Nahafoy Zavatra Be dia Be Aho, Noho ny Zavatra Lehibe Kokoa
NOTANTARAIN’I JULIUS OWO BELLO
Nandritra ny 32 taona aho dia Aladura.* Nino aho fa ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana sy ny vavaka dia handamina ireo zava-manahirana ahy rehetra ary hanasitrana ny aretina rehetra. Tsy nividy fanafody mihitsy aho, na dia ireo mampitony ny fanaintainana aza. Nandritra ireny taona ireny, dia tsy nisy mihitsy tao amin’ny fianakaviako mba efa naiditra hopitaly. Na oviana na oviana no nisy narary tamin’ireo zanako, dia nivavaka andro aman’alina ho azy aho mandra-pahasitrany. Nino aho fa namaly ny vavaka nataoko sady nitahy ahy Andriamanitra.
* Avy amin’ny teny yoruba iray midika hoe “izay mivavaka”. Manisy fitenenana ny amin’ny mpikambana amin’ny fiangonana afrikana iray, izay mpanao fanasitranana amin’ny alalan’ny fanahy izy io.
IZAHO dia anisan’ny Egbe Jolly, ny kilioba sosialy malaza indrindra ao Akure, tanàna iray any amin’ny faritra andrefan’i Nizeria. Ireo mpanan-karena indrindra sy ireo manana fahefana be indrindra teo amin’ny fiaraha-monina nisy anay no namako. Nitsidika ahy matetika tao an-tokantranoko ny Deji, mpanjakan’i Akure.
Nanana vady maro koa aho, vady enina sy vady kely maro. Niroborobo ny fandraharahako. Nandeha tsara ny zava-drehetra ho ahy. Kanefa, tahaka ilay mpandranto ao amin’ilay fanoharana momba ny vatosoa (perla) nataon’i Jesosy, dia nahita zava-tsarobidy aoka izany aho, hany ka nafoiko ny dimy tamin’ireo vadiko, ireo vady keliko, ny fiangonako, ny kiliobako ara-tsosialy, sy ny lazako teo amin’izao tontolo izao ho solon’izy io. — Matio 13:45, 46.
Ny fomba nahatongavako ho Aladura
Tamin’ny 1936, fony aho 13 taona, no nandre voalohany momba ireo Aladuras aho. Nilaza tamiko toy izao ny namana iray atao hoe Gabriel: “Raha mitsidika ny Fiangonana Apostolikan’i Kristy ianao, dia handre an’Andriamanitra miteny.”
“Amin’ny fomba ahoana no itenenan’Andriamanitra?”, hoy aho nanontany azy.
Hoy izy hoe: “Andao dia ho hitanao.”
Dodona hihaino an’Andriamanitra aho. Koa iny alina iny dia niara-nandeha tamin’i Gabriel nankany amin’ilay fiangonana aho. Feno mpivavaka ilay trano kely. Nanomboka nihira ilay kongregasiona: “Avia, ianareo ry olona! Eto no misy an’i Jesosy!”
Nandritra io fihirana io, dia nisy niantsoantso hoe: “Midìna, ry fanahy masina!” Nisy olon-kafa nampaneno lakolosy, ka nangina ilay kongregasiona. Nanaraka izany dia nanomboka niboeriboerika tamim-pahataitairana tamin’ny fiteny iray hafahafa ny vehivavy iray. Tampoka teo izy dia nihiaka hoe: “Henoy ny hafatr’Andriamanitra, ry olona e! Izao no lazain’Andriamanitra: ‘Mivavaha ho an’ireo mpihaza mba tsy hamonoany olombelona!’ ” Feno fihetseham-po ny rivo-piainana.
Nino aho fa niteny tamin’ny alalany Andriamanitra, koa natao batisa tamin’ny naha-mpikambana amin’ny Fiangonana Apostolikan’i Kristy aho, ny taona nanaraka.
Fifandraisana tany am-boalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah
Tamin’ny 1951, dia nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray tamin’ny Vavolombelona iray atao hoe Adedeji Boboye aho. Nahaliana aoka izany ilay gazety, ka nanao famandrihana tamin’izy io aho ary namaky izany tsy tapaka. Tamin’ny 1952, dia nanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah naharitra efatra andro tany Ado Ekiti aho.
Nanaitra ny saiko ny zavatra hitako tany amin’ilay fivoriambe. Nieritreritra tamim-pitandremana ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa nesoriko tao an-tsaiko ilay hevitra. Ny zava-nanahirana ahy dia nanana vady telo sy vady kely iray aho tamin’izay fotoana izay. Nieritreritra aho fa tsy ho afaka ny hiara-miaina amin’ny vady iray monja.
