Manao Zavatra Amim-panehoana Tsy Fivadihana i Jehovah
NOTANTARAIN’I PETER PALLISER
Desambra 1985 tamin’izay. Nitombo ny fientanentananay rehefa nanomboka nidina teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Nairobi, Kenya, izahay. Teny am-pandehananay fiara nankany an-tanàna, dia nisy fahatsiarovana maro be nitamberina tao an-tsainay, izay nofohazin’ny fahitan-javatra sy feo efa nahazatra.
TONGA tany Kenya izahay mba hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Ireo Mpihazona Tsy Fivadihana”. Roa ambin’ny folo taona talohan’izay, dia noterena handao an’i Kenya izahay mivady noho ny fandrarana ny asa fitoriantsika. Nipetraka tao amin’ny Betela, anarana omena an’ireo tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay tany. Zavatra tsy nampoizina nahafinaritra toy inona moa no niandry anay, rehefa niverina mba hitsidika tany izahay!
Vavolombelona tanora iray izay fantatray hatramin’ny faharoa taonany, no nanampy tamin’ny fikarakarana ny sakafo antoandro tao amin’ny Betela. Fara fahakeliny, dia enina tamin’ny mpianakavin’ny Betela no olona fantatray fony fahakeliny. Fifaliana toy inona moa no nahita azy ireo olon-dehibe ankehitriny, miaraka amin’ny fianakaviany, mbola marisika avokoa eo amin’ny fanompoana! Nikarakara azy ireo i Jehovah Andriamanitsika, mifanaraka amin’ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Amin’ny olona tsy mivadika no hanaovanao zavatra amim-panehoana tsy fivadihana”. (2 Samoela 22:26, NW ). Toy inona moa ny fifanoheran’ny fiainako taloha sy ny fiainana mitondra valisoa narahin’ireny tanora ireny!
Fiainana taloha tsy nisy zava-kendrena
Teraka tany Scarborough, Angletera, aho tamin’ny 14 Aogositra 1918. Roa taona taorian’izay, dia nanainga nankany Kanada ny reniko sy ny zokiko vavy iray reny amiko, hany ka nandany ny telo taona nanaraka niaraha-nipetraka tamin’ny raiko sy ny reniny ary ny anabaviny aho. Fony aho dimy taona, dia naka ahy an-keriny i Neny ka nitondra ahy nankany Montréal, Kanada. Efa-taona tatỳ aoriana, dia naveriny nanketo Angletera aho mba hiara-mipetraka tamin’i Dada sy hianatra any an-tsekoly.
Nanoratra tamiko isaky ny enim-bolana teo ho eo ny reniko sy ny anabaviko. Teo amin’ny faran’ny taratasiny, dia nolazainy ny faniriany ny haha-olom-pirenena tsara ahy, tsy hivadika amin’ny Mpanjaka sy ny tanindrazana. Azo inoana fa nandiso fanantenana azy ireo ny valin-taratasiko, satria nanoratra aho hoe ninoako fa ratsy ny fanindrahindram-pirenena sy ny ady. Kanefa, noho izaho tsy nanana fitarihan-dalana mazava nandritra ny naha-zatovo ahy, dia tsy nanan-java-nokendrena ny fiainako.
Avy eo, tamin’ny Jolay 1939, iray volana sy tapany talohan’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia voantso ho miaramila tao amin’ny tafika britanika aho. Vao 20 taona monja aho. Tsy ela dia nalefa nankany avaratra amin’i Frantsa ny rezimanta nisy ahy. Rehefa nanafika anay ny fiaramanidin’ny Alemà, dia nokendrenay tanora tamin’ny basinay izy ireny ka notifirinay. Fiainana nampahatahotra izany. Nihemotra teo anatrehan’ny firosoan’ny tafika alemà izahay, ary anisan’ireo naondrana tany Dunkerque aho nandritra ny herinandro voalohan’ny Jona 1940. Mbola mihorohoro ihany aho mahatsiaro ilay fahitana ny fatin’andia-miaramila iray manontolo niampatrampatra nanerana ny torapasika. Tafavoaka velona tamin’izany tarehin-javatra nampihoron-koditra izany aho ary tonga tany Harwich any atsinanana amin’i Angletera, tamin’ny fandehanana sambo kely iray mpitondra entana.
