Ho Nanaiky ny Mesia ve Ianao?
NANDANY telo taona sy tapany nitoriana ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ny Isiraelita, i Jesosy Kristy. Tamin’ny fotoana nifaranan’ny fanompoany teto an-tany anefa, dia nanda azy tsy ho ilay Mesia, na ilay “Voahosotra” nampanantenain’Andriamanitra, ny ankamaroan’ireo niara-belona taminy. Nahoana?
Ny Baiboly dia manampy antsika hamantatra ireo antony maromaro nahatonga ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany tsy hanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia. Ny telo amin’ireo antony ireo dia misakana olona maro tsy hanaiky ny toerana tanan’i Jesosy amin’ny andro ankehitriny, amin’ny maha-Mpanjaka Mesianika efa manapaka azy.
“Ta-hahita famantarana avy aminao izahay”
Ny antony iray tsy naneken’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny Mesia dia ny tsy fetezan’izy ireo hanaiky ireo famantarana araka ny Soratra Masina nanondro ny naha-Mesia azy. Indraindray ireo olona nihaino an’i Jesosy dia nangataka mba hanaovany famantarana, hanaporofoana fa avy tamin’Andriamanitra tokoa ny tenany. Ohatra, manao tatitra ny Matio 12:38 fa nilaza toy izao ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo: “Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.” Tsy efa nanao famantarana teo amin’izy ireo ve i Jesosy? Mazava ho azy fa nanao izany izy.
Tamin’izay fotoana izay, dia efa nanao fahagagana maro i Jesosy. Nanova ny rano ho divay izy, nanasitrana ny zazalahy iray efa ho faty, nanasitrana ny rafozam-bavin’i Petera izay narary, nanadio ny lehilahy boka iray, nampandeha ny lehilahy nalemy iray, nanasitrana lehilahy iray narary efa nandritra ny 38 taona, namerina tamin’ny laoniny ny tanan’ny lehilahy iray izay maina, nanamaivana ny aretina nampanaintaina nahazo olona maro, nanasitrana ny mpanompon’ny kapiteny iray, nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray, sy nanasitrana lehilahy iray jamba sady moana. Ireo fahagagana ireo dia nitranga tao Kana, Kapernaomy sy Jerosalema ary Naina. Ambonin’izany, dia niely nanerana an’i Jodia manontolo sy ny tany manodidina ny vaovao momba izany fahagagana izany. — Jaona 2:1-12; 4:46-54; Matio 8:14-17; 8:1-4; 9:1-8; Jaona 5:1-9; Matio 12:9-14; Marka 3:7-12; Lioka 7:1-10; 7:11-17; Matio 12:22.
Mazava fa tsy hoe tsy ampy ireo famantarana nanaporofo fa i Jesosy no ilay Mesia. Na dia nanao famantarana maro aoka izany teo anoloan’ny olona aza izy, dia tsy nino azy izy ireo. Jamba ara-panahy ireo izay nahita ny porofo fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy kanefa tsy nanaiky azy ho ilay Mesia. Ny fon’izy ireo dia mafy sady tsy nihontsina tamin’ny fahamarinana. — Jaona 12:37-41.
Ahoana ny amin’ny androntsika? Manambara toy izao ny olona sasany: “Izay hitan’ny masoko ihany no inoako.” Tena lalam-pitondran-tena maneho fahendrena ve anefa izany? Milaza ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa nandray fiandrianana tamin’ny naha-Mpanjaka any an-danitra ao amin’ilay Fanjakana Mesianika i Jesosy. Koa satria izy tsy hita maso, dia mila famantarana isika mba hanampy antsika hamantatra ny fanapahany, izay nanamarika ny fiantombohan’ny andro faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Manaiky ilay famantarana ve ianao? — Matio 24:3.
Araka ny Baiboly, dia ho voamariky ny ady, horohoron-tany, tsy fahampian-tsakafo sy areti-mandringana mbola tsy nisy toy izany ny fiantombohan’ny fanapahan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka Mesianika. Amin’ny ‘andro farany’, dia ho voamariky ny fitiavan-tena, ny fierenana sy ny tsy fisian’ny fifehezana, ny fifandraisan’ny olombelona. (2 Timoty 3:1-5; Matio 24:6, 7; Lioka 21:10, 11). Ankoatra ny porofo araka ny fandaharan-taona, dia misy lafiny samy hafa maherin’ny 20 mampiavaka ny andro farany, manondro amin’ny fomba hentitra fa tamin’ny 1914 no nanombohan’ny fanjakan’ny Mesia. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Martsa 1993, pejy faha-5.
