Feon’ny Fieritreretana — Enta-mavesatra sa Zava-tsoa?
‘MANELINGELINA ahy ny feon’ny fieritreretako!’ Indraindray, dia saiky mizaka fanenjehan’ny eritreritra avokoa isika rehetra. Ny fihetseham-po toy izany dia mety ho tsy filaminan-tsaina tsotra fotsiny ary mety ho tonga hatramin’ny fahorian-tsaina mahafadiranovana. Ny feon’ny fieritreretana tsy mandry dia afaka manetsika fahaketrahana na fahatsapana tsy fahombiazana lalina mihitsy aza.
Raha jerena amin’izany fomba izany àry ny feon’ny fieritreretana, moa ve tsy enta-mavesatra izy io? Mety hihevitra ny sasany fa izany no izy. Ireo mpandinika tao amin’ny taranaka teo aloha matetika dia nihevitra ny feon’ny fieritreretana ho fahaizana raiki-tampisaka, nolovana. Maro no nihevitra fa izy io dia mpitari-dalana ara-pitondran-tena nomen’Andriamanitra mivantana. Araka izany, ny feon’ny fieritreretana dia nantsoina hoe “ny fisian’Andriamanitra ao amin’ny olona”, “ny maha-isika antsika tany am-boalohany”, sy “ny feon’Andriamanitra” mihitsy aza.
Tato anatin’ireo taona faramparany anefa, dia nanjary neken’ny besinimaro ny filazana fa ny feon’ny fieritreretana dia fahaizana vao azo tatỳ aoriana indrindra indrindra — vokatry ny famolavolan’ny ray aman-dreny na ny famolavolana ara-tsosialy. Misy mpandinika ny toe-tsaina sasany, ohatra, milaza fa ny ankizy dia mianatra mitana tena tsy hanana fitondran-tena tsy faniry noho ny tahotra sazy indrindra indrindra, ka mino izy fa izay antsointsika hoe feon’ny fieritreretana, dia tsy inona fa fandraisana fotsiny an’ireo fitsipi-pitondran-tena sy ireo zavatra inoan’ny ray aman-dreny. Ny hafa dia manondro ny anjara asan’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny eo amin’ny fampitana fitsipi-pitondran-tena sy fari-pitsipika. Mihevitra ny sasany fa ny fanenjehan’ny eritreritra dia tsy inona fa fifanoherana eo amin’izay tiantsika hatao sy izay takin’ny fiaraha-monina mpampahory amintsika!
Na dia eo aza ireo teôria, dia matetika no nisy olona nijoro tamin’ny heviny na dia teo aza ny ray aman-dreniny sy ny havany ary ny fitambaran’olona iray manontolo, satria nasain’ny feon’ny fieritreretana nanao izany izy ireo. Ny sasany aza vonona hanao sorona ny ainy mihitsy noho ny feon’ny fieritreretana! Ary na dia eo aza ny tsy fitoviana lehibe eo amin’ireo kolontsaina eo amin’izao tontolo izao, dia saiky heverin’ny rehetra fa ratsy ny fanaovan-javatra toy ny vonoan’olona, ny halatra, ny fanitsakitsaham-bady, ny lainga sy ny firaisana amin’olom-pady. Moa ve izany tsy manaporofo fa ny feon’ny fieritreretana dia toetra raiki-tampisaka, nolovana?
Ny feon’ny fieritreretana — ny fiheveran’ny Baiboly
I Jehovah Andriamanitra no tena manam-pahaizana manokana amin’io foto-kevitra io. Raha dinihina tokoa, dia “Izy [Andriamanitra] no nanao antsika, fa tsy isika”. (Salamo 100:3, fanamarihana ambany pejy). Mahatakatra tanteraka izay mahaforona antsika izy. Manazava ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, fa natao tahaka ny ‘endrik’Andriamanitra’ ny olona. (Genesisy 1:26). Noforonina hanana fahatsapana ny amin’izay mety sy tsy mety, ny olona; hatrany am-piandohany, ny feon’ny fieritreretana dia tapany tsy nisaraka tamin’ny maha-izy ny olombelona. — Ampitahao amin’ny Genesisy 2:16, 17.
Nohamafisin’ny apostoly Paoly izany tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, rehefa nanoratra toy izao izy: “Na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna [ny an’Andriamanitra] ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany [dia miampanga na manala tsiny azy mihitsy aza, NW ]”. (Romana 2:14, 15). Mariho fa maro ireo tsy nobeazina teo ambanin’ny Lalàn’Andriamanitra nomena ny Jiosy no mbola nanaraka ny sasany tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny lalàn’Andriamanitra, tsy noho ny fanerena ara-tsosialy, fa “araka ny nahim-pony”!
Tsy enta-mavesatra velively àry ny feon’ny fieritreretana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, zava-tsoa. Ekena fa mety hampahory antsika izy io. Kanefa rehefa arahina araka ny tokony ho izy, izy io, dia afaka mamaly soa antsika koa amin’ny fahatsapana fahafaham-po lalina sy fiadanana anaty. Afaka mitarika sy miaro ary manosika antsika izy io. Manazava toy izao ny The Interpreter’s Bible: “Tsy ho voaro ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po raha tsy miezaka ny isam-batan’olona mba hanentsina ilay hantsana mampisaraka an’izay ataony sy izay heveriny fa tokony hataony.” Ahoana no ahafahan’ny olona iray manentsina io hantsana io? Azo atao ve ny mamolavola sy mampiofana ny feon’ny fieritreretantsika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.