Ny taona nanaraka, tamin’ny Martsa 1941, dia nalefa nankany India aho. Tany aho dia nahazo fampiofanana ho mécanicien momba ny fitaovana amin’ny fiaramanidina. Taorian’ny fe-potoana nidirako hopitaly vokatry ny aretina iray, dia nafindra nankany amin’ny antoko-miaramila iray tany Delhi, renivohitr’i India, aho. Lavitra ny tany aminay aho sady mbola tsy dia tsara, ary dia nanomboka nieritreritra ny amin’ny hoavy. Nanontany tena indrindra aho ny amin’izay mitranga amintsika rehefa maty isika.
Fanehoana tsy fivadihana vaovao
I Bert Gale, izay anglisy koa, no mpiray efitra tamiko tany Delhi. Indray andro izy dia nilaza fa “avy tamin’ny Devoly ny fivavahana”, fanamarihana izay nanaitra ny fahalianako. Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, ary indraindray dia nandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tany aminy. Nitana ny fahalianako ny iray tamin’izy ireny, dia ilay bokikely hoe Espérance. Nanome ahy tena fahatsapana fahatoniana ny famelabelaran’izy io ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
Tany am-piandohan’ny taona 1943 tany ho any, i Bert dia niresaka tamin’ny sivily iray karàna metisy anglisy, i Teddy Grubert, izay niara-niasa taminay tao amin’ny toby miaramila. Gaga izahay nahafantatra fa Vavolombelona i Teddy. Na dia nisy aza ny fandrarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1941, dia nentiny nankany amin’ireo fivoriana nataon’ny Vavolombelona tao Delhi izahay. Tao amin’io kongregasiona kely io no sambany vao nahitako teo amin’ny fiainako tena fisakaizana marina sy mafana. Nikarakara ahy manokana sady namaly ireo fanontaniako i Basil Tsatos, rahalahy kristiana be taona iray avy tany Gresy. Nanome valiny mazava avy ao amin’ny Baiboly izy ny amin’ireo fanontaniana momba ny hoe nahoana isika no mihantitra sy maty, ny fitsanganana amin’ny maty, sy ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. — Asan’ny Apostoly 24:15; Romana 5:12; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
Tena nitana ny fahalianako indrindra ilay bokikely hoe La paix de demain sera-t-elle de longue durée?, navoaka tamin’ny 1942. Nampahafantarin’izy io fa ny Fikambanam-pirenena no ilay “bibi-dia mivolon-jaky”. (Apokalypsy 17:3). Nanonona ny toko faha-17, andininy faha-11, amin’ny Apokalypsy ilay bokikely ary nilaza hoe: “Azo lazaina izao fa ‘teo ihany, ary tsy eo izao’ ilay Fikambanana.” Nanohy ny teniny izy io hoe: “Hipoitra indray ilay fikambanan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao.” Tamin’ny 1945, maherin’ny telo taona tatỳ aoriana, dia izany indrindra no nitranga, rehefa niforona ny Firenena Mikambana!
Nandritra ny fandrarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona, dia afaka nanampy an’ireo namako vaovao aho. Rehefa nisy bokikely La paix de demain sera-t-elle de longue durée? iray baoritra tonga, dia nomen’ny kongregasiona ahy ilay izy mba hotahirizina tao amin’ny toerana azo antoka. Iza no hieritreritra hijery zavatra vita an-tsoratra voarara tany amin’ilay toby miaramila? Isaky ny nanatrika ireo fivoriana aho, dia nitondra bokikely vitsivitsy mba hamatsiana ireo rahalahy. Nanafina an’ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly azy ireo manokana mihitsy aza aho, rehefa natahotra izy ireo sao hatao sava hao ny tranony. Tamin’ny farany, tamin’ny 11 Desambra 1944, dia nesorina ilay fandrarana.
Notsapaina ny tsy fivadihako tamin’ny fampianarana kristiana nandritra ny fankalazana ny Krismasy 1943 nalamina ho an’ny andian-tafika nisy anay. Tsy nety nandray anjara aho satria nianarako fa tsy teraka tamin’ny ririnina tamin’ny Desambra i Jesosy ary tsy nankalaza Krismasy ny Kristiana tany am-boalohany. — Ampitahao amin’ny Lioka 2:8-12.
