FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/10 p. 3-4
  • Tsy Maintsy Manonofy Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Maintsy Manonofy Isika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tontolon’ny nofy
  • Hafatra avy Amin’Andriamanitra ve ny Nofy?
    Mifohaza!—2001
  • Nofy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Nofy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fahazoana Torimaso Ampy
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/10 p. 3-4

Tsy Maintsy Manonofy Isika

MANONOFY ve ianao? Tsy ratsy ny ilazanao fa manao izany ianao, satria samy manonofy avokoa isika rehetra rehefa matory, na dia mety hilaza aza isika fa tsy manonofy. Notombanana fa maherin’ny 95 isan-jaton’ireo nofy rehetra dia tsy tadidy. Iza amin’ireny no tadidinao? Raha ny marina, ireo tadidintsika mazàna dia izay vao avy nonofisintsika taloha kelin’ny nifohazana.

Ireo mpamotopototra momba ny nofy dia nahita fa ny torimaso dia fisehoan-javatra mandeha tsikelikely, izay lalina indrindra amin’ireo ora vitsy voalohany, ary avy eo dia mihamaivana kokoa atỳ aoriana. Mitranga indrindra ny nofy mandritra ilay fe-potoana misy fihetsehan’ny maso haingana, antsoina hoe torimaso misy MOR (Mouvements Oculaires Rapides). Izy io dia mifandimby amin’ny torimaso tsy misy MOR. Maharitra tokony ho 90 minitra ny tsingerina tsirairay ahitana torimaso tsy misy MOR/misy MOR, ary ireny tsingerina ireny dia miverimberina indimy na inenina mandritra ny alina, ka ilay farany dia mitranga aloha kelin’ny hifohazantsika.

Fahadisoana ny mieritreritra fa kely dia kely ny fiasan’ny atidoha mandritra ny torimaso. Hita fa ny atidoha dia miasa kokoa ao anatin’ny nofy noho ny amin’ny fotoana sasany mampifoha antsika, afa-tsy ireo neronina sasany ao amin’ny lohan-tsokandamosina izay mifandray amin’ny fifantohana sy ny fitadidiana. Toa miala sasatra izy ireo mandritra ny torimaso misy MOR. Amin’ny ankapobeny anefa, ireo selam-pitatitra amin’ny atidoha dia tsy mitsahatra mifampita filazana eo amin’izy samy izy.

Ny atidohantsika dia tapany be kojakojany mahazendana amin’ny vatana, manana foto-javatra an’arivony tapitrisa maro izay mandefa famantarana sahabo ho zato ka hatramin’ny roanjato na telonjato isan-tsegondra. Maro kokoa ny foto-javatra ao anatin’ny atidohan’olombelona iray, noho ny isan’ny olona eto an-tany. Misy mpanao fikarohana manombana fa izy io dia mirakitra foto-javatra roa alina tapitrisa ka hatramin’ny dimy alina tapitrisa mahery. Ny maha-be kojakojany azy io dia manamafy izay nolazain’i Davida mpanoratra ny Baiboly, momba ny vatan’olombelona: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao”. — Salamo 139:14.

Ny tontolon’ny nofy

Mandritra ireo ora mampifoha antsika, dia mampita filazana sy sary tsy an-kijanona any amin’ny atidoha ireo vavahadin-tsaina dimy ananantsika, kanefa tsy izany no izy mandritra ny torimaso. Mandefa sary avy ao anatin’ny tenany ihany ny atidoha, tsy misy fidiran’ny filazana avy etỳ ivelany. Noho izany, dia toy ny fahitan-javatra tsy tena izy indraindray izay hitantsika ao amin’ny nofy sy ireo fanaovan-javatra iainantsika amin’izany. Izany dia mahatonga antsika ho afaka hanao zavatra izay mandika ny lalàna voajanahary, toy ny fanidinana sahala amin’i Peter Pan, na ny fianjerana avy eny amin’ny tevana iray kanefa tsy maratra. Mety hivadika ny fotoana, ka heverina ho toy ny ankehitriny, ny lasa. Na, raha manandrana mandositra isika, dia toa tsy afaka mibaiko ny fihetsitsika isika — tsy mety mandeha ny tongotsika. Ireo zavatra nanaitra ny saina mafy na zavatra niainana lehibe mety ho hitantsika mandritra ireo ora mampifoha antsika dia mazava ho azy fa afaka manan-kery eo amin’ny nofintsika. Maro amin’ireo niaina zava-nahatsiravina tamin’ny ady no tsy afaka manadino azy ireny mora foana, toy ny tsy ahafahan’ny sasany manadino ilay fihetseham-po tsapany tamin’izy notafihin’ny mpanao heloka bevava iray. Ny zavatra niainana mampikorontan-tsaina toy izany fony isika nifoha, dia mety hipoitra ao amin’ny nofintsika ka mahatonga nofy ratsy. Afaka mipoitra ao anatin’ny nofintsika, ireo zavatra mahazatra ao an-tsaintsika rehefa handeha hatory isika.

Indraindray, rehefa miezaka mandamina olana isika, dia tonga ao amintsika ny vahaolana mandritra ny torimaso. Izay dia mety hampiseho fa tsy voaforon’ny nofy avokoa akory ny torimaso manontolo. Fieritreretana ny tapany amin’izy io.

Manamarika toy izao ny boky iray momba ny nofy sy ny atidoha: “Ny endriky ny fiasan’ny saina mahazatra indrindra mandritra ny torimaso dia tsy ny nofy, fa ny fieritreretana. Ny fieritreretana ao anatin’ny torimaso dia tsy arahin’ny fahitan-javatra tsy tena izy sady tsy hafahafa. Mirona kokoa ho mahazatra ilay izy, matetika manahy ny amin’ireo fisehoan-javatra tena nisy omaly na hisy rahampitso, ary mazàna tsotra sy tsy misy famoronan-javatra ary mamerimberin-javatra.”

Misy olona mihevitra fa mitondra hafatra manokana ho azy ireo ny foto-kevitra ao amin’ny nofiny. Mba hahazoana fanazavana momba ny hevitr’ireo nofy, dia mitana sombin-taratasy eo akaikin’ny fandrianany izy mba hahafahany handraikitra an-tsoratra azy ireny rehefa mifoha izy. Hoy ny The Dream Game, nataon’i Ann Faraday, momba ny ilana ireo boky izay miezaka manome heviny an’ireo famantarana ao amin’ny nofy: “Ireo boky momba ny nofy izay izahanao ny hevitr’ireo foto-kevitra sy famantarana ao amin’ny nofy dia samy tsy misy ilana azy na nentim-paharazana izy ireny na miorina amin’ireo tsangan-kevitry ny psikolojia maoderina.”

Koa satria toa avy ao anatin’ny atidoha indrindra no iandohan’ireo nofy, dia tsy eken’ny saina ny fieritreretana fa manana hafatra manokana ho antsika izy ireny. Isika dia tokony hihevitra azy ireny ho toy ny fiasan’ny atidoha ara-dalàna, izay manampy mba hihazonana azy io ho salama.

Ahoana anefa ny amin’ireo izay milaza fa nanonofy ny amin’ny hahafatesan’ny havana iray na namana iray izy, ary ny ampitson’iny dia nandre fa maty ilay olona? Moa ve izany tsy milaza fa afaka manambara mialoha ny hoavy ny nofy? Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika izay ao ambadik’ireo nofy ara-paminaniana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara