Fifanarahana eo Amin’ny “Tempolin’Andriamanitra” sy ny Sampy hoe any Gresy?
AMIN’IZAO andro fahavaratra tena mafana izao, dia mamely mafy eo amin’ireo vato manjelajelatra ny masoandro. Ny hafanana tafahoatra anefa dia toa tsy nampihena ny zotom-po sy ny fahatapahan-kevitr’ireo mpanao fivahiniana masina ortodoksa grika mpivavaka be sesehena, izay mitodi-doha ho any amin’ny chapelle eny an-tampon’ilay havoana.
Iny misy vavy antitra trotraka, avy tany amin’ny sisiny amin’ilay tany, miady mafy mba hampandeha hatrany ny tongony efa reraka. Etsy ambony kokoa, misy lehilahy iray dodona, tera-tsemboka, may mafy hamakivaky ilay vahoaka mifanosika. Ary ny zatovovavy iray, hita eo amin’ny endriny hoe manaintaina sy mamoy fo, dia mandady amin’ireo lohaliny mivoa-dra be. Ny tanjona? Ny ho tonga ara-potoana, sy ny hivavaka eo anoloan’ny sarin’ilay “olo-masina” ankalazaina, ary raha azo atao, ny hikasika sy hanoroka azy io.
Miverimberina maneran-tany ny toe-javatra mitovy amin’io any amin’ireo toerana natokana hivavahana amin’ireo “olo-masina”. Toa miaiky ireny mpanao fivahiniana masina rehetra ireny fa amin’io fomba io, izy ireo dia manatona an’Andriamanitra araka ny fombany mba hanehoana ny fandavan-tenan’izy ireo sy ny finoany. Manambara toy izao ilay boky hoe Our Orthodox Christian Faith: “Mahatsiaro [an’ireo “olo-masina”] isika, ary manolotra voninahitra sy haja ho azy amin’ny maha-masina azy (...), ary mangataka azy hivavaka eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika sy hitalaho ary hanampy amin’ireo zavatra maro ilaintsika eo amin’ny fiainana. (...) Mitodika any amin’ireo Olo-masina mpanao fahagagana isika (...) mba hahazoana ireo zavatra ilaintsika ara-panahy sy ara-batana.” Afa-tsy izany koa, araka ny kanônan’ny synodan’ny Eglizy Katolika, ireo “olo-masina” dia tokony hantsoina noho izy ireo mpanelanelana amin’Andriamanitra, ary ny relìka sy ny sarin’ireo “olo-masina” dia tokony hivavahana.
Ny zavatra ahin’ny Kristiana marina voalohany indrindra dia tokony ho ny hivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Noho izany antony izany, dia andeha isika handinika zava-misy sasany momba ny fomba nampidirana ny fivavahana amin’ireo “olo-masina” ho tapany amin’ny fomba amam-panao ara-pivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Ny fandinihana toy izany dia tokony hampahiratra an’izay rehetra maniry hanatona an’Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena.
Ny fomba nandraisana an’ireo “olo-masina”
Ny Soratra Grika Kristiana dia manondro ho “olona masina”, na “olo-masina”, ireo Kristiana tany am-boalohany rehetra izay voadio tamin’ny ran’i Kristy sy voatokana mba hanao ny fanompoana an’Andriamanitra rehefa ho mpiara-mandova amin’i Kristy izy ireo. (Asan’ny Apostoly 9:32; 2 Korintiana 1:1; 13:13).a Na lehilahy na vehivavy, na izay nitana toerana niavaka na izay tsotra tao amin’ny kongregasiona, izy rehetra dia nolazalazaina ho “olona masina” raha mbola velona teto an-tany. Niharihary fa tsy nahemotra taorian’ny nahafatesany ny fanekena azy ho olo-masina araka ny Soratra Masina.
Taorian’ny taonjato faharoa am.f.i. anefa, rehefa nihaniforona ny Kristianisma nivadi-pinoana, ny fironana dia ny hiezaka hanao ny Kristianisma ho tiam-bahoaka, ho fivavahana izay hanintona an’ireo mpanompo sampy sy ho mora eken’izy ireo. Nivavaka tamin’ny andriamanitra maro ireny mpanompo sampy ireny, ary ilay fivavahana vaovao dia tsy nivavaka afa-tsy tamin’andriamanitra iray ihany. Koa hahita marimaritra iraisana izy ireo amin’ny fandraisana an’ireo “olo-masina”, izay haka ny toeran’ireo andriamanitra sy olona-andriamanitra ary nahery fon’ny angano fahiny. Rehefa manazava momba izany ny boky Ekklisiastiki Istoria dia milaza toy izao “Ho an’ireo izay niova avy tamin’ny fanompoan-tsampy ho amin’ny Kristianisma, dia mora ny nampifangaro an’ireny nahery fo nilaozany ireny, tamin’ireo maritiora, sy ny nanomboka nanome azy ireo ilay haja nomeny an’iretsy voalohany. (...) Matetika tokoa anefa ny fanomezana haja toy izany an’ireo olo-masina no tonga fanompoan-tsampy tsotra izao.”
Manazava toy izao ny fomba nampidirana an’ireo “olo-masina” tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny boky iray hafa: “Eo amin’ny fanolorana haja an’ireo olo-masin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, dia ahitantsika miharihary mariky ny fitaomana natanjaka nananan’ireo mpanompo sampy. Ireo toetra nomena an’ireo andriamanitra olympiana talohan’ny niovan[’ny olona] ho amin’ny Kristianisma, dia nomena an’ireo olo-masina izao. (...) Hatrany amin’ireo taona voalohany nanombohan’io fivavahana vaovao io, dia ahitantsika fa ireo mpikambana tao aminy dia nanolo ny andriamanitra-masoandro (Phoebus Apollon) tamin’i Elia Mpaminany, sy nanorina ny fiangonana teny ambonin’ny sisa tsy rava tamin’ny tempoly na tamin’ny toerana masin’io andriamanitra io, na teo akaikiny, ka ny ankamaroany teny an-tampon-kavoana sy tendrombohitra, any amin’ny toerana rehetra nanajan’ireo Grika fahiny an’i Phoebus Apollon, ilay mpanome hazavana. (...) Nampitovy an’i Athéna, Andriamani-bavy Virjiny, tamin’i Maria Virjiny mihitsy aza izy ireo. Araka izany, ilay banga niforona rehefa potika ny sampy Athéna dia nanjavona tao amin’ireo mpanompo sampy niova.” — Neoteron Enkyklopaidikon Lexikon, Boky Voalohany, pejy 270-271.
Diniho, ohatra, ny tarehin-javatra nisy tany Atena tamin’ny faran’ny taonjato fahefatra am.f.i. Mbola mpanompo sampy ny ankamaroan’ny mponin’io tanàna io. Iray tamin’ireo fombafomban’izy ireo masina indrindra ny misterin’ny tanànan’i Eleusis, izay fotoan-dehibe roa sosona,b natao isaky ny volana Febroary tao amin’io tanàna io, izay 23 kilaometatra any avaratra-andrefan’i Atena. Mba hanatrehana an’ireny mistery ireny, ireo Ateniana mpanompo sampy ireo dia tsy maintsy nanaraka ny Lalana Masina (Hi·e·raʹ Ho·dosʹ). Niezaka hanome toeram-pivavahana solony ireo mpitarika tao amin’ilay tanàna ka niseho ho nahay nahita hevitra. Teo amin’io arabe io ihany, tokony ho folo kilaometatra avy teo Atena, no naorina ny monasitera Daphni mba hisarihana an’ireo mpanompo sampy sy mba hisakanana azy ireo tsy hanatrika an’ireo mistery. Ny fiangonana tao amin’ilay monasitera dia naorina teo amin’ny fototr’ilay tempoly fahiny natokana ho an’ny andriamanitra grika Daphnaios, na Pythios Apollon.
