Tanora Izay Mahatsiaro ny Mpanao Azy
“Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”. — MPITORITENY 12:1.
1. Fitenenana inona avy, nataon’ny zaza iray 11 taona, no mampiharihary fa aminy dia tena misy ny Mpanao antsika?
TSARA dia tsara toy inona moa rehefa miresaka sy manao zavatra ny tanora, amin’ny fomba mampiseho fa izy dia mihevitra an’i Jehovah Andriamanitra ho toy ny persona tena misy izay derainy sy iriny hampifalina! Hoy ny zazalahy iray 11 taona hoe: “Rehefa irery aho ka mijery eo am-baravarankely, dia hitako hoe mahatalanjona toy inona moa ireo zavatra noforonin’i Jehovah. Avy eo aho dia maka sary an-tsaina ny amin’ny hoe ho kanto toy inona moa ilay Paradisa ho avy, ary ho afaka hikasika ireo biby aho amin’izay.” (Isaia 11:6-9). Nanampy teny toy izao izy: “Rehefa irery aho dia mivavaka amin’i Jehovah. Fantatro fa tsy ho sorena amiko izy noho izaho miresaka aminy amin’ny fotoana rehetra. Fantatro fa eo foana izy mijery tsara ahy.” Tena misy aminao ve ilay Mpanao antsika, tahaka ny maha-toy izany azy amin’io zazalahy io?
Tena misy aminao ve Andriamanitra?
2. a) Ahoana no mety hahatonga ny Mpanao anao ho tena misy aminao? b) Inona no anjaran’ny ray aman-dreny eo amin’ny fanampiana ny zanany hahatakatra fa persona tena misy Andriamanitra?
2 Mba ho tena hisy aminao i Jehovah sy ny fampanantenany, dia tsy maintsy mianatra momba azy aloha ianao, sy momba ilay hoavy mahatalanjona atolony ho anao ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina lazalazain’ny Baiboly. (Apokalypsy 21:3, 4). Raha nampianatra anao momba ireo zavatra ireo ny ray aman-dreninao, dia manana antony tokony hahavelom-pankasitrahana ianao, satria izany dia mamela anao hanaraka ilay didy azo tamin’ny tsindrimandry manao hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao”. (Mpitoriteny 12:1, izahay no manao sora-mandry.) Nilaza toy izao ny tanora iray mahakasika ny fampiofanan’ny ray aman-dreniny azy tany am-boalohany: “Ny zavatra rehetra teo amin’ny fiainana dia nampitodihana tany amin’i Jehovah. Izany no nahatonga ahy hahatsiaro ny Mpanao ahy.” Nanao izao fanamarihana izao ny vehivavy tanora hafa iray: “Ho velom-pankasitrahana mandrakizay an’ireo ray aman-dreniko aho noho ny nampianarany ahy fa persona tena misy i Jehovah. Nasehon’izy ireo ahy ny fomba hitiavana azy, ary nolazain’izy ireo tamiko ny fifaliana amin’ny fanompoana azy manontolo andro.”
3, 4. Inona no afaka manampy anao hihevitra an’i Jehovah ho toy ny persona tena misy?
3 Kanefa, maro no mahita fa sarotra ny mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny persona tena misy, izay liana ny amin’izy ireo. Toy izany ve ny aminao? Nanampy ny tanora iray hieritreritra ny heviny manokana momba an’Andriamanitra, izao fanambarana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izao: “Ny amin’ny hoe manao ahoana ny haben’ny vatan’i Jehovah Andriamanitra dia tsy fantatsika.” Mazava ho azy fa tsy miankina amin’ny habeny na ny bikany ny fahambonian’Andriamanitra, araka izay nolazain’ilay fehezanteny manaraka ao amin’io Tilikambo io, toy izao: “Ny tena fahalehibeazany dia eo amin’ny hoe karazana Andriamanitra manao ahoana izy”, eny tokoa, Andriamanitra iray mahatoky, mangoraka, be fitiavana sy mamela heloka.a (Eksodosy 34:6; Deoteronomia 32:4; Salamo 86:5; Jakoba 5:11). Tonga tamin’ny fiheverana an’i Jehovah ho persona toy izany ve ianao, dia sakaiza iray azo itokiana, azonao ananana fifandraisana sarobidy? — Isaia 41:8; Jakoba 2:23.
