Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Amin’ny Fomba Ahoana, Aiza, Rahoviana?
MANOME antoka ny tenan’ny Mpamorona ny olombelona sady Mpanome Fiainana fa ny fahafatesan’ny olombelona dia tsy voatery mamarana mandrakizay ny fiainana. Ankoatra izany, dia manome toky antsika Andriamanitra fa tsy hoe azo atao fotsiny ny ho velona indray mandritra ny halavan’ny androm-piainana fanampiny voafetra, fa ho velona amin’ny fahatsinjovana ny tsy hiatrika na oviana na oviana indray ny fahafatesana! Nanambara izany toy izao tamin’ny fomba mazava, kanefa tamim-patokiana, ny apostoly Paoly: “Nanome [antoka, NW ] hampino ny olona rehetra izany Izy [Andriamanitra] tamin’ny nananganany Azy [Kristy Jesosy] tamin’ny maty.” — Asan’ny Apostoly 17:31.
Mazava ho azy fa mbola tsy mahavaly ireo fanontaniana fototra telo izany, dia ny hoe: Ahoana no hahafahan’ny olona maty iray hiverina ho amin’ny fiainana? Rahoviana izany no hitranga? Aiza no hisian’io fiainana vaovao io? Naneran-tany dia valin-teny maro samihafa no nomena tamin’ireo fanontaniana ireo, nefa ny fanampiana iray tena ilaina mba hamantarana ny fahamarinana momba io foto-kevitra io dia ny mahazo hevitra araka ny marina momba izay mitranga amin’ny olombelona eo amin’ny fotoana ahafatesany.
Ny tsy fetezan-ko faty ve no valiny?
Ny zavatra inoana iray miely dia ny hoe misy tapany izay tsy mety maty ao amin’ny olombelona rehetra ary fa ny vatany ihany no maty. Azo antoka fa efa nandre filazana toy izany ianao. Io tapany lazaina fa tsy mety maty io dia resahina amin’ny fomba samihafa ho “fanahy” (âme) na “fanahy” (esprit). Voalaza fa velona hatrany aorian’ny fahafatesan’ny vatana izy io ary manohy miaina any amin’ny toeran-kafa. Raha ny marina, dia tsy avy amin’ny Baiboly ny zavatra inoana toy izany. Marina fa tena niandrandra ny fiainana aorian’ny fahafatesana ireo olo-nalaza hebreo fahiny ao amin’ny Baiboly, nefa tsy tamin’ny alalan’ny fahaveloman’izay tapany tao aminy tsy nety maty. Niandrandra tamim-patokiana kosa fiverenana amin’ny hoavy ho amin’ny fiainana eto an-tany amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, izay fahagagana, izy ireo.
Ohatra iray niavaka ny amin’ny olona nanana finoana ny fitsanganan’ny maty ho avy, i Abrahama patriarika. Rehefa mitantara ny fahavononan’i Abrahama hanolotra an’Isaka zanany ho sorona ny Hebreo 11:17-19, dia milaza amintsika toy izao: “Finoana no nanateran’i Abrahama an’Isaka, raha nizahan-toetra izy (...). Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy”, satria tsy nitaky ny hanaovana sorona an’i Isaka, Andriamanitra. Ny mpaminany Hosea dia mbola nanamarina ny zavatra ninoana tany am-boalohany teo amin’ireo Isiraelita, fa hoe hiverina indray ho amin’ny fiainana amin’ny fotoana atỳ aoriana izy ireo (fa tsy amin’ny fitohizan’ny fiainana avy hatrany any amin’ny faritra ara-panahy), rehefa nanoratra toy izao: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana iombonan’ny olombelona] izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy”. — Hosea 13:14.
Koa oviana àry ny hevitra ny amin’ny tsy fetezan-ko faty raikitra ao amin’ny olombelona no niditra tao amin’ny fisainana sy ny zavatra ninoan’ny Jiosy? Miaiky ny Encyclopaedia Judaica fa “azo inoana fa teo ambanin’ny fitaoman’ny Grika no niditra tao amin’ny Jodaisma ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy.” Na dia izany aza, ireo Jiosy tia fivavahana hatramin’ny andron’i Kristy dia mbola nino sy niandrandra fitsanganana amin’ny maty amin’ny hoavy. Afaka mahita izany mazava isika tamin’ilay resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’i Marta, tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahiny: “Ary hoy Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. (...) Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” — Jaona 11:21-24.
