany dia fahotana. Ireo tenin’i Jakoba ireo anefa dia azo ampiharina koa amin’ny fahotana noho ny tsy fanaovana zavatra iray. Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ny ondry sy osy, ohatra, dia nomelohina ny osy, tsy noho ny asa ratsy, fa noho ny tsy nanampiany an’ireo rahalahin’i Kristy. — Matio 25:41-46.
6 Nisy lehilahy iray nitarihan’ny Vavolombelon’i Jehovah fampianarana Baiboly tsy nanao fandrosoana ara-panahy firy, noho izy toa tsy niala tamin’ny sigara na dia fantany aza fa tokony hanao izany izy. Nangataka azy hamaky ny Jakoba 4:17 ny loholona iray. Rehefa avy nanazava ny hevitr’ilay andinin-teny ilay loholona dia hoy izy: “Na dia mbola tsy vita batisa aza ianao, dia ampamoahina ary tsy maintsy mandray andraikitra feno noho ny fanapahan-kevitrao ianao.” Soa ihany fa nanaiky tsara ilay lehilahy, ka tsy nifoka sigara intsony, ary tsy ela dia nahafeno fepetra mba hatao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra.
Ampamoahina noho ny fanompoantsika
7. Inona no fomba iray hampisehoana ny fankasitrahantsika “ny fahalalana an’Andriamanitra”?
7 Ny faniriantsika avy amin’ny fo dia tokony ho ny hampifaly ny Mpamorona antsika. Ny fomba iray hampisehoana ny fankasitrahantsika “ny fahalalana an’Andriamanitra” dia ny fanatontosana ilay fanirahana hanao mpianatr’i Jesosy Kristy Zanany. Izany koa dia fomba iray hampisehoana ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. (Ohabolana 2:1-5; Matio 22:35-40, NW ). Eny, ny fahalalantsika an’Andriamanitra dia mahatonga antsika hampamoahina eo anatrehany, ary mila mihevitra an’ireo mpiara-belona amintsika ho mety ho tonga mpianatra, isika.
8. Nahoana isika no afaka milaza fa i Paoly dia nahatsapa hoe hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenany noho ny fanompoany?
8 Fantatry ny apostoly Paoly fa ny fanekena amin’ny fo rehetra sy ny fankatoavana ny vaovao tsara dia mahatonga famonjena, fa ny fandavana an’izany kosa, dia mitondra fandringanana. (2 Tesaloniana 1:6-8). Noho izany, dia tsapany fa hampamoahina eo anatrehan’i Jehovah izy noho ny fanompoany. Raha ny marina, i Paoly sy ireo namany dia nankasitraka aoka izany ny fanompoany, hany ka nohalaviriny tamim-pitandremana na dia izay nety hiheveran’ny olona aza fa nanao izany mba hahazoam-bola izy. Ambonin’izany, ny fon’i Paoly dia nanosika azy hiteny hoe: “Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria, tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” — 1 Korintiana 9:11-16.
9. Trosa lehibe inona no tokony hefain’ny Kristiana rehetra?
9 Koa satria isika mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena, dia ‘tsy maintsy mitory ny filazantsara’ isika. Asa anirahana antsika ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanaiky an’io andraikitra io isika fony nanolo-tena ho an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Lioka 9:23, 24.) Ankoatra izany, dia manana trosa tokony hefaina isika. Hoy i Paoly: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; koa raha izaho, dia mazoto hitory ny [vaovao tsara, NW ] aminareo izay any Roma koa aho.” (Romana 1:14, 15). Mpitrosa i Paoly, satria fantany fa adidiny ny hitory mba handrenesan’ny olona ny vaovao tsara ka ho voavonjy. (1 Timoty 1:12-16; 2:3, 4). Noho izany, dia nikely aina izy mba hanatontosana ny asa nanirahana azy, sy mba hanefana ilay trosany tamin’ny mpiara-belona. Amin’ny maha-Kristiana antsika, isika koa dia manana izany trosa izany hefaina. Ny fitoriana momba ilay Fanjakana dia fomba lehibe koa ampisehoantsika fitiavana an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny mpiara-belona amintsika. — Lioka 10:25-28.
10. Inona no nataon’ny sasany mba hanitarana ny fanompoany?
10 Fomba iray hanomezana tatitra azon’Andriamanitra ekena ny fampiasana ny fahaizantsika mba hanitarana ny fanompoantsika. Indro misy ohatra: Nisy fahatongavan’olona maro be avy amin’ny firenen-tsamihafa tany Grande-Bretagne, tao anatin’ireo taona faramparany. Mba hanatratrarana ireny olona ireny amin’ny vaovao tsara, dia mianatra fiteny samy hafa ireo mpisava lalana (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) maherin’ny 800 sy Vavolombelona an-jatony maro hafa. Izany dia nanome fandrisihana tsara dia tsara ho an’ny fanompoana. Hoy ny mpisava lalana iray nampianatra teny sinoa ny kilasy iray: “Tsy mba noeritreretiko mihitsy ny hoe indray andro any aho dia hampianatra ny fiteniko amina Vavolombelona hafa mba hizaran’izy ireo amin’izany fomba izany ny fahamarinana amin’ny hafa. Ahitana fahafaham-po erỳ ilay izy!” Ho afaka hanitatra ny fanompoanao amin’ny fomba mitovy amin’izany ve ianao?
