FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/1 p. 30-31
  • Fitadiavana Vady ho An’i Isaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitadiavana Vady ho An’i Isaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanirahana sarotra
  • Fianarana ho antsika
  • Te Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka
    Ampianaro ny Zanakao
  • Vonona Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanambadiana iray mahasoa olombelona an-tapitrisany maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Vonona Handeha Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/1 p. 30-31

Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo

Fitadiavana Vady ho An’i Isaka

TROTRAKA ilay lehilahy zokiolona nipetraka teo akaikin’ny lava-drano. Izy sy ireo mpanampy azy, niaraka tamin’ny ramevan’izy ireo folo, dia nanao dia niainga avy tany amin’ny manodidina an’i Beri-sheba ka hatrany avaratr’i Mezopotamia — mihoatra ny 800 kilaometatra ny halavirany.a Izao izy efa tonga teo amin’ilay toerana halehany izao, dia niato kely io mpanao dia lavitra efa sasatra io mba hisaintsainana ny amin’ilay fanirahana sarotra nampanaovina azy. Iza moa io lehilahy io, ary nahoana izy no nanao io dia lavitra ezaka io?

Io lehilahy io dia mpanompon’i Abrahama, “ilay tranainy indrindra tao an-tranony”. (Jenezy 24:2, Kat.). Na dia tsy tononina anarana aza izy io ao amin’ilay fitantarana, dia toa hita fa i Eliezera, izay indray mandeha dia nolazain’i Abrahama ho ‘ny anankiray amin’ny ao an-tranony’, ary noresahiny ho teo an-dalan’ny ‘handova azy’. (Genesisy 15:2, 3). Mazava ho azy fa fony i Abrahama sy i Saraha mbola tsy nanan-janaka izany. Izao dia efa 40 taona i Isaka zanakalahin’izy ireo, ary na dia tsy i Eliezera intsony aza no mpandova voalohany indrindra an’i Abrahama, dia mbola mpanompony ihany izy. Koa nanoa àry izy rehefa nanao fangatahana sarotra taminy i Abrahama. Inona ilay izy?

Fanirahana sarotra

Tamin’ny andron’i Abrahama dia tsy teo amin’ny fianakaviana ihany no nisy fiantraikany ny fanambadiana fa teo amin’ny foko manontolo koa, na hoe teo amin’ny fiaraha-monina notarihin’ny patriarika. Noho izany, dia fanao ny nifidianan’ny ray aman-dreny vady ho an-janany. Tamin’ny fitadiavana vady ho an’i Isaka zanany lahy anefa, dia niatrika olana saro-bahana i Abrahama. Ireo fomba tsy araka an’Andriamanitra nampiavaka ny Kananita teo an-toerana dia nahatonga ny fanambadiana ny iray tamin’izy ireny ho tsy azo noeritreretina. (Deoteronomia 18:9-12). Ary na dia fanao aza ny nanambadian’ny lehilahy iray olona tao amin’ny fokony ihany, dia an-jatony kilaometatra avy teo aminy, tany avaratr’i Mezopotamia, no nisy an’ireo havan’i Abrahama. Tsy ho azony natao tsotra izao ny nampandeha an’i Isaka hanorim-ponenana any, satria efa nampanantena an’i Abrahama i Jehovah hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity”, izany hoe ny tany Kanana. (Genesisy 24:7, izahay no manao sora-mandry.) Noho izany, dia nilaza tamin’i Eliezera i Abrahama hoe: ‘Mandehana any an-tanindrazako sy any amin’ny havako, ka hakanao vady i Isaka zanako.’ — Genesisy 24:4.

Rehefa nahavita ilay dia lavitra i Eliezera, dia niala sasatra teo akaikin’ny lava-drano raha teo am-pieritreretana ny amin’ilay nanirahana azy. Takany fa tsy ho ela dia ho avy eo amin’ilay lava-drano ireo vehivavy mba haka rano ho an’ny alina. Koa nitalaho tamin’i Jehovah toy izao àry izy: “Izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.” — Genesisy 24:14.

Raha mbola teo am-pivavahana iny indrindra izy no nisy tovovavy tsara tarehy iray nantsoina hoe Rebeka, nanatona. “Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho”, hoy i Eliezera taminy. Izany no nataon’i Rebeka, ary avy eo dia hoy izy: “Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.” Fanolorana feno fahalalahan-tanana izany, satria ny rameva iray mangetaheta dia mahasotro rano hatramin’ny 95 litatra ao anatin’ny folo minitra monja! Na nangetaheta na tsia ny ramevan’i Eliezera, dia tsy maintsy ho nahafantatra i Rebeka fa hahatorovana azy ilay asa nanolorany tena hatao. Eny tokoa, “naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ny ramevany rehetra izy”. — Genesisy 24:15-20.

Nahatsapa ny fitarihan’i Jehovah i Eliezera ka nanome an-dRebeka kavin’orona volamena iray sy haba volamena roa, mitentina tokony ho 5 800 000 iraimbilanja raha ny vidiny amin’izao andro izao. Rehefa nilaza taminy i Rebeka fa zafikelin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, izy, dia nanao vavaka fisaorana an’Andriamanitra i Eliezera. “Notantanan’i Jehovah teny an-dàlana ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko [aho]”, hoy izy. (Genesisy 24:22-27). Nentina tany amin’ny fianakavian’i Rebeka i Eliezera. Tatỳ aoriana, dia nanjary vadin’i Isaka i Rebeka, ary nanana ny tombontsoa ho lasa razamben’ny Mesia, izany hoe i Jesosy, izy.

Fianarana ho antsika

Nitahy ny ezaka tamim-pahatsorana nataon’i Eliezera mba hahitana vady matahotra an’Andriamanitra ho an’i Isaka, i Jehovah. Tadidio anefa fa ny fanambadian’i Isaka dia nifamatotra nivantana tamin’ny fikasan’Andriamanitra hampisy taranaka iray amin’ny alalan’i Abrahama. Koa tsy tokony hitarika antsika hanatsoaka hevitra àry io fitantarana io fa izay olona rehetra mivavaka mba hahazoana vady dia homena izany amin’ny fomba mahagaga avokoa. Na dia izany aza anefa, raha toa isika ka mifikitra amin’ny fotopoto-pitsipik’i Jehovah, dia homeny antsika ny tanjaka mba hiaretana ireo zava-tsarotra mifanindran-dalana amin’ireo toe-javatra roa misy eo amin’ny fiainana — fanambadiana na fitoerana ho mpitovo. — 1 Korintiana 7:8, 9, 28; ampitahao amin’ny Filipiana 4:11-13.

Tsy maintsy nanao ezaka be dia be i Eliezera mba hanaovan-javatra araka ny fomban’i Jehovah. Mety ho hitantsika koa fa tsy mora foana akory ny manaraka ireo fari-pitsipik’i Jehovah. Ohatra, mety ho sarotra ny hahitana asa tsy manakantsakana ny raharaha teokratika, vady matahotra an’Andriamanitra, namana mampahery, fialam-boly tsy mampietry. (Matio 6:33; 1 Korintiana 7:39; 15:33; Efesiana 4:17-19). Kanefa, i Jehovah dia afaka manohana ireo mandà tsy hampilefitra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. — Ohabolana 3:5, 6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Rehefa dinihina ny salan’ny hafainganam-pandehan’ny rameva, dia mety ho nila maherin’ny 25 andro ny famitana io dia io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara