Ny Fomba Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika — Fizarana Voalohany
Hiseho ao amin’ny nomeraon’ny 15 Septambra sy 15 Oktobra avy ny fizarana faha-2 sy faha-3.
AO AMIN’NY trano fiasana kely iray, dia indro fa mamerimberina fihetsika mitovy ny mpanao pirinty iray sy ireo tanora vao mianatra asa ao aminy, eo am-pampiasana ilay milina hazo fanaovany pirinty, ka mametraka amim-pitandremana taratasy fotsy eo ambonin’ireo lohavỳ. Rehefa manaisotra ireo pejy izy ireo dia manamarina tsirairay ilay soratra vita pirinty. Ahanton’izy ireo misadìka amin’ny tady avy amin’ny rindrina iray mankerỳ amin’ny hafa, ireo pejy mba ho maina.
Tsitapitapitr’izay, dia misy dondòna mafy ao am-baravarana. Taitra ilay mpanao pirinty ka manaisotra ny hidim-baravarana, ary dia manao amboletra miditra ny andiana miaramila mitam-piadiana. Indro izy ireo fa manomboka mikaroka ilay karazan-javatra vita an-tsoratra tsy ara-dalàna sy melohina indrindra — dia ny Baiboly amin’ny fitenin’ny sarambaben’olona!
Diso aoriana loatra ny nahatongavan’izy ireo. Noho izy nampitandremana ny amin’ilay loza, dia efa nihazakazaka tany amin’ilay trano fiasana ilay mpandika teny sy ny mpanampy azy, ka nandraoka izay pejy zakan’ny sandriny, ary izao izy ireo dia mandositra manaraka ny Ony Rhin manohitra ny zotran’ny rano. Nahavonjy ny ampahany tamin’ny asany izy ireo fara faharatsiny.
Ilay mpandika teny eto, dia i William Tyndale. Tamin’ny 1525, dia nandramany navoaka tany Cologne, any Alemaina, ilay “Testamenta Vaovao” anglisy nataony, izay noraran’ny lalàna. Nanjary tena nateti-pitranga ny zavatra niainany. Saika nandritra ireo 1 900 taona, nanomboka tamin’ny nahavitana ny fanoratana ny Baiboly, dia lehilahy sy vehivavy maro no nanao vivery tamin’ny zava-drehetra mba handikana sy hizarana ny Tenin’Andriamanitra. Mbola mandray soa avy amin’ny asan’izy ireo isika amin’izao andro izao. Inona no nataon’izy ireo? Mihazona ny Baiboly eo am-pelatanantsika isika ankehitriny, saingy ahoana no nahatongavan’izy ireny hatratỳ amintsika?
Fanaovana kopia sy fandikana ny Baiboly tany am-boalohany
Nihevitra ny Tenin’Andriamanitra ho faran’izay sarobidy foana ireo tena mpanompon’Andriamanitra. Niaiky toy izao ny New Catholic Encyclopedia: “Toy ireo razambeny jiosy, dia nankamamy ny famakiana ireo Boky Masina ny Kristiana tany am-boalohany. Noho ny fanarahana ny ohatr’i Jesoa (Mt 4.4; 5.18; Lk 24.44; Jn 5.39), dia nahalala tsara ny T[estamenta] T[aloha] ireo apostoly, ka izany dia toa milaza fa namaky sy nianatra naharitra sy tamim-pitandremana izy ireo ary nampirisika mafy ireo mpianany mba hanao izany. (Rom 15.4; 2 Tm 3.15-17).”
Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy natao kopia ny Baiboly. Talohan’ny andro kristiana, ny ankamaroan’io asa io dia nataon’ireo ‘mpanao kopia kinga’ faran’izay za-draharaha, izay natahotra mafy ny hanao fahadisoana. (Ezra 7:6, 11, 12, NW ). Noho ny fikelezan’aina hanao zavatra tonga lafatra, dia nametra fari-pitsipika ambony ho an’ireo mpanao kopia ny Baiboly rehetra atỳ aoriana, izy ireo.