4 I Jesosy dia nanampy an’ireo mpanara-dia azy tany am-boalohany mba hanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra. Araka izany, rehefa nanoratra momba ny fitsanganany tamin’ny maty tsinjony mialoha ny apostoly Jaona, dia nanao izao fanamarihana izao: “Ho tahaka Azy [Andriamanitra] isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.” (1 Jaona 3:2; 1 Korintiana 15:44). Azo ampiana koa ny tanora amin’izao andro izao hihevitra an’Andriamanitra ho toy ny persona tena misy, izay azon’izy ireo fantarina tsara na dia tsy afaka mahita azy mivantana aza izy ireo. Nanamarika toy izao ny zatovolahy iray: “Nanampy ahy hahatsiaro an’i Jehovah ny ray aman-dreniko tamin’ny fametrahana fanontaniana maro, toy ny hoe: ‘Inona no holazain’i Jehovah? Ahoana no hanazavanao izany amin’ny fiteninao manokana? Inona no dikan’izany?’ ” Moa ve ny fanontaniana toy ireo tsy mahatonga antsika hieritreritra ny amin’ny fifandraisan’ny tenantsika manokana amin’Andriamanitra?
Ny dikan’ny hoe mahatsiaro
5. Ohatra ao amin’ny Baiboly inona avy no mampiseho fa mihoatra noho ny mahatsiaro ny anaran’ny olona iray no tafiditra amin’ny hoe mahatsiaro azy?
5 Ny fanarahana ilay didy hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao”, dia midika mihoatra noho ny hoe mieritreritra fotsiny momba an’i Jehovah. Tafiditra amin’izany ny fanaovan-javatra, ny fanaovana izay hampifaly azy. Rehefa nitalaho tamin’i Jesosy ilay mpanao heloka bevava, nanao hoe: “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao”, dia niriny ny hanaovan’i Jesosy mihoatra noho ny hoe hahatsiaro ny anarany. Niriny ny hanaovan’i Jesosy zavatra, ny hananganany azy amin’ny maty. (Lioka 23:42, izahay no manao sora-mandry.) Toy izany koa, i Josefa izay natao an-tranomaizina dia nanantena ny hanaovan-javatra ho azy, rehefa nangataka an’ilay mpitondra kapoakan’i Farao izy mba hahatsiaro azy teo anoloan’i Farao. Ary rehefa niangavy an’Andriamanitra i Joba hoe: ‘Tsarovy aho’, dia nangataka i Joba ny mba hanaovan’Andriamanitra zavatra, amin’ny fananganana azy amin’ny maty, any amin’ny fotoana any aoriana. — Joba 14:13; Genesisy 40:14, 23.
6. Amin’ny ahoana ilay teny hebreo nadika hoe ‘mahatsiaro’, no milaza tsy mivantana firaiketam-po amin’ilay zavatra, na ilay olona tsaroana?
6 Milaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny hebreo nadika hoe ‘mahatsiaro’, dia matetika milaza tsy mivantana “ny firaiketam-po tadidin’ny saina sy ny fanaovan-javatra izay miaraka amin’ny fahatsiarovana”. Azo atao ny mahita fa milaza tsy mivantana ny “firaiketam-po” ilay teny hoe ‘mahatsiaro’, ao amin’ilay hiakan’ny “olona hafa firenena” tany an’efitra, nanao hoe: ‘Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay tany Egypta’. Tsy nisy hafa tamin’ny niangavian’i Joba an’Andriamanitra mba hahatsiaro azy tamim-pankasitrahana, dia toy izany koa no niangavian’i Hezekia, i Nehemia, i Davida, sy ny mpanao salamo iray tsy voalaza anarana ny mba hahatsiarovan’i Jehovah azy ireo tamim-piraiketam-po, noho ny fahatokian’izy ireo. — Nomery 11:4, 5, izahay no manao sora-mandry; 2 Mpanjaka 20:3; Nehemia 5:19; 13:31; Salamo 25:7; 106:4.
7. Raha mahatsiaro an’Andriamanitra amim-piraiketam-po isika, amin’ny ahoana izany no hisy vokany eo amin’ny fitondran-tenantsika?
