FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/6 p. 29-31
  • Nahazo Diplaoma Ireo Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahazo Diplaoma Ireo Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampaherezana tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ho an’ireo misionera vaovao
  • Fanadinadinana
  • Mpianatra Nahomby Tonga Misionera Mahomby
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ireo Nahazo Diplaoman’i Gileada — “Tena Misionera!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mahatonga ny Olona Hankany Gileada ny Fahavononana Hanompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/6 p. 29-31

Nahazo Diplaoma Ireo Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra

HO FANAHAFANA ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra maneran-tany amin’ny fitoriany isam-baravarana. Io asa io no nasongadina tao amin’ny teny fanokafana ny fandaharana fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-102-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower.

Ny 1 Martsa 1997, i Albert Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisarika ny saina ho amin’ny lahatsoratra iray vao haingana tao amin’ny gazety frantsay Le Point. Nomarihin’izy io ny planin’ny Katolika hanomboka fitoriana isan-trano any Italia. “Mba tsy ho tanam-polo fotsiny no [hoentin’ireo misioneran’ny Vatikana] rehefa mifaninana eo amin’ny faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo”, hoy ilay lahatsoratra, “dia tonga hatramin’ny fanaovana pirinty ny Evanjelin’i Masindahy Marka iray tapitrisa ny Vatikana, satria hifanehatra amin’ireo havanana [ny Vavolombelona] amin’ny ‘fametrahana’ ny vaovao tsara isam-baravarana, ireo irany.”

Anisan’ireo nanahaka ny fomba fitorian’i Jesosy tamim-pahakingana teo amin’ny fanelezana ny Tenin’Andriamanitra ireo 48 nahazo diplaoma. Avy tany amin’ny tany valo izy ireo no tonga tao amin’ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower any Patterson, New York. Nandritra ny dimy volana nianarany, dia nianatra ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izy ireo. Anisan’ny zavatra nianarany koa ny tantaran’ny fandaminan’Andriamanitra, ireo lafiny azo ampiharina amin’ny fiainan’ny misionera, sy ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Zava-kendrena iray no tao an-tsaina tamin’izany rehetra izany — ny hanomana azy ireo ho amin’ny fanompoan’ny misionera any amin’ny tany 17 izay nanirahana azy ireo. Teo am-pizarana taminy ny diplaomany, dia nisy mpanatrika 5 015 samy hafa firenena niombom-pifaliana taminy tamin’io fotoana io. Torohevitra azo ampiharina farany inona no noraisin’ireo mpianatra tao Gileada ireo?

Fampaherezana tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ho an’ireo misionera vaovao

Taorian’ny teny fanokafana nataon’ny mpitari-draharaha, dia nanao ny lahateny fohy voalohany nirakitra torohevitra azo ampiharina ho an’ireo misionera vaovao, i Ralph Walls, mpanampy ny Komitin’ny Mpiasa ao amin’ny Fitambara-mpitantana. Ny foto-kevitra novelabelariny dia hoe “Tadidio ny Fitiavana”. Nohazavainy fa nambaran’ny Baiboly mialoha, ao amin’ny 2 Timoty toko faha-3, fa hanjary tsy hanam-pitiavana hatrany izao tontolo izao. Nanolotra izao fampahatsiahivana tamin’ny fotoana nilana azy indrindra izao ho an’ireo misionera vaovao izy, mifanaraka amin’ny filazalazana ny fitiavana hita ao amin’ny 1 Korintiana 13:1-7: “Ianareo, amin’ny maha-misionera anareo, dia mety hahavita ora mihoatra ny tokony hataonareo. Mety hanam-pahalalana be ianareo avy amin’ny fampiofanana azonareo teto Gileada. Na mety hiasa amin-jotom-po ankoatra ny ora fiasana izahay amin’ny asa anendrena anay eto amin’ny Sampana. Ho zava-poana anefa ny ezaka sy ny sorona rehetra ataontsika raha hadinointsika ny fitiavana.”

Nanaraka azy tao amin’ilay fandaharana i Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantana, izay nandinika ilay foto-kevitra hoe “Mitarika Antsika ho Amin’ny Fandresena i Jehovah”. Nanomboka tamin’ny fanombohana kely hitan’ny mpanompon’i Jehovah nahatoky taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, i Jehovah Andriamanitra dia nitarika azy ireo ho amin’ny fandresena teo amin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany, na dia teo aza ny fanenjehana. Tamin’ny 1931, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana azy ireo tamin’izay, dia nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, zavatra izay nanorisory ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. “Ankehitriny ny kilasy faha-102-n’ny misionera niofana teto Gileada dia manana tombontsoa lehibe handray anjara lehibe amin’ilay asa be voninahitra, dia ny fanomezana ho an’ny olona maro araka izay azo atao, ny fahafahana hahafantatra io anarana masina io”, hoy ny Rahalahy Barber. Izy ireo dia manatevin-daharana misionera 7 131, mahaforona lisitra lava be, izay nampiofanina tao amin’ny Sekolin’i Gileada sady nanampy tamin’ny fanitarana ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny tany 54 tamin’ny taona 1943, ka hatramin’ny tany 233 amin’izao andro izao.