Rehefa nody tany Akure aho, dia nilaza tamin’i Adedeji mba hijanona tsy hitsidika ahy, ary tsy nohavaoziko ny famandrihako Tilikambo. Tonga narisika kokoa tao amin’ny fiangonako aho. Rehefa dinihina tokoa mantsy, hoy aho nanjohy hevitra, dia nitahy ahy Andriamanitra hatramin’ny nikambanako tamin’ny Fiangonana Apostolikan’i Kristy. Nanana vady telo aho ary niteraka ankizy maro. Nanorina ny tranoko manokana aho. Tsy naiditra hopitaly mihitsy aho. Koa satria toa namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra, nahoana aho no hiova finoana?
Fitomboan’ny laza miaraka amin’ny fahadisoam-panantenana
Nanomboka nandray anjara tamin’ny fanomezana vola be ho an’ilay fiangonana aho. Tsy ela dia nataony loholon’ny fiangonana aho, toerana nahatonga ahy hahita ny votoatin’ny fomba fiasan’ilay fiangonana. Nanelingelina ny saiko ny zavatra hitako. Tia vola ilay pastera sy ireo “mpaminany”; nahatsiravina ahy ny fierenana nananan’izy ireo.
Ohatra, tamin’ny Martsa 1967, dia niteraka zaza telo tamin’ireo vadiko samy hafa aho. Fomba tao am-piangonana ny fanaovana batisa ny zaza. Koa nitondra fanomezana — trondro sy limonady ary sodas tamin’ny tavoahangy — tany amin’ilay pastera aho mba hanomanana ilay fombafombam-pivavahana.
Tamin’ny andro nanaovana ny fotoam-pivavahana, dia hoy ilay pastera teo anatrehan’ilay kongregasiona iray manontolo: “Dia mba mahagaga ahy ireo mpanan-karena ato amin’itỳ fiangonana itỳ. Mitady batisa izy ireo, ary ny hany mba entiny dia sodas sy trondro. Tsy misy hena! Tsy misy osy! Alao sary an-tsaina ange e! Nanolotra fanatitra oviala maro ngezabe ho an’Andriamanitra i Kaina, kanefa tsy neken’Andriamanitra io fanatitra io satria tsy nisy ra taminy. Andriamanitra dia mitady zavatra misy ra ao aminy. Nitondra biby iray i Abela, ary nekena ny fanatitra nataony.”
Nitsangana aho ka nirintona nivoaka raha vao nahare izany. Kanefa, mbola nandeha tany amin’ilay fiangonana aho. Tsikelikely dia nandany fotoana bebe kokoa niarahana sy nanatrehana ireo fivorian’ilay kiliobako aho. Nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho indraindray ary nohavaoziko ny famandrihako Ny Tilikambo Fiambenana. Na dia izany aza, dia mbola tsy vonona ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho.
Ny fanapahan-kevitra hanompo an’i Jehovah
Tamin’ny 1968 no tonga ny fiolahana teo amin’ny fiainako. Indray andro aho dia nanomboka namaky lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nilazalaza ny fanenjehana tsy mifaditra ovana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi. Nitantara ny amin’ny zazavavy iray 15 taona, izay nafatotra teo amin’ny hazo ka novetavetaina inenina noho izy tsy nanaiky lembenana tamin’ny finoany, izy io. Tsiravina aho ka navelako ilay gazety, nefa tsy nitsahatra nieritreritra momba ilay izy aho. Fantatro fa tsy hisy mihitsy zazavavy ao am-piangonanay hampiseho izany karazana finoana izany. Taorian’izany, tamin’io takariva io, dia nandray ilay gazety aho, ka namaky ilay pejy indray.
Nanomboka nianatra ny Baiboly tamim-pitandremana aho. Rehefa nitombo tamin’ny fahalalana aho, dia nanomboka nahatakatra hoe hatraiza ilay fiangonana no namitaka anay. Toy ny naha-marina izany tamin’ny andro fahiny, dia “nanao fahavetavetana koa”, ireo pretranay. (Hosea 6:9). Anisan’ireo mpaminany sandoka izay nampitandreman’i Jesosy ny lehilahy toy ireny! (Matio 24:24). Tsy naneho finoana intsony ireo fahitana sy ireo asa mahagaga nataon’izy ireo aho. Nanapa-kevitra aho ny hanafa-tena tamin’ny fivavahan-diso sy hanampy ny hafa hanao toy izany koa.
Ezaka mba hihazonana ahy ao amin’ilay fiangonana
Rehefa takatr’ireo loholon’ny fiangonana fa tapa-kevitra ny hiala tamin’ilay fiangonana aho, dia naniraka solontena izy ireo mba hiangavy ahy. Tsy ta hamoy loharanom-pidiram-bola lehibe izy ireo. Vonona ny hanao ahy ho Baba Egbe, ny mpiaro ao amin’ny iray amin’ireo Fiangonana Apostolikan’i Kristy eto Akure, izy ireo.