7 Araka izany, dia mety hanontany toy izao isika: ‘Moa ve isika mahatsiaro ny Mpanao antsika amim-piraiketam-po, ka manalavitra ny fanaovan-javatra na inona izany na inona ka hampalahelo azy?’ Nanao izao fanamarihana izao ny tanora iray: “Nanampy ahy i Neny mba hahatakatra fa i Jehovah dia manana fihetseham-po, ary mbola kely aho dia nahafantatra fa nisy vokany teo aminy ny zavatra nataoko.” (Salamo 78:40-42). Nanazava toy izao ny hafa iray: “Fantatro fa ny zavatra ataoko dia na hanampy, na hanakantsakana ny famaliana ilay fihaikana nataon’i Satana tamin’i Jehovah. Naniry hampifaly ny fon’i Jehovah aho, ka izany dia nanampy ahy, ary manohy manampy ahy amin’izao fotoana izao.” — Ohabolana 27:11.
8. a) Zavatra katsahina inona no hampiseho fa mahatsiaro an’i Jehovah amim-piraiketam-po isika? b) Fanontaniana inona avy no hodinihin’ny tanora amim-pahendrena?
8 Ekena fa eto amin’itỳ tontolo ratsy itỳ, dia tsy mora foana ny mahatsiaro an’i Jehovah amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny asa izay hampifaly azy. Kanefa, ho tsara dia tsara toy inona moa raha toa ianao ka afaka manahaka an’i Timoty zatovo tamin’ny taonjato voalohany — mbamin’ireo tanora an’arivony maro matahotra an’Andriamanitra amin’izao andro izao — amin’ny firotsahana amin’ny fanompoana kristiana manontolo andro amin’ny maha-minisitra mpisava lalana! (Asan’ny Apostoly 16:1-3; 1 Tesaloniana 3:2). Kanefa, mety hipetraka ny fanontaniana hoe: Ho afaka hamelon-tena ve ianao eo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana? Ary raha hanambady ianao, moa ve ianao hanana ny fahaizana ilaina mba hamelomana ny mpianakavinao? (1 Timoty 5:8). Fanontaniana lehibe ireo, ary tena zava-dehibe ny ieritreretanao azy ireo amim-pitandremana.
Fampianarana misy zava-kendrena
9. Inona no fanapahan-kevitra atrehin’ny tanora mahakasika ny fampianarana tsy ara-pivavahana?
9 Koa satria mihabe kojakojany kokoa hatrany ny fitambaran’olona, dia mety hilaina ho betsaka kokoa ny fianarana vita mba hahazoana ny asa sahaza hameloman-tena amin’ny asan’ny mpisava lalana. Mety ho nomarihinao, fa na dia ny sasany izay nianatra tany amin’ny oniversite aza, dia voatery nianatra indray mba hahazoana fahaizana vaovao izay heverin’ny mpampiasa amin’izao fotoana izao ho sarobidy. Koa manao ahoana àry ny habetsahan’ny fianarana hokatsahinareo tanora izay maniry hampifaly an’Andriamanitra? Raha ny tokony ho izy, ny fanapahan-kevitra dia hatao amin’ny fananana ao an-tsaina ilay didy azo ara-tsindrimandry hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao”.
10. Inona no fampianarana tsara indrindra azontsika raisina?
10 Mazava ho azy, fa hirinao ny hikatsaka izay heverin’ny fahefana tsy ara-pivavahana maro mihitsy aza ho fampianarana tsara indrindra — dia ilay azo avy amin’ny fianarana amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra. Ilay mpanoratra alemà atao hoe Johann Wolfgang von Goethe dia nanamarika toy izao: “Arakaraka ny fandrosoan’ny [vahoaka iray] eo amin’ny lafiny ara-tsaina no hahatonga ho azo atao amin’ny fomba feno kokoa, ny fampiasana ny Baiboly ho fototry ny fampianarana sady ho fitaovam-pampianarana.” Eny, ny fianarana ny Baiboly no hanomana tsaratsara kokoa anao ho amin’ny fiainana, mihoatra noho izay mety ho fampianarana hafa na inona izany na inona! — Ohabolana 2:6-17; 2 Timoty 3:14-17.
11. a) Inona no asa lehibe indrindra azontsika atao? b) Nahoana ny tanora iray no nifidy ny hahazo fampianarana?
