Mampifaly An’Andriamanitra ve Ireo Fetin’ny Santa-bary?
MANOLOTRA sary manintona ireo antontana voankazo mamy sy legioma mahafinaritra ary salohim-barimbazaha mirondrarondra. Ireo zavatra arantiranty ireo dia mandravaka ny alitara sy ny polipitran’ireo fiangonana manerana an’i Angletera, amin’ny fotoam-pijinjana. Any Eoropa, toy ny any an-toeran-kafa, dia misy fety maro samihafa manamarika ny fanombohana sy ny fifaranan’ny fe-potoam-pijinjana.
Ireo izay miankina amin’ny fambolena ny fivelomany dia velom-pankasitrahana manokana noho ny vokatry ny tany. Eny tokoa, nasain’Andriamanitra nankalaza andro firavoravoana telo isan-taona, nifandray akaiky tamin’ny fijinjana, ny firenen’ny Isiraely fahiny. Tamin’ny fiandohan’ny lohataona, nandritra ny Andron’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia niseho teo anatrehan’Andriamanitra ny Isiraelita, nitondra salohy tamin’ny santa-bary hordea. Tamin’ny Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro (na ny Pentekosta), tamin’ny faran’ny lohataona, dia nanolotra mofo vita tamin’ny santa-bary tritika, izy ireo. Tamin’ny fararano dia tonga ny Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, izay nanamarika ny fifaranan’ny taom-pambolena teo amin’ny Isiraely. (Eksodosy 23:14-17). “Fivoriana masina” sy fotoam-pifaliana ireny andro firavoravoana ireny. — Levitikosy 23:2; Deoteronomia 16:16.
Ahoana àry ny amin’ireo fetin’ny santa-bary amin’ny andro ankehitriny? Mampifaly an’Andriamanitra ve izy ireny?
Fifandraisana amin’ny fanompoan-tsampy
Voakorontana ny eritreritry ny mpitondra fivavahana anglikana iray tany Cornouaille, any Angletera, satria araka an’izao tontolo izao ny fanasana fanao tamin’ny fotoam-pijinjana sy ny fimamoana niaraka tamin’ilay fankalazana. Koa nanapa-kevitra izy, tamin’ny 1843, fa hamelona indray ny fomba fanao tamin’ny fijinjana tamin’ny Moyen Âge. Naka tamin’ireo santa-barimbazaha izy, ary nanaovany mofo ho an’ny fandraisana komonio tao amin’ny fiangonany ilay izy. Tamin’ny fanaovana izany no nampaharetany ny andro firavoravoan’ny Lammas — fankalazana “kristiana” izay lazain’ny sasany fa niandoha tamin’ny fanompoam-pivavahana fahiny tamin’i Lugh, andriamanitra selta.a Araka izany dia avy tamin’ny mpanompo sampy ny fetin’ny santa-bary (santa-barimbazaha) anglikana amin’ny andro ankehitriny.
Ahoana ny amin’ireo fankalazana hafa atao amin’ny fifaranan’ny fotoam-pijinjana? Araka ny Encyclopædia Britannica, dia maro amin’ireo fomba fanao manamarika ireny firavoravoana ireny no niandoha avy tamin’ny “finoana animista ny amin’ny fanahin’ny [voam-barimbazaha] na koa renin’ny voam-barimbazaha”. Any amin’ny faritra sasany, ny tantsaha dia nino fa nisy fanahy (esprit) nitoetra tao amin’ny salohim-bary farany nojinjaina. Mba handroahana ilay fanahy, dia noveleziny hiraraka tamin’ny tany ny voam-barimbazaha. Tany amin’ny toeran-kafa, dia norarina ho “saribakoly varimbazaha” ny tahom-barimbazaha mba “hahatsara vintana” mandra-pahatongan’ny taom-pamafazana nanaraka. Avy eo, dia namboleny indray ireo voam-barimbazaha, tamin’ny fanantenana fa hitondra fitahiana ho an’ilay vokatra vaovao izany.
Misy angano sasany mampifandray ny fotoam-pijinjana amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Tamoza, andriamanitra babyloniana, vadin’i Ishtar, andriamani-bavin’ny fahavokarana. Ny fanapahana ny lohan’ny voa masaka dia nifanitsy tamin’ny fahafatesana aloha be nanjo an’i Tamoza. Misy angano hafa aza mampifandray ny fotoam-pijinjana amin’ny sorona olombelona — fanao halan’i Jehovah Andriamanitra. — Levitikosy 20:2; Jeremia 7:30, 31.
Ahoana no fihevitr’Andriamanitra?
Ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny dia mampiseho mazava fa i Jehovah, ilay Mpamorona sady Loharanon’ny fiainana, dia nitaky fifikirana tsy nizarazara tamin’ireo mpivavaka taminy. (Salamo 36:9; Nahoma 1:2). Tamin’ny andron’i Ezekiela mpaminany, dia “fahavetavetana lehibe” teo imason’i Jehovah ny fitomaniana tamin’i Tamoza andriamanitra. Izany, mbamin’ireo fombafomba ara-pivavahan-diso hafa, dia nahatonga an’Andriamanitra tsy hihaino ny vavaka nataon’ireo mpivavaka sandoka ireo. — Ezekiela 8:6, 13, 14, 18.
Ampifanohero amin’ny toromarika nasain’i Jehovah Andriamanitra notandreman’ny Isiraely nifandray tamin’ny fijinjana, izany. Tamin’ny Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, dia nanao fivorian-dehibe ny Isiraelita. Tamin’izany izy ireo, na tanora na antitra, na nanankarena na nahantra, dia nitoetra vetivety tao amin’ny trano voaravaka rantsankazo mikirindro kanto. Fotoam-piravoravoana lehibe ho azy ireo izany, kanefa fotoana nisaintsainany koa momba ny nanafahan’Andriamanitra an’ireo razambeny tamin’ny fotoan’ny Fifindrana Rodobe avy tany Egypta. — Levitikosy 23:40-43.
Nandritra ireo andro firavoravoana isiraelita, dia nisy fanatitra natolotra an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. (Deoteronomia 8:10-20). Fa raha ny amin’ireo finoana animista voalaza terỳ aloha kosa, ny Baiboly dia tsy miresaka, na aiza na aiza, hoe manana fanahy (âme) ny vokatra, toy ireo salohim-bary tritika.b Ary mampiseho mazava ny Soratra Masina fa ireo sampy dia mitoetra ho tsy misy aina, tsy miteny, na mahita, na mandre, na manimbolo, na mahatsapa, na manome fanampiana an’ireo mpivavaka aminy. — Salamo 115:5-8; Romana 1:23-25.
Tsy eo ambanin’ny faneken’ny Lalàna nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Isiraely fahiny, ny Kristiana amin’izao andro izao. Eny tokoa, ‘nesorin’Andriamanitra tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijalian’i Jesosy’. (Kolosiana 2:13, 14). Ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia miaina eo ambanin’ny “lalàn’i Kristy”, ary mandray amim-pankasitrahana izay rehetra omen’Andriamanitra. — Galatiana 6:2.
Nanambara mazava ny apostoly Paoly fa ireo andro firavoravoana jiosy dia “aloky ny zavatra ho avy” ary nampiany hoe “fa ny tenany dia an’i Kristy”. (Kolosiana 2:16, 17). Ho vokatr’izany, ny Kristiana marina dia manaiky ny fanjohian-kevitra araka ny Soratra Masina manao hoe: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra (...). Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo”. (1 Korintiana 10:20, 21). Ambonin’izany, dia manaraka ny toro lalana hoe, ‘tsy hanendry izay zavatra tsy madio’ ny Kristiana marina. Misy ifandraisana amin’ny fanompoan-tsampy na ny fivavahan-diso ve ireo fetin’ny santa-bary eo amin’ny faritra manodidina anao? Raha izany no izy, dia mety hanalavitra ny tsy hampifaly an’i Jehovah ny Kristiana marina, amin’ny fandavana izay mety ho fandraisana anjara amin’ny fanompoam-pivavahana voaloto toy izany. — 2 Korintiana 6:17.
Rehefa mandray fanomezana avy amin’ny rainy ny zanaka mahay mankasitraka, iza moa no isaorany? Vahiny iray tsy fantany velively ve, sa ilay rainy? Amin’ny alalan’ny vavaka amim-pahatsorana, ireo mpivavaka amin’Andriamanitra dia misaotra isan’andro an’i Jehovah, ilay Rain’izy ireo any an-danitra, noho ny fanomezany amim-pahalalahan-tanana. — 2 Korintiana 6:18; 1 Tesaloniana 5:17, 18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “Lammas” dia avy amin’ny teny anglisy tranainy iray midika hoe “vonga-mofo”.
b Manambara toy izao ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible: “Ny teny hoe neʹphesh [fanahy (âme)] dia tsy nampiasaina nifandray tamin’ny famoronana ny fiainan’ny zavamaniry, tamin’ny ‘andro’ famoronana fahatelo (Ge 1:11-13), na taorian’izany, satria tsy misy ra ny zavamaniry.” — Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.