Aoka Isika Hihazona Mafy ny Finoantsika Sarobidy!
“Mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay”. — 2 PETERA 1:1.
1. Inona no nolazain’i Jesosy mba hampitandremana ireo apostoliny, kanefa nidoka tena hoe ahoana i Petera?
TAMIN’ILAY takariva nialoha ny nahafatesany, dia nilaza i Jesosy fa handao azy avokoa ireo apostoliny rehetra. Nidoka tena toy izao i Petera, iray tamin’izy ireo: “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.” (Matio 26:33, izahay no manao sora-mandry.) Fantatr’i Jesosy anefa fa ny nifanohitra tamin’izany no izy. Izany no antony nilazany toy izao tamin’i Petera, tamin’io fotoana io ihany: “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.” — Lioka 22:32.
2. Na dia teo aza ny fatokian-tena tafahoatra nananan’i Petera, dia inona no nataony ka nampiseho fa nalemy ny finoany?
2 Tamin’iny alina iny ihany dia nanda an’i Jesosy i Petera, izay nanjary natoky tafahoatra ny finoany. Intelo izy no nanda fa tsy nahafantatra akory an’i Kristy! (Matio 26:69-75). Rehefa ‘nibebaka’ izy, dia tsy maintsy nanakoako mafy sy mazava tao an-tsofiny ny tenin’ny Tompony hoe: “Ampaherezo ireo rahalahinao.” Nisy akony lalina teo amin’ny andro sisa niainan’i Petera io fananarana io, araka ny porofoin’ireo taratasy roa nosoratany, izay voatahiry ao amin’ny Baiboly.
Ny antony nanoratan’i Petera ny taratasiny
3. Nahoana no nanoratra ny taratasiny voalohany i Petera?
3 Tokony ho 30 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanoratra ny taratasiny voalohany i Petera, ka nandefa azy io ho an’ireo rahalahiny tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia sy Bitynia, izay faritra avaratra sy andrefana amin’i Torkia ankehitriny. (1 Petera 1:1). Tsy isalasalana fa nisy Jiosy tamin’ireo izay nanoratan’i Petera, ka ny sasany tamin’izy ireo dia nety ho tonga Kristiana tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. (Asan’ny Apostoly 2:1, 7-9). Maro no Jentilisa izay teo am-pandalovana fisedrana nahamay avy tamin’ireo mpanohitra. (1 Petera 1:6, 7; 2:12, 19, 20; 3:13-17; 4:12-14). Koa nanoratra ho an’ireny rahalahy ireny i Petera mba hampaherezana azy ireo. Zava-nokendreny ny hanampy azy ireo hahazo ‘ny anton’ny finoany, dia ny famonjena ny fanahin’izy ireo’. Noho izany, dia nampirisika mafy toy izao izy tao amin’ilay fananarana fanaovam-beloma nataony: “Tohero [ny Devoly], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo”. — 1 Petera 1:9; 5:8-10.
4. Nahoana no nanoratra ny taratasiny faharoa i Petera?
4 Nanoratra taratasy faharoa ho an’ireo Kristiana ireo i Petera, tatỳ aoriana. (2 Petera 3:1). Nahoana? Satria nisy loza vao mainka lehibe kokoa nananontanona. Nisy olona ratsy fitondran-tena nanandrana nampiroborobo ny fitondran-tenany maloto teo anivon’ireo mpino ka namitaka ny sasany! (2 Petera 2:1-3). Ambonin’izany, dia nampitandrina ny amin’ireo mpaniratsira i Petera. Tao amin’ilay taratasiny voalohany, dia nanoratra izy fa “antomotra ny faran’ny zavatra rehetra”, ary izao dia toa nisy nanamavo izany hevitra izany. (1 Petera 4:7; 2 Petera 3:3, 4). Andeha isika handinika ny taratasy faharoan’i Petera ka hijery ny fomba nampaherezan’izy io ireo rahalahy mba hitoetra ho miorina tsara amin’ny finoana. Ato amin’itỳ lahatsoratra voalohany itỳ, dia hodinihintsika ny 2 Petera toko voalohany.
Ny zava-nokendren’ny toko voalohany
5. Ahoana no nanomanan’i Petera an’ireo mpamaky ny taratasiny ho amin’ny fandinihana zava-nanahirana?
5 Tsy avy hatrany dia niresaka momba ireo zava-nanahirana lehibe, i Petera. Nanomana lalana ho amin’ny fandinihana ireo zava-nanahirana ireo kosa izy tamin’ny fampitomboana ny fankasitrahan’ireo mpamaky ny taratasiny, dia fankasitrahana an’izay noraisin’izy ireo fony tonga Kristiana. Nampahatsiahiviny azy ireo ny fampanantenana mahatalanjona nomen’Andriamanitra sy ny naha-azo ianteherana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nanao izany izy tamin’ny firesahana ny amin’ilay fiovan-tarehy, dia ilay fahitana azony manokana momba an’i Kristy nanana ny fahefan’ny mpanjaka. — Matio 17:1-8; 2 Petera 1:3, 4, 11, 16-21.
6, 7. a) Lesona inona no azontsika raisina avy amin’ny fampidiran-dresaky ny taratasin’i Petera? b) Raha manome torohevitra isika, karazam-piekena inona no mety hahasoa indraindray ny hanaovana azy?
6 Afaka maka lesona avy amin’ny fampidiran-dresak’i Petera ve isika? Tsy mora ekena kokoa ve ny torohevitra raha iverenantsika jerena miaraka amin’ny mpihaino aloha ireo lafiny amin’ilay fanantenana mahatalanjona momba ilay Fanjakana izay iarahantsika mankamamy? Ary ahoana ny amin’ny fampiasana ny zavatra niainan’ny tena manokana? Azo inoana fa taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia niresaka matetika momba io fahitana an’i Kristy nanana ny fahefan’ny mpanjaka io, i Petera. — Matio 17:9.
7 Tadidio koa fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera ny taratasiny faharoa, dia tena azo inoana tokoa fa efa niely patrana ny Filazantsaran’i Matio sy ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny Galatiana. Koa nety ho fantatr’ireo niara-belona taminy tsara àry ireo fahalemen’i Petera tamin’ny naha-olombelona azy, ary koa ny fiainam-pahatokiana nananany. (Matio 16:21-23; Galatiana 2:11-14). Izany anefa tsy nanala taminy ny fahalalahany hiteny tamim-pahatsorana. Marina tokoa fa izany dia nety ho nahatonga ny taratasiny hanintona kokoa an’ireo izay nahatsapa ny fahalemen’ny tenany. Noho izany, rehefa manampy ireo izay manan-java-manahirana isika, tsy handaitra ve ny fiekentsika fa mba mirona hanao fahadisoana koa ny tenantsika? — Romana 3:23; Galatiana 6:1.
Fiarahabana mampahery
8. Tamin’ny heviny ahoana no azo inoana fa nampiasan’i Petera ny teny hoe “finoana”?
8 Diniho izao ny fiarahaban’i Petera. Avy hatrany izy dia nivaofy ilay foto-kevitra momba ny finoana, ka niantso ireo mpamaky ny taratasiny hoe ireo “izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay”. (2 Petera 1:1). Eto ny fitenenana hoe “finoana” dia azo inoana fa midika hoe “fiekena mafy” ary manondro ny fitambaran’ireo zavatra inoana na fampianarana kristiana izay antsoin’ny Soratra Masina indraindray hoe “ny fahamarinana”. (Galatiana 5:7; 2 Petera 2:2; 2 Jaona 1). Ampiasaina amin’io heviny io matetika ilay teny hoe “finoana”, fa tsy amin’ilay heviny ankapobe hoe fitokiana na fatokiana apetraka amin’olona na amin-javatra. — Asan’ny Apostoly 6:7; 2 Korintiana 13:5; Galatiana 6:10; Efesiana 4:5; Joda 3.
