Ny Fahamarinana Momba An’i Jesosy
TOA tsy misy farany ireo teoria sy tombantombana momba ny hoe iza i Jesosy sy momba izay notontosainy. Ahoana anefa ny amin’ny Baiboly mihitsy? Inona no lazainy amintsika momba an’i Jesosy Kristy?
Izay lazain’ny Baiboly
Eo am-pamakianao amim-pitandremana ny Baiboly, dia hahamarika ireto zava-misy fototra ireto ianao:
◻ Zanakalahy tokan’Andriamanitra i Jesosy, lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao. — Jaona 3:16; Kolosiana 1:15.
◻ Roa arivo taona lasa teo ho eo izay, Andriamanitra dia namindra ny ain’i Jesosy tao an-kibon’ny virjiny jiosy iray mba hateraka ho olombelona. — Matio 1:18; Jaona 1:14.
◻ Tsy lehilahy tsara fanahy fotsiny i Jesosy. Tamin’ny lafiny rehetra izy dia taratra mitovy tanteraka amin’ny toetra kanto maha-izy ny Rainy, i Jehovah Andriamanitra. — Jaona 14:9, 10; Hebreo 1:3, NW.
◻ Nandritra ny fanompoany teto an-tany, i Jesosy dia nikarakara tamim-pitiavana izay nilain’ireo nampahorina. Nanasitrana tamim-pahagagana ny marary izy ary nanangana ny maty mihitsy aza. — Matio 11:4-6; Jaona 11:5-45.
◻ Nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona ory i Jesosy, ary nampiofana ny mpianany mba hanohy io asa fitoriana io izy. — Matio 4:17; 10:5-7; 28:19, 20.
◻ Tamin’ny 14 Nisana (tokony ho tamin’ny 1 Aprily), 33 am.f.i., i Jesosy dia nosamborina, notsaraina, nomelohina, ary novonoina ho faty noho ny fiampangana diso ho nitaona ny olona hanongam-panjakana. — Matio 26:18-20, 48–27:50.
◻ Ny fahafatesan’i Jesosy dia miasa ho avotra, manafaka ny olombelona mino, amin’ny maha-mpanota azy, ary amin’izany dia manokatra lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra maneho finoana azy. — Romana 3:23, 24; 1 Jaona 2:2.
◻ Tamin’ny 16 Nisana, dia natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary fotoana fohy taorian’izay, dia niakatra nody tany an-danitra izy mba handoa tamin’ny Rainy ny vidin’ilay avotra, dia ny ain’olombelona tanteraka nananany. — Marka 16:1-8; Lioka 24:50-53; Asan’ny Apostoly 1:6-9.
◻ Amin’ny maha-Mpanjaka voatendrin’i Jehovah azy, dia manana fahefana feno hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olombelona, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. — Isaia 9:5, 6; Lioka 1:32, 33.
Araka izany, ny Baiboly dia mampiseho an’i Jesosy ho olona manan-toerana lehibe eo amin’ny fanatontosana ny fikasan’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahafahanao mahazo antoka fa io no ilay tena Jesosy — dia ilay Jesosy ao amin’ny tantara, izay teraka tao Betlehema sy nandia ny tany, 2 000 taona lasa teo ho eo izay?
Fototra iorenan’ny fatokiana
Fisalasalana maro no azo esorina amin’ny famakiana fotsiny ny Soratra Grika Kristiana amin’ny saina tsy miangatra. Amin’ny fanaovana izany dia ho hitanao fa ny fitantaran’ny Baiboly dia tsy fitantarana fisehoan-javatra manjavozavo, toy ny amin’ny angano. Lazaina kosa ny anarana sy ny fotoana voafaritra tsara ary ny toerana marina. (Ohatra, jereo ny Lioka 3:1, 2.) Ankoatra izany, ireo mpianatr’i Jesosy dia lazalazaina amim-pahamarinana miavaka, amim-pahatsorana izay manorina fatokiana ao amin’ny mpamaky. Tsy nanarontsarona ny fahadisoan’iza na iza ireo mpanoratra — na dia ny an’ny tenany aza — mba hanaovana fitantarana mitovy tanteraka amin’izay nitranga. Eny, ho hitanao fa ny Baiboly dia manana ny toetra mampiavaka ny fahamarinana. — Matio 14:28-31; 16:21-23; 26:56, 69-75; Marka 9:33, 34; Galatiana 2:11-14; 2 Petera 1:16.