Nahazo diplaoma tao amin’ny kilasy faha-11 tao Gileada sady nanompo tamin’ny naha-misionera tany Japon nandritra ny 25 taona mahery ilay mpandahateny nanaraka, i Lloyd Barry, ao amin’ny Fitambara-mpitantana koa. Nanome fampaherezana izy tamin’ilay foto-kevitra novelabelariny hoe “Mahareta Amin’izany”. “Ho hitanareo amin’ny fiaretana ny ankabeazan’ny fifalianareo”, hoy izy tamin’ireo mpianatra. Inona avy no valisoa azo avy amin’ny fiaretana eo amin’ny asa misionera na eo amin’ny asa teokratika anendrena, na inona izany na inona? “Ambonin’ny zava-drehetra, dia mampifaly ny fon’i Jehovah ny fiaretantsika. (...) Ahitana fahafaham-po lehibe ny fihazonana tsy fivadihana ao anatin’ny fitsapana. (...) Ataovy ho antom-piainanareo ny fanompoan’ny misionera. (...) Ho valisoanareo ilay teny manafana ny fo hoe ‘tsara izany’.” (Matio 25:21; Ohabolana 27:11). Teo am-pamaranana ny lahateniny, dia nanome torohevitra avy tamin’ny fo ny Rahalahy Barry mba ‘haharitra amin’izany’ ireo misionera vaovao amin’ny fahatapahan-kevitra ny hanao ny saha misionera ho ny tena fiainany mihitsy. — 1 Timoty 4:16.

“Inona no ho Hitanao?”, no fanontaniana napetrak’i Karl Adams, izay nandray anjara tamin’ny fampianarana kilasin’i Gileada maro. Nohazavainy fa izay ho hitan’ireo misionera vaovao any amin’ny hanendrena azy dia tsy miankina amin’ny fahitany ara-bakiteny fotsiny, fa miankina amin’ny mason’ny fony koa. (Efesiana 1:18, NW ). Nohazavainy izany tamin’ny ohatra ny amin’izay hitan’ireo mpisafo tany isiraelita fony izy ireo namantatra ny Tany Nampanantenaina. Samy nahita zavatra nitovy izao izy mpisafo tany 12 raha araka ny fijery ara-bakiteny, kanefa roa monja no nahita ny Tany Nampanantenaina araka ny fomba fijerin’Andriamanitra azy. Afaka mijery zavatra amin’ny fomba samy hafa koa ny misionera. Any amin’ny tany sasany hanompoany, dia mety hahita fahantrana, fijaliana, sy famoizam-po izy ireo. Tsy tokony ho kivy anefa izy ireo ka handao ilay tany. Niresaka ny amin’ny misionera iray avy tao amin’ny kilasy iray vao haingana, izay nilaza toy izao, ny Rahalahy Adams: “Ireny fanandraman-javatra ireny dia nahatonga ahy hahatakatra fa tsy maintsy mijanona eto aho. Mila fanantenana ny amin’ny hoavy ireo olona ireo. Tiako ny hitondra fiovana eo amin’ny fiainany.” Namarana ny teniny ny Rahalahy Adams tamin’ny fampirisihana an’ireo misionera vaovao hahita ny tany anendrena azy ho toy ny faritra tapak’i Jehovah fa hataony ho anisan’ny Paradisany haneran-tany, sy hijery ny olona mipetraka any ho toy ny hoe mety ho tonga anisan’ilay fitambaran’olon’ny tontolo vaovao.

I Wallace Liverance, izay nanompo nandritra ny taona maro tany amin’ny saha misionera talohan’ny nahatongavany ho mpampianatra tao Gileada, no nanao ny lahateny farany tamin’io tapany tamin’ilay fandaharana io. “Manaova Zavatra Amim-pahaiza-mahataka-javatra eo Am-pirotsahana Amin’ny Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”, no foto-kevitra novelabelariny. Tafiditra amin’ny fanaovan-javatra amim-pahaiza-mahataka-javatra ny fanaovan-javatra amim-pahendrena, amim-pahamalinana, sy amim-pahaiza-mitsara zavatra. Zavatra tsy mba nataon’i Saoly mpanjakan’ny Isiraely izany. — 1 Samoela 13:9-13; 15:1-22.

Fomba iray hanaovan-javatra amim-pahaiza-mahataka-javatra ny fanekena ireo zava-tsarotra amin’ny fahaiza-mizatra amin’ny fomba fiaina vaovao, tafiditra amin’izany ny fianarana fiteny vaovao sy ny fifankahalalana amin’olona. Afaka manatanjaka ny misionera amin’ny lafiny ara-panahy ny fanandraman-javatra hitany eo amin’ny fiatrehana zava-tsarotra sy ny fandresena vato misakana, tsy misy hafa amin’ny nankaherezana an’i Josoa sy i Kaleba teo am-pandreseny ilay tany nanendren’Andriamanitra azy ireo.

Fanadinadinana

Nisy fitohitohizana fanadinadinana tamin’ny tapany nanaraka tamin’ilay fandaharana. I Harold Jackson dia nanadinadina an’i Ulysses Glass, mpitan-tsoratra sady mpampianatra hatramin’ny ela tao amin’ny Sekolin’i Gileada, izay 85 taona ankehitriny. Misionera maro izay mbola eny amin’ny saha no mahatadidy tsara ireo taona nampianaran’ny Rahalahy Glass sy nampiofanany tamim-pahatokiana. Nanaraka avy eo i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada, izay nandany taona maro tamin’ny fanompoana tany Afrika, talohan’ny nahatongavany ho anisan’ny mpampianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Nanadinadina an’ireo mpianatra momba ny fanompoan’izy ireo nandritra ny dimy volana nianarany, izy. Nampiseho mazava ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo fa misy olona liana amin’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny faritany eo an-toerana.

Avy eo i Robert Ciranko sy i Charles Molohan dia niresaka tamin’ny lehilahy za-draharaha izay nanatrika sekoly hafa tao ihany, dia sekoly natao ho an’izay miasa ao amin’ny Sampana. Anisan’ny torohevitra nomen’ireo lehilahy ireo an’ilay kilasy nahazo diplaoma ny hoe ilaina ny manetry tena sy ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firaisan-tsain’ny kongregasiona. Nanipy hevitra izy ireo hoe ireo mpianatra dia tsy tokony hanana fitsarana an-tendrony ny amin’izay hitranga any amin’ny asa misionera, fa ho vonona fotsiny kosa ny hanaiky izay ho avy. Tsy isalasalana fa hanampy an’ireo misionera vaovao hanatanteraka ny asa anendrena azy, dia ny ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, ny fampiharana io torohevitra io.

Farany, i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia niresaka tamin’ny mpanatrika momba ilay foto-kevitra hoe “Inona no Hery Mitaona An’iza?” Nohazavainy fa rehefa maneho ny vokatry ny fanahy isika amin’ny maha-Kristiana antsika, dia afaka ny ho hery mitaona tsara eo amin’ny olon-kafa isika. “Nanjary re laza ho hery mitaona ny olona amin’ny fomba mahasoa sy amin’ny lafiny ara-panahy ireo misionera irahin’ny fandaminan’i Jehovah, ary mendri-piderana izany”, hoy ny nomarihiny. Notononiny tamin’izay ny filazana sasany nataon’olona nampiana hanompo an’Andriamanitra, vokatry ny ohatra tsara nomen’ny misionera. “Enga anie ianareo hihazona ilay laza tsara efa azon’ny vahoakan’i Jehovah, ka hanohy handondòna eo amin’ireo varavarana any amin’ny tany anendrena anareo mba hikarohana ny olona mendrika. (...) Afa-tsy izany koa, amin’ny alalan’ny fitondran-tenanareo mahitsy sy madio, dia tohero ny fanahin’itỳ tontolo itỳ ary aoka ianareo hitaona ho amin’ny tsara mba ho fiderana sy ho fankalazana an’i Jehovah”, hoy ny famaranan-teniny.

Tao amin’ny famintinana ilay fandaharana, ilay mpitari-draharaha dia nilaza firarian-tsoa avy lavitra sy akaiky, ary avy eo dia nanolotra ireo diplaoma sady nanambara ny tany anendrena ireo misionera. Taorian’izay, dia namaky ny fanehoan’ilay kilasy fankasitrahana noho ilay fampianarana nomena, ny iray tamin’ireo nahazo diplaoma. Mazava fa nahatonga ny mpanatrika rehetra ho tapa-kevitra kokoa ny handroso hatrany eo amin’ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra, ilay fandaharana fizarana diplaoma ho an’ilay kilasy faha-102.

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-102 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower

Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Duffy, C.; Alexis, D.; Harff, R.; Lee, J.; Corey, V.; Nortum, T.; Mora, N.; Journet, F. 2) Djupvik, L.; Singh, K.; Hart, B.; Kirkoryan, M.; Lee, S.; Rastall, S.; Zoulin, K.; Kollat, K. 3) Singh, D.; Pitteloud, J.; Pitteloud, F.; Bokoch, N.; Torma, C.; Muxlow, A.; Richardson, C.; Nortum, D. 4) Harff, J.; Journet, K.; Barber, A.; Loberto, J.; Loberto, R.; Muxlow, M.; Mora, R.; Hart, M. 5) Torma, S.; Rastall, A.; Diaz, R.; Diaz, H.; Weiser, M.; Weiser, J.; Kirkoryan, G.; Zoulin, A. 6) Alexis, R.; Barber, D.; Djupvik, H.; Duffy, C.; Kollat, T.; Richardson, M.; Bokoch, S.; Corey, G.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara