FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/5 p. 30-31
  • Novalian-tsoa ny Finoan’ny Ray Aman-dreny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Novalian-tsoa ny Finoan’ny Ray Aman-dreny
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao zavatra tamim-pinoana
  • Hita ilay zazakely
  • Fianarana ho antsika
  • Jokebeda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i Ejipta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nenitoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/5 p. 30-31

Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo

Novalian-tsoa ny Finoan’ny Ray Aman-dreny

HO AN’NY Isiraelita dia fotoam-pifaliana lehibe ny fahaterahan’ny zazalahy iray. Nidika izany fa hitohy ny firazanana ary hijanona ao amin’ilay fianakaviana ny tany lova. Tokony ho tamin’ny taona 1593 al.f.i. anefa, dia nety ho toa fahavoazana kosa fa tsy fitahiana ny fiterahana zanakalahy ho an’ny Hebreo. Nahoana? Satria nandidy ny hamonoana ny zazalahy vao teraka rehetra ilay Faraon’i Egypta noho izy natahotra ny fitomboan’ny mponina jiosy haingana tao amin’ny faritany niadidiany. — Eksodosy 1:12, 15-22.

Nandritra io ezaka mahatsiravina ho fandripahana firazanana iray manontolo io no tera-dahy iray nahafatifaty i Amrama sy i Jokebeda, mpivady hebreo. Mora ny maka sary an-tsaina hoe nety ho voasemban’ny tahotra ny fifalian’izy ireo rehefa nitadidy indray ilay baikon’i Farao izy. Kanefa, rehefa nijery ilay zanany lahy i Amrama sy i Jokebeda, dia tapa-kevitra mafy izy ireo fa tsy hahafoy azy, na inona na inona ho vokany. — Eksodosy 2:1, 2; 6:20.

Nanao zavatra tamim-pinoana

Nandritra ny telo volana dia nanafina ny zanany kely i Amrama sy i Jokebeda. (Eksodosy 2:2). Nety ho nampidi-doza anefa izany satria niaina nifanakaiky ny Hebreo sy ny Egyptiana. Na iza na iza tratra nitady tsy hanaraka ilay baikon’i Farao dia azo inoana fa ho nosazina ho faty — ary ho faty koa ilay zazakely. Inona àry no ho azon’ireto ray aman-dreny be fandavan-tena ireto atao mba hitsimbinana ny ain’ny zanany sy ny azy ireo?

Nanangona tahona papirosy i Jokebeda. Ny papirosy dia zozoro mafy, mitovitovy amin’ny volontsangana, ary telo rirana ny tahony, tokony ho voatondro iray ny hateviny. Mety hahatratra hatramin’ny enina metatra ny haavony. Nampiasain’ny Egyptiana hanaovana taratasy, tsihy, lain-tsambo sy kapa ary botry maivan-danja io zavamaniry io.

Nanamboatra vata iray antonona ny zanany avy tamin’ireo tahona papirosy i Jokebeda. Avy eo dia nopetahany asfalta sy dity mba hitambaran’ilay vata sy mba tsy hahatantera-drano azy. Avy eo dia napetrak’i Jokebeda tao anatin’ilay fiara ny zanany ary nataony tao anaty zozoro teo amoron’ny Onin’i Neily izany. — Eksodosy 2:3.

Hita ilay zazakely

I Miriama, zanakavavin’i Jokebeda, dia nijanona teny akaiky teny mba hahita izay hitranga nanaraka izany. Tsy ela taorian’izay dia nankeo amin’i Neily ny zanakavavin’i Farao mba handro.a Angamba fantatr’i Jokebeda fa nandeha matetika teo amin’io tapany amin’ny Neily io ilay zanakavavin’ny mpanjaka, ka niniany napetraka teo amin’izay mora nahitana azy ilay vata. Na ahoana na ahoana, tsy ela dia voamariky ny zanakavavin’i Farao ilay vata nitampify tao anaty zozoro, ary niantso ny iray tamin’ireo mpanompovaviny izy mba haka ilay izy. Rehefa nahita ilay zaza nitomany tao anatiny izy, dia hontsa. Takany fa zaza hebreo itỳ. Kanefa, ahoana no hahafahany hampamono zazakely mahafatifaty toy io? Ankoatra ny hatsaram-panahy amin’ny maha-olona, dia nety ho nisy heriny teo amin’ny zanakavavin’i Farao koa ny finoana egyptiana tiam-bahoaka izay nilaza fa niankina tamin’ny fanangonana asa soa vita nandritra ny androm-piainana no hahatafidiran’ny olona iray any an-danitra.b — Eksodosy 2:5, 6.

