Sakaizan’Andriamanitra ve Ianao? — Izay Ahariharin’ny Vavaka Ataonao
EFA nandre tsy nahy olona roa nifampiresaka ve ianao? Tsy isalasalana fa fotoana fohy ihany dia fantatrao hoe karazam-pifandraisana inona no misy eo amin’izy ireo — na mpinamana izy ireo na olona tsy mifankahalala, olom-pantatra fotsiny na mpinamana akaiky sy mifampatoky. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny vavaka ataontsika dia afaka mampiharihary ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Manome toky antsika ny Baiboly fa “tsy mba lavitra antsika rehetra” Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:27). Eny tokoa, manasa antsika hahalala azy izy. Afaka ny ho sakaizany mihitsy aza isika. (Salamo 34:8; Jakoba 2:23). Afaka manana tena fisakaizana akaiky aminy isika! (Salamo 25:14, NW ). Mazava tsara fa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no zavatra sarobidy indrindra mety hananan’ny olombelona tsy lavorary. Ary mihevitra ny fisakaizana amintsika ho sarobidy i Jehovah. Mazava izany satria miorina amin’ny finoantsika ny Zanany lahitokana izay nanome ny ainy ho antsika ny fisakaizantsika aminy. — Kolosiana 1:19, 20.
Tokony hanome taratry ny fitiavana sy ny fankasitrahana lalina an’i Jehovah àry ny vavaka ataontsika. Efa nahatsapa ve anefa ianao, fa na dia feno fanajana aza ny vavaka ataonao, dia tsy misy tena fihetseham-po lalina? Zavatra fahita izany. Inona no fanalahidy mba hanatsarana ny toe-javatra? Ny fanolokoloana ny fisakaizantsika amin’i Jehovah Andriamanitra.
Fahitana fotoana ivavahana
Voalohany indrindra, dia maka fotoana ny fanolokoloana sy ny fambolena fisakaizana iray. Mety hiarahaba sy hiresaka mihitsy isan’andro amin’olona maro — mpifanila trano, mpiara-miasa, mpitondra aotobisy ary mpivarotra, ianao. Kanefa, tsy midika izany fa tena mpinamana amin’ny olona toy izany ianao. Arakaraka ny iresahanao amin’ny fomba feno amin’ny olona iray, manomboka amin’ny resadresaka ambangovangony ka tonga hatramin’ny famborahana fihetseham-po sy eritreritra anaty, no itomboan’ny fisakaizana.
Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny vavaka dia afaka manampy antsika hanatona akaiky an’i Jehovah. Tsy maintsy anokanana fotoana ampy anefa izy io; mihoatra noho ny fisaorana maimaika amin’ny fotoam-pisakafoana no ilaina. Arakaraka ny iresahanao amin’i Jehovah no ahafahanao mahita mazava ny fihetseham-ponao sy ny antony manosika anao ary ny zavatra ataonao. Manomboka miharihary ho azy ny vahaolana amin’ny zava-manahirana sarotra rehefa mampahatsiahy antsika ny fitsipika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanahiny. (Salamo 143:10; Jaona 14:26). Fanampin’izany, rehefa mivavaka ianao, dia manjary tena misy kokoa aminao i Jehovah, ary manjary tsapanao kokoa ny fahalianany aminao sy ny fiahiany anao amim-pitiavana.
Izany indrindra no izy rehefa mahatsapa valin’ny vavaka nataonao ianao. Afaka ‘manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza’ i Jehovah! (Efesiana 3:20). Tsy midika akory izany fa manao fahagagana ho anao Andriamanitra. Kanefa, amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra sy ny zavatra vita an-tsoratry ny kilasin’ny mpanompo mahatoky, na ny molotr’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana, dia mety hanome anao ny torohevitra sy fitarihan-dalana ilaina izy. Na mety hanome anao ny hery ilaina mba hiaretana na hanoherana fakam-panahy izy. (Matio 24:45; 2 Timoty 4:17). Ny zavatra niainana toy izany dia mahatonga ny fontsika ho feno fankasitrahana an’ilay Sakaizantsika any an-danitra!
Tsy maintsy maka fotoana ivavahana ny olona iray noho izany. Marina fa tsy ampy ny fotoana amin’izao andro feno fihenjanana izao. Rehefa miahy marina ny amin’ny olona iray anefa ianao, mazàna dia mahita fotoana holanina miaraka aminy. Mariho ny fomba nanambaran’ny mpanao salamo ny heviny toy izao: “Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an-ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?” (Salamo 42:1, 2). Manana faniriana mafy hiresaka amin’Andriamanitra, mitovy amin’izany ve ianao? Raha izany, dia makà fotoana anaovana izany! — Ampitahao amin’ny Efesiana 5:16, NW.
