Ny Fomba Fihazonana Fifaliana ao Amin’ny Fanompoana Manontolo Andro
NY FAHATANTERAHAN’NY faminanian’ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa miaina amin’ny andro faran’itỳ fandehan-javatra tsy matahotra an’Andriamanitra itỳ isika. Mahafantatra izany ireo mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, ka mandany fotoana betsaka araka izay fahafahany, hanelezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 600 000 no nandamina ny fiainany mba handraisana anjara amin’ny fanompoana manontolo andro. Ny sasany aminy dia mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, antsoina hoe mpisava lalana. Ny hafa mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela any amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower na ny biraon’ny sampan’izy io. Ny hafa koa misionera sy mpiandraikitra mpitety faritany.
Ny Baiboly dia mampiseho fa amin’ny andro farany, dia hisy “andro mahory”. (2 Timoty 3:1-5). Ny soratra grika ao amin’ny Baiboly dia mampiasa teny izay azo adika hoe “fotoana voatondro lozabe”. Noho izany, dia tsy misy tokony hanantena ny tsy hahita zava-manahirana amin’izao androntsika izao. Ho an’ny mpitory kristiana sasany, dia toa tena lehibe ireo zava-manahirana, ka mety hanontany tena izy ireo hoe: ‘Mbola afaka manohy ny fanompoana manontolo andro ve aho, sa tsy maintsy mijanona?’
Tarehin-javatra inona avy no mety hahatonga ny olona iray hanombana indray ny fanompoan’ny mpisava lalana, Betelita, mpiandraikitra mpitety faritany na misionera, ataony? Mety ho tsy fahasalamana lehibe izany. Angamba mila fikarakarana tsy an-kijanona ny havana iray be taona na osa. Mety hanomboka hitaiza zanaka ny mpivady iray. Na iza na iza mampitsahatra ny fanompoana manontolo andro noho ireo antony ireo, sy noho ny adidy araka ny Soratra Masina, dia tsy tokony hahatsiaro ho menatra raha manao ilay fanitsiana.
Kanefa, ahoana raha mikasa ny tsy hanohy ny fanompoana manontolo andro ny olona iray, satria tsy mahita fifaliana? Angamba tsy mahita vokatra firy eo amin’ny fanompoany ny mpisava lalana iray, ka manontany tena hoe: ‘Nahoana aho no hanohy haneho fahafoizan-tena, nefa vitsy kely ny olona mihaino?’ Mety ho tsy dia faly noho ny asa nanendrena azy ny Betelita iray. Na mety ho tsy fahasalamana lava izany, izay mety tsy hisakana ny fanaovan’ny olona iray ny fanompoan’ny mpisava lalana, nefa mikiky ny fifaliany amin’ny farany. Ahoana no ahafahan’ny olona toy izany mihazona ny fifaliany? Andeha isika handinika izay lazain’ny mpitory za-draharaha sasany.
Fiezahana handresy ny fahadisoam-panantenana
I Anny, avy any Soisa, dia nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tamin’ny 1950. Nanantena ny hotendrena ho misionera tany ampitan-dranomasina izy. Rehefa nirahina hiverina tany Eoropa hiasa tao amin’ny Betela àry i Anny, dia diso fanantenana. Na dia izany aza, dia nanaiky ilay fanendrena azy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny izy, ary mbola manao io asa io ihany ankehitriny. Ahoana no nandreseny ny fahadisoam-panantenany? “Be dia be ny asa tamin’izay sy hatramin’izao. Tsy ny fihetseham-poko sy ny zavatra tiako manokana no zava-dehibe, fa ilay asa”, hoy ny nohazavain’i Anny.
Raha diso fanantenana noho ny asa nanendrena antsika isika, dia angamba ho azontsika atao ny hamboly ny fihetsik’i Anny. Tsy ny zavatra tian’ny tenantsika manokana no zava-dehibe indrindra. Ny tena lehibe indrindra dia ny fahafahana misahana tsara ny andraikitra samihafa rehetra mifandray amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Milaza amintsika ny Ohabolana 14:23 fa “ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa”. Na inona na inona fanendrena nomena antsika, ny fanatontosana azy amim-pahatokiana dia anisan’ny manatanteraka ny asa momba ilay Fanjakana. Ary mitondra fahafaham-po lehibe — eny, fifaliana — ny fanaovana io asa nomen’Andriamanitra io. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 12:18, 27, 28.
Fahaiza-mifanaraka amin’ny hafa
Tafiditra amin’ny fanompoana manontolo andro ny fifampikasohana akaiky amin’ny karazan’olona rehetra — eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ao amin’ny Betela, ao amin’ny tranon’ny misionera, na mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ireo kongregasiona. Noho izany, ny fifaliana dia miankina be dia be amin’ny fahaiza-mifanaraka amin’ny hafa. Kanefa, ny ‘fotoana lozabe’ nambara mialoha ho an’izao andro farany izao, dia misedra mafy ny fifandraisan’ny olona. Ahoana no ahafahan’ny mpitory iray tsy hamoy ny fifaliany, na dia nisy olona nahatezitra azy aza? Angamba isika afaka maka fianarana avy amin’i Wilhelm.
I Wilhelm dia tonga mpianakavin’ny Betela iray any Eoropa tamin’ny 1947. Taorian’izany izy dia nanao ny asan’ny mpisava lalana sy ny fanompoan’ny mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny fotoana kelikely. “Raha mahita zavatra izay heverinay fa tsy araka ny tokony ho izy, na mampanahy anay, izahay mivady, dia milaza amin’i Jehovah izay tsapanay izahay, ary avy eo dia avelanay izy handamina azy”, hoy ny nohazavain’i Wilhelm. — Salamo 37:5.
Angamba ianao sosotra noho ny fihetsiky ny Kristiana iray hafa izay nanao teny tsy nanaja na teny tsy tsaroana taminao. Tadidio fa isika rehetra dia samy manao fahadisoana imbetsaka noho ny teny ataontsika. (Jakoba 3:2). Koa nahoana raha mampiasa io tarehin-javatra io mba hanatonana akaiky kokoa an’ilay “Mpihaino vavaka”? (Salamo 65:2). Resaho amin’i Jehovah ilay raharaha, ary avy eo dia apetraho eo an-tanany. Raha maniry hanova ilay tarehin-javatra Andriamanitra, dia hanao izany izy. Ireo izay mipetraka ao amin’ny tranon’ny misionera dia mety hila ny hitadidy izany ao an-tsaina, raha sendra miseho ny zava-manahirana toy izany, satria izany dia hanampy azy ireo hihazona ny fifaliany ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Rehefa tsy salama
Vitsy ny olona izay salama tsara lalandava. Na dia ireo izay lazaina fa ao anatin’ny taonan’ny fahavitrihany indrindra aza dia mety ho voan’ny fahaketrahana na ny aretina. Noho ny tsy fahasalamana, dia mety hila ny hampitsahatra ny fanompoana manontolo andro ny sasany, nefa mahavita asa faran’izay tsara izy ireo aorian’izany, rehefa mpitory ilay Fanjakana. Ny hafa anefa afaka manohy ny fanompoana manontolo andro, na dia tsy salama aza. Raiso ny ohatr’i Hartmut sy i Gislind.
I Hartmut sy i Gislind dia mpivady iray izay nanao ny asan’ny mpisava lalana sy misionera ary mpitety faritany nandritra ny 30 taona. Izy mivady dia samy voan’ny aretina mafy, izay nahatrotraka azy ireo ara-batana sy ara-pihetseham-po indraindray. Na dia izany aza, dia nanao asa faran’izay tsara izy ireo, ary afaka nampahery ny hafa izay niharan’ny fisedrana nitovy tamin’ny azy. Inona no torohevitra atolotr’izy ireo? “Ny hoavy banjinina fa tsy ny lasa. Mahaiza manararaotra ny tarehin-javatra rehetra. Isan’andro dia mety tsy hisy afa-tsy fahafahana hidera an’i Jehovah iray monja. Hararaoty izany fahafahana izany, ary ankafizo.”
Diniho ny ohatr’i Hannelore. Nampahorin’ny aretina niverimberina izy nandritra ireo 30 taona nanaovany ny asan’ny mpisava lalana sy misionera, sy niarahany tamin’ny vadiny nitety faritany, ary nanompoany tao amin’ny Betela. Hoy i Hannelore: “Mifantoka amin’ilay raharaha napoitran’i Satana aho — ilay hoe tsy manompo an’i Jehovah ny olombelona raha tsy rehefa mora aminy ny fanaovana izany. Rehefa miaritra fisedrana aho, dia afaka manaporofo fa diso hevitra i Satana.” Tena antony manosika mahery izany. Tadidio fa ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah, ao anatin’ny fisedrana, dia tena zava-dehibe aminy. — Joba 1:8-12; Ohabolana 27:11.