9. Nahoana ny fiarahaban’i Petera no tsy maintsy nahafinaritra manokana an’ireo Jentilisa?
9 Tsy maintsy nahafinaritra manokana an’ireo Jentilisa izay namaky ny taratasiny, ilay fiarahaban’i Petera. Tsy nifampiraharaha tamin’ny Jentilisa ny Jiosy, nanambany azy ireo mihitsy aza, ary tsy afaka teo amin’ireo Jiosy izay tonga Kristiana ny fitsarana an-tendrony an’ireo Jentilisa. (Lioka 10:29-37; Jaona 4:9; Asan’ny Apostoly 10:28). Kanefa i Petera, izay Jiosy hirihiriny sady apostolin’i Jesosy Kristy, dia nilaza fa ireo mpamaky ny taratasiny — Jiosy sy Jentilisa — dia efa nahazo finoana sy tombontsoa tahaka ny azy.
10. Lesona inona no azontsika raisina avy amin’ny fiarahaban’i Petera?
10 Eritrereto ny amin’ny lesona tsara dia tsara omen’ny fiarahaban’i Petera antsika amin’izao andro izao. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; tsy miangatra amin’ny firazanana iray na firenena iray izy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 11:1, 17; 15:3-9). Araka ny nampianarin’i Jesosy mihitsy, dia mpirahalahy avokoa ny Kristiana rehetra, ary tsy misy amintsika tokony hihevi-tena ho ambony. Ankoatra izany, ny fiarahaban’i Petera dia manantitrantitra fa isika dia tena fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany tokoa, izay miara-manana finoana “soa tahaka” izay nananan’i Petera sy ireo apostoly namany. — Matio 23:8; 1 Petera 5:9.
Fahalalana sy fampanantenan’Andriamanitra
11. Nanaraka ny fiarahabany, dia zavatra tena lehibe inona avy no nantitranterin’i Petera?
11 Nanoratra toy izao i Petera, nanaraka ny fiarahabany: “Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana”. Ahoana no itomboan’ny fahasoavana sy ny fiadanana ho antsika? “Amin’ny fahalalana [araka ny marina momba, NW ] an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika”, hoy ny valin-tenin’i Petera. Hoy izy avy eo: “Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ]”. Ahoana anefa no ahazoantsika ireo zavatra tena lehibe ireo? “Amin’ny fahalalana [araka ny marina momba, NW ] Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany”. Araka izany, dia indroa i Petera no nanantitrantitra fa tena ilaina ny fahalalana araka ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Zanany. — 2 Petera 1:2, 3; Jaona 17:3.
12. a) Nahoana i Petera no nanamafy ny naha-zava-dehibe ny fahalalana? b) Mba hifaliana amin’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia inona aloha no tsy maintsy ataontsika?
12 Mampiasa “teny mamitaka” mba hamitahana ny Kristiana, ireo “mpampianatra sandoka” izay nampitandreman’i Petera ao amin’ny toko faha-2. Amin’izany fomba izany no anandraman’izy ireo mitaona ny Kristiana hiverina ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena izay efa nanafahana azy ireo. Zava-doza no vokany, ho an’izay efa novonjena noho ny “fahalalana [araka ny marina momba, NW ] an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy”, ka resin’izany fitaka izany atỳ aoriana. (2 Petera 2:1-3, 20). Miharihary fa ho fitsinjovana mialoha ny handinihana io zava-manahirana io any aoriana, dia nohamafisin’i Petera hatreo am-piandohan’ny taratasiny fa ilaina ny fahalalana araka ny marina mba hitanana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Nomarihin’i Petera fa Andriamanitra dia ‘nahatanteraka tamintsika ireo fampanantenany sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany hianareo’. Kanefa mba hifaliana amin’izany fampanantenany izany, izay tapany tsy misaraka amin’ny finoantsika, dia tsy maintsy ‘afa-mandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana’ aloha isika, hoy i Petera. — 2 Petera 1:4.