Ohatra, ho azonao atao ny hanandrana hifoha aloha amin’ny maraina mba hananana fotoana ho an’ny tena manokana mba hivavahana. (Salamo 119:147). Tsy mahita tory ve ianao indraindray amin’ny alina? Toa an’ilay mpanao salamo, dia afaka mihevitra ireny fotoana tsy mampandry saina ireny ho fahafahana haneho amin’Andriamanitra ny fanahianao ianao. (Salamo 63:6). Na mety ho fanolorana vavaka fohy imbetsaka mandritra ny andro fotsiny izany. Nilaza toy izao tamin’Andriamanitra ilay mpanao salamo: “Hianao no itarainako mandrakariva.” — Salamo 86:3.
Fanatsarana ny toetran’ny vavaka ataontsika
Indraindray, dia ho hitanao fa mahasoa koa ny mampitombo ny halavan’ny vavaka ataonao. Mandritra ny vavaka fohy, dia mety hirona hiresaka momba ny raharaha ambangovangony ianao. Rehefa manonona vavaka lava kokoa sy lalina kokoa anefa ianao, dia ho vonona kokoa hanambara ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao anaty. Nandany ny alina manontolo tamin’ny fivavahana i Jesosy, indray mandeha fara fahakeliny. (Lioka 6:12). Tsy isalasalana fa ho hitanao fa manjary misy fisakaizana akaiky sy misy heviny kokoa ny vavaka ataon’ny tenanao manokana raha halavirinao ny fanaovana izany amim-pirotorotoana.
Tsy midika izany hoe hanao resaka mivezivezy ianao rehefa tsy manan-javatra maro holazaina; na hoe hanao teny miverimberina tsy misy heviny. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy hianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.” — Matio 6:7, 8.
Misy heviny kokoa ny vavaka rehefa mieritreritra mialoha izay loha hevitra irinao horesahina ianao. Tsy misy farany izany — ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana, ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika, ny fahadisoam-panantenantsika, ny zavatra mampanahy antsika ara-bola, ny fanerena any am-piasana na any an-tsekoly, ny hahasoa ny fianakaviantsika, ary ny ara-panahin’ny kongregasionantsika eo an-toerana, raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy monja aza.
Moa ve ny sainao indraindray mirona hiriorio rehefa mivavaka ianao? Raha izany, dia manaova ezaka bebe kokoa mba hifantohana. Raha ny marina, i Jehovah dia vonona ‘handre ny fitarainantsika’. (Salamo 17:1). Moa ve isika tsy tokony ho vonona hanao ezaka amim-pahatsorana mba haneho fitandremana amin’ny vavaka ataon’ny tenantsika? Eny, ‘mihevera izay zavatry ny Fanahy’, ary aza avela hiriorio ny sainao. — Romana 8:5.
Zava-dehibe koa ny fomba hiresahantsika amin’i Jehovah. Na dia maniry ny hiheverantsika azy ho toy ny namana aza izy, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao no iresahantsika. Vakio ary saintsaino ny fahitan-javatra mampahatahotra aseho ao amin’ny Apokalypsy toko faha-4 sy faha-5. Ao i Jaona dia nahita fahitana ny fahambonian’Ilay hatonintsika ao amin’ny vavaka. Tombontsoa toy inona moa no ananantsika afaka manatona sy mifandray amin’ilay ‘mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana’! Tsy irintsika velively ny hahatonga ny fitenintsika ho tsy misy fanajana na tsy mendrika. Tokony hanao ezaka mafy kosa isika mba hahatonga ‘ny tenin’ny vavantsika sy ny fisainan’ny fontsika hankasitrahan’i Jehovah’. — Salamo 19:14.
Fantaro anefa fa tsy mampihetsi-po an’i Jehovah amin’ny teny tsara lahatra akory isika. Ny fitenenana feno fanajana sy avy amin’ny fo ataontsika no mampifaly azy, na manao ahoana na manao ahoana fomba tsotra nanambarana azy. — Salamo 62:8.