“Fatra-pitia vola”
Ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo dia antony hafa iray nahatonga ny Jiosy handa an’i Jesosy ho ilay Mesia. Nisakana olona maro tsy hanara-dia an’i Jesosy ny fiheverana be loatra ny harena. Ohatra, fantatra ho “fatra-pitia vola” ny Fariseo. (Lioka 16:14). Diniho ny toe-javatra nitranga tamin’ny mpanapaka tanora nanankarena iray, izay nanatona an’i Jesosy ka nanontany azy ny fomba hahazoany ny fiainana mandrakizay. “Tandremo ny didy”, hoy ny valin-tenin’i Jesosy. “Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”, hoy ilay tovolahy nanontany, toa noho ny fahatsapany fa bebe kokoa no nilaina noho ny fitandremana lalàna sasany fotsiny. “Amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy”, hoy i Jesosy taminy. Fahafahana tsara re izany — ho tonga mpianatr’ilay Mesia! Kanefa, lasa nandeha ilay mpanapaka, nalahelo. Nahoana? Satria zava-dehibe kokoa taminy ny harena eto an-tany noho ny harena any an-danitra. — Matio 19:16-22.
Tsy niova ny tarehin-javatra. Ny fahatongavana ho mpanara-dia marina an’ilay Mpanjaka Mesianika dia midika ho fametrahana ny tombontsoa ara-panahy ho ambony kokoa noho ny zavatra hafa rehetra, tafiditra amin’izany ny fananana eto an-tany. Zava-tsarotra izany ho an’izay rehetra manana fomba fijery tia fatratra zavatra ara-nofo. Ohatra, niresaka Baiboly tamin’ny vehivavy iray ny mpivady misionera tany amin’ny tany tatsinanana anankiray. Noho izy ireo nino fa ho tiany ny hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany, dia notoloran’ilay mpivady Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy. Ahoana no fihetsiny? “Hanampy ahy hahazo vola bebe kokoa ve ireto gazety ireto?”, hoy izy nanontany. Nahaliana kokoa an’ilay vehivavy ny zavatra ara-nofo noho ny raharaha ara-panahy.
Niara-nianatra tamin’ny tovolahy iray izay nanomboka nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana io mpivady io ihany. “Mandany ny fotoananao ianao”, hoy ny ray aman-dreniny taminy. “Tokony hitady asa hafa iray amin’ny takariva ianao mba hahazoana vola bebe kokoa.” Mampalahelo toy inona moa rehefa ny ray aman-dreny no mampirisika ny zanany hametraka ny zavatra ara-nofo alohan’ny fahafantarana ilay Mpanjaka Mesianika! “Tsy afaka mividy fiainana maharitra an’aliny taona maro, amin’ny fananany rehetra, ny mpanapaka”, hoy ny ohabolana sinoa iray.
Maro no nanjary nahatakatra fa ny fahafantarana an’ilay Mpanjaka Mesianika sy ny fanarahana ny diany dia tsy mamela toerana ho an’ny fitiavam-bola. Nilaza toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nanana ny fandraharahany manokana nahazoam-bola be: “Tena mahafinaritra ny fananam-bola be, nefa tsy tena ilaina. Tsy ny vola no mahatonga ny olona iray ho sambatra.” Anisan’ny mpianakavin’ny Betela any amin’ny sampana eoropeana iray an’ny Fikambanana Watch Tower izy ankehitriny.
‘Tahotra ny Jiosy’
Ny tahotra olona dia mbola antony hafa iray nahatonga ny Jiosy tsy hanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia. Nety ho nanimba ny laza tsaran’izy ireo ny fiekena ampahibemaso ny naha-Mesia azy. Ho an’ny sasany dia lafo vidy loatra izany. Diniho ny amin’i Nikodemosy, mpikambana iray tamin’ny fitsarana ambony jiosy, nantsoina hoe ny Synedriona. Nanaitra ny sainy ireo famantarana sy fampianarana nataon’i Jesosy, ka niaiky toy izao izy: “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.” Kanefa, tamin’ny alina i Nikodemosy no nitsidika an’i Jesosy, azo inoana fa mba tsy hahafantaran’ny Jiosy hafa azy. — Jaona 3:1, 2.
Ho an’ny olona maro izay nandre an’i Jesosy niteny, dia ny fankasitrahan’ny olona no zava-dehibe kokoa noho ny an’Andriamanitra. (Jaona 5:44). Tamin’ny 32 am.f.i., rehefa tany Jerosalema tamin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo i Jesosy, dia “nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka”. Tsy nisy niresaka an-karihary an’i Jesosy ‘noho ny tahotra ny Jiosy’. (Jaona 7:10-13, izahay no manao sora-mandry.) Na dia ny ray aman-drenin’ny lehilahy iray izay nositranin’i Jesosy tamin’ny fahajambany aza dia tsy vonona hanaiky ilay fahagagana ho avy tamin’ny solontenan’Andriamanitra. “Natahotra ny Jiosy” koa izy ireo. — Jaona 9:13-23.