13. Tapa-kevitra ny hihazona mafy ny inona ny Kristiana voahosotra sy ny “ondry hafa”?
13 Ahoana no iheveranao ny fampanantenan’Andriamanitra? Amin’ny fomba mitovy amin’ny an’ny Kristiana voahosotra ve? Tamin’ny 1991, dia namintina toy izao ny fihetseham-pon’ireo izay manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy, i Frederick Franz, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izay, ary efa tao amin’ny fanompoana manontolo andro nandritra ny 75 taona mahery: ‘Mamikitra mafy hatramin’izao ora izao izahay, ary mbola hamikitra mafy ihany mandra-panaporofoan’Andriamanitra tokoa fa mitana ny “fampanantenany sady soa no lehibe” izy.’ Natoky hatrany ny fampanantenan’Andriamanitra fitsanganana ho any an-danitra, ny Rahalahy Franz, ary nihazona mafy ny finoana izy hatramin’ny fahafatesany, teo amin’ny faha-99 taonany. (1 Korintiana 15:42-44; Filipiana 3:13, 14; 2 Timoty 2:10-12). Toy izany koa no ihazonan’ny olona an-tapitrisany maro mafy ny finoana, ka ifantohany hatrany amin’ny fampanantenan’Andriamanitra paradisa eto an-tany izay hiainan’ny olona mandrakizay amim-pahasambarana. Iray amin’ireny ve ianao? — Lioka 23:43, NW; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.
Fandraisana ny fampanantenan’Andriamanitra
14. Inona no nahatonga an’i Petera handahatra ny hatsaran-toetra ho ny toetra voalohany tokony hanampy ny finoana?
14 Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra noho izay nampanantenainy ve isika? Raha izany no izy, hoy ny fanaporofoan-kevitr’i Petera, dia tokony hasehontsika izany. “Eny, noho izany antony izany indrindra” (satria Andriamanitra nanome antsika fampanantenana tena sarobidy), dia tena tokony hiezaka isika mba hanao zavatra. Tsy afaka mianina amin’ny maha-ao amin’ny finoana antsika fotsiny isika, na amin’ny fahafantarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly fotsiny. Tsy ampy izany! Angamba tamin’ny andron’i Petera, ny sasany tao amin’ny kongregasiona dia niresaka betsaka momba ny finoana, kanefa voarohirohy tao amin’ny fitondran-tena maloto. Nilaina hisy hatsaran-toetra ny fitondran-tenan’izy ireo, hany ka nampirisika mafy toy izao i Petera: “Ampio hatsaran-toetra ny finoanareo”. — 2 Petera 1:5, NW; Jakoba 2:14-17.
15. a) Inona no nahatonga ny fahalalana halahatra manarakaraka ny hatsaran-toetra, amin’ny maha-anisan’ny toetra tokony hanampy ny finoana azy io? b) Toetra hafa inona avy no hanomana antsika mba hihazona mafy ny finoana?
15 Rehefa avy nanonona ny hatsaran-toetra i Petera dia nitanisa toetra enina fanampiny izay tsy maintsy anampiana ny finoantsika. Ilaina ny tsirairay amin’izy ireny raha tiantsika ny ‘hitoetra tsara amin’ny finoana’. (1 Korintiana 16:13). Noho ireo mpivadi-pinoana ‘nanolana ny Soratra Masina’ sy nampiely “fampianarana mamitaka”, dia ny fahalalana indray avy eo no nalahatr’i Petera ho anisan’ny tena zava-dehibe, tamin’ny filazana hoe: “Ampio fahalalana ny hatsaran-toetranareo”. Nanohy ny teniny toy izao izy avy eo: “Ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo, ampio fiaretana ny fifehezan-tenanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo, ampio firaiketam-pon-drahalahy ny fifikiranareo amin’Andriamanitra, ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo.” — 2 Petera 1:5-7, NW; 2:12, 13, NW; 3:16.
16. Inona no hitranga raha ampiana ireo toetra notanisain’i Petera ny finoana, kanefa inona no hitranga raha tsy izany?
16 Inona no hitranga rehefa ampiana ireo zavatra fito ireo ny finoantsika? “Raha misy ao aminareo ireo zavatra ireo, ary tondraka”, hoy ny navalin’i Petera, izany “dia hisakana anareo tsy hipetra-potsiny na tsy hamokatra raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina momba an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:8, NW ). Etsy an-danin’izany, dia hoy i Petera: “Izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny izy.” (2 Petera 1:9). Mariho fa tsy nampiasa ny hoe “ianareo” sy “isika” intsony i Petera, fa nanjary nampiasa ny hoe “izay” sy “izy”. Na dia mampalahelo aza fa jamba sy manadino ary tsy madio ny sasany, dia tsara fanahy i Petera ka tsy nilaza an-kolaka hoe iray amin’ireny ny mpamaky. — 2 Petera 2:2.
Fampaherezana ireo rahalahiny
17. Inona no mety ho nanosika an’i Petera hiangavy tamim-pitiavana mba hanao “izany zavatra izany”?
17 Angamba noho ny fiekeny fa mora fitahina indrindra ireo vaovao, no nampirisihan’i Petera azy ireo tamim-pitiavana toy izao: “Mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay”. (2 Petera 1:10; 2:18). Hahazo valisoa lehibe ireo Kristiana voahosotra izay manampy ny finoany amin’ireo zavatra fito ireo, araka ny nolazain’i Petera hoe: “Izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” (2 Petera 1:11). Ireo “ondry hafa” dia hahazo lova mandrakizay eo amin’ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. — Jaona 10:16; Matio 25:33, 34.
18. Nahoana i Petera no nazoto “mandrakariva hampahatsiaro” ireo rahalahiny?
18 Nirin’i Petera tamim-pahatsorana ho an’ireo rahalahiny izany valisoa lehibe izany. “Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ny fahamarinana [ianareo]”, hoy ny nosoratany. (2 Petera 1:12). I Petera dia nampiasa ilay teny grika hoe ste·riʹzo, izay nadika hoe “naorina tsara” eto, saingy nadika hoe “ampaherezo” ao amin’ilay fananaran’i Jesosy an’i Petera teo aloha kokoa hoe: “Ampaherezo ireo rahalahinao.” (Lioka 22:32). Mety hilaza tsy mivantana ny fampiasana io teny io fa tadidin’i Petera ilay fananarana mahery azony avy tamin’ny Tompony. Izao dia hoy i Petera: “Raha mbola eto amin’ity trano-lay [vatan’olombelona] ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ny fampahatsiarovana anareo, satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko”. — 2 Petera 1:13, 14.
19. Fanampiana inona avy no ilaintsika amin’izao andro izao?
19 Na dia nilaza tamin-katsaram-panahy aza i Petera hoe “efa naorina tsara amin’ny fahamarinana” ireo mpamaky ny taratasiny, dia takany fa nety ho vaky sambo ny finoan’izy ireo. (1 Timoty 1:19). Koa satria fantany fa ho faty tsy ho ela ny tenany, dia nampahery ireo rahalahiny izy tamin’ny fanononana zavatra izay ho azon’izy ireo tsarovana any aoriana mba hitoerany ho matanjaka ara-panahy. (2 Petera 1:15; 3:12, 13). Toy izany koa, isika amin’izao andro izao dia mila fampahatsiarovana tsy an-kijanona mba ho mafy orina hatrany amin’ny finoana. Na iza na iza isika, na hatramin’ny oviana na hatramin’ny oviana ny naha-tao amin’ny fahamarinana antsika, dia tsy azontsika atao tsirambina ny fanaovana tsy tapaka ny famakiana Baiboly sy ny fianarana manokana ary ny fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona. Mitady fialan-tsiny mba tsy hanatrehana fivoriana ny sasany amin’ny filazana fa vizana loatra, na hoe ny efa hay ihany no averimberina any amin’ireo fivoriana, na hoe tsy mahaliana ny fomba anaovana ireo fivoriana. Fantatr’i Petera fa poatoizay anefa dia mety hafoin’iza na iza amintsika ny finoana, raha manjary matoky tena tafahoatra isika. — Marka 14:66-72; 1 Korintiana 10:12; Hebreo 10:25.
Fototra mafy orina ho an’ny finoantsika
20, 21. Tamin’ny ahoana ny fiovan-tarehy no nanatanjaka ny finoan’i Petera sy ny an’ireo mpamaky ny taratasiny, anisan’izany isika amin’izao andro izao?
20 Miorina amin’ny angano noforonina tamim-pahakingan-tsaina fotsiny ve ny finoantsika? Namaly tamin’ny fomba hentitra toy izao i Petera: “Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany.” Niaraka tamin’i Jesosy teo i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, fony izy ireo nahita azy nanana ny fahefan’ny mpanjaka, tao amin’ny fahitana iray. Nanazava toy izao i Petera: “Nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’. Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.” — 2 Petera 1:16-18.
21 Fony i Petera sy i Jakoba ary i Jaona nahazo io fahitana io, dia azo antoka fa nanjary zavatra tena nisy tamin’izy ireo ilay Fanjakana! Hoy ny fanamarihan’i Petera: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara”. Eny, ireo mpamaky ny taratasin’i Petera, anisan’izany koa isika amin’izao andro izao, dia manana antony mahery mba handinihana ireo faminaniana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana isika no mila mandinika? Namaly toy izao i Petera: “Fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, [sy mandra-piposaky ny fitarikandro, ao am-ponareo, NW ].” — 2 Petera 1:19; Daniela 7:13, 14; Isaia 9:5, 6.
22. a) Mila mitoetra ho vonona amin’inona ny fontsika? b) Ahoana no andinihantsika ny teny faminaniana?
22 Ho maizina ny fontsika raha tsy misy an’ilay fahazavan’ny teny faminaniana. Kanefa noho ny fandinihana azy io, ny fon’ny Kristiana dia mitoetra ho vonona amin’ny fiposahan’ny andro, rehefa miposaka ao amin’ny voninahitr’ilay Fanjakana ilay “fitarikandro”, dia i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 22:16). Ahoana no andinihantsika amin’izao andro izao ny teny faminaniana? Amin’ny fianarana ny Baiboly sy amin’ny fanomanana sy fandraisana anjara amin’ireo fivoriana ary amin’ny ‘fiheverana sy fikelezana aina fatratra amin’izany zavatra izany’. (1 Timoty 4:15). Raha tiana ho jiro manazava ao amin’ny “fitoerana maizimaizina” (ao am-pontsika) ny teny faminaniana, dia tsy maintsy avelantsika izy io hanan-kery lalina eo amintsika — eo amin’ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika sy ny antony manosika antsika ary ny zava-kendrentsika. Ilaintsika ny ho mpianatra ny Baiboly, satria namarana ny toko voalohany toy izao i Petera: “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 Petera 1:20, 21.
23. Nanomana ny mpamaky ho amin’inona ny toko voalohany amin’ny 2 Petera?
23 Ao amin’ilay toko manokatra ny taratasiny faharoa no nanomezan’i Petera antsika antony manosika mahery mba hihazonantsika mafy ny finoantsika sarobidy. Izao isika dia vonona handinika ireo raharaha lehibe manaraka. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika ny toko faha-2 amin’ny 2 Petera. Ao ilay apostoly dia namelabelatra ny amin’ilay zava-tsarotra momba ny fitaoman-dratsy ara-pitondran-tena izay nitsofoka tao anatin’ny kongregasiona.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana i Petera no nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fahalalana araka ny marina?
◻ Inona no mety ho antony nandaharana ny hatsaran-toetra ho ny toetra voalohany tokony hanampy ny finoana?
◻ Nahoana i Petera no nazoto mandrakariva hanome fampahatsiarovana an’ireo rahalahiny?
◻ Nanome fototra mafy orina inona ho an’ny finoantsika i Petera?
[Sary, pejy 9]
Tsy nahatonga azy hanary ny finoany ny kileman-toetran’i Petera