Fampiononana sy fahatakarana amin’ny fotoana ilana azy
Rehefa mila fanampiana sy fampiononana isika, matetika dia mitodika any amin’ny namana akaiky mba hahazoana fanohanana sy fangoraham-po. Tsy misy namana mora hatonina kokoa noho i Jehovah. “Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana” izy. (Salamo 46:1). Amin’ny maha-“Andriamanitry ny fampiononana rehetra” azy, dia mahatakatra izay diavintsika tsara kokoa noho ny olon-kafa na iza na iza izy. (2 Korintiana 1:3, 4; Salamo 5:1; 31:7). Ary tena mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ireo ao anatin’ny fahoriana mangidy izy, sady manana fangoraham-po ho azy ireo tokoa. (Isaia 63:9; Lioka 1:77, 78). Rehefa takatsika fa namana mahatakatra ny fihevitry ny hafa i Jehovah, dia tsy mihambahamba miresaka aminy amin-kafanam-po sy amim-pihetseham-po lalina isika. Voatosika isika hanambara ny tahotra sy ny fanahiantsika lalina indrindra. Amin’izay dia tsapantsika voalohany indrindra ny fomba hanombohan’ny ‘fampiononan’i Jehovah hampifaly ny fanahintsika’. — Salamo 94:18, 19.
Indraindray dia mahatsapa ny tenantsika ho tsy mendrika hanatona an’Andriamanitra isika noho ireo fahadisoantsika. Ahoana anefa raha nanao fahadisoana taminao ny namanao akaiky iray ary nitalaho famelan-keloka? Tsy ho voatosika ve ianao hampionona sy hanome toky azy indray? Koa nahoana àry isika no tokony hanampo zavatra latsa-danja noho izany avy amin’i Jehovah? Mamela malalaka ny namany izay nanota noho ny tsy fahatanterahan’olombelona izy. (Salamo 86:5; 103:3, 8-11). Noho ny fahalalana izany, dia tsy tokony hiahotra ny hiaiky amim-pahatsorana ny fahadisoantsika aminy isika; afaka matoky ny fitiavany sy ny famindram-pony isika. (Salamo 51:17). Raha kivy isika noho ireo fahadisoantsika, dia afaka maka fampiononana ao amin’ny teny ao amin’ny 1 Jaona 3:19, 20 manao hoe: “Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.”
Tsy voatery ho ao amin’ny fahoriana mangidy anefa isika vao hahazo ny fiahiana feno fitiavan’Andriamanitra. Mahaliana an’i Jehovah na inona na inona mety hisy akony eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Eny, tsy mila mieritreritra mihitsy isika fa madinika loatra ka tsy tokony hotononina ao amin’ny vavaka ny fihetseham-pontsika sy ny eritreritsika ary ny fanahiantsika. (Filipiana 4:6). Rehefa miaraka amin’ny namana akaiky iray ianao, moa ve ianao tsy miresaka afa-tsy ny fisehoan-javatra lehibe eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao tsy mizara ny fanahiana madinika koa? Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia azonao atao ny tsy misalasala miresaka momba ny lafiny na inona na inona amin’ny fiainanao amin’i Jehovah, amin’ny fahafantarana fa “Izy no miahy anareo”. — 1 Petera 5:7.
Mazava ho azy, fa tsy azo inoana haharitra ny fisakaizana iray raha toa ny momba ny tenanao ihany no zavatra resahinao. Toy izany koa, ny vavaka ataontsika dia tsy tokony hifototra amin’ny tenantsika. Tokony hanambara ny fitiavantsika sy ny fiahiantsika ny amin’i Jehovah ary ny tombontsoany koa isika. (Matio 6:9, 10). Tsy fahafahana hangataka fanampiana amin’Andriamanitra ihany ny vavaka fa fahafahana hanononana fisaorana sy fiderana koa. (Salamo 34:1; 95:2). Ny ‘fandraisana fahalalana’ amin’ny alalan’ny fianarana manokana tsy tapaka dia hanampy antsika amin’io lafiny io, satria manampy antsika hanjary hifankazatra kokoa amin’i Jehovah sy ny lalany. (Jaona 17:3, NW ). Mety ho hitanao fa tena manampy ny mamaky ny bokin’ny Salamo sy ny manamarika ny fomba nanambaran’ny mpanompo mahatoky hafa ny tao an-tsainy tamin’i Jehovah.
Fanomezana sarobidy tokoa ny fisakaizana amin’i Jehovah. Enga anie isika hampiseho fa ankasitrahantsika izany amin’ny fanaovantsika izay hahatonga ny vavaka ataontsika ho vao mainka hisy fisakaizana akaiky kokoa, ho avy amin’ny fo kokoa, sy ho manokana kokoa. Amin’izay dia hankafy ny fahasambarana nambaran’ny mpanao salamo toy izao isika: “Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao”. — Salamo 65:4.
[Sary, pejy 28]
Afaka mivavaka amin’Andriamanitra isika mandritra ny andro rehefa miseho ny fahafahana hanao izany