‘Famelomana ny Ankohonan’ny Tena’ — Fiatrehana ny Fihaikana any Amin’ireo Tany eo An-dalam-pandrosoana
“RAHA misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” Toy izany no nolazain’ny apostoly Paoly. (1 Timoty 5:8). Raha manjary mihasarotra hatrany ny mamelona fianakaviana any amin’ireo tany manankarena, dia mbola vao mainka aza fihaikana sarotra resena kokoa matetika ny fanaovana izany any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana.
Atỳ Afrika, ohatra, dia matetika toe-javatra mahazatra, fa tsy maningana, ny fahasahiranana ara-bola. Tsy misy firy ny asa ary rehefa misy izany, dia mety ho samy mila miasa ny mpivady mba hisy hohanina fotsiny. Mety ho tsy maintsy mandeha lavitra ireo loham-pianakaviana mba hitady fivelomana, ka mandao ny vady aman-janany irery mandritra ny volana maro — na aman-taonany. Mety ho sarotra koa ny mahita fonenana sahaza. Maro anaka ny fianakaviana afrikana maro; ireo toeram-ponenana, araka izany, dia mihatery, ary tsy misy ireo zavatra ilaina fototra. Manjaka matetika ny toe-piainana tsy mahasalama.
Ankoatra izany, ireo fanao eo an-toerana, ireo fomban-drazana naharitra ela, sy ireo fomba fihevitra be mpitia dia mety hifanohitra amin’ny toe-tsaina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Diniho ireo fihetsika sasany mahazatra momba ny fanambadiana sy ny ankizy. Mihevitra ny loham-pianakaviana sasany fa tsy manana andraikitra afa-tsy ny fandoavana ny hofan-trano sy ny saram-pianarana tsy maintsy aloa fotsiny izy ireo. Ny vadiny — ary indraindray aza ireo zanaka lehibe kokoa — no asaina manao izay hahazoana ireo zavatra fototra toy ny sakafo sy ny fitafiana.
Ho fanampin’izany, ny lehilahy manambady sasany dia manana ilay fihevitra hoe “ny volako dia ahy, fa ny volanao koa dia ahy”. Matetika izany dia mahatonga lonilony eo amin’ireo vehivavy manambady mampidi-bola. Nitaraina toy izao ny vehivavy iray tatsy Tanzanie: “Lany amin’ny fisotroana ny vola fa tsy aminay na amin’ny ankizy. Mandray anjara amin’ny asa izahay, na manao ny be dia be amin’izy io, nefa izy no maka ny vola rehetra, amin’ny filazana fa azy izany — fa izy no nahazo azy io.”
Mametraka ny Tenin’Andriamanitra alohan’ireo zavatra inoana mahazatra eo an-toerana na ny hevitra be mpitia anefa ny Kristiana. Manome fitarihan-dalana mahasoa ny Baiboly raha ny amin’ny fiahiana ny fianakavian’ny tena. Ohatra, lazainy fa “tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany”. (2 Korintiana 12:14). Noho izany, ireo lehilahy matahotra an’Andriamanitra izay afaka miasa dia tsy hamela, noho ny hakamoana, amin’ny vadiny na ny zanaka lehibe kokoa, ny fanaovana izay hahazoan’ny fianakaviana sakafo sy fitafiana; izany andraikitra izany dia mazava fa tsy maintsy iantsorohan’ny loham-pianakaviana. — 1 Korintiana 11:3.
Marina fa mety tsy ho ampy hisahanana ireo zavatra ilain’ny fianakaviany ny fidiram-bolan’ny lehilahy manambady iray. Raha mikarama ivelan’ny trano anefa ny vadiny, dia tsy hanana lonilony ny lehilahy kristiana. Hitondra azy toy ny ‘namana’ hajaina kosa izy. (Malakia 2:14). Araka izany, dia tsy haka tsy misy fiantrana ny vola nisasaran’ny vadiny izy ary tsy handanilany foana izany, tsy misy fiheverana firy ny fihetseham-pony. Mifanohitra amin’izany kosa, fa ‘hiara-mihevitra’ izy mivady, ka hanapaka ny fomba azo ampiasana tsara indrindra ny volan’izy ireo, ho tombontsoan’ny fianakaviana iray manontolo. (Ohabolana 13:10, NW ). Amin’ny toe-javatra azo anaovana izany aza, dia hanome fahalalahana sasany ny vadiny hitantana ny vola ny lehilahy manambady, toy ny nananan’ilay “vehivavy mahay” tamin’ny andron’ny Baiboly. (Ohabolana 31:10, fanamarihana ambany pejy, 11, 16). Mampandroso ny fahasambarana sy ny fahafaham-po tsapan’ny fianakaviana ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly amin’io raharaha io.
Fiatrehana ireo fihaikana amin’ny tsy fananana asa
Diniho anefa ny zava-manahirana ny amin’ny tsy fananana asa. Rehefa vitsy ny asa ary kely ny karama, dia mitady fivelomana lavitra ny tokantranony ny loham-pianakaviana afrikana maro — any amin’ireo toeram-pitrandrahana, any amin’ireo orinasa, any amin’ireo toeram-pambolena sy fiompiana, ary any amin’ireo fambolena midadasika. Raha toa ka ao anatin’izany tarehin-javatra izany ny lehilahy kristiana iray, dia tena mety hahita ny tenany ho tafasaraka amin’ireo mpiara-mivavaka aminy tokoa izy, ary tsy ho voaro amin’ny namana tena ratsy. (Ohabolana 18:1; 1 Korintiana 15:33). Na dia miezaka mafy misahana ny raharaha araka izay azony atao aza ny fianakaviany, dia azo inoana fa hitondra ny mafy izy ireo noho ny tsy fisian’ny ray ao an-tokantrano mba hitari-dalana amin’ny lafiny ara-panahy, na mba hanome fanohanana ara-pihetseham-po. Mifanohitra amin’izay nantenaina, fa mety hiafara amin’ilay zavatra tena natao hosorohina koa ny tsy maha-eo ela be, dia: ny fahasahiranana ara-bola.
Hoy ny renim-pianakaviana iray: “Lasa nitrandraka volamena ny vadiko. Nikasa ny ho tafaverina taorian’ny iray na roa volana izy fara fahelany. Lasa herintaona izany tamin’ny farany! Zaza enina no navela mba hokarakaraiko. Tamin’izay, dia teo ny hofan-trano tsy maintsy naloa. Koa satria tsy dia salama aho, dia tsy maintsy nandoa ny lany tamin’ny hopitaly. Nila fitafiana izahay, ary tsy maintsy nihinana isan’andro. Tsy nanana asa aho. Mazana izany. Ny tena sarotra indrindra dia ny fikarakarana ny ara-panahin’ny ankizy — ny fianaram-pianakaviana, ny fivoriana sy ny asa fitoriana. Noho ny fanohanan’i Jehovah tamin’ny fomba iray na hafa, dia tafavoaka izahay.”
Ny renim-pianakaviana sasany aza dia nahatsiaro ho voatery nandao ny fianakaviany nandritra ny fe-potoana ela be koa, mba hiasana. Nanao mpivaro-mandeha ho fivelomany ny sasany ary mahalana no hita tao an-tokantrano. Voatery nandray ny anjara asan’ny ray aman-dreny ireo ankizy lehibe kokoa, ka nikarakara ny sakafo sy ny raharaha tao an-tokantrano ary ny fifehezana ny zandriny mihitsy aza. Voasembantsembana ny fandraisana anjara amin’ireo asa ara-panahy. Eny, mety ho goavana ny fanerena eo amin’ny fianakaviana!
Mazava ho azy fa rehefa henjana ireo toe-javatra ara-bola, ny ray na reny iray dia mety tsy hanana fomba hafa hamelomana ny fianakaviany ankoatra ny fitadiavana ravinahitra any lavitra. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny zanakalahin’i Jakoba dia niharihary fa tsy maintsy nandao ny fianakaviany mba hahazoana vatsy tany Egypta. (Genesisy 42:1-5). Koa rehefa mipoitra ny tarehin-javatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao, dia tsy maintsy mampifandanja izay mety ho tombony ara-nofo mety hoentin’ny asa iray any lavitra amin’ireo fahavoazana ara-panahy sy ara-pihetseham-po entin’ny fisarahana ela be, ireo loham-pianakaviana. Aleon’ny fianakaviana maro miaritra fahasahiranana ara-bola, toy izay hisaraka mandritra ny fe-potoana ela. Mitadidy ao an-tsaina ny tenin’i Paoly hita ao amin’ny 1 Timoty 6:8 toy izao izy ireo: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:17.
Matetika dia misy azo asolo ny fandehanana lavitra. Tamin’ny fampisehoana fahaiza-manombo-javatra sy fahaiza-mamoron-javatra dia nanjary afaka namorona asa ny sasany, tamin’ny alalan’ny fanolorana asa mahasoa.a (Ampitahao amin’ny Ohabolana 31:24.) Na mety ho fanekena asa ambany izay heverin’ny hafa ho tsy mendrika izany. (Efesiana 4:28). Ny tenan’ny apostoly Paoly dia ‘nikely aina sy nisasatra andro aman’alina’ mba tsy ho enta-mavesatra ara-bola ho an’ny hafa. (2 Tesaloniana 3:8). Afaka manaraka io ohatra io ireo lehilahy kristiana amin’izao andro izao.
Ny zava-manahirana ny amin’ny fampianarana
Mahakasika ny fampianarana ny zava-manahirana hafa iray. Any amin’ireo faritra mitokana, dia mahazatra ny ray aman-dreny ny mandefa ny zanany lavitra, mba hiara-mipetraka amin’ny havana mandritra ny fe-potoana ela be, mba hahazoan’ny ankizy fampianarana sahaza. Rehefa tafasaraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy toy izany dia matetika mahita fahasahiranana amin’ny fanatrehana ireo fivoriana na amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Tsy mahazo ny fifehezana ilaina izy ireo, ka manjary rembin’ireo naman-dratsy mora foana. Vokatr’izany, dia maro no niala tamin’ny fomba fiaina kristiana.
Tsy isalasalana fa misy tombony ny fampianarana ivelan’ny fivavahana. Mametraka vidiny lehibe kokoa amin’ny fampianarana ara-panahy anefa ny Baiboly, ary nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny ny andraikitra hanome izany fampianarana izany. (Deoteronomia 11:18, 19; Ohabolana 3:13, 14). Kanefa, ny fandefasana ny ankizy iray lavitra mandritra ny fe-potoana ela be dia azo inoana fa hanimba tsikelikely ny ezaka nataon’ny ray na ny reny mba hitaizana azy “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. — Efesiana 6:4, NW.b
Rehefa toa tsy sahaza ireo fahafahana hahazo fampianarana eo an-toerana, dia mety tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny manao izay azon’ny tenan’izy ireo atao mba hampianarana ny zanany ireo fahaizana fototra, ny ray aman-dreny. Omen’i Jehovah, ilay “Mpampianatra Lehibe” antsika koa ny fanampiana. (Isaia 30:20, NW ). Manolotra fandaharam-pampianarana maro koa ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Mitarika kilasy ianarana mamaky teny sy manoratra ny kongregasiona maro. Tahaka izany koa, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia fandaharana mahasoa izay afaka mandranitra ny fahaizan’ny ankizy iray hamaky teny sy hiresaka mazava.
Fomba fihevitra voalanjalanja ny amin’ny fiterahana
Mety ho sarotra indrindra ny famelomana ankizy rehefa maro izy ireo. Hilaza matetika ny ray aman-dreny afrikana fa tia ankizy izy ireo; noho izany, dia manana be dia be araka izay azony atao izy ireo! Raha azo heverina ho harena ara-bola ny ankizy, dia ray aman-dreny maro kosa no zara raha afaka mamelona ankizy maro be.
Mazava ho azy fa lazain’ny Baiboly fa “lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro”. (Salamo 127:3). Mariho anefa fa nosoratana nandritra ny fe-potoana nisian’ny toe-piainana tsara teo amin’ny Isiraely ireo teny ireo. Tatỳ aoriana, ny mosary mafy sy ny ady dia nahatonga ny fiterahana ho fisedrana. (Fitomaniana 2:11, 20; 4:10). Noho ny tarehin-javatra sarotra fahita any amin’ny tany maro eo an-dalam-pandrosoana, dia tokony handinika tsara ireo Kristiana mampiseho fahaiza-mandray andraikitra hoe, ankizy firy no azon’izy ireo, amin’ny fijerena ny zava-misy, velomina, tafiana, omena fialofana sy beazina. Rehefa avy nihevitra izay ho lany ny mpivady maro, dia nanapa-kevitra fa ho tsara indrindra ny tsy hanarahana ny fanaon-drazana, ka nametra ny isan’ny zaza haterany izy ireo.c — Ampitahao amin’ny Lioka 14:28.
Mazava fa “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Raha mivarina mankamin’ny farany tsy azo ihodivirana itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy isalasalana fa hitombo ireo fanerena eo amin’ireo fianakaviana any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana. Kanefa, amin’ny fifikirana akaiky amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka ny hahomby ireo loham-pianakaviana amin’ny fiahiana ny zavatra ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy, satria manome izao fampanantenana izao amin’ireo izay manompo azy amin’ny fanehoana tsy fivadihana i Jehovah: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. (Hebreo 13:5). Eny, na dia any amin’ireo tany mahantra aza, dia afaka miatrika amim-pahombiazana ny fihaikana ny amin’ny famelomana ny ankohonany ireo Kristiana!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Famoronana Asa any Amin’ireo Tany eo An-dalam-pandrosoana” ao amin’ny Mifohaza! Janoary-Martsa 1995, gazety naman’itỳ.
b Raha mila tsipiriany fanampiny, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1983.
c Nisy fanazavana mahasoa nomena tao amin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Ny Fandrindram-piterahana — Zava-manahirana Iray Maneran-tany”, izay hita ao amin’ny Mifohaza! No. 3/1993.