Misy zavatra bebe kokoa anefa. Ireo zavatra hitan’ny arkeolojia dia nanamafy imbetsaka ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly. Ohatra, raha mitsidika ny Tranom-bakok’i Israely ao Jerosalema ianao, dia afaka mahita vato iray misy soratra izay manonona ny anaran’i Pontio Pilato. Misy zavatra hafa hitan’ny arkeolojia manamarina fa olona tena nisy ry Lysania sy Sergio Paolo, izay tononin’ny Baiboly, fa tsy noforomporonin’ny sain’ireo Kristiana tany am-boalohany. Ireo fisehoan-javatra voatatitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana (Testamenta Vaovao), dia manana fanamafisana be dia be ao amin’ny fanononana nataon’ireo mpanoratra fahiny, anisan’izany i Juvénal, i Tacite, i Sénèque, i Suétone, i Pline le Jeune, i Lucien, i Celse, ary ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Josèphe.a
Neken’ny olona an’arivony maro niaina tamin’ny taonjato voalohany tsy nisy fihambahambana ireo fitantarana naseho tao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Na dia ireo fahavalon’ny Kristianisma aza dia tsy nanda ny fahamarinan’izay voalaza fa nolazain’i Jesosy sy nataony. Nanao izao fanazavana izao ny Profesora F. F. Bruce, raha ny amin’ny hoe nety ho nohatsarain’ireo mpianatra ny toetran’i Jesosy taorian’ny nahafatesany: “Tsy nety ho mora velively, araka ny toa nieritreretan’ny mpanoratra sasany azy, ny hamorona ireo teny sy zavatra nataon’i Jesosy tamin’ireny taona tany am-boalohany ireny, fony teo ny maro aoka izany tamin’ny mpianany, izay afaka nitadidy izay nitranga sy izay tsy nitranga. (...) Ny mpianatra dia tsy ho afaka ny hilaza zavatra tsy araka ny marina (tsy resahina ny finiavana hanova ny zava-nisy), izay avy hatrany dia ho saron’ireo izay ho faly loatra ny hanao izany.”
Ny antony tsy inoan’izy ireo
Na dia izany aza, dia mitoetra ho be fisalasalana ny manam-pahaizana manokana sasany. Na dia milaza aza izy ireo fa noforomporonina ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly, dia dodona izy ireo mikaroka ao amin’ireo asa soratra apokrifa ary manaiky ireny ho azo inoana! Nahoana? Miharihary fa ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly dia mirakitra zavatra izay tsy tian’ny avara-pianarana maoderina maro hinoana.
Ao amin’ilay bokiny hoe Union Bible Companion, navoaka tamin’ny 1871, i S. Austin Allibone dia nandefa fihaikana an’ireo be fisalasalana. Nanoratra toy izao izy: “Anontanio na iza na iza milaza ho misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny tantaran’ny Filazantsara hoe inona no antony inoany fa maty tao amin’ny Capitole i César, na koa fa nohosoran’ny Papa Léon III ho Emperoran’ny Andrefana tamin’ny taona 800 ny Emperora Charlemagne? (...) Mino ireo fanambarana rehetra ireo momba ireo olona ireo isika; ary izany dia satria manana porofo ara-tantara ny amin’ny fahamarinan’izany isika. (...) Raha mbola misy mandà tsy hino izany, rehefa anehoana porofo toy izany, dia ilaozantsika izy ireo ho toy ny olona mafy hatoka adala, na ho toy ny olona tsy misy antenaina satria tsy mahay na inona na inona. Inona àry no holazaintsika momba ireo izay, na dia eo aza ny porofo tondraka atolotra ankehitriny momba ny maha-azo itokiana ny Soratra Masina, dia milaza fa tsy mampiaiky azy izany? (...) Tsy maniry hino zavatra izay mampietry ny hambom-pony, ka hanery azy hanaraka fiainana hafa, izy ireo.”
Eny, ny be fisalasalana sasany dia manana antony manosika lasa lavitra kokoa rehefa mandà ny Soratra Grika Kristiana. Ny zava-manahirana azy ireo dia tsy avy amin’ny maha-azo inoana azy io fa avy amin’ny fari-pitsipika ao anatiny. Ohatra, hoy i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy ireo], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14). Olona maro milaza tena fa Kristiana anefa no voarohirohy lalina ao anatin’ireo raharaha ara-politikan’izao tontolo izao, voarohirohy ao amin’ny ady misy ra mandriaka mihitsy aza. Tsy mampifanaraka ny fiainany amin’ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny olona maro, fa ho tiany kosa raha ny Baiboly no mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’izy ireo manokana.
Diniho koa ny raharaha momba ny fitondran-tena. Nanome fananarana mafy ny kongregasiona tao Tyatira i Jesosy noho ny fileferana tamin’ny fanaovana fijangajangana. “Izaho no mandinika ny voa sy ny fo”, hoy izy tamin’izy ireo, “ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.”b (Apokalypsy 2:18-23). Tsy marina ve anefa fa maro amin’ireo milaza tena fa Kristiana no manilika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena? Aleon’izy ireo mandà izay nolazain’i Jesosy toy izay handa ny lalam-pitondran-tenany maloto.
Noho izy ireo mirona tsy hanaiky an’ilay Jesosy ao amin’ny Baiboly, dia namorona Jesosy iray araka izay noheverin’ny sainy, ireo manam-pahaizana manokana. Nanjary meloka ho namorona angano izy ireo, dia ilay niampangan’izy ireo tamin’ny fomba diso ireo mpanoratra ny Filazantsara. Tazonin’izy ireo ny tapany amin’ny fiainan’i Jesosy izay irin’izy ireo hekena, laviny ny sisa, ary dia ampiany tsipiriany noforoniny vitsivitsy. Raha ny marina, ilay olon-kendry mpivenjivenjin’izy ireo na ilay revaolisionera ara-tsosialiny dia tsy ilay Jesosy araka ny tantara izay lazain’izy ireo fa karohiny; izy io kosa dia noforomporonin’ny sain’ireo avara-pianarana feno fireharehana fotsiny.
Fahitana ilay tena Jesosy
Niezaka mafy i Jesosy mba hanaitra ny fon’ireo noana ny fahamarinana sy ny fahitsiana tamim-pahatsorana. (Matio 5:3, 6; 13:10-15). Ny olona toy izany dia mamaly ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
Ilay Jesosy tena izy dia tsy tokony ho hita any amin’ireo boky nosoratan’ireo manam-pahaizana manokana maoderina; ary tsy tokony ho hita koa any amin’ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay nanjary toerana iroboroboan’ny lovantsofina nataon’olombelona. Afaka mahita an’ilay Jesosy ara-tantara ianao, ao anatin’ny Baibolinao manokana. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa ny aminy? Ho faly hanampy anao hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa, dia jereo Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olombelona?, toko faha-5, pejy faha-55-70, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Ao amin’ny Baiboly, indraindray ny voa dia mampiseho ny eritreritra sy ny fihetseham-pon’ny tena lalina indrindra.
[Efajoro, pejy 6]
AN-JATONY TAONA MARO NANAOVANA TSIKERA
Ny fanaovana tsikera ny Soratra Grika Kristiana dia nanomboka maherin’ny 200 taona lasa izay, fony nilaza marimarina toy izao i Hermann Samuel Reimarus, filozofa alemà (1694-1768): “Rariny ny antsika raha asiantsika fiavahany tanteraka ny fampianaran’ireo Apostoly ao amin’ireo asa sorany, sy izay nambaran’ny Tenan’i Jesosy sy nampianariny tamin’ny andro niainany.” Nanomboka tamin’i Reimarus, dia manam-pahaizana manokana maro no nampianarina hieritreritra toy izany.