Amin’izao andro izao dia takatry ny sasany fa efa manjaka amin’ny maha-Mpanjaka Mesianika any an-danitra i Jesosy ankehitriny, nefa matahotra izy ireo ny hanaiky izany malalaka. Ho azy ireo, dia vidiny lafo loatra ny famoizana ny toerana tanany eo anatrehan’ny hafa. Tany Alemaina, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia niara-nidinika ny Baiboly tamin’ny lehilahy iray izay niaiky toy izao: “Marina izay torinareo Vavolombelona momba ny Baiboly. Raha tonga Vavolombelona anefa aho anio, dia ho fantatry ny olona rehetra izany rahampitso. Ahoana no hieritreretana ny tenako any am-piasana, eo amin’ny manodidina sy ao amin’ny kilioba misy ahy sy ny fianakaviako? Tsy ho tantiko izany.”
Inona no mahatonga ny tahotra olona? Ny hambo, ny faniriana ho mamy hoditra eo anivon’ny fianakaviana sy ny namana, ny tahotra ny fanesoana sy ny fampietrena, ny fanahiana sao tsy mitovy amin’ny besinimaro. Hita fa fitsapana ny fihetseham-po toy izany, indrindra ho an’ireo izay manomboka miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ohatra, nientam-po ny tovovavy iray nianatra momba ny Paradisa izay haorin’ilay Fanjakana Mesianika eto an-tany eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy Kristy. Mpankafy disco nafana fo anefa izy, ka nisakana azy tsy hiresaka tamin’ny hafa momba io fanantenana io ny tahotra olona. Tamin’ny farany, dia nanangona ny herim-pony izy mba hiresaka malalaka momba ny Baiboly. Narian’ireo namany mpankafy disco izy, nefa naneho fahalianana kosa ny vadiny sy ny ray aman-dreniny. Tatỳ aoriana, dia natao batisa ilay vehivavy sy ny reniny ary nanomboka nianatra ny Baiboly ny vadiny sy ny rainy. Valisoa re izany noho ny fandresena ny tahotra olona!
Tena manaiky ilay Mesia tokoa ve ianao?
Rehefa niala aina teo ambonin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia nanatrika teo ny sasany tamin’ireo mpianany. Nanaiky azy ho ilay Mesia nambara mialoha izy ireo. Nanatrika teo koa ireo mpanapaka jiosy izay toa mbola nitady famantarana ihany. “Aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra [na Mesian’Andriamanitra], dia Ilay nofidina.” (Lioka 23:35). Tsy hitsahatra na oviana na oviana hangataka famantarana ve izy ireo? Efa nanao fahagagana am-polony maro i Jesosy. Fanampin’izany, ny nahaterahany, ny fanompoany, ny fisedrana nahazo azy, ny namonoana azy sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia nanatanteraka faminaniana maro tao amin’ny Soratra Hebreo. — Jereo ny “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy 343-344.
Nanome tsiny an’i Jesosy ireo mpandalo, satria nanda ny porofon’ny naha-Mesia azy. (Matio 27:39, 40). Ireo miaramila dia nifampizara tamim-pitiavana fatratra zavatra ara-nofo ny fitafian’i Jesosy, niloka ny akanjony anatiny. (Jaona 19:23, 24). Nandray anjara ny tahotra olona tamin’ny toe-javatra sasany. Diniho, ohatra, ny amin’i Josefa avy any Arimatia, mpikambana iray tao amin’ny Synedriona. “Mpianatr’i Jesosy izy, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy”. Taorian’ny nahafatesan’ny Mesia, dia nikarakara ny fatin’i Jesosy i Josefa sy i Nikodemosy. Nandresy ny tahotra olona, araka izany, i Josefa. — Jaona 19:38-40.
Raha niaina tamin’ny taonjato voalohany ianao, ho nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia ve ianao? Ny fanaovana izany dia ho nitaky ny hanekenao ny porofo araka ny Soratra Masina, ny handavanao ny fisainana tia fatratra zavatra ara-nofo, sy ny tsy hanekenao ho resin’ny tahotra olona. Amin’izao andro farany izao, dia tokony hanontany tena ny tsirairay avy amintsika hoe: ‘Manaiky an’i Jesosy ho ilay Mpanjaka Mesianika any an-danitra ve aho ankehitriny?’ Tsy ho ela dia handray an-tanana ny raharahan’ny tany izy. Rehefa hitranga izany, ho anisan’ireo izay tena manaiky an’i Jesosy Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina tokoa ve ianao?
[Sary, pejy 28]
Aza minia tsy mahalala ny porofo fa i Jesosy no ilay Mpanjaka Mesianika
[Sary, pejy 31]
Ny fahafantarana ny Mesia matetika dia midika ho fandresena ny tahotra izay mety holazain’ny hafa