Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” — 1 JAONA 5:3.
1, 2. Nahoana no tsy mahagaga raha manan-javatra takina amin’ireo izay maniry hivavaka aminy amin’ny fomba azony ekena, Andriamanitra?
“METY amiko ny fivavahako!” Moa ve tsy izany no lazain’ny olona matetika? Raha ny marina anefa, ny fanontaniana dia tokony ho hoe: “Moa ve mampifaly an’Andriamanitra ny fivavahako?” Eny, Andriamanitra dia manan-javatra takina amin’ireo izay maniry hivavaka aminy amin’ny fomba azo ekena. Tokony hahagaga antsika ve izany? Tsy dia izany loatra. Aoka hatao hoe manana trano tsara tarehy iray ianao, trano izay vao avy nohavaozinao, ka nandanianao be. Moa ve ianao hamela na iza na iza fotsiny izao hipetraka ao? Mazava ho azy fa tsia! Izay ho mpanofa ilay tranonao dia ho voatery hahafeno ireo zavatra takinao.
2 Toy izany koa, i Jehovah Andriamanitra dia nanome itỳ tany itỳ ho fonenan’ny fianakavian’olombelona. Tsy ho ela, eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakany, ny tany dia “hohavaozina” — hovana ho paradisa tsara tarehy. Hanatanteraka izany i Jehovah. Nandaniany be ny fanomezana ny Zanany lahy tokana mba hetezan’izany. Azo antoka fa tsy maintsy manan-javatra hotakina amin’ireo izay hiaina ao, Andriamanitra! — Salamo 115:16; Matio 6:9, 10; Jaona 3:16.
3. Ahoana no namintinan’i Solomona izay antenain’Andriamanitra amintsika?
3 Ahoana no ahafahantsika mahafantatra izay zavatra takin’Andriamanitra? I Jehovah dia nanome tsindrimandry an’i Solomona Mpanjaka hendry mba hamintina izay antenainy amintsika. Rehefa avy nisaintsaina momba izay rehetra nokatsahiny i Solomona — anisan’izany ny harena, ny asa fanorenana, ny mozika ary ny fitiavana vehivavy — dia tonga tamin’izao fahatakaran-javatra izao: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13, izahay no manao sora-mandry.
“Tsy mavesatra ny didiny”
4-6. a) Inona no dikany ara-bakitenin’ilay teny grika nadika hoe “mavesatra”? b) Nahoana isika no afaka milaza fa tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra?
4 “Ny didiny no tandremo”. Amin’ny heviny fototra, dia izany no antenain’Andriamanitra amintsika. Be loatra ve izany angatahiny izany? Tsy izany mihitsy. Ny apostoly Jaona dia milaza zavatra tena manome toky antsika momba ireo didy, na hoe zavatra takin’Andriamanitra. Nanoratra toy izao izy: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” — 1 Jaona 5:3, izahay no manao sora-mandry.
5 Ilay teny grika nadika hoe “mavesatra” dia midika hoe “be lanja” ara-bakiteny. Izy io dia mety hanondro zavatra izay mafy ny miaina mifanaraka aminy, na hoe sarotra tandremana. Ao amin’ny Matio 23:4, dia ampiasaina izy io mba hilazalazana ireo ‘entana mavesatra’, ireo fitsipika sy lovantsofina nataon’olombelona, izay napetraky ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo teo amin’ny olona. Azonao ve ny famaranan-kevitr’i Jaona, ilay apostoly be taona? Ireo didin’Andriamanitra dia tsy enta-mavesatra, no sady tsy sarotra loatra amintsika ny manatanteraka azy ireo. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:11.) Mifanohitra amin’izany kosa aza fa, rehefa tia an’Andriamanitra isika, dia mahatonga antsika ho sambatra ny fanatratrarantsika ireo zavatra takiny. Izany dia manome antsika fahafahana sarobidy hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah.
6 Mba hampisehoana ny fitiavantsika an’Andriamanitra, dia mila mahafantatra amin’ny fomba voafaritra tsara izay antenainy amintsika isika. Andeha isika izao hiresaka momba ny dimy amin’ireo zavatra takin’Andriamanitra. Eo am-panaovantsika izany, dia tadidio ao an-tsaina izay nosoratan’i Jaona hoe: ‘Tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra.’
Mandraisa fahalalana an’Andriamanitra
7. Miankina amin’inona ny famonjena antsika?
7 Ny zavatra voalohany takina dia ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra. Diniho ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona toko faha-17. Ny fotoana dia ny alina farany tamin’ny fiainan’i Jesosy olombelona. Efa avy nandany fotoana be dia be tamin’ilay takariva, nanomanana ireo apostoliny ho amin’ny fiaingany, i Jesosy. Feno fiahiana ny amin’ny hoavin’izy ireo izy, dia ny hoavin’izy ireo mandrakizay. Nanandratra ny masony hijery ny lanitra izy, ka nivavaka ho azy ireo. Eo amin’ny andininy faha-3 (NW ), dia izao no vakintsika: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” Eny, ny famonjena azy ireo dia niankina tamin’ny ‘fandraisan’izy ireo fahalalana’ an’Andriamanitra sy an’i Kristy. Mihatra amintsika koa izany. Mba hahazoana famonjena, dia tsy maintsy mandray izany fahalalana izany isika.
8. Inona no dikan’ny hoe ‘mandray fahalalana’ an’Andriamanitra?
8 Inona no dikan’ny hoe ‘mandray fahalalana’ an’Andriamanitra? Ilay teny grika nadika eto hoe ‘fandraisana fahalalana’ dia midika hoe “manjary mahalala, mahafantatra” na hoe “mahazo heviny feno”. Mariho koa fa ilay endriny hoe ‘fandraisana fahalalana’ dia te hilaza fa fanaovan-javatra mitohy izy io. Ny hoe mandray fahalalana an’Andriamanitra, araka izany, dia midika hoe manjary mahalala azy, tsy amin’ny fahalalana ambangovangony fotsiny, fa amin’ny fahalalana lalina, amin’ny fambolena fisakaizana aminy misy fahazoana ny heviny. Ny fifandraisana mitohy amin’Andriamanitra dia mitondra fahalalana azy tsy mitsaha-mitombo. Afaka mitohy mandrakizay io fanaovan-javatra io, satria tsy hahalala izay rehetra tokony ho fantatra momba an’i Jehovah na oviana na oviana isika. — Romana 11:33.
9. Inona no azontsika ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny bokin’ny famoronana?
9 Ahoana no andraisantsika fahalalana an’Andriamanitra? Misy boky roa afaka manampy antsika. Ny iray dia ny bokin’ny famoronana. Ireo zavatra noforonin’i Jehovah — manana aina sy tsy manana aina — dia manome antsika fahatakaran-javatra sasany momba ny hoe karazana persona manao ahoana izy. (Romana 1:20). Diniho ireto ohatra sasany ireto. Ny fitalakotrokotroky ny rian-drano manerinerina iray, ny fiantontan’ny onjan-dranomasina mandritra ny tafio-drivotra iray, ny fahitana ny lanitra feno kintana amin’ny alina mazava iray — moa ve ny zavatra toy izany tsy mampianatra antsika fa i Jehovah dia Andriamanitra ‘manan-kery tsy toha’? (Isaia 40:26). Ny zaza iray lokin’ny hehy eo am-pijerena alika kely mitady hisambotra ny rambony na saka kely milalao amin’ny kofehy mifamatopatotra — moa ve izany tsy toa manondro fa i Jehovah, ilay “Andriamanitra finaritra”, dia tia vazivazy? (1 Timoty 1:11). Ny tsiron’ny sakafo fy iray, ny famerovero mahafinaritr’ireo voninkazo eny an-tsaha, ireo loko marevaky ny lolo marefo iray, ny feom-borona mikalo amin’ny lohataona, ny famihinana mafana avy amin’ny olona tiana iray — moa ve isika tsy mahita avy amin’ny zavatra toy izany fa ny Mpamorona antsika dia Andriamanitra fitiavana, izay maniry antsika hankafy ny fiainana? — 1 Jaona 4:8.
