FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/10 p. 4-7
  • Moa ve ny Nofy Afaka Manambara Mialoha ny Hoavy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve ny Nofy Afaka Manambara Mialoha ny Hoavy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nofy izay tsy avy amin’Andriamanitra
  • Tsapao ireo fihamboana
  • Nofy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hafatra avy Amin’Andriamanitra ve ny Nofy?
    Mifohaza!—2001
  • Nofy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Nofy avy Amin’Andriamanitra
    Mifohaza!—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/10 p. 4-7

Moa ve ny Nofy Afaka Manambara Mialoha ny Hoavy?

EFA hatramin’ny fahagola ny olombelona no liana fatratra tamin’ny nofy. Ireo Egyptiana dia nanoratra boky feno tsipirian-javatra momba ny filazana ny hevitry ny nofy, ary ireo Babyloniana dia nanana ireo mpilaza hevitry ny nofy teo aminy. Teo amin’ireo Grika dia fanao ny nampatory ny olona marary teo amin’ireo toerana fankamasinana an’i Asclepius, mba hahazoana toromarika mahasitrana ao anatin’ny nofiny. Tamin’ny taonjato faharoa amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia namoaka boky misy ny filazany ny hevitr’ireo famantarana amin’ny nofy, i Artemidorus. Boky maro mitovy amin’izany navoaka hatramin’izay no nifototra tamin’io boky io. Mandraka androany, dia atao ny ezaka mba hilazana ny hevitry ny nofy, kanefa moa ve izy ireny manome fahatakarana hevi-dalina momba ireo fisehoan-javatra amin’ny hoavy?

Mba hananan’izy ireny heviny momba ny hoavy, dia tsy maintsy iharan’ny fitaoman’ny hery ambony kokoa iray izy ireny. Ao amin’ny Baiboly isika dia mahita ohatra maro nanomezan’Andriamanitra io hery io indrindra. Nanome nofy ara-paminaniana an’ireo mpanompony izy, ary koa ho an’ny sasany izay tsy nivavaka taminy. Raha ny marina, dia hoy ny Joba 33:14-16: “Fanao iray itenenan’Andriamanitra (...) ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, dia manokatra ny sofin’ny olona Izy”.

Nanao izany Andriamanitra tamin’i Faraon’i Egypta tamin’ny andron’i Josefa izay niaina 1 700 taona mahery talohan’ny Fanisan-taona Iraisana. Ny nofin’i Farao dia hita ao amin’ny Genesisy 41:1-7, ary eo amin’ny andininy faha-25 ka hatramin’ny faha-32, i Josefa dia nilaza ny hevitr’izany ho nanambara mialoha fito taona “zina indrindra eran’ny tany Egypta rehetra”, arahin’ny fito taona mosarena. Nanazava toy izao tamin’i Farao i Josefa: “Izay efa hataon’Andriamanitra no asehony amin’i Farao.” (Genesisy 41:28). Nanambara mialoha izay tena nitranga tokoa, ilay nofy.

Niaina zavatra nitovy tamin’izany ny mpanjakan’ny Babyloniana malaza iray. Nanonofy zavatra izay nampikorontan-tsaina azy mafy i Nebokadnezara, kanefa dia tsy tsaroany ilay izy. Koa niantso ireo mpanana ody teo aminy izy mba hampahafantatra aminy ilay nofy sy ny hevitr’izy io. Fangatahana tsy azon’izy ireo notanterahina izany. — Daniela 2:1-11.

Koa satria Andriamanitra no nanome ilay nofy ho an’ny mpanjaka, dia nataony izay hahafahan’i Daniela mpaminany hanambara ilay nofy sy ny hevitr’izy io. Hoy ny Daniela 2:19: “Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana amin’ny alina izany zava-miafina izany”. Niaiky i Daniela fa avy tamin’Andriamanitra io nofy io: “Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ny mpanjaka; kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” — Daniela 2:27, 28.

Indraindray Andriamanitra dia nanome toromarika ny vahoakany tamin’ny alalan’ny nofy, ary tamin’ny fotoana hafa izy dia nanome toky ny amin’ny fankasitrahany na nanampy azy ireo hahatakatra ny fomba nanampiany azy ireo. Tamin’i Jakoba, dia nampiseho ny fankasitrahany Andriamanitra tamin’ny alalan’ny nofy iray. — Genesisy 48:3, 4.

Rehefa hitan’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, fa bevohoka i Maria, dia nanapa-kevitra ny hisaraka taminy izy. Tamin’izay izy dia naharay toromarika tao amin’ny nofy mba tsy hanao izany. Hoy ny Matio 1:20: “Raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina”. Tatỳ aoriana izy dia naharay fampitandremana tao amin’ny nofy: “Nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta”. — Matio 2:13.

Nofy izay tsy avy amin’Andriamanitra

Koa satria fahita teo amin’ireo izay tsy vahoakan’Andriamanitra ny filazana ny hevitry ny nofy, izany dia mampiseho fa ny nofy amin’ny ankapobeny dia tsy azo heverina ho mpanambara ny hoavy azo ianteherana. Tamin’ny andron’i Jeremia mpaminanin’Andriamanitra, dia nisy mpaminany sandoka nilaza hoe: “Nanonofy aho, nanonofy aho.” (Jeremia 23:25). Ny fikasan’izy ireo dia ny hamitaka ny olona mba hihevitra fa Andriamanitra no niteny tamin’ny alalan’izy ireo. Nahazo tsindrimandry hiteny toy izao momba ireny mpanonofy ireny i Jeremia: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo. Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ny anarako (...), hoy Jehovah.” — Jeremia 29:8, 9.

Koa satria ‘mpanao fankatovana’ ireny mpaminany sandoka ireny, ny nofiny dia nety ho niharan’ny herin’ireo fanahy ratsy mba hamitahana ny olona. Izany zavatra izany ihany no voalaza ao amin’ny Zakaria 10:2 manao hoe: “Ny sampy niteny zava-poana, ary ny mpanao fankatovana nahita lainga ka nilaza nofy lainga”.

Ny Devoly no mpamitaka lehibe indrindra, ka hatramin’ny an’arivony taona maro izy dia nampiasa ireo mpitondra fivavahana mba hisandohana fa Andriamanitra no niteny tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy, tsy misy hafa amin’ireo mpaminany sandoka tamin’ny andron’i Jeremia sy i Zakaria. Mahakasika ireny olona ireny, dia nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany i Joda, mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry: “Misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.” Ireny olona ireny, hoy izy, dia azo lazaina hoe “manonofy”. — Joda 4, 8.

Tsapao ireo fihamboana

Mety hihambo ny olona iray hoe niteny taminy tao amin’ny nofy Andriamanitra, na hita fa marina ny nofiny momba ireo fisehoan-javatra amin’ny hoavy. Kanefa tsy antony ampy izany mba hinoana azy ka hanarahana azy an-jambany. Mariho ny toromarika nosoratana ho an’ireo Isiraelita, hita ao amin’ny Deoteronomia 13:2-4, 6: “Raha tàhiny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, — na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany (...). Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty”. Navelan’Andriamanitra hanambara lainga izany olona izany mba ho fitsapana ny tsy fivadihan’ny vahoakany.

Tsy hino an-jambany ireo fihamboan’ireo mpanonofy mahay mamabo olona isika, fa ny lalam-pahendrena kosa dia ny hitsapantsika ny fihamboan’izy ireo mba tsy ho voafitak’ilay mpamitaka lehibe indrindra tsy hita maso izay “mamitaka izao tontolo izao”, isika. (Apokalypsy 12:9). Ahoana anefa no ahafahana mitsapa azy ireny amin’ny fomba azo ianteherana?

Ny Tenin’Andriamanitra voasoratra no mpitarika nomen’Andriamanitra antsika ho amin’ny fahamarinana. Hoy i Jesosy Kristy momba azy io: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Koa anarina toy izao isika ao amin’ny 1 Jaona 4:1 (NW ): “Ry malala, aza mino ny fitenenana ara-tsindrimandry rehetra, fa tsapao ny fitenenana ara-tsindrimandry hahitana raha avy amin’Andriamanitra izy ireny na tsia, satria maro ireo mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” Rehefa ampitahaina amim-pitandremana amin’ny Baiboly ireny fihamboany sy filozofiany ary asa ataony ireny dia hifanohitra amin’izy io. Ny Tenin’Andriamanitra no fahefana raha ny amin’ny atao hoe fahamarinana.

Moa ve ilay mpanonofy izay mihambo ho manana fahalalana manokana, raha ny marina, mampiasa fisikidianana na fanao misy spiritisma hafa? Raha izany no izy, dia melohin’ny Tenin’Andriamanitra izy. “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. — Deoteronomia 18:10-12.

Raha mihambo ho manana fanahy tsy mety maty ao anatiny izy, dia toheriny ny Tenin’Andriamanitra izay milaza mazava toy izao: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Manandra-tena ve izy ka mitaona ho amin’ny fanarahana azy manokana? Mampitandrina toy izao ny Matio 23:12: “Izay manandra-tena no haetry”. Ary mampitandrina ny Kristiana toy izao ny Asan’ny Apostoly 20:30: “Avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.”

Manohana ireo fanaovan-javatra feno herisetra ve izy? Manameloka azy ny Jakoba 3:17, 18 manao hoe: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.” Mitady fahefana na fitaomana ara-politika eo amin’izao tontolo izao ve izy? Miampanga azy mafy ny Tenin’Andriamanitra amin’ny filazana hoe: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Araka izany, dia mampibaribary izay diso ny Baiboly. — Jakoba 4:4.

Raha misy olona nanonofy ny amin’ny fahafatesan’ny mpianakavy iray, na ny namana iray, dia angamba noho izy nanahy ny amin’io olona io. Ny nety ho nahafatesan’ilay olona tamin’ilay alina nanofisana indrindra dia tsy manaporofo amin’izao fotsiny hoe nanambara zavatra mialoha ilay nofy. Isaky ny misy nofy iray karazan’izany toa tanteraka, dia misy an-jatony maro tsy tanteraka.

Na dia tena nampiasa nofy aza Andriamanitra tamin’ny lasa, mba hampiharihariana fisehoan-javatra ara-paminaniana sy mba hanomezana toromarika raha mbola teo am-panaovana azy ny Teniny voasoratra, dia tsy voatery hanao izany izy amin’izao andro izao. Io Teny voasoratra io dia mirakitra ireo toromarika rehetra avy amin’Andriamanitra izay ilain’ny olombelona amin’izao fotoana izao, ary ireo faminaniany dia mahakasika fisehoan-javatra hitranga arivo taona mahery amin’ny hoavy. (2 Timoty 3:16, 17). Koa afaka matoky isika fa ny nofintsika dia tsy filazana avy amin’Andriamanitra ny amin’ny fisehoan-javatra amin’ny hoavy, fa fiasan’ny atidoha tena ilaina mba hihazonana ny fahasalamantsika ara-tsaina.

[Sary, pejy 7]

Toy ny nanehoan’ny nofin’i Farao izay hitranga no ampahafantaran’ny Tenin’Andriamanitra ny hoavintsika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara