Vonjeo ny Ain’ny Zanakao!
MIPETRAKA any amin’ny lohasaha iray any ambanivohitra, eo afovoan’ny havoana maitson’i KwaZulu-Natal, atsy Afrika Atsimo, i Michael sy i Alphina. Niatrika zava-tsarotra maro izy ireo tamin’ny fitaizana zaza fito. Nomban’ny fanohanan’ny vadiny azy tamin’ny fomba feno, dia nanao izay tsara indrindra azony natao i Michael mba hankatoavana ny didin’ny Baiboly toy izao ho an’ny ray: “Manohiza mitaiza [ny zanakareo] ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Mipoitra anefa ny olana indraindray.
Ohatra, mahazatra ny ankizilahy mpiandry omby atsy Afrika ny manambatra ny andian’ombin’ny ray aman-dreniny avy, mba hananana fotoana bebe kokoa hiaraha-milalao. Indraindray izy ireo dia manimbasimba zavatra ary miresaka zavatra tsy tokony horesahiny. Rehefa nandeha niandry ny andian’ombin’ny fianakaviana ireo zanany lahy, dia nomen’i Michael toromarika hentitra izy ireo mba tsy hiaraka tamin’ny ankizy sasany. (Jakoba 4:4). Kanefa, nony nody avy niasa izy, dia nahita azy ireo nanao izany indraindray. Vokatr’izany, dia tsy maintsy nanafay azy ireo izy. — Ohabolana 23:13, 14.
Heverinao ve fa hentitra loatra tamin-janany i Michael? Mety hisy hihevitra toy izany, kanefa nilaza i Jesosy Kristy fa “ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”. (Matio 11:19). Namorona rivo-piainana feno fitiavana tao an-tokantranony i Michael sy i Alphina, ka niara-nandany fotoana tamin-janany sy nampianatra azy ireo tantara sy fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Manan-janakavavy efatra — i Thembekile, i Siphiwe, i Tholakele, sy i Thembekani — i Michael sy i Alphina. Samy mpitory manontolo andro ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy efatra mirahavavy. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zanany lahy roa. Mpanampy amin’ny fanompoana ny zanany lahy fahatelo, izay manambady mpitory manontolo andro koa.
Maro amin’ny ray aman-dreny kristiana maro anaka no nandray fitahiana tamin’ny fahombiazany tamin’ny fitaizana ny zanany. Kanefa, misy ankizy sasany izay voataizan’ny ray aman-dreniny tsara, niala tamin’ny fahamarinana. Tsy isalasalana fa mitana ao an-tsaina ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka mpandanilany foana ny ray aman-drenin’izy ireny, ary mbola manantena fa hibebaka ny zanany lahy na ny zanany vavy ka hahazo famonjena amin’ny farany. — Lioka 15:21-24.
Mampalahelo anefa fa misy ray aman-dreny kristiana sasany manan-janaka izay very any amin’izao tontolo izao izy rehetra. Antony mampanahy indrindra izany any amin’ny faritra sasany atsy Afrika izay ahitana ankizy toa mandroso tsara mandra-pahatrarany ireo taona maha-zatovo. Amin’izay, eo am-pivelaran’ny fahatanorany, dia manjary sodokan’ny fanao maloto ara-pitondran-tenan’ny tontolon’i Satana izy ireo. (1 Jaona 5:19). Vokatr’izany, dia ray maro no tsy mahafeno fepetra ho loholon’ny kongregasiona. (1 Timoty 3:1, 4, 5). Miharihary fa tokony hihevitra ny famonjena ny ankohonany ho zava-dehibe tokoa ny ray kristiana. Noho izany, inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hamonjena ny ain’ny zanany?
Aoka ianareo ho namana akaiky
Tsy vitan’ny hoe lavorary fotsiny i Jesosy fa ambony lavitra noho ny olombelona hafa rehetra koa izy raha ny amin’ny fahalalana sy ny fanandraman-javatra. Na dia izany aza, dia nitondra an’ireo mpianany tsy lavorary ho toy ny namana akaiky izy. (Jaona 15:15). Izany no antony nanirian’izy ireo hiaraka taminy sy nanaovan’izy ireo fandrosoana tsara teo anatrehany. (Jaona 1:14, 16, 39-42; 21:7, 15-17). Afaka miana-javatra avy amin’izany ny ray aman-dreny. Toy ny zavamaniry kely mamelatra ny raviny manandrify ny tara-masoandro mafana, ny ankizy dia mandroso tsara rehefa misy rivo-piainana feno fitiavana sy fisakaizana ao an-trano.
Ry ray aman-dreny, moa ve ny zanakareo tsy misalasala manatona anareo mba hilaza ny fanahiany rehetra? Moa ve ianareo mihaino azy? Alohan’ny hanaovanareo fanatsoahan-kevitra, moa ve ianareo mitaona azy hilaza ny ao an-tsainy sy ny ao am-pony mba hahazoana filazalazana feno kokoa? Moa ve ianareo manampy azy amim-paharetana hahita ny valin’ny fanontaniana sasany, amin’ny fanaovana fikarohana miaraka aminy ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly?
Hoy ny fanazavan’ny reny iray atsy Afrika Atsimo: “Nanomboka tamin’ny andro voalohany nandehanan’ny zanakay vavy nianatra, dia nampirisihinay izy mba hitantara ny zava-nitranga nandritra ny andro. Ohatra, nanontany aho hoe: ‘Iza no niarahanao tamin’ny fiatoana hisakafo antoandro? Mba lazao ahy ny momba ny mpampianatra anareo vaovao. Manao ahoana izy? Inona avy no zavatra nomanina hatao mandritra ny herinandro?’ Indray mandeha, dia nilaza ny zanakay vavy rehefa nody fa ny mpampianatra teny anglisy azy ireo dia hitondra ny mpianatra hijery sarimihetsika izay hanaovan’izy ireo fitsikerana any aoriana. Nampiahiahy ny lohatenin’ilay sarimihetsika. Rehefa namotopototra izahay, dia hitanay fa tsy nety ho an’ny Kristiana ilay izy. Niara-nidinika azy io ny fianakavianay. Ny ampitson’iny, dia nanatona an’ilay mpampianatra ny zanakay vavy, ary nanazava fa tsy naniry hijery ilay sarimihetsika izy satria tsy mifanaraka amin’ny zavatra inoany amin’ny maha-Kristiana azy ny fitsipi-pitondran-tena asehon’ilay izy. Nieritreritra indray an’ilay raharaha ilay mpampianatra ary tatỳ aoriana dia nisaotra ny zanakay vavy, ka nilaza fa tsy niriny ny hitondra ny mpianatra hijery zavatra izay hanenenany any aoriana.” Nitondra vokany tsara ny fiahiana tamim-pitiavana nasehon’ireo ray aman-dreny ireo hatrany ho famonjena ny zanany vavy. Manan-toetra falifaly sy mijery lafy tsaran-javatra ilay zanany vavy ary manompo amin’ny maha-mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society atsy Afrika Atsimo, ankehitriny.
Namela ohatra faran’izay tsara i Jesosy raha ny amin’ny fitondrana ny zanaky ny hafa. Nankafiziny ny fiarahana tamin’izy ireny. (Marka 10:13-16). Toy inona moa ny tokony ho fahasambaran’ny ray aman-dreny miara-manao zavatra amin-janany! Any amin’ny faritra sasany atsy Afrika, dia mahamenatra ny ray ny ho hita miara-milalao baolina na lalao hafa amin’ny zanany lahy. Tsy tokony hanambony tena loatra anefa ny ray kristiana ka hoe tsy te ho hita miara-manao zavatra amin-janany. Ilain’ny tanora ny ray aman-dreny mankafy ny fiaraha-mandany fotoana aminy. Manamora kokoa ny hanehoan’ny zanaka ny fanahiany izany. Rehefa atao tsirambina ny zavatra ilaina ara-pihetseham-po toy izany, dia mety hanjary ho sosotra na hikombona ny zanaka, indrindra fa raha ahitsy tsy an-kijanona izy.
Rehefa nanoratra tamin’ny Kolosiana momba ny fifandraisan’ny mpianakavy i Paoly, dia hoy izy: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Mety hanondro izany fa indraindray dia tsy voalanjalanja ny famaizana be loatra sy ny fisakaizana kely loatra. Azo inoana kokoa fa hanaiky ny famaizana ilainy ny ankizy, anisan’izany ny zatovo, raha tiana sy ankasitrahana.