Rehefa natao tany Jubbulpore (Jabalpur) ny Fivoriambe “Mpitory Tafaray” tamin’ny 27 ka hatramin’ny 31 Desambra 1944, dia anisan’ireo 150 teo ho eo nanatrika tany aho. Maro tamin’ireo mpanatrika ilay fivoriambe no nandeha lamasinina avy tany Delhi, izany hoe nanao dia mahery lavitra ny 600 kilaometatra. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ilay rivo-piainana nahafinaritra tao amin’io toerana an-kalamanjana io, izay nahitako ny fiasan’ny fandaminan’i Jehovah.
Nomena filasiana tao amin’ireo efitrano malalaka fatoriana tany an-tsekoly ireo mpanatrika ny fivoriambe, ary tao izahay dia nihira hiran’ilay Fanjakana sady nankamamy fiarahana kristiana falifaly. Nandritra io fivoriambe io no nanombohako nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ampahibemaso, asa izay nitoetra ho mamin’ny foko hatramin’izay.
Fanompoana manontolo andro teto Angletera
Niverina teto Angletera aho tamin’ny 1946, ary tsy ela dia nanomboka nifanerasera tamin’ny Kongregasiona Wolverton. Na dia folo teo ho eo monja aza ny mpitory ilay Fanjakana nanananay, dia nataon’izy ireo izay tsy hahasadaikatra ahy, ary nahatsapa ilay fahafaham-po nitovy tamin’izay tsapako teo anivon’ireo rahalahiko tany India aho. Niavaka tao amin’ilay kongregasiona i Vera Clifton noho izy tso-po sy be fitiavana. Rehefa fantatro fa nitovy faniriana tamiko izy, dia ny ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro, dia nivady izahay tamin’ny 24 May 1947. Nohavaoziko ny trano fiara, na trano azo afindrafindra iray, ary ny taona nanaraka, dia nahazo ny fanendrena anay ho mpisava lalana tao amin’ny tanànan’i Huntingdon any ambanivohitra, izahay.
Tamin’izany andro izany, dia nanainga vao maraina be izahay nandeha bisikileta hamonjy ny faritany tany ambanivohitra. Tsy nisy afa-tsy ny fiatoana vetivety tamin’ny mitataovovonana mba hihinanana sandwiches, no nanapaka kely ny fitorianay manontolo andro. Na mafy toy inona aza ny fitsokan’ny rivotra, na avy be toy inona aza ny orana nivoizanay bisikileta rehefa nody izahay, dia faly sy afa-po tamin’ny asan’ny Tompo izahay.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia naniry mafy ny hanitatra ny fanompoanay ka hizara ny “vaovao tsara” amin’olona any an-tany hafa izahay. (Matio 24:14, NW ). Koa nofenoinay ny fangatahana hanatrika ny sekolin’i Gileada ho an’ny misionera, tany South Lansing, New York, Etazonia. Tamin’ny farany, dia voaray ho ao amin’ny kilasin’i Gileada faha-26, izay nahazo diplaoma tamin’ny Febroary 1956, izahay.
Fanompoana niitatra tany Afrika
I Rhodésie Avaratra (Zambia ankehitriny), any Afrika, no faritany nanendrena anay ho misionera. Tsy ela taorian’ny nahatongavanay, dia nantsoina hanompo tao amin’ny Betelan’io tany io izahay. Anisan’ny asako tao amin’ny Betela ny fikarakarana ny fifanoratana tamin’i Afrika Atsinanana. Tamin’ny 1956, i Kenya — iray amin’ireo tany any Afrika Atsinanana ireo — dia tsy nanana afa-tsy Vavolombelona efatra monja, raha nisy mahery lavitra ny 24 000 tany Rhodésie Avaratra. Nanomboka nieritreritra izaho sy i Vera hoe hahafinaritra tokoa izany hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa izany.
Avy eo, tsy nampoizinay akory, dia nahazo fanasana hafa ho any amin’ny Sekolin’i Gileada aho, ka tamin’io indray mitoraka io dia hanaraka fianarana haharitra folo volana natokana ho an’ny mpiandraikitra. Navelako tany Rhodésie Avaratra i Vera ary nandeha nankany New York, izay nisy ny Sekolin’i Gileada tamin’izay fotoana izay, aho. Taorian’ny nahavitako ilay fianarana tamin’ny Novambra 1962, dia notendrena ho any Kenya aho mba hanorina biraon’ny sampana tany. Nanana Vavolombelona maherin’ny zato i Kenya tamin’izay fotoana izay.