10, 11. a) Zavatra inona avy momba an’i Jehovah sy ny fikasany no tsy azontsika ianarana avy amin’ny bokin’ny famoronana? b) Ny valin’ny fanontaniana inona avy no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly?
10 Misy fetrany anefa amin’izay azontsika ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny bokin’ny famoronana. Indro misy ohatra: Iza no anaran’Andriamanitra? Nahoana izy no namorona ny tany sy nametraka ny olombelona teo amboniny? Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy? Inona no miandry antsika amin’ny hoavy? Mba hahazoana valiny amin’ny fanontaniana toy izany, dia tsy maintsy mankany amin’ilay boky faharoa manome fahalalana an’Andriamanitra isika — ny Baiboly. Ao amin’ireo pejiny, i Jehovah dia mampiharihary zavatra momba ny tenany, anisan’izany ny anarany sy ny toetrany ary ny fikasany — fanazavana izay tsy ho azontsika avy amin’ny loharano hafa. — Eksodosy 34:6, 7; Salamo 83:18; Amosa 3:7.
11 Ao amin’ny Soratra Masina, i Jehovah dia manome koa fahalalana lehibe dia lehibe mikasika ny persona hafa ilaintsika ho fantatra. Ohatra: Iza moa i Jesosy Kristy, ary inona no anjara asany eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah? (Asan’ny Apostoly 4:12). Iza moa i Satana Devoly? Amin’ny fomba ahoana avy no amitahany ny olona? Inona no azontsika atao mba tsy ho voafitany? (1 Petera 5:8). Ny valiny mamonjy aina amin’ireo fanontaniana ireo dia tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly.
12. Ahoana no hanazavanao ny antony tsy maha-enta-mavesatra ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany?
12 Enta-mavesatra ve ny fandraisana izany fahalalana an’Andriamanitra sy ny fikasany izany? Tsy izany velively! Tadidinao ve ny tsapanao fony ianao nianatra voalohany fa ny anaran’Andriamanitra dia hoe Jehovah, fa ny Fanjakany dia hamerina ny Paradisa eto amin’itỳ tany itỳ, fa nanome ny Zanany malala ho avotra noho ny fahotantsika izy, ary koa fahamarinana sarobidy hafa? Moa ve tsy toy ny hoe nesorina ny saron’ny tsy fahalalana ka sambany ianao vao nahita zavatra mazava tsara? Ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra dia tsy enta-mavesatra. Fahafinaretana izany! — Salamo 1:1-3, NW; 119:97.
Fanarahana ireo fari-pitsipik’Andriamanitra
13, 14. a) Arakaraka ny andraisantsika fahalalana an’Andriamanitra, fiovana inona avy no ilaintsika hatao eo amin’ny fiainantsika? b) Takin’Andriamanitra ny tsy hanaovantsika fanao maloto inona avy?
13 Arakaraka ny andraisantsika fahalalana an’Andriamanitra, dia manjary takatsika fa mila manao fiovana eo amin’ny fiainantsika isika. Izany dia mitondra antsika ho amin’ny zavatra faharoa takina. Tsy maintsy manaraka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba izay fitondran-tena tsara ary manaiky ny fahamarinany, isika. Inona no atao hoe fahamarinana? Tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ve izay inoantsika sy izay ataontsika? Olona maro amin’izao andro izao no miharihary fa tsy mino izany. Ny tatitra iray navoakan’ny Eglizin’i Angletera tamin’ny 1995, dia nilaza fa ny fiaraha-mipetraka nefa tsy vita soratra dia tsy tokony hoheverina ho toy ny fahotana. “Ilay teny hoe ‘manao tokantranomaso’ dia sady mahamenatra no tsy manampy”, hoy ny nambaran’ny evekam-piangonana iray.