Misy porofon’ny fampidirana andriamanitra sampy tao amin’ny fivavahana amin’ireo “olo-masina” hita tao amin’ny nosin’i Kithira, any Gresy. Eo amin’ny iray amin’ireo tampon-kavoanan’ilay nosy, dia misy chapelles byzantines kely roa — ny iray natokana ho an’i “Masindahy” Georges, ny iray ho an’i Maria Virjiny. Ny fihadian-tany teo dia nampiharihary fa izy io no toerana nisy ny toerana masin’i Minos izay nampiasaina ho toerana fanompoana, efa ho 3 500 taona lasa izay. Nandritra ny taonjato fahenina sy fahafito am.f.i., ireo “Kristiana” dia nanorina ny chapelle-ny ho an’i “Masindahy” Georges teo amin’ilay toerana nisy an’ilay toerana masina teo an-tampon-kavoana mihitsy. Anarany fotsiny ilay fifindrana; io foibe nandroson’ny fivavahana tao Minos io dia nifehy ireo lalana narahina tao amin’ny Ranomasina Egée. Naorina teo ireo fiangonana roa ireo mba hahazoana antoka fa hahazo sitraka avy amin’i Maria Virjiny sy i “Masindahy” Georges, izay nankalazaina tatỳ aoriana tamin’ny andro nankalazana an’i “Masindahy” Nicolas, ilay “mpiaro ny tantsambo”. Nilaza toy izao ny gazety iray izay nanao tatitra momba io zavatra hita io: “Amin’izao andro izao, ireo pretra [ortodoksa grika] dia mananika an’ilay tendrombohitra, tsy misy hafa amin’ny tamin’ny andro fahiny, niakaran’ny pretran’i Minos” mba hanaovana fanompoam-pivavahana!
Namintina ny halehiben’ny herin’ny fivavahana grika mpanompo sampy teo amin’ny Kristianisma nivadi-pinoana ny mpanao fikarohana ara-tantara iray, ka nanazava toy izao: “Ny fototra avy amin’ny fanompoan-tsampy iorenan’ny fivavahana kristiana matetika dia mitovy amin’ireo finoan’ny olona amin’ny ankapobeny, ka manamarina fa maharitra ny lovantsofina.”
‘Mivavaka amin’izay fantatray izahay’
Niteny toy izao tamin’ilay vehivavy samaritana i Jesosy: “Izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray. (...) Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” (Jaona 4:22, 23). Mariho fa zavatra tsy maintsy atao ny hoe mivavaka amin’ny fahamarinana! Tsy azo atao àry ny mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fomba azo ekena raha tsy misy fahalalana tsara sy fitiavana lalina ny fahamarinana. Ny fivavahana kristiana marina dia tsy maintsy miorina amin’ny fahamarinana, fa tsy amin’ny lovantsofina sy ny fomba amam-panao nindramina avy tamin’ny fanompoan-tsampy. Fantatsika izay tsapan’i Jehovah rehefa manandrana mivavaka aminy amin’ny fomba diso ny olona. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tao Korinto, tanàna grika fahiny, ny apostoly Paoly: “Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? (...) Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” (2 Korintiana 6:15, 16). Izay fanandramana rehetra hampifanaraka ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy dia maharikoriko azy.
Ankoatra izany, amin’ny fomba tena mazava, ny Soratra Masina dia manilika ny hevitra hoe hivavaka amin’ireo “olo-masina” mba ho mpanelanelana amin’Andriamanitra. Tao amin’ilay vavaka modely, i Jesosy dia nampianatra fa ny vavaka dia tsy maintsy atao amin’ny Ray ihany, satria nandidy ny mpianany izy hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Hoy koa ny nambaran’i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. [Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany, NW ].” Ary nanambara toy izao ny apostoly Paoly: “Iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona”. — Jaona 14:6, 14, jereo koa ny fanamarihana ambany pejy; 1 Timoty 2:5.
Raha tena tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tena ilaina ny hanatonantsika azy amin’ny fomba atoron’ny Teniny. Nanamafy ny hany fomba manan-kery hanatonana an’i Jehovah i Paoly, ka nanoratra toy izao koa: “Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.” “Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.” — Romana 8:34; Hebreo 7:25.
‘Mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’
Tsy nanana, na ny tanjaka ara-panahy na ny fanohanan’ny fanahy masin’Andriamanitra, ny Kristianisma nivadi-pinoana mba hanosika an’ireo mpanompo sampy hamela ny fanompoam-pivavahan-disony, ka hanaraka ireo fampianarana marin’i Jesosy Kristy. Nandray ny finoana sy fanaon’ny mpanompo sampy izy io, teo amin’ny fitadiavany olona hiova finoana, sy ny fitadiavany fahefana sy laza. Noho izany antony izany, izy io dia namokatra, tsy Kristiana miorina tsara, azon’Andriamanitra sy i Kristy ekena, fa mpino sandoka, “tsimparifary” tsy mifanentana amin’ilay Fanjakana. — Matio 13:24-30.
Mandritra izao fotoan’ny farany izao anefa, eo ambany fitarihan’i Jehovah, dia misy asa lehibe dia lehibe iray mba hamerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. Ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, na inona na inona fiaviany ara-kolontsaina, ara-tsosialy, na ara-pivavahana, dia miezaka hampifanaraka ny fiainany sy ny finoany amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly. Raha maniry hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanompoana an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” ianao, dia mba mifandraisa, aza fady, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao. Ho faly tokoa izy ireo hanampy anao hanolotra fanompoana masina eken’Andriamanitra, miorina amin’ny fiasan’ny sainao sy ny fahalalana araka ny marina ny Teniny. Nanoratra toy izao i Paoly: “Miangavy anareo noho ny fangorahan’Andriamanitra aho, ry rahalahy, mba hanolotra ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, eken’Andriamanitra, fanompoana masina amin’ny fiasan’ny saina. Ary mitsahara tsy hovolavolain’itỳ fandehan-javatra itỳ, fa miovà amin’ny fanamboarana ny sainareo, mba hanandramanareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy azo ekena ary lavorary.” Ary ho an’ireo Kolosiana, dia hoy izy: “Hatramin’ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana [araka ny marina, NW ] ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] an’Andriamanitra”. — Romana 12:1, 2, NW; Kolosiana 1:9, 10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany dia mandika ny teny grika haʹgi·os hoe “ilay masina”, ny fandikan-teny hafa hoe “olo-masina”.
b Ny Eleusinia Lehibe dia natao isaky ny volana Septambra tany Atena sy Eleusis.
[Efajoro/Sary, pejy 28]
Tsy Mampino ny Fomba Nampiasany ny Tempoly Parthénon
Nanafoana ireo fombafomba sy mistery nisy fanompoan-tsampy sy nanakatona ireo tempolin’ny mpanompo sampy i Théodose II, emperora “kristiana”, tamin’ny famoahana didy momba ny tanànan’i Atena (438 am.f.i.). Azo novana ho fiangonana kristiana izy ireny tatỳ aoriana. Ny hany zavatra notakina mba ho vita soa aman-tsara ny fanovana ny tempoly iray dia ny fanadiovana azy io tamin’ny fananganana lakroa iray tao anatiny!
Ny Parthénon no iray tamin’ireo tempoly voalohany tokony hovana. Fanavaozana lehibe no natao mba hahatonga ny Parthénon hety hampiasaina ho tempoly “kristiana” iray. Nanomboka tamin’ny 869 am.f.i. izy io dia lasa ny katedralin’i Atena. Tamin’ny voalohany izy io dia nankalazaina ho ny fiangonan’ny “Fahendrena Masina”. Izany dia nety ho fampahatsiahivana nisy heviny ny hoe i Athéna, andriamani-bavin’ny fahendrena, no ‘tompon’ilay tempoly’ voalohany. Tatỳ aoriana izy io dia notokanana ho an’i “Maria Virjinin’i Atena”. Taorian’ny nampiasan’ny Ortodoksa azy nandritra ny taonjato valo, ilay tempoly dia novana ho eglizy katolikan’ny Masina Marian’i Atena. Nitohy io “fampiasana vaovao” ara-pivavahana io rehefa novan’ireo Tiorka otomana ho mosquée ilay Parthénon tamin’ny taonjato faha-15.
Amin’izao andro izao, ny Parthénon, ilay tempoly dorique fahinin’i Athéna Parthénos (“Virjiny”), ilay andriamani-bavy grikan’ny fahendrena, dia tsidihin’ny mpizaha tany an’arivony maro ho toy ny sangan’asan’ny mari-trano grika.
[Sary, pejy 26]
Monasitera Daphni — toeram-pivavahana solony ho an’ireo mpanompo sampy tany Atena fahiny