Tamin’ny fiverenako ho any Rhodésie Avaratra mba hihaona tamin’i Vera, dia noheverina hoe hijanona vetivety tao Nairobi, Kenya, aho. Rehefa tonga tany anefa aho, dia nihaona tamin’i Bill Nisbet, izay nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-25. Izy dia nilaza vaovao hoe nisy fahafahana hahazo fanomezan-dalana ofisialy hidirana tao Kenya avy hatrany. Nanatona ny manam-pahefana mikarakara ny fidiran’ny vahiny izahay, ary tao anatin’ny minitra vitsivitsy, dia nahazo fanomezan-dalana hiasa mandritra ny dimy taona aho. Koa tsy niverina nankany Rhodésie Avaratra intsony àry aho, fa i Vera kosa no namonjy ahy tany Nairobi.
Taorian’ny nanarahanay fianarana teny swahili nomanina ho anay, dia niaraka tamin’ilay kongregasiona kely tao Nairobi teny amin’ny fanompoana izahay. Indraindray, rehefa avy namaky ny fitorianay tamin’ny teny swahili izahay, dia nihiaka toy izao ilay tompon-trano: “Tsy azoko ny teny anglisy!” Na dia teo aza izany, dia naharitra izahay ary nandresy tsikelikely ny sakana teo amin’ny fiteny.
Nisy fitambaran-trano midadasika manana anarana avy ao amin’ny Baiboly toy ny hoe Jerosalema sy Jeriko, tao anatin’ny faritaninay. Vetivety dia nitombo ny fahalianan’ny olona, ary nisy mpitory ilay Fanjakana vaovao maro avy tany amin’ireny faritra ireny. Nahatalanjona toy inona moa ny herin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly teo amin’ireny olona ireny! Nanjavona ny fanambonian-tena ara-poko rehefa nitondra firaisan-tsaina teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ny tsy fivadihana amin’ilay Fanjakana. Nifanambady na dia samy hafa foko aza, zavatra izay tena tsy fahita teo amin’ireo tsy Vavolombelona.
Nandray ny fahamarinana tamin-jotom-po ireo mpitory ilay Fanjakana vaovao. I Samson, ohatra, dia dodona aoka izany ny hampidirana any amin’ny faritra nisy ny tranony ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, hany ka tsy nitsahatra nangataka ny handefasana mpisava lalana tany izy. Raha ny marina, dia nitariny ny tranony tao amin’ny faritra Ukambani mba hanomezana filasiana ho an’ny mpisava lalana. Tsy ela dia nisy kongregasiona vaovaon’ny mpitory ilay Fanjakana naorina tao.
Imbetsaka aho no nitsidika ireo rahalahintsika tany Etiopia, any Afrika Atsinanana. Nandany maherin’ny 20 ora isam-bolana teo amin’ny fanompoana izy ireo, tamin’ny antsalany, na dia teo aza ny fampidirana am-ponja sy ny fikapohana ary ny fanaraha-maso tsy an-kijanona. Indray mandeha, dia nisy rahalahy sy anabavy etiopiana nahafeno aotobisy roa, nanao dia nandritra ny herinandro namakivakiana hadilanan-tendrombohitra mampidi-doza mba hanatrehana fivoriamben’ny distrika iray tany Kenya. Nahatalanjona ny fahaizany nahita hevitra mba hahazoany zavatra vita an-tsoratra momba ilay Fanjakana tany amin’ny taniny. Faly izahay tany Kenya nanampy mba hamatsiana azy ireo hatrany.
Nisy fandrarana ofisialy ny asantsika nampiharina tany Kenya tamin’ny 1973, ary dia voatery nandao ilay tany ny misionera. Tamin’izay dia nisy Vavolombelona maherin’ny 1 200 tany Kenya, ary maro tamin’izy ireo no teny amin’ny seranam-piaramanidina mba hirary soa ny dianay, dia firarian-tsoa tsy hay hadinoina. Ny fahatongavan’izy ireo teny dia nahatonga ny mpandeha iray hanontany raha olo-nalaza izahay. Niverina teto Angletera izaho sy i Vera ary notolorana fanendrena teto, kanefa naniry mafy ny hiverina tany Afrika izahay.