11 Koa satria manome fiainana ny fahalalana an’Andriamanitra, ny asa lehibe indrindra azonao atao amin’izao fotoana izao, dia ny fizarana izany fahalalana izany amin’ny hafa. (Ohabolana 3:13-18; Jaona 4:34; 17:3). Mba hanaovana izany amin’ny fomba mandaitra anefa, dia ilainao ny hampianarina ireo fomba fanaovan-javatra fototra. Ilainao ny hahay hisaina amin’ny fomba mazava, hiteny amin’ny fomba lojika, ary hamaky teny sy hanoratra tsara — dia fahaizana izay ampianarina any an-tsekoly. Koa raiso ho zava-dehibe àry ny fianarana ataonao any an-tsekoly, toy ny nataon’i Tracy, tanora iray any Floride, Etazonia, izay nahazo diplaoma tany amin’ny lise sy mari-boninahitra fanomen’ny sekoly. Nanambara ny fanantenany toy izao izy: “Nanana ny tanjoko foana aho, dia ny ho mpanompo manontolo andron’i Jehovah Andriamanitro, ary antenaiko fa hanampy ahy hahatratra an’izany tanjona izany ny fampianarana azoko.”
12. Raha ny handray fampianarana tsy ara-pivavahana fanampiny no fidina, mety hanampy amin’ny fanatontosana zava-kendrena inona izy io?
12 Efa mba noeritreretinao ve ny amin’ny antony andehananao any an-tsekoly? Moa ve izany, voalohany indrindra, dia ny mba hanomanana anao ho tonga minisitr’i Jehovah mahita vokatra? Raha izany no izy, dia hirinao ny handinika amim-pitandremana raha manatontosa an’io zava-kendrena io ny fampianarana raisinao. Rehefa avy nifampidinika tamin’ny ray aman-dreninao ianao, dia mety ho tapaka ny hevitra fa tokony hikatsaka fianarana mihoatra noho izay faran’ny kely takin’ny lalàna, ianao. Izany fampianarana fanampiny izany dia mety hanampy anao hahazo asa hamelomanao tena, ary mbola hamela anao koa hanana fotoana sy hery mba handraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny asan’ilay Fanjakana. — Matio 6:33.
13. Ahoana no nampisehoan’ny Kristiana rosiana roa izay nikatsaka fampianarana fanampiny, ny zavatra nokendreny teo amin’ny fiainana?
13 Ny sasany izay mikatsaka fampianarana fanampiny, dia mirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro na dia mandritra ny fotoana hanaovany fianarana fanampiny aza. Diniho i Nadia sy i Marina, zatovovavy roa any Moscou, Rosia. Samy vita batisa tamin’ny Aprily 1994 izy mirahavavy, ary nanomboka nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy. Fotoana fohy taorian’izay, dia nahazo diplaoma avy tamin’ny lise izy ireo, ary nisoratra anarana tamin’ny fandaharam-pampianarana comptabilité iray haharitra roa taona. Tamin’ny May 1995, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy ireo, kanefa dia nihazona antsalan’isa ambony hatrany teo amin’ny fianarany comptabilité. Ambonin’izany, dia afaka nitarika fampianarana Baiboly 14 tamin’ny antsalany isan-kerinandro, izy mirahavavy niaraka, nandritra ny fotoana mbola nandehanany tany an-tsekoly. Manantena ireo tovovavy ireo, fa ilay fianarana comptabilité nataony dia hanampy azy hahita asa sahaza, mba hahafahany hamelon-tena eo amin’ny fanompoana manontolo andro.
14. Na toy inona na toy inona habetsahan’ny fampianarana tsy ara-pivavahana fidintsika, inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika?
14 Raha mikatsaka fampianarana tsy ara-pivavahana mihoatra noho izay takin’ny lalàna ianao, dia diniho amim-pahendrena ny antony anaovanao izany. Moa ve izany mba hahazoana laza ho an’ny tenanao sy hahazoana harena ara-nofo? (Jeremia 45:5; 1 Timoty 6:17). Sa ny tanjonao dia ny hampiasa ilay fampianarana fanampiny mba handraisana anjara amin’ny fomba feno kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah? I Lydia, tanora iray nifidy ny hikatsaka fampianarana fanampiny, dia nampiseho fifantohana tsara dia tsara tamin’ny raharaha ara-panahy, ka nanazava toy izao: “Ny hafa dia mikatsaka fampianarana ambony kokoa, ary mamela ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo hanelingelina azy, ka dia navelany Andriamanitra. Amiko manokana, dia ny fifandraisako amin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra.” Fihetsika mahate hidera re izany ho antsika rehetra!
