Fotoan-tsarotra ho An’ny Zokiolona
I MAMA ONIYAN, izay 68 taona, dia mipetraka ao amin’ny tanàn-dehibe iray atsy Afrika Andrefana. Fony izy tanora kokoa, dia mba nonofinofisiny izany hoe ho finaritra amin’ny andro fahanterany izany, ka hiadana rahatrizay misotro ronono, hohodidinin’ny zanaka aman-jafy. Indrisy anefa fa mandany ny androm-piainany amin’ny fivarotana rano fisotro mangatsiaka, ao anatin’ny danik’andro mahamay, izy. Izay kely azony no mba nivelombelomany teny. Mipetraka any an-tany hafa lavitra dia lavitra ireo zanany mirahalahy. Efa ela be izy mirahalahy no nandefa vola farany ho azy.
Tamin’ny lasa, dia nolalaina fatratra ny zokiolona tatsy Afrika. Nohajaina izy ireo noho izy efa nandia fiainana sy manana fahalalana, miaraka amin’ny fahendrena sy ny fahaiza-mitsara zavatra izay mazàna entin’izany. Nanampy tamin’ny fitaizana ny zafikeliny izy ireo. Nitady ny toroheviny sy ny fankasitrahany ireo tanora kokoa. Niaina nifanaraka tamin’izao torohevitra ara-baiboly izao ny olona: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy”. — Levitikosy 19:32.
Niova ny toe-piainana. Ny fahantrana sy ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny tsy fisian’asa ary ny fifindra-monina rodobe ho any amin’ny tanàn-dehibe, dia nahatonga ny maro tamin’ny zokiolona hioitra samirery. Hoy i Camillus Were, talen’ny HelpAge Kenya: “Ilay fomba nentim-paharazana momba ny famelomana sy ny fikarakarana ny zokiolona dia nanjary nihalefy hatrany.”
Mazava ho azy fa tsy zavatra mampiavaka ireo firenena afrikana fotsiny akory ny maha-goragora ny fatoram-pianakaviana. Nanao izao tatitra izao ny Guardian Weekly raha niresaka momba an’i Japon: “Taloha dia ny fifikirana nasehon’ny zanaka no andry niankinan’ny soatoavina [valeurs] japoney izay nolovana avy tamin’ny Konfiosianisma. Nanjavona anefa izy io noho ny fiovana ho amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe sy ny fatoram-pianakaviana izay nanjary goragora: amin’izao andro izao, dia maty any amin’ny hopitaly na any amin’ny trano fikarakarana ny be antitra ny 85 isan-jaton’ny Japoney.”
Na manao ahoana na manao ahoana ny tarehin-javatra, ireo izay maniry marina hampifaly an’Andriamanitra dia miezaka mafy ny hanaja ny ray aman-dreniny. Manaraka izao torohevitry ny Baiboly izao izy ireo: “ ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (...) ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’ ”. (Efesiana 6:2, 3). Na dia tsy mora foana aza anefa ny manaja sy mikarakara ny ray aman-dreny zokiolona, dia afaka ny hitondra valisoa tondraka izany.