14 Koa tsy fahotana intsony àry ve ny “fanaovana tokantranomaso”? I Jehovah dia milaza amintsika amin’ny teny mazava tsara, izay tsapany momba ny fitondran-tena toy izany. Manambara toy izao ny Teniny, ny Baiboly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Ny firaisana alohan’ny fanambadiana dia mety ho tsy fahotana araka ny fihevitry ny klerjy sy ny mpiangona malala-tsaina, nefa dia fahotana lehibe kosa izy io eo imason’Andriamanitra! Ary toy izany koa ny fanitsakitsaham-bady sy ny firaisana amin’ny havana akaiky ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. (Levitikosy 18:6; 1 Korintiana 6:9, 10, NW ). Andriamanitra dia mitaky ny tsy hanaovantsika ireo fanao ireo, izay heveriny ho maloto.
15. Amin’ny ahoana ireo zavatra takin’Andriamanitra no mahafaoka ny fomba itondrantsika ny hafa ary koa ireo zavatra inoantsika?
15 Tsy ampy anefa ny hoe tsy manao ireo fanao izay heverin’Andriamanitra ho fahotana. Ny zavatra takin’Andriamanitra dia mahafaoka koa ny fomba itondrantsika ny hafa. Eo anivon’ny fianakaviana, dia manantena ny hifanehoan’ny mpivady fitiavana sy fanajana, izy. Mitaky ny hikarakaran’ny ray aman-dreny ny zavatra ilain’ny zanany eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po, Andriamanitra. Milaza amin’ny zanaka mba hankatò ny ray aman-dreniny, izy. (Ohabolana 22:6; Kolosiana 3:18-21). Ary ahoana ny amin’ireo zavatra inoantsika? Tian’i Jehovah Andriamanitra ny hanalavirantsika ireo zavatra inoana sy fombafomba izay avy amin’ny fanompoam-pivavahan-diso na mifanohitra amin’ny fahamarinana mazava ampianarina ao amin’ny Baiboly. — Deoteronomia 18:9-13; 2 Korintiana 6:14-17.
16. Hazavao ny antony tsy maha-enta-mavesatra ny manaraka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena tsara ary manaiky ny fahamarinany.
16 Enta-mavesatra ho antsika ve ny manaraka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena tsara ary manaiky ny fahamarinany? Tsia, rehefa dinihintsika ireo soa raisina — fanambadiana misy mpivady mifankatia sy mifampatoky, fa tsy fanambadiana rava noho ny fanitsakitsaham-bady; tokantrano misy ankizy mahatsapa hoe tiana sy irin’ny ray aman-dreniny, fa tsy fianakaviana misy ankizy mahatsapa ho tsy tiana sy atao tsirambina ary tsy irina; feon’ny fieritreretana madio sy fahasalamana tsara, fa tsy fahatsiarovan-tena ho meloka sy vatana rotidrotiky ny SIDA na ny aretina hafa mifindra avy amin’ny firaisana. Azo antoka, fa ny zavatra takin’i Jehovah dia tsy mampamoy antsika na inona na inona ilaintsika mba hankafizana ny fiainana! — Deoteronomia 10:12, 13.
Manehoa fanajana ny aina sy ny ra
17. Ahoana no iheveran’i Jehovah ny aina sy ny ra?
17 Arakaraka ny ampifanarahanao ny fiainanao amin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra, no mahatonga anao hahatakatra fa tena sarobidy marina ny fiainana. Aoka àry isika izao hiresaka momba ny zavatra fahatelo takin’Andriamanitra. Tsy maintsy maneho fanajana ny aina sy ny ra isika. Ny aina dia masina amin’i Jehovah. Tokony ho izany no izy, satria izy no Loharanon’ny fiainana. (Salamo 36:9). Na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza dia sarobidy amin’i Jehovah! (Eksodosy 21:22, 23). Ny ra dia mampiseho ny aina. Noho izany, dia masina eo imason’Andriamanitra koa ny ra. (Levitikosy 17:14). Tsy tokony hahagaga àry raha manantena antsika hihevitra ny aina sy ny ra araka ny fiheverany azy, Andriamanitra.