Nohatonin’i Miriama, izay niambina teny lavidavitra teny, ny zanakavavin’i Farao. “Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?”, hoy izy nanontany. Namaly ilay zanakavavin’ny mpanjaka hoe: “Andeha ary.” Nihazakazaka nankany amin-dreniny i Miriama. Tsy ela dia nijoro teo anatrehan’ny zanakavavin’i Farao i Jokebeda. “Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao.” Mety ho tena takatry ny zanakavavin’i Farao tamin’io fotoana io fa renin’ilay zazakely i Jokebeda. — Eksodosy 2:7-9.

Nikarakara ny zanany mandra-pisarany nono i Jokebeda.c Nanome ho an’i Jokebeda fahafahana maro sarobidy izany hampianatra ny zanany momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Taorian’izany dia nentin’i Jokebeda niverina tany amin’ny zanakavavin’i Farao ilay zazakely, ka nantsoin’izy io hoe Mosesy ilay zazalahy, anarana izay midika hoe “voavonjy tamin’ny rano”. — Eksodosy 2:10.

Fianarana ho antsika

Nanararaotra tamin’ny fomba feno ny fotoana fohy nananany mba hampianarana ny zanany lahy ireo fotopoto-pitsipiky ny fanompoam-pivavahana marina, i Amrama sy i Jokebeda. Tokony hanao toy izany koa ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao. Eny tokoa, tena ilaina ny hanaovan’izy ireo toy izany. I Satana Devoly dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Ho tiany ny hanana ho rembiny ireo tanora sarobidy — ankizilahy na ankizivavy — izay manana fahafahana ho tonga mpanompon’i Jehovah tsara dia tsara. Tsy mampangoraka azy ny maha-tanora azy! Noho izany, ny ray aman-dreny hendry dia mampianatra ny zanany mbola kely hatahotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. — Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:14, 15.

Ao amin’ny Hebreo 11:23, dia voalaza ho asam-pinoana ny ezaka nataon’i Amrama sy i Jokebeda hanafenana ny zanany mbola kely nandritra ireo telo volana voalohany. Samy nampiseho fitokiana ny hery mamonjy ananan’i Jehovah ireo ray aman-dreny natahotra an’Andriamanitra ireo tamin’ny tsy fetezana hahafoy ny zanany, ary noho izany dia notahina izy ireo. Isika koa dia tokony hanaraka akaiky ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah, matoky fa na inona na inona avelany ho tonga amintsika, dia ho fiadanana sy fahasambarana mandrakizay ho antsika no vokany. — Romana 8:28.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Neily ho andriamanitry ny fahavokarana ny Egyptiana. Ninoan’izy ireo fa nanana hery hanome fahavokarana sy hanalava ny fiainana mihitsy aza ny ranony.

b Ninoan’ny Egyptiana fa teo amin’ny fahafatesana, ny fanahin’ny olona iray dia tokony hitanisa teo anatrehan’i Osiris fanambarana toy ny hoe “Tsy nampahory na iza na iza aho”, “Tsy nanda tsy hanome nono ny vavan’ireo mbola minono aho”, ary “Nanome mofo ireo noana sy fisotro ho an’ny mangetaheta aho.”

c Tamin’ny andro fahiny, dia ankizy maro no nampinonoina ela be kokoa noho ny mahazatra amin’izao andro izao. Azo inoana fa telo taona i Samoela fara fahakeliny fony nosaraha-nono, ary tokony ho dimy taona i Isaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara