Ny Bioéthique sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
IZAO taona faramparany izao dia nahitana fandrosoana mbola tsy nisy toy azy teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Kanefa, na dia mitondra vahaolana eo amin’ny fitsaboana aza ny fandrosoana sasany, dia niteraka olana momba ny fitsipika harahina.
Tsy maintsy mieritreritra ny amin’ny olana saro-bahana toy ireto, ireo dokotera: Tokony hatsahatra ve indraindray ny fitsaboana mahery vaika iray mba hahafahan’ny marary iray ho faty amim-pahamendrehana? Tokony handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny marary ve ny dokotera iray raha heveriny fa izany no hahasoa indrindra an’ilay marary? Ahoana no tokony hitsinjarana ara-drariny ny fikarakarana ny fahasalamana, rehefa tsy ny rehetra no afaka mahazo fomba fitsaboana lafo vidy?
Ny raharaha sarotra toy izany no nanjary nahafantarana mazava ilay sampam-pianarana momba ny fitsaboana, antsoina hoe bioéthique. Io lalam-piofanana manokana io dia natao hanampy an’ireo dokotera sy mpahay siansa mba hanana fitsipika harahina manoloana ny fikarohana momba ny biolojia sy ny fandrosoana eo amin’ny fitsaboana. Koa satria any amin’ny hopitaly no mipoitra ny maro amin’ireo fanapahan-kevitra sarotra indrindra, dia hopitaly maro no nanangana komity momba ny bioéthique. Mazàna ny mpikambana amin’ireo komity ireo — anisan’izany ny dokotera sy ny mpisolovava — no manatrika seminera momba ny bioéthique, izay anadihadiana ireo olana momba ny fitsipika harahina, eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.
Ny fanontaniana sasany mateti-pitranga amin’ny seminera toy izany, dia hoe: Hatraiza no tokony hanajan’ny dokotera ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay noho ny antony ara-pivavahana indrindra indrindra no andavany fampidiran-dra? Tokony hampiditra ra amin’ny marary iray tsy mankasitraka izany ve ny dokotera iray, raha hitany ho toa “mahasoa” eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana ilay izy? Ho araka ny fitsipika harahina ve ny fanaovana izany tsy misy fampahafantarana ilay marary, toy ny hoe ‘tsy hampaninona ilay marary ny zavatra tsy fantany’?
Mba handaminana araka ny tokony ho izy ny raharaha iadian-kevitra toy izany, dia ilain’ny dokotera ny mahatakatra araka ny tena izy ny fomba fijerin’ny Vavolombelona. Etsy an-danin’izany kosa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia dodona ny hanazava amin’ny dokotera ny toerana tanan’izy ireo, noho ny fahatakarany fa ny fahazoana ny hevitry ny andaniny sy ny ankilany, dia ahafahana misoroka fifandonana.
Fikaonan-doha
Ny Profesora Diego Gracia, manam-pahaizana espaniola malaza momba ny bioéthique, dia naniry ny hanaovan’ny kilasiny izany fifanakalozan-kevitra izany. “Ara-dalàna tsotra izao raha omena fahafahana ianareo [Vavolombelon’i Jehovah] haneho ny fanahianareo (...) rehefa dinihina ireo zava-tsarotra hitanareo mifandray amin’ny fampidiran-dra”, hoy ilay profesora.
Araka izany, tamin’ny 5 Jona 1996, dia nisy solontena telo avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nasaina ho any amin’ny Oniversiten’i Complutense, any Madrid, Espaina, mba hanazava ny fomba fijerin’izy ireo. Dokotera 40 sy manam-pahaizana manokana hafa no tonga tao.
Rehefa avy nanao famelabelarana fohy ny Vavolombelona dia nisokatra ny fametrahana fanontaniana. Nanaiky avokoa ireo tonga tao fa ny marary iray olon-dehibe dia tokony hanan-jo handa fomba fitsaboana manokana iray. Nihevitra ihany koa ilay kilasy fa tsy tokony hatao na oviana na oviana ny fampidiran-dra, raha tsy efa azo ny faneken’ilay marary amim-pahalalana tsara. Nisy nampanahy azy ireo anefa ny lafiny sasany tamin’ny toerana notanan’ny Vavolombelona.
Momba ny vola ny fanontaniana iray. Indraindray ny fandidiana tsy ampiasana ra dia mitaky fitaovana manokana, toy ny fandidiana atao amin’ny laser, ary koa fanafody lafo vidy, toy ny érythropoïétine, izay ampiasaina mba handrisihana ny famokarana liomena. Nanontany tena ny dokotera iray raha toa ny Vavolombelona ka mety hanantena an’ireo mikarakara ny fahasalamam-bahoaka hanome azy tombontsoa manokana, noho ny fandavan’izy ireo safidy iray tsy dia andaniam-bola (fampidiran-dra).
Niaiky ny solontena Vavolombelona iray fa lafiny iray tsy maintsy dinihin’ny dokotera ny amin’ny vola. Tetsy an-danin’izany anefa, dia nasiany firesahana ny amin’ireo fandinihana efa nivoaka, izay nanadihady ny sarany ankolaka ateraky ny fampidiran-dra. Anisan’izany ny saran’ny fitsaboana aretina hafa mifandray amin’ny fampidiran-dra, ary koa ny fihenan’ny fidiram-bola ateraky ny aretina toy izany. Nanonona ny vokatry ny fanadihadiana faobe iray avy tany Etazonia ny tenany. Io fanadihadiana io dia nanondro fa ny ra tokony ho antsasa-litatra, na dia nitentina 250 dolara (tokony ho 1 055 000 FMG) monja aza teo am-boalohany dia niteraka fandaniana maherin’ny 1 300 dolara (tokony ho 5 486 000 FMG), raha ny tena izy — maherin’ny avo dimy henin’ilay vola tany am-boalohany. Noho izany, hoy izy nanazava, rehefa dinihina avokoa ny lafin-javatra rehetra, dia tsy mandany vola ny fandidiana tsy ampiasana ra. Ambonin’izany, ny ankamaroan’ireo lazaina fa sarany amboniny amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra dia fitaovana mbola azo ampiasaina.
Mifandray amin’ny fanerena ataon’antokon’olona ny fanontaniana hafa iray ao an-tsain’ny dokotera maromaro. Inona no hitranga, hoy izy ireo nanontany tena, raha niroa saina ny Vavolombelona iray ka nanaiky fampidiran-dra? Hailiky ny fianakaviamben’ny Vavolombelona ve izy?
Hiankina amin’ilay tarehin-javatra tena nisy ny valiny, satria ny tsy fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra dia azo antoka fa raharaha lehibe iray, dia zavatra hodinihin’ireo loholon’ny kongregasiona. Ny Vavolombelona dia haniry hanampy izay olona rehetra nandia ilay fanandraman-javatra nampikorontan-tsaina, dia ilay fandidiana nahatandindomin-doza ny ainy, ka nanekeny hampidirana ra. Azo inoana fa ho ory dia ory ny Vavolombelona toy izany ary hanahy ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Mety hila fanampiana sy fahatakarana ny fiheviny ny olona toy izany. Koa satria ny fitiavana no fototra iorenan’ny Kristianisma, ireo loholona dia haniry hanalefaka amin’ny famindram-po ny maha-hentitra azy ireo. — Matio 9:12, 13; Jaona 7:24.
“Tsy hamaritra indray ny fitsipika harahinareo ve ianareo ato ho ato?”, hoy ny fanontanian’ny profesora iray momba ny bioéthique, izay tonga nitsidika avy tany Etazonia. “Izany no nataon’ny fivavahana hafa tamin’ireo taona faramparany.”
Ny toerana tanan’ny Vavolombelona momba ny fahamasinan’ny ra dia zavatra inoana eo amin’ny foto-pampianarana, fa tsy fomba fijery momba ny fitsipika harahina ka hoe haverina hodinihina ara-potoana. Izany no nolazaina tamin’ilay profesora. Ilay didy mazava ao amin’ny Baiboly dia tsy manome toerana ho an’ny fanekena lembenana. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra toy izany dia tsy azon’ny Vavolombelona iray ekena, tsy misy hafa amin’ny fanalana tsiny ny fanompoan-tsampy na ny fijangajangana.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankasitraka be dia be ny fahavononan’ny dokotera — toy ireo tonga tao amin’ilay seminera natao tany Madrid — hanaja ny fanapahan-kevitr’izy ireo hitady fitsaboana hafa izay mifanaraka amin’ny fieken’izy ireo mifototra amin’ny Baiboly. Tsy isalasalana fa ny bioéthique dia hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’ny dokotera sy ny marary, ary eo amin’ny fampirisihana ny hisian’ny fanajana bebe kokoa ny fanirian’ny marary.
Araka ny voalaza fa noresahin’ny dokotera espaniola malaza iray, dia tsy maintsy mitadidy mandrakariva ny dokotera hoe izy ireo dia “miasa amin’ny fitaovana tsy tonga lafatra sy mety hahavita fahadisoana”. Ilain’izy ireo, noho izany, ny “fiekena fa tokony haseho mandrakariva ny fitiavana, amin-javatra tsy azon’ny fahalalana takarina”.