18. Mitaky inona amintsika ny fiheveran’i Jehovah ny aina sy ny ra?
18 Mitaky inona amintsika ny fanajana ny aina sy ny ra? Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia tsy manao vivery ny aintsika tsy amin’ny antony isika, mba hahatsapana fientanentanana fotsiny. Mieritreritra foana ny amin’ny fiarovana amin’ny loza isika, ka manao izay hahazoana antoka fa tsy mampidi-doza ny fiarantsika sy ny tranontsika, (Deoteronomia 22:8). Tsy mifoka sigara na mihinam-paraky isika, na mampiasa zava-mahadomelina manandevo na manimba ny saina noho ny fahafinaretana. (2 Korintiana 7:1). Noho isika mihaino an’Andriamanitra rehefa milaza izy hoe ‘mifadia ny ra’, dia tsy avelantsika hampidirana ra ao amin’ny vatantsika. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Na dia tia ny fiainana aza isika, dia tsy hitady hamonjy ny aintsika ankehitriny amin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra, ary amin’izany dia hahatandindomin-doza ny fahatsinjovantsika fiainana mandrakizay! — Matio 16:25.
19. Hazavao ny fomba andraisantsika soa avy amin’ny fanehoana fanajana ny aina sy ny ra.
19 Enta-mavesatra ho antsika ve ny mihevitra ny aina sy ny ra ho masina? Tsy izany velively! Hevero izao: Enta-mavesatra ve ny hoe afaka, ka tsy voan’ny kanseran’ny havokavoka ateraky ny fifohana sigara? Enta-mavesatra ve ny hoe tsy voan’ny fahandevozana ara-tsaina sy ara-batana amin’ny zava-mahadomelina manimba? Enta-mavesatra ve ny tsy ho voan’ny SIDA, ny hépatite, na ny aretina hafa azo avy amin’ny fampidiran-dra? Mazava fa ny fanalavirantsika fahazarana sy fanao manimba dia hitondra soa be indrindra ho antsika. — Isaia 48:17.
20. Ahoana no nandraisan’ny fianakaviana iray soa avy tamin’ny fananana ny fiheveran’Andriamanitra ny aina?
20 Diniho izao fanandraman-javatra izao: Taona maromaro lasa izay, ny vehivavy Vavolombelona iray, izay bevohoka tokony ho telo volana sy tapany, dia nanomboka voan’ny lotsi-dra indray hariva ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Rehefa avy nizaha azy ny dokotera, dia ren’ilay vehivavy izy nilaza tamin’ny iray tamin’ireo mpitsabo mpanampy fa ho voatery hamarana ny fitondrany vohoka izy ireo. Fantatr’ilay vehivavy ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny ain’ny zaza ao am-bohoka, ka nanda tamin’ny fomba hentitra tsy hanala zaza izy, ary nilaza tamin’ilay dokotera hoe: “Raha velona ilay izy, dia avelao ao amin’ny misy azy ao!” Mbola voan’ny lotsi-dra ihany izy indraindray, nefa volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niteraka, tsy tonga volana, zazalahy kely salama tsara, izay 17 taona ankehitriny. Hoy ny nohazavain’ilay vehivavy: “Nilazanay izany rehetra izany ny zanakay lahy, ary nilaza izy fa faly satria tsy nariana tany amin’ny fako. Fantany fa ny fanompoanay an’i Jehovah no hany antony mbola maha-velona azy ankehitriny.” Azo antoka fa tsy enta-mavesatra ho an’io fianakaviana io ny fananana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny aina!
Manompo miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah voalamina
21, 22. a) Miaraka amin’iza no antenain’i Jehovah hanompoantsika azy? b) Ahoana no ahafahana mahafantatra ny vahoakan’Andriamanitra voalamina?
21 Tsy irery isika manao ireo fiovana ilaina mba hampifanarahana ny fiainantsika amin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Manana vahoaka eto amin’itỳ tany itỳ i Jehovah, ary manantena ny hanompoantsika azy miaraka amin’izy ireo. Izany dia mitondra antsika ho amin’ilay zavatra fahefatra takina. Tsy maintsy manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fandaminany tarihin’ny fanahiny isika.