Toetran’ny maty
Eto indray, dia tsy ilaina ny hanombantombanana momba ilay foto-kevitra dinihina. Ny fahamarinana tsotra ao amin’ny Baiboly dia hoe “matory”, tsy mahatsiaro tena, tsy manana fihetseham-po na fahalalana mihitsy ny maty. Tsy aseho amin’ny fomba saro-takarina izany fahamarinana izany ao amin’ny Baiboly. Diniho ireto andinin-teny mora azo ireto: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...). Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny [Sheola, NW ] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:3, 4.
Mora àry ny mahazo ny antony niresahan’i Jesosy Kristy ny amin’ny fahafatesana ho toy ny torimaso. Nirakitra an-tsoratra toy izao ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ny mpianany ny apostoly Jaona: “Hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy. Ary tamin’izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy.” — Jaona 11:11-14.
Maty ilay olona manontolo
Mahafaoka ilay olona manontolo ny fandehan’ny fahafatesan’ny olombelona, fa tsy ny fahafatesan’ny vatana fotsiny. Araka ireo fanambarana mazava ara-baiboly, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra isika fa tsy manana fanahy (âme) tsy mety maty izay mbola velona hatrany aorian’ny fahafatesan’ny vatany ny olona. Lazain’ny Soratra Masina amin’ny fomba mazava fa mety maty ny fanahy (âme). “Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.” — (Ezekiela 18:4). Na aiza na aiza dia tsy resahina ho raikitra amin’ny olombelona ny teny hoe “tsy mety maty” na “tsy fetezan-ko faty”.
Manome izao fanazavana mahaliana izao momba ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy” (âme) ao amin’ny Baiboly, ny New Catholic Encyclopedia: “Ao amin’ny TT [Testamenta Taloha] ny fanahy dia nepeš, ao amin’ny TV [Testamenta Vaovao] dia [psy·kheʹ]. (...) Nepeš dia avy amin’ny fototeny izay azo inoana fa midika hoe miaina, ka araka izany (...) satria ny hoe miaina dia mampiavaka ny velona amin’ny maty, ny nepeš dia nanjary nidika hoe fiainana na ny tena na ny fiainan’ny olona tsirairay fotsiny. (...) Tsy misy dichotomie [fizarana ho tapany roa] eo amin’ny vatana sy ny fanahy ao amin’ny TT. Nihevitra ny zavatra tamin’ny fomba azo tsapain-tanana, tamin’ny fitambarany, ny Isiraelita, ka noho izany izy dia nihevitra ny olona ho toy ny iray fa tsy voaforon’ny tapany samy hafa. Ny teny hoe nepeš, na dia nadika tamin’ny fitenintsika hoe fanahy [âme] aza, dia tsy midika velively hoe “fanahy” toy ny misaraka amin’ny vatana na amin’ny olona tsirairay. (...) Ny teny hoe [psy·kheʹ] dia ny teny mifanitsy amin’ny nepeš ao amin’ny TV. Mety hidika ho ny fotopototry ny fiainana izy io, ny fiainana mihitsy, na ilay zavamananaina.”
Azonao atao araka izany ny mahita fa, amin’ny fotoana ahafatesana, dia mitsahatra tsy misy ilay olona velona teo aloha, na ilay fanahy velona. Ny vatana dia miverina ho amin’ny “vovoka” na ho amin’ny foto-javatra avy tamin’ny tany, na tsikelikely, amin’ny alalan’ny fandevenana sy ny fahalovana manaraka izany, na hafainganin’ny fandoroana. Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Ahoana àry no mahatonga ny fiainana aorian’ny fahafatesana hety? Satria manana fitadidiana manokana an’ilay olona maty Andriamanitra. Manana ny fahefana sy ny fahaizana mahatalanjona hamorona olombelona i Jehovah, koa tsy tokony hahagaga àry raha afaka mitahiry firaketana ny amin’ny rafi-piainan’ny olona tsirairay ao amin’ny fitadidiany izy. Eny, ny fahatsinjovan-javatra rehetra mba hahaveloman’ny olona iray indray dia miankina amin’Andriamanitra.
Izany no hevitr’ilay teny hoe “fanahy” (esprit), izay resahina ho toy ny miverina amin’ilay Andriamanitra marina izay nanome azy io. Nanazava toy izao ilay mpanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny nahazo tsindrimandry, raha nilazalaza io fiafarana io: “Ka ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.” — Mpitoriteny 12:7.
Andriamanitra irery no afaka mahatonga ny olona iray ho velona. Rehefa namorona ny olona tao Edena Andriamanitra ka nitsoka tao amin’ny vavorony ny “fofonaina mahavelona”, ho fanampin’ny famenoana ny havokavok’i Adama tamin’ny rivotra, dia nahatonga ilay herim-piainana hamelona ireo sela rehetra tao amin’ny vatany, i Jehovah. (Genesisy 2:7). Noho io herim-piainana io afaka mifindra avy amin’ny ray aman-dreny mankamin’ny zanaka amin’ny alalan’ny fahatorontoronina sy ny fahaterahana, dia azo heverina araka ny tokony ho izy fa avy amin’Andriamanitra ny fiainan’olombelona iray, na dia mazava ho azy fa azony tamin’ny alalan’ny ray aman-dreny aza izany.
Fitsanganana amin’ny maty — Fotoana hahasambatra
Tsy tokony hampifangaroina amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao (réincarnation), izay tsy tohanan’ny Soratra Masina, ny fitsanganana amin’ny maty. Ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao dia ny finoana fa teraka indray ao amin’ny fiainana iray na maromaro mifandimby ny olona iray, aorian’ny fahafatesana. Izany dia lazaina ho fisiana tsara kokoa na ambany kokoa raha ampitahaina amin’ny fiainan’ny tena teo aloha, miankina amin’izay firaketana voalaza fa nangonina nandritra io androm-piainana teo aloha io. Araka io finoana io, dia mety ho “teraka indray” ho olombelona na ho biby ny tena. Tena mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly izany.
Ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe a·naʹsta·sis, izay manana hevitra ara-bakiteny hoe “fitsanganana indray”. (Nandika ny teny grika hoe a·naʹsta·sis, tamin’ny teny hebreo hoe techi·yathʼ ham·me·thimʹ, izay midika hoe “fahaveloman’ny maty indray”, ireo mpandika teny hebreo.) Ny fitsanganana amin’ny maty dia mahafaoka famelomana indray ny rafi-piainan’ilay olona, izay nohazonin’Andriamanitra ao amin’ny fitadidiany. Araka ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ilay olona, dia haverina ho amin’ny fiainana na ao amin’ny vatana olombelona na ao amin’ny vatana ara-panahy, ilay olona; kanefa hazoniny ny maha-izy an’ilay olona manokana, ireo toetrany sy fahatsiarovany mitovy amin’ilay fony izy maty ihany.
Eny, miresaka ny amin’ny karazana fitsanganana amin’ny maty roa ny Baiboly. Ny iray dia fitsanganana ho any an-danitra ao amin’ny vatana ara-panahy; izany dia ho an’ny olona azo lazaina fa vitsy. Nahazo io fitsanganana tamin’ny maty io i Jesosy Kristy. (1 Petera 3:18). Ary nilaza izy fa ny toy izany dia ho hitan’ny olona nofantenana eo amin’ireo mpanara-dia azy, nanomboka tamin’ireo apostoly mahatoky, izay nampanantenainy toy izao: “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (...), dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:2, 3). Miresaka azy io ho “fitsanganana voalohany” ny Baiboly, voalohany amin’ny fotoana sy amin’ny laharana. Ny Soratra Masina dia milazalaza momba ireo izay hatsangana, araka izany, ho amin’ny fiainana any an-danitra, ho toy ny mpisoron’Andriamanitra sy ho toy ny mpiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy. (Apokalypsy 20:6). Io “fitsanganana voalohany” io dia ho an’ny olona voafetra ny isany, ary ambaran’ny Soratra Masina mihitsy fa 144 000 monja no horaisina eo amin’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky. Ho efa nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah Andriamanitra sy i Kristy Jesosy hatramin’ny fahafatesany izy ireo, narisika teo amin’ny fanaovana fanambarana tamin’ny hafa momba ny finoany. — Apokalypsy 14:1, 3, 4.