15. Fari-pahaizana maro samihafa inona avy no nisy teo anivon’ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
15 Tena zava-dehibe fa nanana fari-pahaizana maro samihafa ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Ny apostoly Petera sy Jaona, ohatra, dia noheverina ho “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina”, satria tsy mba nampiofanina tany amin’ireo sekolin’ireo raby, izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:13). Ny apostoly Paoly kosa tetsy an-danin’izany, dia nahazo izay azo ampitovina amin’izao andro izao amin’ny fampianarana any amin’ny oniversite. Kanefa, i Paoly dia tsy nampiasa izany fampianarana izany mba hisarihana ny saina ho amin’ny tenany; izany kosa aza dia tombony rehefa nitory tamin’ny sarangan’olona maro samihafa, izy. (Asan’ny Apostoly 22:3; 1 Korintiana 9:19-23; Filipiana 1:7). Toy izany koa i Menahema, izay “niara-nampianarina tamin’i Heroda mpanapaka ny distrika”, dia anisan’ireo nitarika tao amin’ny kongregasiona tany Antiokia. — Asan’ny Apostoly 13:1, NW.
Nahoana no mitantana amim-pahendrena ny volanao?
16. a) Nahoana no mety ho sarotra kokoa ny hahatsiaro ny Mpanao antsika raha raiki-trosa isika? b) Ahoana no ampihariharian’ny iray tamin’ireo fanoharan’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny hieritreretana, alohan’ny hanaovantsika fandaniana?
16 Raha tsy mitantana amim-pahendrena ny volanao ianao, dia mety ho sarotra kokoa ny hahatsiaro ny Mpanao anao amin’ny fanaovana izay hampifaly azy, satria raha tafiditra amin’ny trosa ianao, dia azo atao ny milaza fa manana tompo hafa iray ianao. Manazava toy izao ny Baiboly: “Misambora vola dia ho andevon’ilay mpampisambotra ianao.” (Ohabolana 22:7, Today’s English Version). Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny hieritreretana alohan’ny hanaovantsika fandaniana ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy. “Iza moa aminareo”, hoy izy, “raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita”. — Lioka 14:28, 29.
17. Nahoana no sarotra matetika ny mifehy ny fandaniana ataon’ny tena?
17 Amim-pahendrena àry no hiezahanao hiaina mifanaraka amin’ilay fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina, dia ‘ny mba tsy hamelana hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany’. (Romana 13:8). Sarotra anefa ny manao izany, indrindra amin’ny fotoana ifanandrinanao tsy an-kijanona amin’ireo zavatra novokarina vaovao izay lazain’ny mpanao dokam-barotra fa tena ilainao. Nanao izao fanamarihana izao ny ray izay niezaka nanampy ny zanany haneho fahaiza-manavaka: “Nandany fotoana betsaka izahay niaraha-nandinika izay atao hoe zavatra ilaina, sy izay atao hoe zavatra irina.” Amin’ny ankapobeny, ireo sekoly dia tsy mampianatra ny amin’izany zavatra izany, ka zara raha manome toromarika akory aza ny amin’ny fomba fitantanam-bola amim-pahaiza-mandray andraikitra. “Mahazo diplaoma avy ao amin’ny lise isika, mahafantatra bebe kokoa momba ny telolafy miraranjo, noho ny momba ny fitsitsiana vola”, hoy ny fanamarihan’ny mpanao asa sosialy iray. Inona àry no afaka manampy anao hanao fandaniana amim-pahendrena?
18. Inona no fanalahidin’ny fitantanam-bola amim-pahendrena, ary nahoana?
18 Ny fanarahana ilay fampirisihana hoe “Ary tsarovy ny Mpanao anao”, no fanalahidin’ny fitantanana amim-pahendrena ny volanao. Izany no izy satria rehefa mankato io didy io ianao, dia ny fampifaliana an’i Jehovah no omenao ny laharam-pahamehana, ary ny firaiketam-ponao aminy dia misy vokany eo amin’ny fomba handanianao ny volanao. Mifanaraka amin’izany, dia hiezaka ianao mba tsy hamela ny fanirian’ny tenanao manokana hanelingelina ny fanomezanao an’Andriamanitra fifikirana amin’ny fanahy manontolo. (Matio 16:24-26). Hiezaka mafy ianao mba hihazona ny masonao ho “tsotra”, izany hoe hifantoka amin’ny fomba mazava amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony. (Matio 6:22-24, NW ). Amin’izay ianao dia ho tonga amin’ny fiheverana ilay fananarana avy amin’Andriamanitra mba ‘hankalaza an’i Jehovah amin’ny fanananao’, ho toy ny tombontsoa mahafaly. — Ohabolana 3:9.