22 Ahoana anefa no ahafahana mahafantatra ny vahoakan’Andriamanitra voalamina? Mifanaraka amin’ny fari-pitsipika voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, izy ireo dia manana tena fitiavana eo anivony, manana fanajana lalina ny Baiboly, manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra, mitory momba ny Fanjakany, ary tsy anisan’itỳ tontolo ratsy itỳ. (Matio 6:9; 24:14; Jaona 13:34, 35; 17:16, 17). Tsy misy afa-tsy fandaminana ara-pivavahana iray ihany eto amin’itỳ tany itỳ, no manana ireo marika rehetran’ny Kristianisma marina ireo — ny Vavolombelon’i Jehovah!
23, 24. Ahoana no azontsika anazavana amin’ny ohatra, fa tsy enta-mavesatra ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany voalamina?
23 Enta-mavesatra ve ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany voalamina? Tsy izany velively! Mifanohitra amin’izany kosa aza, fa tombontsoa sarobidy ny manana ny fitiavana sy ny fanohanan’ny fianakavian’ny mpirahalahy sy mpianadahy kristiana iray maneran-tany. (1 Petera 2:17). Alao sary an-tsaina hoe nieren-doza tamin’ny sambo vaky iray ianao, ka ao anaty rano, miady mafy mba tsy hilentika. Rehefa mahatsapa ianao fa tsy afa-miaritra intsony, dia indro fa misy tanana iray mitsotra mankany aminao avy amin’ny lakan’aina iray. Eny, misy hafa koa nieren-doza! Ao amin’ilay lakan’aina, dia mifandimby mivoy hatreny amin’ny moron-tsiraka ianao sy ireo hafa, ka maka ny olon-kafa nieren-doza eny an-dalana.
24 Moa ve isika tsy ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany? Nosintonina avy tamin’ireo “rano” mampidi-dozan’itỳ tontolo ratsy itỳ isika mba ho ao amin’ny “lakan’aina”, dia ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Ato anatiny ato, isika dia miara-manompo eo am-pandrosoantsika ho eny amin’ireo “moron-tsiraky” ny tontolo vaovao sy marina. Raha sendra mahatonga antsika ho sasatra eny an-dalana ireo faneren’ny fiainana, dia velom-pisaorana toy inona moa isika noho ny fanampiana sy ny fampiononana omen’ireo sakaiza kristiana marina! — Ohabolana 17:17.
25. a) Inona no adidintsika amin’ireo izay mbola ao anatin’ny ‘ranon’itỳ’ tontolo ratsy itỳ? b) Zavatra takin’Andriamanitra inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
25 Ahoana ny amin’ny hafa — ny amin’ireo olona mahitsy fo izay mbola ao anaty “rano”? Manana adidy hanampy azy ireo hiditra ato amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, sa tsy izany? (1 Timoty 2:3, 4). Mila fanampiana izy ireo mba hianatra izay takin’Andriamanitra. Izany dia mitondra antsika ho amin’ilay zavatra fahadimy takin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho mpanambara tsy mivadika ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay voafaoka amin’izany.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no andraisantsika fahalalana an’Andriamanitra?
◻ Nahoana no tsy enta-mavesatra ny manaraka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena tsara ary manaiky ny fahamarinany?
◻ Mitaky inona amintsika ny fiheveran’Andriamanitra ny aina sy ny ra?
◻ Miaraka amin’iza no antenain’Andriamanitra hanompoantsika azy, ary ahoana no ahafahana mahafantatra azy ireo?
[Sary, pejy 18]
Mianatra momba an’i Jehovah isika avy amin’ny bokin’ny famoronana sy ny Baiboly
[Sary nahazoan-dalana]
Voay: by courtesy of Australian International Public Relations; bera: Safari-Zoo of Ramat-Gan, Tel Aviv