Tsy isalasalana fa ny fitsanganana amin’ny maty dia fotoam-pahasambarana tsy misy fetra ho an’ireo hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Tsy mifarana any anefa ny fahasambarana, satria nampanantenaina koa ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Hanampy ireo olona tsy voafetra isa ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ireo izay hatsangana. Rehefa avy nahita ny isa vitsin’ireo mahafeno fepetra ho amin’ny fitsanganana any an-danitra ny apostoly Jaona, dia nomena fahitana iray ny amin’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Ho fotoana hahasambatra re izany, rehefa hiverina ho amin’ny fiainana eto an-tany ny olona an-tapitrisany maro, mety ho an’arivo tapitrisany maro mihitsy aza! — Apokalypsy 7:9, 16, 17.
Rahoviana no ho tonga izany?
Tsy haharitra ela izay mety ho fifaliana sy fahasambarana raha toa ka hiverina eto amin’ny tany feno fifandirana, fandatsahan-dra, fandotoana sy herisetra ny maty — toy ny tarehin-javatra misy amin’izao andro izao. Tsia, tsy maintsy miandry ny hanorenana ny “tany vaovao” ny fananganana amin’ny maty. Alao sary an-tsaina ny planeta iray voadio amin’ireo olona sy ireo fikambanana, izay hatramin’izao dia tapa-kevitra ny hanimba ny tany sy ny hakantony tany am-boalohany, raha tsy lazaina intsony ny amin’ny fahoriana tsy hay heverina nentin’izy ireo teo amin’ireo mponina ao aminy. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 11:18.
Miharihary fa mbola hoavy ny fotoana ho an’ny fananganana ny olombelona amin’ny ankapobeny. Kanefa, ny vaovao tsara dia hoe tsy lavitra intsony izy io. Marina fa tsy maintsy miandry ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izy io. Kanefa, be dia be ny porofo mampiseho fa efa antomotra ny hipoahan’ilay “fahoriana lehibe” tampoka, izay ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” — resahina mazàna hoe Haramagedona, no ho fara tampony. (Matio 24:3-14, 21; Apokalypsy 16:14, 16). Izy io dia hahatonga ny fanesorana ny faharatsiana rehetra amin’itỳ planeta mahafinaritra itỳ, dia ny Tany. Hanaraka izany, dia ho tonga ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy, rehefa hovana tsikelikely ho paradisa ny tany.
Ambaran’ny Baiboly fa mandritra io fanjakana arivo taona io no hitranga ny fananganana ny olombelona maty. Amin’izay no ho tanteraka ilay fampanantenana nataon’i Jesosy fony izy teto ambonin’ny tany, dia ny hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy: (...) ho (...) amin’ny fitsanganana”. — Jaona 5:28, 29.
Vokatry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty
Fanantenana mahatalanjona ho amin’ny hoavy tokoa io fahatsinjovana fitsanganana amin’ny maty io — fotoana izay hiverenan’ny maty ho amin’ny fiainana! Mampahery antsika toy inona moa izany rehefa miatrika ny fahasarotan’ny fandrosoan’ny taona, ny aretina, ny loza sy ny alahelo tsy ampoizina, ary ny fanerena sy ny zava-manahiran’ny fiainana isan’andro fotsiny isika! Manaisotra ny fanindronan’ny fahafatesana izy io — tsy manafoana tanteraka ny alahelo, fa mampisaraka antsika amin’ireo izay tsy manana fanantenana amin’ny hoavy kosa. Niaiky izany vokany mampionona entin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izany ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy.” — 1 Tesaloniana 4:13, 14.
Mety ho efa nahita ny fahamarinan’ny fandinihana hafa iray nataon’i Joba, ilay lehilahy tatsinanana, isika: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka [malazo, fanamarihana ambany pejy], ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” (Joba 13:28–14:2). Fantatsika koa ny tsy maha-azo antoka ny fiainana sy ny zava-misy mangidy dia ny hoe mety hahazo na iza na iza amintsika ny “fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11). Tsy misy amintsika mifaly amin’ny fisainana ny hiatrika ny fahafatesana. Na eo aza izany, ny fanantenana azo antoka ny amin’ny fitsanganan’ny maty dia tena manampy hanaisotra ny fahatahorana mampihorohoro ny fahafatesana.
Mahereza àry! Aoka ianao hijery ny ao ambadiky ny mety ho torimaso ao amin’ny fahafatesana, ka hahita ny fiverenana ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, izay fahagagana. Aoka ianao hiandrandra amim-patokiana ilay fahatsinjovan-javatra ny amin’ny fiainana ho avy tsy hisy farany, ary hanampy azy io ny fifaliana mahafantatra fa ny fotoana mahasambatra toy izany dia amin’ny hoavy tsy ho ela.