Ilay boky hoe The Real Jesus (Ilay Tena Jesosy) dia manamarika fa mpanao tsikera maro tamin’ny lasa no tsy nihevi-tena ho mpivadi-pinoana. Izy ireo kosa dia “nihevi-tena ho Kristiana marina kokoa noho izy nanafa-tena tamin’ireo fanakantsakanan’ny foto-pinoana sy ny finoanoam-poana”. Ny tsikera ambony, hoy ny fihevitr’izy ireo, dia “endriky ny Kristianisma voadio”.
Ny zava-misy mampalahelo dia hoe tonga toerana iroboroboan’ny lovantsofina nataon’olombelona ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ireo foto-pampianarana momba ny fanahy tsy mety maty sy ny Trinite ary ny afobe mirehitra dia sasany fotsiny amin’ireo fampianarana izay mifanohitra amin’ny Baiboly. Tsy tompon’andraikitra amin’io fanimbana ny fahamarinana io anefa ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristiana. Mifanohitra amin’izany, fa nanohitra ireo soritra voalohany tamin’ny fampianaran-diso izy ireo teo antenatenan’ny taonjato voalohany, fony i Paoly nanoratra fa ‘niasa sahady’ ny fivadiham-pinoana teo anivon’ireo nilaza tena fa Kristiana. (2 Tesaloniana 2:3, 7). Afaka matoky isika fa izay voarakitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana dia firaketana an-tsoratra ny fahamarinana ara-tantara sy ara-poto-pampianarana.
[Efajoro, pejy 7]
OVIANA NO NOSORATANA IREO FILAZANTSARA?
Maro ny mpanao tsikera ny Testamenta Vaovao manizingizina fa ny Filazantsara dia nosoratana ela be taorian’ireo fisehoan-javatra izay lazalazainy, ka noho izany dia saika azo antoka fa mirakitra tsy fahamarinana.
Toa manondro daty aloha be ho nanoratana ny Matio sy Marka ary Lioka, anefa ny porofo. Ireo fanamarihana kely ao amin’ny kopia sora-tanana sasany amin’ny Matio dia manondro fa ilay fanoratana voalohany dia nitranga aloha be, tamin’ny 41 am.f.i. Ny Lioka dia azo inoana fa nosoratana teo anelanelan’ny 56 sy 58 am.f.i., satria ny bokin’ny Asan’ny Apostoly (azo inoana fa vita tamin’ny 61 am.f.i.) dia manondro fa ilay mpanoratra, i Lioka, dia efa nahavita ilay “boky voalohany” nosoratany, dia ny Filazantsara. (Asan’ny Apostoly 1:1). Ny Filazantsaran’i Marka dia heverina ho natao tany Roma nandritra ny fanaovana ny apostoly Paoly an-tranomaizina voalohany na faharoa — azo inoana fa teo anelanelan’ny 60 sy 65 am.f.i.
Miray hevitra ny amin’ny fanomezana daty aloha kokoa an’ireo Filazantsara ireo ny Profesora Craig L. Blomberg. Nomarihiny fa na dia rehefa ampiantsika aza ny Filazantsaran’i Jaona, izay natao tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, “dia mbola tena akaiky kokoa an’ireo fisehoan-javatra tany am-boalohany isika raha ampitahaina amin’ny tantaram-piainan’olona maro fahiny. Ireo roa lahy mpanoratra ny tantaram-piainan’i Aleksandra Lehibe tany am-boalohany indrindra, i Arrian sy i Plutarque, ohatra, dia nanoratra maherin’ny efa-jato taona taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra tamin’ny 323 am.f.i., kanefa dia heverin’ny mpanoratra tantara ho mendri-pitokiana izy ireo amin’ny ankapobeny. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tena nitombo ireo angano tsy mampino momba ny fiainan’i Aleksandra, kanefa ny ankamaroan’izy ireny dia taonjato maromaro taorian’ireo mpanoratra roa ireo ihany”. Ireo tapany ara-tantara amin’ny Soratra Grika Kristiana dia azo antoka fa mendrika hinoana, fara faharatsiny mitovy amin’ireo tantara tsy ara-pivavahana.
[Sary, pejy 8]
Hahatratra ny fara tampony ny fifaliana ho an’ny rehetra ao amin’ny Paradisa eto an-tany ho avy