Fiverenana tany Afrika
Noho izany, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nahazo fanendrena vaovao, ho any amin’ny Betela tany Accra, renivohitr’i Ghana, any Afrika Andrefana, izahay. Nahatonga ahy hahita mivantana ireo zava-tsarotra natrehin’ny rahalahintsika tany, ny iray tamin’ireo asa nanendrena ahy. Noho izaho nikarakara ny fividianana sakafo sy entana ho an’ny fianakavian’ny Betela, dia gaga aho nahita ny vidin-tsakafo nidangana be. Matetika no tsy nahavidy tsotra izao ireo zavatra ilaina ny olona. Nanampy trotraka ny olana ny tsy fahampian’ny lasantsy sy ny fahavitsian’ny kojakoja fanolo.
Nanjary nianarako ny maha-zava-dehibe ny faharetana, izay efa nananan’ireo rahalahintsika any Ghana. Nampahery aoka izany ny nahita ny fihazonany toe-tsaina falifaly, raha tsy nety halaim-panahy hahazo izay tena nilaina teo amin’ny fiainana tamin’ny fanomezana kolikoly, izy ireo. Vokatr’izany, dia nanjary fanta-daza noho ny fanaovany ny marina ny vahoakan’i Jehovah any Ghana ary nanjary nahazo laza tsara teo anatrehan’ny manam-pahefana maro izy ireo.
Na dia teo aza anefa ny tsy fahampiana ara-nofo, dia nisy ny fitomboan’ny firoboroboana ara-panahy. Nanerana ilay tany, dia saika ny trano rehetra no nahitana zavatra vita an-tsoratra navoakantsika momba ny Baiboly. Ary hitanay ny nitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany Ghana avy teo amin’ny 17 156 tamin’ny 1973 fony izahay tonga tany, ka lasa maherin’ny 23 000 tamin’ny 1981. Tamin’io taona io, ny fihetsehan’ny kanseran’ny hoditra nahazo ahy, izay tsy isalasalana fa nihombo noho izaho notaninin’ny masoandro nandritra ny taona maro tany India sy tany Afrika, dia nanery anay handao an’i Ghana ka hiverina teto Angletera mba hahazoana fitsaboana tsy tapaka.
Toe-javatra vaovao teto Angletera
Nidika ho fanitsiana goavana teo amin’ny fanompoako ny fiverenanay, raha ho ahy. Zatra aoka izany niresaka tamin-kalalahana tamin’olona nanaja an’Andriamanitra sy ny Baiboly aho. Eto Londres anefa, dia mahalana aho vao mahita fihetsika toy izany. Talanjona aho mahita ny faharetan’ny rahalahy eto Grande-Bretagne. Izany dia nahatonga ahy hahita ny hilana ny hampitomboana fahatakarana bebe kokoa ny toeran’ny olona izay ‘nampahantraina sy nafoy’ teo amin’ny lafiny ara-panahy. — Matio 9:36.
Taorian’ny niverenanay avy tany Afrika, dia niara-nanompo tato amin’ny Betelan’i Londres izaho sy i Vera, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny Septambra 1991, teo amin’ny faha-73 taonany. Tsy mora ny namoy namana nahatoky toa azy izay niara-nikely aina teo anilako teo amin’ny fanompoana nandritra ny taona maro be tokoa. Malahelo azy mafy dia mafy aho. Faly anefa aho mahazo fanohanana tsara dia tsara avy amin’ny fianakavian’ny Betela misy mpikambana 250 eo ho eo.
Heveriko ho tena tombontsoa tokoa ny mahita ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah sy ny mahita olona maro be tokoa manao ny fanompoana manontolo andro ho fomba fiainany. Afaka manome toky anareo aho fa tsy misy fomba fiaina tsara kokoa noho izany, satria “Jehovah (...) tsy hahafoy [ireo tsy mivadika aminy, NW ]”. — Salamo 37:28.
[Sary, pejy 23]
Nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay teto Angletera nanomboka tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1955
Sambany vao teny amin’ny fanompoana nandritra ny fivoriambe iray tany India
Fony izahay misionera tany Rhodésie Avaratra
Tamin’ny 1985, niaraka tamin’ny namana tsy hitanay hatramin’ny 12 taona