Ny fitiavana an’Andriamanitra
Ny lova sarobidy indrindra azon’ny ray aman-dreny ampitaina amin-janany dia ny ohatra omen’ny tenany raha ny amin’ny fanehoam-pitiavana. Ilain’ny ankizy ny mahita sy ny mandre ny ray aman-dreniny maneho fitiavana marina an’Andriamanitra. Hoy ny fanazavan’ny tovolahy iray manompo ao amin’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society atsy Afrika Atsimo: “Fony aho mbola kely, dia nanampy ny raiko tamin’ny fanaovan-draharaha tao an-trano aho. Tiako erỳ ny nanampy azy, satria tena nankasitraka ny kely vitako i Dada. Nampiasa ilay fotoana izy mba hiresahana tamiko zavatra maro momba an’i Jehovah. Ohatra, tsaroako indray asabotsy izay, fony izahay niasa mafy nanapaka ny bozaka tao an-tokotany. Nafana be tamin’izay. Tsemboka i Dada, koa nihazakazaka naka rano roa vera aho ary nasiako gilasy ilay izy. Hoy i Dada: ‘Hitanao ve, anaka, ny fahendren’i Jehovah? Mitsinkafona ambony rano ny gilasy, na ny ranomandry. Raha milentika izy io, dia ho faty ny zavamananaina rehetra any amin’ny fanambanin’ny farihy sy ny kamory. Tsy izany anefa fa toy ny rakotra misakana ny hafanana tsy hivoaka ny ranomandry! Moa ve izany tsy manampy antsika hahafantatra an’i Jehovah tsara kokoa?’a Tatỳ aoriana, rehefa naiditra am-ponja aho noho ny nihazonako fialanalanana, dia nanam-potoana hieritreretana aho. Ketraka aho indray alina tao am-ponja ka nahatsiaro ireo tenin’i Dada ireo. Nifono heviny lalina toy inona moa izy ireo! Hanompo an’i Jehovah mandrakizay aho raha azoko atao izany.”
Eny, ilain’ny ankizy ny mahita fa miseho taratra eo amin’ny zava-drehetra ataon’ny ray aman-dreniny ny fitiavana an’Andriamanitra. Tokony ho hita indrindra indrindra fa hoe ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana azy an-tsitrapo no hery manosika amin’ny fanatrehana fivoriana kristiana, ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny famakiana sy ny fianarana Baiboly ataon’ny fianakaviana. (1 Korintiana 13:3). Ny zava-dehibe indrindra, dia tokony ho hita taratra eo amin’ny vavaka amin’ny fo manontolo atao miaraka amin’ny fianakaviana, ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy ho tafahoatra mihitsy ny fanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fanomezana lova toy izany ho an’ny zanakareo. Izany no antony nandidiana ny Isiraelita hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:5-7; ampitahao amin’ny Matio 22:37-40.
Vato misakana lehibe amin’ny fitiavana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra ny fahotana raiki-tampisaka amintsika. (Romana 5:12). Noho izany, dia mandidy toy izao koa ny Baiboly: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. (Salamo 97:10). Matetika no mitarika ho amin’ny fanaovan-dratsy ny eritreri-dratsy. Mba hanalavirana izany, dia tsy maintsy mamboly lafin-toetra lehibe iray hafa koa ny zanaka.
Ny fahatahorana an’Andriamanitra
Zavatra tena faniry ny fitiavana miharo fahatahorana amim-panajana sao tsy hampifaly an’i Jehovah. I Jesosy Kristy mihitsy no namela ohatra tonga lafatra ho antsika raha ny amin’ny fahitana fahafinaretana tamin’ny “fahatahorana an’i Jehovah”. (Isaia 11:1-3). Tena zava-dehibe izany fahatahorana izany rehefa mahatratra ny fivelaran’ny fahatanorana ny ankizy iray ary manomboka mahatsapa faniriana mafy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Afaka manampy ny tanora hanohitra ny faneren’izao tontolo izao, izay mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fahatahorana an’Andriamanitra. (Ohabolana 8:13). Any amin’ny fiaraha-monina sasany, dia halavirin’ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany ny fomba hiatrehana ny fakam-panahy eo amin’ny lahy sy ny vavy. Raha ny marina, dia maro no mihevitra fa tsy tsara ny miara-midinika ny amin’izany zavatra izany. Inona anefa no vokatry ny fanaovan’ny ray aman-dreny tsirambina toy izany?
Nanadinadina ankizivavy 1 702 sy ankizilahy 903 avy tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Transkei, Afrika Atsimo, ny telo mirahalahy antsoina hoe Buga sy Amoko ary Ncayiyana, manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana. Nanao tatitra ny South African Medical Journal fa “76%-n’ireo ankizivavy sy 90,1%-n’ireo ankizilahy tamin’io fanadihadiana io no efa nanao firaisana”. Dimy ambin’ny folo taona ny salan-taonan’ny ankizivavy, ary maro no noterena hanao firaisana. Maherin’ny 250 no efa bevohoka indray mandeha na mihoatra. Vokany hafa koa ny habetsahan’ny voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana.
Toa ray aman-dreny maro no tsy mahita ny ilana hampianarana ny zanany ny fomba hanalavirana ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Toy izao kosa no mitranga araka ny fanazavan’ilay gazety voalaza tetsy aloha: “Toetra maha-vehivavy ny vehivavy heverina ho sarobidy tokoa ny fiterahana sy ny fananana anaka, eo amin’ny fiaraha-monina any ambanivohitr’i Transkei, ary vetivety dia voamariky ny zazavavy maoty izany.” Voamarina any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao koa io olana io.
Tanora maro atsy Afrika no manakiana ny ray aman-dreniny satria tsy manampy azy hahatakatra ny fandehan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy azy. Sanganehana be ny ray aman-dreny kristiana sasany hampiasa ilay boky hoe Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany.b Eo amin’ny pejy faha-20-23, dia hazavain’izy io ny fampiasana amin’ny fomba mendri-kaja ny filahiana sy ny fivaviana ary koa ireo fiovana mitranga mandritra ny taona maha-maoty.
Tokony hoderaina ny ray aman-dreny kristiana izay miezaka mafy hiara-midinika amin-janany ny fiheveran’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Tsara indrindra raha atao miandalana izany, arakaraka ny fahaizan’ny ankizy iray mahataka-javatra. Miankina amin’ny anton-javatra toy ny taonan’ilay ankizy, dia mety hilain’ny ray aman-dreny ny hilaza zavatra voafaritra mazava rehefa miresaka ny amin’ny faritra eo amin’ny vatana sy ny fiasan’izany. Raha tsy izany, dia mety tsy ho azon’ny tanora tsy ampy fahalalana ny zavatra tiana holazaina. — 1 Korintiana 14:8, 9.
Hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray atsy Afrika Atsimo, manan-janakavavy roa sy zanakalahy iray: “Imbetsaka aho no nanana fahafahana niara-nidinika ilay foto-dresaka saro-pady momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, na dia tamin’ny zanakay vavy aza. Naneho fiheverana manokana an’ireo zanakay vavy anefa ny vadiko, tamin’ny fampiasana ilay boky hoe Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany. [Jereo ny pejy faha-26-31.] Fony 12 taona ny zanako lahy, dia nanapa-kevitra aho ny hitondra azy handehandeha lavitra tany an-tendrombohitra. Tamin’izay fotoana izay no niarahanay nidinika tamin’ny an-tsipiriany momba ny fitomboan’ny vatan’ny zazalahy sy ny zava-kendrena manokana hampiasana izany any aoriana ao amin’ny fanambadiana. Niarahako nidinika taminy koa ny ilana hanalavirana ny fahazarana mampikororosy hikasikasika ny filahiana mba hahazoana fahafinaretana sy ny hananana fomba fijery feno fanajana ny ankizivavy — toy ny fomba fijeriny ny reniny sy ny anabaviny.”
Valisoa mahafaly
Niasa mafy ilay ray sy reny vao avy notononina teo ary faly izy ireo fa nahazo vokatra tsara tamin’ny fitaizana ny zanany telo mianadahy. Samy efa lehibe izao izy telo mianadahy ary manambady Kristiana mahatoky. Samy loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana ny zanany lahy sy ny vinantolahiny, ary ao anatin’ny asa fitoriana manontolo andro hatramin’ny taona maro ny mpivady roa.
Eny, ny ray aman-dreny izay miasa mafy ho amin’ny famonjena ny ankohonany dia afaka manantena valisoa mahafaly avy amin’ny fifidianan’ny ankizy ny hanaiky fampianarana ara-baiboly toy izany, satria hoy ny Ohabolana 23:24, 25: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao”. Diniho ilay fianakaviana maro anaka voalaza terỳ amin’ny teny fampidirana itỳ lahatsoratra itỳ. “Rehefa mieritreritra ny fandrosoana ara-panahy nataon’ny zanako aho”, hoy i Alphina, “dia miboiboika fifaliana ny foko.” Enga anie ny ray aman-dreny kristiana rehetra samy hiezaka ho amin’izany valisoa mahasambatra izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa manomboka mandry ny rano, dia manjary mihamaivana kokoa izy ka miakatra ambony. Jereo ny pejy faha-137-138 ao amin’ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo koa ny Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 23]
Afaka mandamina ny hahitana toerana tsara hanazavana ny mombamomba ny fiainan’olon-dehibe, ny ray