Nandritra ny taonjato fahefatra al.f.i. anefa, dia nisy zava-tsarotra nipoitra. Nirin’i Aleksandra Lehibe hobeazina tamin’ny kolontsaina grika ny olon-drehetra naneran-tany. Ny fahazoany tany tamin’ny ady dia nanome vahana ny fiteny grika niombonana, na ny koine, ho ilay fiteny fampiasan’ny olon-drehetra nanerana an’i Moyen-Orient manontolo. Ho vokatr’izany, dia Jiosy maro no nihalehibe kanefa tsy nianatra namaky teny hebreo mihitsy, ka noho izany dia tsy afaka namaky ny Soratra Masina. Noho izany, tokony ho tamin’ny taona 280 al.f.i., dia nisy antokona manam-pahaizana manokana momba ny teny hebreo, nivory tany Aleksandria, any Egypta, mba handika ny Baiboly hebreo ho amin’ny koine, teny fampiasan’ny besinimaro. Ny fandikan-teny nataon’izy ireo dia nanjary fantatra tamin’ny hoe Septante, “Fitopolo” amin’ny fiteny grika, nanondro ny tokotokony ho isan’ireo mpandika teny noheverina fa tafiditra tamin’izany. Vita izy io tokony ho tamin’ny 150 al.f.i.
Tamin’ny andron’i Jesosy, dia mbola nampiasaina tany Palestina ny fiteny hebreo. Kanefa dia ny koine no nanjaka tao sy tany amin’ny sisa amin’ireo provansy niely patrana tao amin’ny tontolo romana. Noho izany, ireo Kristiana nanoratra ny Baiboly dia nampiasa io endriky ny fiteny grika niombonana io mba hahatratrarana olona hafa firenena maro araka izay azo natao. Afa-tsy izany koa, dia nanonona malalaka teny avy tao amin’ny Septante sy nampiasa fitenenana maro tao, izy ireo.
Koa satria misionera be zotom-po ireo Kristiana tany am-boalohany, dia vetivety izy ireo dia lasa havanana tamin’ny fampiasana ny Septante mba hanaporofoana fa i Jesosy no ilay Mesia nandrasana hatramin’ny ela. Nampisavorovoro ireo Jiosy izany ka nanosika azy ireo hamoaka fandikan-teny vaovao sasany tamin’ny fiteny grika. Izy ireny dia natao mba hanesorana tamin’ireo Kristiana ny fanaporofoan-keviny, tamin’ny fijerena indray ireo andinin-teny fampiasan’izy ireo indrindra. Ohatra, ao amin’ny Isaia 7:14, ny Septante dia nampiasa teny grika iray midika hoe “virjiny”, raha nanondro ara-paminaniana an’ilay renin’ny Mesia. Ireo fandikan-teny vaovao dia nampiasa teny grika hafa, izay midika hoe “vehivavy tanora”. Tamin’ny farany, dia nanosika ireo Jiosy hamela ilay tetik’adiny manontolo sy hampirisika ny fiverenana tamin’ny soratra hebreo ny fanohizan’ireo Kristiana nampiasa ny Septante. Tamin’ny farany, io fanaovan-javatra io dia nivadika ho fitahiana ho an’ny fandikana ny Baiboly tatỳ aoriana satria izany dia nanampy mba hitanana ny hebreo ho fiteny velona.
Ireo mpamoaka boky kristiana voalohany
Ireo Kristiana tany am-boalohany be zotom-po, dia nanomboka namoaka kopian’ny Baiboly maro araka izay azon’izy ireo natao, samy natao kopia tanana avokoa. Izy ireo koa no nisava lalana teo amin’ny fampiasana ny kôdeksa, izay nanana pejy sahala amin’ny boky maoderina iray, ka tsy nanohy nampiasa horonana intsony. Ankoatra ny hoe nanamora kokoa ny fahitana haingana andinin-teny, ny kôdeksa dia afaka nirakitra zavatra bebe kokoa tao anatin’ny boky tokana noho izay azo noraketina tao anatin’ny horonana tokana — ohatra, ny Soratra Grika rehetra na ny Baiboly manontolo mihitsy aza.
Tokony ho tany amin’ny taona 98 am.f.i. no nahavitana ny kanônan’ny Soratra Grika Kristiana, tamin’ireo bokin’ilay apostoly velona farany, dia i Jaona. Mbola misy ankehitriny ny sombin’ny kopian’ny Filazantsaran’i Jaona, izay antsoina hoe Papyrus Rylands 457 (P52), ka tamin’ny taona 125 am.f.i. fara fahelany no daty nanaovana azy. Taloha be, tamin’ny taona 150 ka hatramin’ny 170 am.f.i., i Tatien, mpianatr’i Justin Maritiora, dia namoaka ny Diatessaron, fitantarana misy lafiny maro momba ny fiainan’i Jesosy, izay nangonina avy tao amin’ny Filazantsara efatra mitovy amin’izay hita ao amin’ny Baibolintsika ankehitriny.a Izany dia nilaza fa ireo Filazantsara ireo ihany no noheveriny ho azo itokiana, ary fa efa nampiasaina sahady izy ireny tamin’izay. Tokony ho tamin’ny 170 am.f.i. dia navoaka ireo bokin’ny “Testamenta Vaovao” izay anisan’ny katalaogy tany am-boalohany indrindra fantatra, antsoina hoe Sombin-taratasin’i Muratori. Voatanisa ao ny ankamaroan’ireo bokin’ny Soratra Grika Kristiana.
Tsy ela dia nanjary nitaky fandikana ny Soratra Grika Kristiana sy ny Soratra Hebreo, ny fielezan’ny finoana kristiana. Tamin’ny farany, dia natao ny dikan-teny maro be tamin’ny fiteny toy ny armeniana, kopta, géorgien, sy syriaque. Matetika dia nisy abidy voatery noforonina noho io antony io fotsiny. Ohatra, i Ulfilas, evekan’ny Eglizy Katolika tamin’ny taonjato fahefatra, dia voalaza fa namorona ny soratra gothique mba handikana ny Baiboly. Kanefa dia tsy nampidiriny ireo bokin’ny Mpanjaka satria noheveriny fa hampirisika ilay fironana ho tia ady nananan’ny Goths izany. Io fanaovan-javatra io anefa dia tsy nisakana ireo Goths “novana ho Kristiana” tsy handroba an’i Roma tamin’ny 410 am.f.i.!
Baiboly latina sy slavônika
Teo anelanelan’izay, dia nihananjary nahazo laka ny teny latina, ary nisy dikan-teny maromaro tamin’ny fiteny latina tranainy nipoitra. Niovaova anefa izy ireny teo amin’ny fomba fanoratra sy ny fahamarinany. Koa tamin’ny 382 am.f.i., dia naniraka an’i Jérôme sekreterany, ny Papa Damase, mba hanomana Baiboly latina ofisialy.
Natombok’i Jérôme tamin’ny fijerena indray ireo dikan-teny latina momba ny Soratra Grika Kristiana ilay izy. Raha ny amin’ny Soratra Hebreo anefa, dia nanizingizina ny handikana avy amin’ny hebreo tany am-boalohany izy. Araka izany, tamin’ny 386 am.f.i., dia nifindra tany Betlehema izy mba hianatra ny fiteny hebreo sy mba hitady ny fanampian’ny raby iray. Noho io fanaovan-javatra io, dia nampipoitra ady hevitra be teo anivon’ny eglizy izy. Ny sasany, anisan’izany i Augustin niara-belona tamin’i Jérôme, dia nino fa ara-tsindrimandry ny Septante, ka nampangainy ho “niova lasy any amin’ny Jiosy” i Jérôme. Niroso tamin’ny asany i Jérôme, ka nahavita azy io tokony ho tamin’ny taona 400 am.f.i. Noho i Jérôme nanantomotra ny loharanon’ireo fiteny sy tahirin-kevitra tany am-boalohany sy noho izy nandika azy ireny tamin’ny fiteny velona tamin’izany andro izany, dia naka tombon-dalana arivo taona mialoha izy raha ny amin’ny fandikan-teny maoderina. Ny asa soratra nataony dia nanjary fantatra hoe ny Vulgate, na Dikan-teny Iombonana, ary nandray soa tamin’izy io nandritra ny taonjato maro ny olona.
Mbola afaka namaky ny Septante sy ny Soratra Grika Kristiana ny maro tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tany Eoropa atsinanana. Tatỳ aoriana anefa, dia tonga fiteny lehibe indrindra tany avaratra atsinanan’i Eoropa ny slavônika tranainy, ilay talohan’ny fiteny slavy amin’izao andro izao. Tamin’ny 863 am.f.i., dia nisy mpirahalahy niteny grika, i Cyrille sy i Méthode, nankany Moravie, anisan’ny République tchèque ankehitriny. Nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny slavônika tranainy izy ireo. Mba hanaovana izany, dia noforonin’izy ireo ny abidy glagôlitika, izay tatỳ aoriana dia nosoloana abidy cyrillique, nomena anarana avy amin’ny hoe Cyrille. Io no niavian’ireo endri-tsoratra rosiana sy ukrainien, sy serba ary boligara amin’izao andro izao. Nampiasain’ny olona tamin’io faritra io nandritra ny taranaka maro nifandimby ny Baiboly slavônika. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, rehefa niova ireo fiteny, dia nanjary tsy azon’ny olon-tsotra ny hevitr’izy io.
Mbola misy foana ny Baiboly hebreo
Nandritra io vanim-potoana io, nanomboka tokony ho tamin’ny taonjato fahenina ka hatramin’ny fahafolo am.f.i., dia nisy antokona Jiosy fantatra tamin’ny hoe Masoreta nampiasa fomba fanaovana kopia maty paika mba hiarovana ny Soratra Hebreo. Tonga hatramin’ny fanisana ireo andalan-tsoratra sy ny litera tsirairay mihitsy aza izy ireo, ary nanamarika ireo tsy fitoviana kely eo amin’ireo sora-tanana, ka izany rehetra izany dia natao mba hiarovana ny soratra azo itokiana. Tsy very maina akory ny ezaka nataon’izy ireo. Indro misy ohatra iray azo tononina: Ny fampitahana ireo soratra masoretika maoderina sy ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, nosoratana teo anelanelan’ny taona 250 al.f.i. sy 50 am.f.i., dia tsy nampiseho fiovana ara-pampianarana mihitsy tao anatin’ny 1 000 taona mahery.b
Tany Eoropa, ny Moyen Âge dia mazàna nitovy tamin’ny hoe Vanim-potoan’ny Haizina. Nidina ambany dia ambany ny famakian-teny sy ny fianarana teo amin’ny sarambaben’olona. Tamin’ny farany, na dia ny ankamaroan’ny klerjy aza dia tsy nahay namaky teny latina nampiasain’ny eglizy, ary matetika dia tsy hainy novakina hatramin’ny fiteniny. Fotoana nanangonana ny Jiosy tao amin’ny faritanàna voatokana koa tamin’izay, tany Eoropa. Noho io fitokanana io, tamin’ny ampahany, no nahavoaro ny fahaizana manokana ny teny hebreo ara-baiboly. Noho ny fitsarana an-tendrony sy ny tsy fitokiana anefa, dia tsy azon’ny olona tany ivelan’ilay faritanàna voatokana ny fahalalan’ireo Jiosy. Tany Eoropa tandrefana, dia nihena koa ny fahalalana ny fiteny grika. Vao mainka nanampy trotraka ilay toe-javatra ny fankamasinan’ny Eglizy Tandrefana ny Vulgate latina nataon’i Jérôme. Mazàna izy io no noheverina ho ny hany dikan-teny nanomezan-dalana, na dia nanjary fiteny maty aza ny latina tamin’ny faran’ny vanim-potoan’ny Masoreta. Araka izany, rehefa nanomboka nitsiry tsikelikely ny faniriana hahafantatra ny Baiboly, dia efa tafatsangana ny sehatra isehoan’ny fifandirana lehibe.
Niatrika fanoherana ny fandikana ny Baiboly
Tamin’ny 1079, ny Papa Grégoire VII dia namoaka ny voalohany tamin’ireo didy maro navoakan’ny eglizin’ny Moyen Âge, dia didy nandrara ny famoahana ireo dikan-teny tamin’ny fiteny teo an-toerana, ary indraindray dia na dia ny fananana azy ireny aza. Nofoanany ny fahazoan-dalana hanao Lamesa tamin’ny fiteny slavônika satria hoe izany dia hitaky ny handikana tapany amin’ny Soratra Masina. Mifanohitra tanteraka amin’ny toerana notanan’ireo Kristiana tany am-boalohany, dia nanoratra toy izao izy: “Sitrak’Andriamanitra Tsitoha ny haha-zava-miafina ny soratra masina any amin’ny toerana sasany.” Koa satria izany no toerana ofisialy notanan’ny eglizy, dia nihananjary noheverina ho nampidi-doza ireo mpampirisika ny famakiana ny Baiboly.
Na dia nanjaka aza ny tsy fankasitrahana, dia nitohy ny fanaovana kopia sy ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny mahazatra. Nisy dikan-teny tamin’ny fiteny maro nampiasaina an-tsokosoko tany Eoropa. Natao sora-tanana avokoa ireny rehetra ireny satria tsy noforonina tany Eoropa ny milina fanontam-pirinty nisy lohavỳ raha tsy tany antenatenan’ireo taona 1400. Kanefa satria lafo vidy sy voafetra ny isan’ireo kopia, dia afaka nihevi-tena ho sambatra ny olon-tsotra iray raha mba nanana ampahany fotsiny tamin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly, na pejy vitsivitsy monja aza. Ny sasany dia nianatra tsianjery ampahany lehibe na ny Soratra Grika Kristiana manontolo mihitsy aza!
Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nisy fanentanana hanao fihetsiketsehana hatraiza hatraiza mba hanavaozana ny eglizy. Tamin’ny ampahany, izany dia natosiky ny fahatakarana indray ny naha-zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro. Ahoana no ho fiantraikan’ireny fihetsiketsehana ireny sy ny fampivoarana ny fanontam-pirinty, teo amin’ny Baiboly? Ary nanao ahoana i William Tyndale sy ny fandikan-teniny, izay voalaza tetsy am-piandohana? Hanaraka an’io tantara mahavariana izay tonga hatratỳ amin’ny fotoana misy antsika io isika, ao amin’ireo nomerao ho avy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra maoderina momba ny firindran’ireo Filazantsara efatra ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-966-967, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Tabilao, pejy 8, 9]
DATY LEHIBE EO AMIN’NY FAMPITANA NY BAIBOLY
ALOHAN’NY FANISAN-TAONA IRAISANA (al.f.i.)
400 al.f.i.
300 al.f.i.
200 al.f.i.
100 al.f.i.
Soratra Hebreo vita 443 al.f.i. tany ho any
Aleksandra Lehibe (maty 323 al.f.i.)
Septante natomboka 280 al.f.i. tany ho any
Ankamaroan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty 100 al.f.i. ka hatramin’ny 68 am.f.i. tany ho any
AMIN’NY FANISAN-TAONA IRAISANA (am.f.i.)
100 am.f.i.
200 am.f.i.
300 am.f.i.
400 am.f.i.
Jerosalema rava 70 am.f.i.
Soratra Grika vita 98 am.f.i.
Papyrus Rylands misy ny Jaona (al. 125 am.f.i.)
Vulgate latina nataon’i Jérôme 400 am.f.i. tany ho any
500 am.f.i.
600 am.f.i.
700 am.f.i.
800 am.f.i.
900 am.f.i.
Soratra Masoretika Voaomana
Cyrille tany Moravie 863 am.f.i.
1000 am.f.i.
1100 am.f.i.
Didy nandrara ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana 1079 am.f.i.
1200 am.f.i.
1300 am.f.i.
[Sary, pejy 9]
Nisava lalana teo amin’ny fampiasana ny kôdeksa, ireo Kristiana tany am-boalohany
[Sary, pejy 10]
Nankany Betlehema i Jérôme mba hianatra ny fiteny hebreo