11. Inona no vokatry ny fanaovan’ny Kristiana iray fanambarana tsy ara-potoana?
11 Azo inoana fa ny tsirairay avy amintsika dia hanao izay azony atao mba hamonjena olona iray madiva ho faty an-drano. Ireo mpanompon’i Jehovah dia dodona tahaka izany koa hampiasa ny fahaizany mba hanaovana fanambarana isaky ny misy fahafahana. Tsy ela izay, ny Vavolombelona iray dia nipetraka teo anilan’ny vehivavy iray tao anatin’ny aotobisy ka niresaka taminy momba ny Soratra Masina. Nientam-po tamin’izay reny ilay vehivavy ka nametraka fanontaniana maro. Rehefa nadiva hiala ny aotobisy ilay Vavolombelona, dia niangavy azy kosa ilay vehivavy mba ho tonga tany an-tranony, satria mbola nanana fanontaniana maro izy. Nanaiky ilay Vavolombelona. Ny fiafarany? Natomboka ny fianarana Baiboly, ary enim-bolana tatỳ aoriana dia tonga mpitory ilay Fanjakana tsy vita batisa ilay vehivavy. Tsy ela izy dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano enina, an’ny tenany manokana. Valisoa mampientam-po re izany, noho ny fampiasana ny fahaizan’ny tena ho amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana!
12. Ahoana no azo ampiasana amin’ny fomba mandaitra ny fahaizantsika amin’ny maha-minisitra antsika, eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha?
12 Ny fahaizantsika amin’ny maha-minisitra antsika, dia azo ampiasaina amin’ny fomba mandaitra eny amin’ny saha amin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra sahala amin’ilay boky 192 pejy hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tamin’ny Aprily 1996, ny Komitin’ny Fanoratana an’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaiky ny fanontana ny boky Fahalalana tamin’ny fiteny maherin’ny 140, ary hatramin’izay dia boky 30 500 000 tamin’izy io no efa natao pirinty tamin’ny fiteny 111. Nosoratana io boky io ho fikendrena ny hanampy ireo mpianatra Baiboly mba hahazo fahalalana ampy momba ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikasany ka hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Koa satria tsy hitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano amina mpianatra iray ihany mandritra ny taona maro ireo mpitory ilay Fanjakana, izy ireo dia afaka mitarika fampianarana amin’olona maro kokoa, na mampitombo ny fandraisany anjara amin’ny fitoriana isan-trano sy amin’ny endri-panompoana hafa. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20, 21). Noho ny fahafantarany fa azon’Andriamanitra ampamoahina izy ireo, dia misarika ny saina ho amin’ny fampitandreman’Andriamanitra izy ireo. (Ezekiela 33:7-9). Ny zava-kendreny lehibe indrindra anefa dia ny hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ary ny hanampy olona faran’izay betsaka hianatra momba ny vaovao tsara ao anatin’ny fotoana fohy mbola tavela ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.
Fanomezan’ny fianakaviana tatitra tsara dia tsara
13. Nahoana no tokony hanana fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly tsy tapaka ireo fianakaviana tia an’Andriamanitra?
13 Ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny isam-batan’olona sy ny isam-pianakaviana izay manaiky ny Kristianisma marina, ka noho izany dia tokony “hanatratra ny fahamatorana”, ary ho tonga ‘miorina tsara amin’ny finoana’ izy ireo. (Hebreo 6:1-3, NW; 1 Petera 5:8, 9). Ohatra, ireo nianatra tamin’ny boky Fahalalana ka vita batisa, dia mila mameno ny fahalalany ny Soratra Masina amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana, ary koa amin’ny famakiana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana hafa. Ireo fianakaviana tia an’Andriamanitra dia tokony hanana fianaram-pianakaviana tsy tapaka koa, satria izany no fomba lehibe ‘hiambenana, hitoerana tsara amin’ny finoana, hahafahana hitomban-dahy, haherezana’. (1 Korintiana 16:13). Raha lohan’ny ankohonana iray ianao, dia ampamoahina indrindra ianao eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa voafahana tsara ara-panahy ny fianakavianao. Toy ny andraisan’ny sakafo ara-nofo mahavelona anjara amin’ny fahasalamana ara-batana, no ilana sakafo ara-panahy tondraka sy tsy tapaka, raha tianao sy ny fianakavianao ny hitoetra “ho salama amin’ny finoana”. — Titosy 1:13, fanamarihana ambany pejy.
14. Inona no vokatry ny fanambarana nataon’ny zazavavy isiraelita iray nampianarina tsara?
14 Raha misy ankizy ao amin’ny ankohonanao, Andriamanitra dia hilaza hoe tsara ny tatitra momba anao noho ny fanomezanao azy ireo fampianarana ara-panahy mahasoa. Handraisan’izy ireo soa izany fampianarana izany, dia tahaka ny tamin’ilay zazavavy kely isiraelita izay nentin’ny Syriana ho babo tamin’ny andron’i Elisa, mpaminanin’Andriamanitra. Izy io dia tonga mpanompon’ny vadin’i Namàna, lehilahy boka komandin’ny miaramila syriana. Na dia mbola kely aza ilay zazavavy, dia nilaza tamin’ny tompovaviny hoe: “Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy.” Noho io fanambarana nataony io, dia nandeha tany amin’ny Isiraely i Namàna, ary tamin’ny farany dia nankato ny baikon’i Elisa mba handro impito tao amin’ny Ony Jordana, ka dia voadio tamin’ny habokana. Ambonin’izany, dia tonga mpivavaka tamin’i Jehovah i Namàna. Tsy maintsy ho nampientam-po toy inona an’io zazavavy kely io moa izany! — 2 Mpanjaka 5:1-3, 13-19.
15. Nahoana no zava-dehibe ny anomezan’ny ray aman-dreny fampiofanana ara-panahy tsara dia tsara an’ireo zanany? Hazavao amin’ny ohatra.
15 Tsy mora ny mitaiza zanaka mba hatahotra an’Andriamanitra ao amin’itỳ tontolo tsy manana fari-pitondran-tena sady mipetraka eo amin’i Satana itỳ. (1 Jaona 5:19). Hatry ny fony vao zaza anefa i Timoty, dia nampianarin’i Loisa renibeny sy i Eonika reniny, ny Soratra Masina tamim-pahombiazana. (2 Timoty 1:5; 3:14, 15). Ny fiarahanao mianatra ny Baiboly amin’ny zanakao, sy ny fitondranao azy tsy tapaka any amin’ireo fivoriana kristiana ary atỳ aoriana, dia ny fitondranao azy hiaraka aminao eny amin’ny fanompoana, dia samy anisan’ny endrika fampiofanana tsy maintsy ampamoahana anao eo anatrehan’Andriamanitra. Ny Kristiana iray any Pays de Galles, izay eo amin’ny faha-85 taonany ankehitriny, dia mahatsiaro fa tany am-piandohan’ireo taona 1920, ny rainy dia nitondra azy niaraka taminy fony izy nandeha an-tongotra folo kilaometatra namakivaky tendrombohitra (20 kilaometatra nandroso sy niverina) mba hizara taratasy mivalona ara-baiboly tamin’ireo mponina tao amin’ny lohasaha nanaraka. “Nandritra ireny fitsangantsanganana ireny no nampidiran’ny raiko tsikelikely ny fahamarinana tato am-poko”, hoy izy velom-pankasitrahana.
Ampamoahina ireo loholona — Amin’ny fomba ahoana?
16, 17. a) Tombontsoa inona avy no nananan’ireo loholona matotra ara-panahy teo amin’ny Isiraely fahiny? b) Raha oharina amin’ny tarehin-javatra nisy ny Isiraely fahiny, nahoana no be kokoa no takina amin’ireo loholona kristiana amin’izao andro izao?
16 “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy”, hoy i Solomona lehilahy hendry. (Ohabolana 16:31). Tsy ny taona ara-batana fotsiny anefa no mahatonga ny lehilahy iray ho vonona hiantsoroka andraikitra ao amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo loholona matotra ara-panahy teo amin’ny Isiraely fahiny dia mpitsara sady nanam-pahefana hampihatra ny rariny sy hitandro ny fihavanana, ny filaminana ary ny fahasalamana ara-panahy. (Deoteronomia 16:18-20). Na dia marina koa aza izany raha ny amin’ny kongregasiona kristiana, dia bebe kokoa no takina amin’ireo loholona, arakaraka ny anatonan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. Nahoana?
17 Ny Isiraelita dia ‘firenena voafidy’ izay nafahan’Andriamanitra avy tany Egypta fahiny. Hatramin’ny nandraisan’izy ireo ny Lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy, ilay mpanalalana teo amin’izy ireo, dia teraka tao anatin’ny firenena iray vita fanoloran-tena ary nahafantatra tsara ireo fitsipik’i Jehovah ny taranak’izy ireo. (Deoteronomia 7:6, 11). Kanefa, tsy misy olona na iza na iza teraka tao anatin’ny firenena iray vita fanoloran-tena toy izany amin’izao andro izao, ary somary vitsy ihany ireo izay beazina ao amin’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra ka mahafantatra tsara ny fahamarinana araka ny Soratra Masina. Ireo izay nanomboka vao haingana ‘nandeha araka ny fahamarinana’ indrindra no mety hila toromarika ny amin’ny fomba hiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina. (3 Jaona 4). Andraikitra toy inona moa, araka izany, no mipetraka eo an-tsorok’ireo loholona mahatoky, rehefa ‘mitana ny mariky ny teny tsy misy kilema’ izy ireo, sy manampy ny vahoakan’i Jehovah! — 2 Timoty 1:13, 14.
18. Tsy maintsy vonona hanome karazana fanampiana inona ireo loholon’ny kongregasiona, ary nahoana?
18 Mety ho tafintohina ka hianjera ny zazakely iray miana-mamindra. Mahatsiaro ho tsy matoky tena izy ka mila fanampiana sy fanomezan-toky avy amin’ny ray aman-dreniny. Mety ho tafintohina na hianjera toy izany koa amin’ny lafiny ara-panahy ny olona iray vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah. Na dia ny apostoly Paoly aza dia nahita fa nilaina ny niady mafy mba hanaovana izay mahitsy sy tsara teo imason’Andriamanitra. (Romana 7:21-25). Ireo mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra dia mila manome fanampiana feno fitiavana an’ireo Kristiana izay naniasia kanefa mibebaka marina. Rehefa nitsidika vehivavy vita fanoloran-tena iray izay nanao fahadisoana lehibe ireo loholona, dia hoy io vehivavy io teo anatrehan’ny vadiny vita fanoloran-tena: “Fantatro fa handroaka ahy ianareo!” Nirotsa-dranomaso anefa izy rehefa nilazana fa ireo loholona dia naniry hahafantatra hoe inona no fanampiana nilaina mba hamerenana tamin’ny laoniny ny fahasalamana ara-panahin’ilay fianakaviana. Noho ny fahafantaran’ny loholona fa tsy maintsy ampamoahina ny tenany, dia faly izy manampy ny mpiray finoana mibebaka iray. — Hebreo 13:17.
Aza mitsahatra manome tatitra tsara dia tsara
19. Ahoana no azontsika tsy itsaharana hanome tatitra tsara dia tsara momba ny tenantsika ho an’Andriamanitra?
19 Ireo loholon’ny kongregasiona sy ireo mpanompon’Andriamanitra hafa rehetra dia mila ny tsy mitsahatra manome tatitra tsara dia tsara momba ny tenan’izy ireo ho an’i Jehovah. Azo atao izany raha mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy manao ny sitrapony isika. (Ohabolana 3:5, 6; Romana 12:1, 2, 9). Maniry hanao soa isika, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana. (Galatiana 6:10). Kanefa, mbola be ny vokatra, fa vitsy hatrany ny mpiasa. (Matio 9:38). Koa aoka isika hanao soa amin’ny hafa, amin’ny fanambarana amin-jotom-po ny hafatra momba ilay Fanjakana. I Jehovah dia hilaza hoe tsara ny tatitra momba antsika, raha miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika, manao ny sitrapony ary manambara amim-pahatokiana ny vaovao tsara.
20. Inona no ianarantsika avy amin’ny fandinihana ny lalana narahin’i Nehemia?
20 Koa aoka àry isika hanohy hahefa be amin’ny asan’ny Tompo. (1 Korintiana 15:58). Ary tsara ny hiheverantsika an’i Nehemia izay nanorina indray ny mandan’i Jerosalema, sy nampihatra ny Lalàn’Andriamanitra, ary nampandroso tamin-jotom-po ny fanompoam-pivavahana marina. Nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy mba hahatsiaro azy noho ny soa nataony. Enga anie ianao ho voaporofo fa mampiseho fifikirana toy izany amin’i Jehovah, ary enga anie izy hilaza hoe tsara ny tatitra momba anao.
Inona no Valin-teninao?
◻ Inona no ohatra navelan’i Nehemia?
◻ Nahoana ny fahalalana no mahatonga antsika hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no azontsika anomezana tatitra azon’i Jehovah ekena eo amin’ny fanompoantsika?
◻ Inona no azon’ny fianakaviana atao mba hanomezana tatitra tsara dia tsara ho an’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ampamoahana an’ireo loholona kristiana?
[Sary, pejy 18]
Tahaka an’i Paoly, isika dia afaka manome tatitra tsara dia tsara ho an’Andriamanitra amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika
[Sary, pejy 19]
Matanjaka amin’ny finoana tahaka ilay zazavavy kely isiraelita tao an-tranon’i Namàna ve ny zanakao?