Rehefa manandrana hanao fanapahan-kevitra voalanjalanja momba ny fahasalamanao ianao, dia diniho ny lafiny roa amin’ilay faminanian’i Jesosy Kristy momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Nanambara mialoha i Jesosy fa hisy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa. Hoy koa anefa izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:3, 14; Lioka 21:11). Fantatr’i Jesosy fa amin’ny andro farany, dia hiady amin’ny aretina ireo mpanara-dia azy. Takany koa anefa fa tsy olona salama tsara ihany no hanao ny asa fitoriana, fa ireo izay voan’ny aretina mafy koa. Raha afaka manohy ny fanompoana manontolo andro isika, na dia tsy salama aza, i Jehovah dia tsy hanadino ny fitiavana asehontsika ho voninahitry ny anarany. — Hebreo 6:10.
Fihazonana fifaliana na dia tsy miraharaha aza ny olona
Misy fiantraikany eo amintsika ny fihetsiky ny olona eo anoloan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. “Na dia ireo mpisava lalana aza dia mahita fa sarotra ny itarihana ny tompon-trano hiresaka”, hoy ny mpitory za-draharaha iray. “Tsy maintsy miady mafy isika rehetra mba hihazonana ny fifaliantsika.” Eny, ny tsy firaharahan’ny olona dia afaka ny hampihena ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Koa ahoana àry no ahafahan’ny mpisava lalana iray mihazona ny fifaliany, na dia tojo tsy firaikana tsy tapaka aza izy? Misy mpitory za-draharaha manolotra ireto fanipazan-kevitra manaraka ireto, izay efa nandramana ka hita fa mandaitra.
Zava-tsarotra ho antsika ny tsy firaharahan’ny olona, nefa tsy voatery ho resiny isika. Raha ny tsy firaikan’ny ankamaroan’ny olona fotsiny dia tsy antony tokony hampitsaharana ny fanompoana manontolo andro. Afaka mihazona ny fifaliantsika isika eo anoloan’ny tsy firaharahan’ny olona, raha manokana fotoana ampy hianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina. Izy io dia mahatonga antsika ho “vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”, ka anisan’izany ny firesahana amin’ireo izay manentsin-tadiny amin’ny vaovao tsara. (2 Timoty 3:16, 17). Na dia tsy nety nihaino an’i Jeremia mpaminany aza ny olona, izany akory tsy nampijanona azy. (Jeremia 7:27). Rehefa mianatra ny Baiboly amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra kristiana isika, dia afaka mandray soa be dia be raha manamarika ireo hevitra izay manatanjaka ny finoantsika sy manampy antsika hiatrika ny tsy firaharahan’ny olona.
Raha ekena fa zava-tsarotra ho antsika ny tsy firaharahan’ny olona, andeha kosa isika handinika ny fihetsitsika eo anoloan’ireo izay itoriantsika. Nahoana izy ireo no tsy miraika? Ny antony iray ielezan’ny tsy firaharahan’ny olona any Eoropa, ohatra, dia ny zava-bita mampalahelon’ny fivavahan-diso. Tsy mihevitra intsony ny olona hoe mbola manan-toerana eo amin’ny fiainany ny fivavahana, ary tsy maniry hifandray amin’izy io intsony mihitsy izy ireo. Mila ny ho vonona hifanaraka amin’ny zava-miseho isika, ka hiresaka amin’ny olona momba ny zavatra mahakasika azy, toy ny tsy fananana asa, ny fahasalamana, ny heloka bevava, ny tsy fileferana, ny tontolo iainana, ary ny fandrahonan’ny ady.
Ao amin’ireo teny voalohany ataontsika amin’ilay tompon-trano, dia azontsika atao ny manonona zava-mahaliana iray eo an-toerana. Izany no nandraman’i Dietmar natao, fony izy nitory tao amin’ny tanàna kely iray tsy nahitany fahombiazana firy. Nilaza ny mponina iray tao fa nisy loza nitranga tao amin’ilay tanàna ny omalin’io. Isaky ny varavarana rehetra nanaraka, i Dietmar dia nilaza ny alahelony feno fahatsoram-po noho ilay loza. “Tampoka teo, dia nanomboka niresaka ny olona”, hoy izy. “Mbola tao an-tsain’izy rehetra ilay loza. Afaka niresaka tsara tamin’olona maro aho tamin’iny andro iny, satria nampiseho fiheverana ny fiainan’izy ireo.”
Mila manao fanambarana momba ilay Fanjakana amin’ny olona any amin’izay ahitantsika azy, isika. Mety hamokatra ny fitoriana tsy ara-potoana, ary afaka mampiofan-tena amin’io asa io isika amin’ny fampiasana ireo fanipazan-kevitra atolotr’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Fifaliana no ho tsapantsika raha afaka mifampiresaka amim-pisakaizana amin’ny tompon-trano isika, na mametraka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! aminy. Raha nanao fiverenana mitsidika isika ka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny olona liana iray, dia mety hahazo ny anaran’olon-kafa amin’ny fanontaniana hoe: “Moa ve ianao mahafantatra olon-kafa maniry hianatra ny Baiboly koa?” Izany dia mety hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly iray hafa. Na izany na tsy izany, dia aoka isika hanana fihetsika manorina, ka hivavaka sy hiantehitra amin’i Jehovah, fa tsy hamela ny tsy firaharahan’ny olona hanakivy antsika.
Fampaherezana avy amin’ny hafa
I Jürgen sy i Christiane dia nanao ny asan’ny mpisava lalana sy mpitety faritany nandritra ny 30 taona mahery. Nisy fotoana nanendrena azy ireo tao amin’ny faritany iray feno olona tsy niraharaha sy mafy hatoka. Endre ny fanirian’i Jürgen mivady hahazo fampaherezana! Toa tsy nanome azy ireo izany zavatra nilainy izany anefa ny hafa tao amin’ny kongregasiona.
Fantatr’i Jürgen avy tamin’ny zavatra niainany àry fa “tena miady mafy ny mpisava lalana sasany. Mila fampaherezana betsaka kokoa avy amin’ny loholona sy ny mpitory hafa izy ireo”. I Mosesy dia nasain’Andriamanitra nampahery sy nampahatanjaka an’i Josoa. (Deoteronomia 3:26-28). Ary ny Kristiana dia tokony hifampahery. (Romana 1:11, 12). Ireo mpitory ilay Fanjakana dia afaka mampahery an’ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro, amin’ny alalan’ny teny mampahery sy amin’ny fiarahana amin’izy ireo eny amin’ny fanompoana indraindray.
Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho antsika
Ny Kristiana izay mpisava lalana na misionera, nanompo tao amin’ny Betela, na nitety faritany sy kongregasiona nandritra ny ankabeazan’ny fiainany, dia nahita fa vetivety dia afaka ny ankamaroan’ireo zava-manahirana, fa ny sasany kosa maharitra ela. Na dia ireo zava-manahirana vitsivitsy izay toa tsy mety misinda aza dia tsy tokony hanesotra ny fifaliantsika amintsika. I Ramon, izay manompo ao amin’ny fanendrena any ivelan’ny taniny efa hatramin’ny 45 taona mahery izao, dia manipy hevitra hoe isaky ny misy zava-manahirana mampalahelo antsika, dia “tokony hieritreritra momba ireo fitahiana maro ananantsika sy momba ireo olona an’arivony maro hafa miaritra zava-tsarotra mafy kokoa isika”. Eny tokoa, ireo mpiray finoana amintsika maneran-tany dia miaritra fahoriana, ary i Jehovah dia tena miahy antsika rehetra. — 1 Petera 5:6-9.
Koa raha mamela antsika handray anjara sy hijanona ao amin’ny fanompoana manontolo andro àry ny toe-javatra misy antsika, dia aoka isika hihazona ny fifaliantsika amin’ny fianteherana amin’ilay Raintsika any an-danitra. Manatanjaka ny mpanompony izy, ary isika rehetra dia tokony hitadidy fa ny ‘fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho antsika’. — Nehemia 8:10.
[Sary, pejy 21]
“Tsy ny fihetseham-poko sy ny zavatra tiako manokana no zava-dehibe, fa ilay asa”
[Sary, pejy 22]
“Milaza amin’i Jehovah izay tsapanay izahay, ary avy eo dia avelanay izy handamina azy”
[Sary, pejy 23]
“Mahaiza manararaotra ny tarehin-javatra rehetra. Isan’andro dia mety tsy hisy afa-tsy fahafahana hidera an’i Jehovah iray monja”
“Rehefa miaritra fisedrana aho, dia afaka manaporofo fa diso hevitra i Satana”
[Sary, pejy 24]
“Tena miady mafy ny mpisava lalana sasany. Mila fampaherezana betsaka kokoa avy amin’ny loholona sy ny mpitory hafa izy ireo”
‘Tokony hieritreritra momba ireo fitahiana maro ananantsika isika’