Nolaviko ny fanoloran’izy ireo ary nolazaiko taminy ny antony. “Nandainga taminay ny fiangonana”, hoy aho. “Milaza izy fa hankany an-danitra avokoa ny olona tsara rehetra. Namaky ny Baiboly anefa aho, ary miaiky aho fa tsy misy afa-tsy olona 144 000 no hankany an-danitra. Hiaina eto ambonin’ny tany zary paradisa ireo olo-marina hafa.” — Matio 5:5; Apokalypsy 14:1, 3.
Niezaka nandranitra ireo vadiko hanohitra ahy ilay pasiteran’ny fiangonana. Nasainy nosakanan’izy ireo tsy hankao aminay ny Vavolombelon’i Jehovah. Nopoizinin’ny iray tamin’ireo vadiko ny sakafoko. Nampitandrina ahy tamin’ny fahitana azony tany am-piangonana ny roa tamin’izy ireo. Nasehon’ilay fahitana fa ho faty aho raha miala amin’ny fiangonana. Na dia teo aza izany, dia tsy nitsahatra nanao fanambarana tamin’ireo vadiko aho, nanasa azy ireo handeha hiaraka amiko hankany amin’ny fivoriana. “Hahita vady hafa ianareo any”, hoy aho. Kanefa, tsy nisy tamin’izy ireo nampiseho izay nety ho fahalianana, fa nanohy niezaka nanakivy ahy izy ireo.
Tamin’ny farany, tamin’ny 2 Febroary 1970, rehefa nody avy tamin’ny dia iray tany an-tanàna iray teo akaiky aho, dia nahita ny trano foana. Lasa daholo ireo vadiko, niaraka tamin’ny ankizy.
Fifikirana amin’ny vady iray
‘Afaka manitsy ny toe-javatra ara-panambadiana misy ahy aho ankehitriny’, hoy aho anakampo. Nasaiko niverina nody i Janet, ny voalohany tamin’ireo vadiko. Nanaiky izy. Nanohitra mafy ilay hevitra anefa ny fianakaviany. Rehefa fantatr’ireo vadiko hafa fa nangataka an’i Janet hiverina aho, dia nandeha tany amin’ny tranon-drainy izy ireo, ka nitady hikapoka azy. Nampiantso ahy hiseho tamin’ny fivoriana iray àry ny fianakaviany.
Nisy olona tokony ho 80 nanatrika ilay fivoriana. Hoy ny dadafaran’i Janet, izay ny filoham-pianakaviana: “Raha maniry hanambady indray ny zanakay vavy àry ianao, dia tsy maintsy mampody ireo vehivavy hafa. Fa raha ta hanaraka ny fivavahanao vaovao kosa ianao ka hiara-mitoetra amin’ny vady iray, dia tsy maintsy mitady vehivavy hafa. Raha mampody an’i Janet ianao, dia hamono azy ireo vadinao hafa, ka tsy tianay ho faty ny zanakay.”
Rehefa avy niara-nidinika ela izahay, dia takatr’ilay fianakaviana fa tapa-kevitra ny tsy hanana afa-tsy vady iray monja aho. Nilefitra izy ireo tamin’ny farany. Hoy ilay dadafara: “Tsy haka ny vadinao aminao izahay. Azonao atao ny mitondra azy miaraka aminao.”
Tamin’ny 21 May 1970, dia nivady ara-dalàna izahay sy i Janet. Sivy andro tatỳ aoriana, dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah aho. Tamin’ny Desambra tamin’io taona io ihany, dia natao batisa koa i Janet.
Fahazoana ny fitahian’i Jehovah
Naminany ireo mpikambana tao amin’ny fiangonanay teo aloha fa ho faty izahay raha tonga Vavolombelona. Efa ho 30 taona lasa izany. Na ho faty aza aho ankehitriny, dia ho noho ny nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah ve? Raha ho faty ny vadiko ankehitriny, misy afaka hilaza ve fa noho izy tonga Vavolombelon’i Jehovah?
Niezaka mafy aho mba hampiseho tamin’ireo zanako 17 ny lalan’ny fahamarinana. Na dia maro taminy aza no efa olon-dehibe tamin’ny fotoana nahatongavako ho Vavolombelona, dia nampirisihiko izy ireo hianatra ny Baiboly ary nentiko tany amin’ireo fivoriana sy fivoriambe. Faly aho fa manompo an’i Jehovah miaraka amiko ny dimy amin’izy ireo. Ny iray manompo miaraka amiko amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona. Mpanampy amin’ny fanompoana any amin’ny kongregasiona iray eo akaiky ny hafa iray. Manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra ny roa amin’ireo zanako.
Rehefa manao jery todika aho, dia mitolagaga amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, tamin’ny nanampiany ahy ho tonga mpanompony. Marina toy inona moa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”! — Jaona 6:44.