Tanora mendrika hotahafina
19. Ahoana no nahatsiarovan’ireo tanora tamin’ny lasa ny Mpanao azy?
19 Mahafaly fa tanora maro, tamin’ny lasa sy ankehitriny, no nahatsiaro ny Mpanao azy. I Samoela zaza dia nitoetra ho niorina tsara tamin’ny fanompoana tao amin’ny tabernakely, na dia teo aza ny fitaomana feno faharatsiam-pitondran-tenan’ireo niara-nanompo taminy. (1 Samoela 2:12-26). Tsy afaka nanangoly an’i Josefa zatovo mba hanao fijangajangana ny mpaka fanahy nanintona iray, dia ny vadin’i Potifara. (Genesisy 39:1-12). Na dia “mbola zaza” aza i Jeremia, dia nitory tamin-kerim-po, nifanandrina tamin’ny fanoherana mafy. (Jeremia 1:6-8). Ny zazavavy kely isiraelita iray dia nanome, tsy nisy tahotra, toromarika ny komandin’ny miaramila nahery iray tany Syria, mba hitady fanampiana tany Isiraely, izay toerana nahafahany nianatra momba an’i Jehovah. (2 Mpanjaka 5:1-4). I Daniela zatovo sy ireo namany dia nihazona ny finoany rehefa notsapaina tamin’ireo lalàn’Andriamanitra nahakasika ny sakafo. Ary i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego zatovo dia nifidy ny hatsipy tao anatin’ny lafaoro nisy afo nirehitra, toy izay hampanaiky lembenana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra tamin’ny fivavahana teo anoloan’ny sary iray. — Daniela 1:8, 17; 3:16-18; Eksodosy 20:5.
20. Ahoana no nahatsiarovan’ny tanora maro ny Mpanao azy, amin’izao andro izao?
20 Amin’izao andro izao, dia tanora 19 ka hatramin’ny 25 taona, maherin’ny 2 000 no manompo any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny Fanjakan’i New York, Etazonia. Izy ireo dia ampahany kely monja amin’ireo tanora an’aliny maro maneran-tany izay mahatsiaro ny Mpanao azy. Sahala amin’i Josefa fahiny, izy ireo dia nanda tsy hampanaiky lembenana ny fahadiovany ara-pitondran-tena. Maro no nankato an’Andriamanitra nihoatra noho ny olona, rehefa noterena hifidy izay hotompoiny. (Asan’ny Apostoly 5:29). Tamin’ny 1946 tany Polonina, dia nampijalijalina i Henryka Zur, 15 taona, rehefa nanda tsy hanao fanompoan-tsampy ara-pivavahana indray mandeha. “Eritrereto izay tianao hoeritreretina”, hoy ny fanipazan-kevitry ny iray tamin’ireo mpampijaly azy, “fa manaova mariky ny lakroa katolika fotsiny.” Noho izy nanda, dia notaritarihina tany anaty ala ary notifirina, fa ny fanantenany azo antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy nanohinana!b
21. Fanasana inona no ho fahendrena ny hanekena azy, ary hiafara amin’inona izany?
21 Tsy maintsy ho nohafanain’ireo tanora izay nahatsiaro azy nandritra ireo taonjato toy inona moa, ny fon’i Jehovah! Moa ve ianao hamaly ilay fanasany hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao”? Mendrika ny hotsarovanao marina tokoa izy! Eritrereto isan’andro ny zavatra rehetra nataony ho anao, sy izay mbola hataony, ka ekeo ilay fanasany hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” — Ohabolana 27:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Desambra 1953, pejy 750.
b Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1994 (frantsay), pejy 217-218, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no azo anampiana ny tanora hihevitra an’Andriamanitra ho toy ny persona tena misy?
◻ Inona no dikan’ny hoe mahatsiaro ny Mpanao anao?
◻ Inona no tokony ho zava-kendren’ny fampianarana raisintsika?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hitantanana amim-pahendrena ny volantsika?
◻ Tanora iza avy no mendrika hotahafinao?
[Sary, pejy 17]
Efa noeritreretinao ve ny amin’ny antony andehananao any an-tsekoly?
[Sary, pejy 18]
Mianatra mitantam-bola amim-pahendrena ve ianao?