Velom-pankasitrahana fa Ela Velona ao Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah
NOTANTARAIN’I OTTILIE MYDLAND
Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia sambo lay maromaro nifanila no hita niantsona teo amin’ny seranan’i Kopervik, any andrefan’i Norvezy. Tamin’izany andro izany, dia nahitana lehilahy sy soavaly nitarika sarety teny amin’ny arabe. Jiro solitany no nampiasain’ny olona, ary kitay sy arina no nanafanana ny trano hazo nolokoana fotsy. Teraka tany aho tamin’ny Jona 1898, ary izaho no faharoa tamin’ny zaza dimy.
TAMIN’NY 1905, dia tsy an’asa i Dada, koa nankany Etazonia izy. Niverina izy, telo taona tatỳ aoriana, nitondra valizy iray feno fanomezana nampientanentana ho anay ankizy, sy lamba lasoa sy zavatra hafa ho an’i Neny. Ny zavatra sarobidy indrindra azony anefa dia ireo boky nosoratan’i Charles Taze Russell, nitondra ny lohateny hoe Études des Écritures.
Nanomboka niresaka tamin’ny havana aman-tsakaiza momba ny zavatra nianarany avy tamin’ireo boky ireo i Dada. Tamin’ireo fivoriana tao amin’ny chapelle teo an-toerana, dia nampiasa ny Baiboly izy mba hampisehoana fa tsy misy izany afobe mirehitra izany. (Mpitoriteny 9:5, 10). Tamin’ny 1909, herintaona taorian’ny niverenan’i Dada avy tany Etazonia, dia nitsidika an’i Norvezy ny Anadahy Russell ary nanao lahateny tany Bergen sy Christiania, na Oslo ankehitriny. Nankany Bergen i Dada mba hihaino ny lahateniny.
Niampanga an’i Dada ho nampiely fampianaran-diso ny ankamaroan’ny olona. Nalahelo azy aho ary nanampy azy hizara taratasy mivalona ara-baiboly tamin’ireo mpiara-monina taminay. Tamin’ny 1912, dia nizara taratasy mivalona iray momba ny afobe tamin’ny zanakavavin’ny mpitondra fivavahana iray aho. Niteny ratsy anay sy i Dada izy. Taitra mafy aho noho ny hoe zanakavavin’ny mpitondra fivavahana izy kanefa nahay niteny ratsy toy izany!
Nisy Mpianatra ny Baiboly hafa, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, nitsidika anay tsindraindray tany Kopervik, ka anisan’izy ireny i Theodor Simonsen, mpandahateny nahay. Nanasa olona hihaino ireo lahateny nataony tao an-tranonay aho. Talohan’ny nanaovany ilay lahateny, dia nitendry cithare (karazan-dokanga) izy sady nihira, ary taorian’ilay lahateny dia nanao hira famaranana izy. Nanana fanajana lalina azy izahay.
Anisan’ny nitsidika ny tokantranonay koa i Anna Andersen, izay colporteur, na mpitory manontolo andro. Nitety tanàna nanerana an’i Norvezy izy, tamin’ny bisikileta tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, ka nametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny olona. Anisan’ny mpitarika tao amin’ny Armée du Salut izy teo aloha, ka nahafantatra mpitarika sasany tao amin’ny Armée du Salut tany Kopervik. Navelan’izy ireo hanao famelabelarana ara-baiboly tao amin’ny trano fivoriany i Anna, ary nanasa olona ho tonga hihaino ny famelabelarany aho.
Colporteur hafa nitsidika anay tany Kopervik koa i Karl Gunberg. Nanao ny asan’ny mpandika teny tsindraindray tao amin’ny biraon’ny sampana teto Oslo, io lehilahy nanetry tena sy nalemy paika kanefa tia vazivazy io. Taona maro tatỳ aoriana, dia niara-niasa tato amin’ny Betela izahay.
Voataonan’ny fomba fiheverana ara-pivavahana
Tamin’izany fotoana izany, ny ankamaroan’ny olona dia tsy vitan’ny hoe nino mafy an’Andriamanitra sy ny Baiboly, fa nino koa fampianarana latsa-paka, toy ny afobe sy ny Trinite. Noho izany, dia niteraka resa-be ny nampianaran’ny Mpianatra ny Baiboly hoe tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly ireo foto-pinoana ireo. Voataonan’ny fiampangana mafy nataon’ireo mpiara-monina taminay aho hoe heretika (mpivadika amin’ny foto-pinoana) i Dada. Nilaza taminy mihitsy aza aho indray mandeha hoe: “Tsy marina izay ampianarinao. Fampianaran’ny heretika izany!”
“Avia ange jereo izay lazain’ny Baiboly, ry Ottilie e”, hoy izy nandrisika ahy. Avy eo dia novakiny tamiko ny Soratra Masina. Vokatr’izany, dia nitombo ny fatokiako azy sy ny fatokiako ny zavatra nampianariny. Nampirisika ahy hamaky ireo Études des Écritures izy, koa nandritra ny fahavaratry ny taona 1914, dia matetika aho no namaky teo amin’ny havoana kely iray nahatazanana ilay tanàna.
Tamin’ny Aogositra 1914, dia nifanizina teo ivelan’ny trano famoahan-gazety teo an-toerana ny olona, namaky momba ny nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany. Tamy i Dada ka nijery izay nitranga. “Misaotra an’Andriamanitra!”, hoy ny fihiakany. Takany fa fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly izay notoriny, ilay fipoahan’ny ady. (Matio 24:7). Mpianatra ny Baiboly maro tamin’izay no nino fa hakarina ho any an-danitra tsy ho ela izy ireo. Rehefa tsy nitranga izany, dia nanjary diso fanantenana ny sasany.
Ny fijoroako ho an’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Tamin’ny 1915, teo amin’ny faha-17 taonako, dia nahavita ny fianarana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho ka nanomboka niasa tao amin’ny birao iray. Tamin’izay aho no nanomboka namaky tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ny 1918 anefa vao nisy fivoriana natao tsy tapaka tany Kopervik. Teo am-boalohany, dia dimy izahay no mpanatrika. Namaky ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower izahay, toy ny Études des Écritures, ka niara-nidinika momba ilay boky tamin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Na dia nilaza tamin’ny olon-kafa aza i Neny fa nankasitraka indrindra ny Mpianatra ny Baiboly ny tenany, dia tsy tonga namanay mihitsy izy.
Tao amin’ilay birao niasako, nanomboka tamin’ny 1918, dia nifankahalala tamin’i Anton Saltnes aho. Afaka nanampy azy ho tonga Mpianatra ny Baiboly aho. Tamin’izay fotoana izay aho no tonga mpitory tsy tapatapaka ary natao batisa tamin’ny fivoriambe iray tany Bergen, tamin’ny 1921.
Tamin’ny May 1925, dia nisy fivoriambe iray ho an’i Skandinavia manontolo natao tany Örebro, Soeda. Maherin’ny 500 no nanatrika tany, anisan’izany i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Tokony ho 30 izahay no nandeha lamasinina avy teto Oslo, tao amin’ny vagô iray voatokana.
Nambara nandritra io fivoriambe io fa hisy Biraon’i Eoropa Avaratra haorina any Copenhague, Danemark, mba hisahanana ny asa fitoriana nanerana an’i Skandinavia sy ireo tany balta. Voatendry hanara-maso ny asa fitoriana i William Dey avy any Ekosy. Tian’ny rehetra izy, ary tsy ela dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Ekosey Be. Teo am-boalohany, dia tsy nahay teny skandinaviana na dia iray aza ny Anadahy Dey, koa nipetraka tany aoriana izy nandritra ireo fivoriana sy fivoriambe, ka nikarakara ireo ankizy mba hahafahan’ireo ray aman-dreny nifantoka tamin’izay nolazaina teny amin’ny lampihazo.
Namelabelatra ny Apokalypsy toko faha-12 Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1925 ka nanazava fa mifandray amin’ny nahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra io toko io ary nitranga tany an-danitra io fahaterahana io, tamin’ny 1914. Hitako ho saro-takarina ilay fanazavana, koa naverimberiko novakina ilay lahatsoratra. Rehefa takatro ilay izy tamin’ny farany, dia tena faly aho.
Rehefa nisy fanitsiana natao momba ny fahatakaranay ireo foto-kevitra ao amin’ny Baiboly, dia tafintohina ny sasany ka nisaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Rehefa saro-takarina anefa ny fanitsiana toy izany, dia naverimberiko novakina foana ilay lahatsoratra mba hiezahako hahatakatra ilay fanjohian-kevitra. Raha mbola tsy takatro ihany ilay fanazavana vaovao, dia niandry fanazavana bebe kokoa aho. Imbetsaka no novalian-tsoa aho noho ny faharetako toy izany.
Fanompoana tato amin’ny Betela
Nandritra ny taona maromaro, dia mpitana kaonty sy sekretera ary mpanamarina kaontim-panjakana no asako. Tamin’ny 1928, dia narary ilay olona nisahana ireo kaontin’ny Fikambanana ka voatery nandao ny Betela. Koa satria nanana fanandraman-javatra tamin’io asa io aho, dia nasaina nandimby azy. Nanomboka nanompo tato amin’ny Betela aho tamin’ny Jona 1928. Indraindray ny Anadahy Dey dia nitsidika anay ka nanamarina ireo kaonty. Nitarika ny asa fitoriana ampahibemaso teto Oslo koa ny fianakavian’ny Betela. Kongregasiona iray monja no teto Oslo tamin’izay.
Nanampy ny Anadahy Sakshammer, mpiandraikitra ny fandefasana entana tato amin’ny Betela, ny sasany taminay, tamin’ny famonosana sy ny fandefasana ny L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny). Anisan’ireo nanampy koa ny Anadahy Simonsen sy Gunberg. Nahafinaritra ny fiarahanay, satria matetika izahay no nihira nandritra ny fiasana.
Fatokiana ilay fanantenana momba ilay Fanjakana
Tamin’ny 1935, dia nanjary nahatakatra izahay fa tsy kilasin’olona faharoa hiakatra any an-danitra ny “olona betsaka”. Nianaranay fa mampiseho kilasin’olona ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe sady hanana fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa izy io. (Apokalypsy 7:9-14). Noho io fahazoan-kevitra vaovao io, dia nanjary nahatakatra ny sasany izay nandray anjara tamin’ireo marika tamin’ny Fahatsiarovana fa ny ho eto an-tany ny fanantenany, ary dia tsy nandray anjara intsony izy ireo.
Na dia tsy nisalasala mihitsy aza aho momba ny fanantenako ny ho any an-danitra, dia matetika aho no nieritreritra hoe: ‘Inona no ilan’Andriamanitra ahy?’ Nahatsapa ny tenako ho tsy mendrika ny tombontsoa lehibe toy izany aho. Hitako ho hafahafa ny nieritreritra hoe izaho izay vehivavy kely reny sady saro-kenatra itỳ, dia ho mpanjaka, hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (2 Timoty 2:11, 12; Apokalypsy 5:10). Kanefa, nosaintsainiko ireo tenin’ny apostoly Paoly hoe “tsy firy no olona mahery” nantsoina, fa “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery”. — 1 Korintiana 1:26, 27.
Ny asa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Tamin’ny 9 Aprily 1940, dia nanani-bohitra teto Norvezy ny andian-tafika alemà, ary tsy ela dia nibodo ny tany. Vokatr’ilay ady, dia olona maro no nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanomboka tamin’ny Oktobra 1940 ka hatramin’ny Jona 1941, dia nahapetraka gazety sy bokikely maherin’ny 272 000 izahay. Midika izany fa nahapetraka boky sy bokikely maherin’ny 570 avy, tamin’ny antsalany, ny Vavolombelona 470 mahery tamin’izay fotoana izay teto Norvezy, nandritra ireo sivy volana ireo!
Tamin’ny 8 Jolay 1941, dia nitsidika ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha rehetra ny Gestapo (polisy miafina) ka nilaza tamin’izy ireo fa raha tsy nitsahatra ny asa fitoriana, dia halefa ho any amin’ny toby fitanana izy ireo. Nisy polisy manamboninahitra alemà dimy tonga tato amin’ny Betela ka naka ny ankabeazan’ny fananan’ny Fikambanana Watch Tower. Nentina nalaina am-bavany ny fianakavian’ny Betela, saingy tsy nisy nogadraina izahay. Tamin’ny farany, tamin’ny 21 Jolay 1941, dia nalain’ny fanjakana ny tranon’ny Fikambanana tao amin’ny Lalana Inkognitogaten 28 B, ary norarana ny asa fitoriana. Niverina nankany Kopervik aho ary nahita asa mba hamelomako tena.
Tamin’izany fotoana izany dia mpisava lalana i Dada. Indray andro, dia tonga ny Nazia ka nanao sava hao ny tranon’i Dada. Nalain’izy ireo avokoa ny bokiny rehetra, anisan’izany ireo Baiboliny sy konkordansany momba ny Baiboly. Vatsin-tsakafo ara-panahy kely dia kely monja no voarainay nandritra io fe-potoana io. Mba hitoerana ho natanjaka ara-panahy, dia namerimberina nianatra ireo boky tranainy izahay, toy ilay boky hoe Gouvernement, ary nanohy nitory izahay.
Nampalahelo fa tany amin’ny toerana maro, dia nisara-bazana ireo anadahy. Ny sasany nihevitra fa tokony hitory an-karihary izahay ka handeha isan-trano, fa ny hafa kosa nihevitra fa tokony hiasa tamim-piafenana kokoa izahay, ka hanatona ny olona tamin’ny fomba hafa. Noho izany, dia nisy anadahy nalaza, izay niara-niasa tsara mihitsy teo aloha sady tianay be, nanjary tsy nifampiteny. Nankarary ny foko mihoatra noho ny tarehin-javatra hafa teo amin’ny fiainako tamin’ny naha-Vavolombelona ahy ilay fisaraham-bazana teo amin’izy ireo.
Fanavaozana ny asa taorian’ny ady
Taorian’ilay ady, tamin’ny fahavaratry ny taona 1945, dia nitsidika an’i Norvezy ny Anadahy Dey ka nitarika fivoriana teto Oslo sy tany Skien ary tany Bergen. Niangavy an’ireo anadahy izy mba hamitrana ny fihavanana ka nangataka an’izay rehetra naniry hanao izany mba hitsangana. Nitsangana avokoa ny rehetra! Voalamina tanteraka ilay fifandirana tamin’ny Desambra 1945, taorian’ny nitsidihan’i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay.
Tetsy an-danin’izany, tamin’ny 17 Jolay 1945, dia naharay telegrama avy tamin’ny Anadahy Enok Öman, mpiandraikitra ny sampana, aho, nanao hoe: ‘Rahoviana ianao no ho afaka hiverina atỳ amin’ny Betela?’ Nilaza ny sasany fa tokony hijanona tao an-trano aho mba hikarakara ny raiko, izay 70 taona mahery tamin’izay. Nampirisika ahy hanohy indray ny fanompoako tao amin’ny Betela anefa i Dada, ary izany no nataoko. Tamin’ny 1946, dia tonga mpiandraikitra ny sampana i Marvin F. Anderson, anadahy avy any Etazonia, ka nalamina indray ny asa fitoriana.
Nandritra ireo vakansy tamin’ny fahavaratra, dia nankany Kopervik aho mba hamangy ny fianakaviako. Tsy tonga Vavolombelona ireo zandriko roa lahy sy roa vavy, kanefa nifandray tsara foana taminay sy Dada izy ireo. Tonga lehiben’ny seranana sady capitaine du port ny anadahiko iray ary mpampianatra ny iray hafa. Na dia tsy nanana firy ara-nofo aza aho, dia hoy i Dada tamin’izy ireo: “Manankarena kokoa noho ianareo i Ottilie.” Ary marina izany! Tsy azo ampitahaina amin’ireo harena ara-panahy ananako ny zavatra noharin’izy ireo! Maty teo amin’ny faha-78 taonany i Dada tamin’ny 1951. Maty tamin’ny 1928 i Neny.
Zavatra iray nisongadina teo amin’ny fiainako ny nanatrehako ilay fivoriambe niraisam-pirenen’ny vahoakan’i Jehovah tany New York, tamin’ny 1953. Nihoatra ny 500 000 ny isan’ny mpitory naneran-tany tamin’io taona io, ary maherin’ny 165 000 no nanatrika ilay fivoriambe! Talohan’io fivoriambe tamin’ny 1953 io, dia niasa herinandro tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, foiben’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, aho.
Fanaovana izay azoko atao
Tato anatin’ny taona faramparany, dia niharatsy ny fahitako satria voan’ny cataractes (aretina mahafotsy ny anakandriamaso) aho. Amin’ny alalan’ny solomaso matanjaka sy ny fanita-jery, dia mbola afaka mamaky kely ihany lahatsoratra amin’ny sora-pirinty vaventy aho. Ary misy rahavavy kristiana tonga mamangy ahy mba hamaky teny amiko indroa isan-kerinandro, ka velom-pankasitrahana tokoa noho izany aho.
Voafetra koa ny fitoriana vitako. Mandritra ny fahavaratra, dia misy rahavavy kristiana mitondra ahy tsindraindray amin’ny seza misy kodiarana, mba hivoaka ho any amin’ny toerana iray hahafahako hitory. Mandefa tsy tapaka gazety sy bokikely amin’ny alalan’ny paositra koa aho, any amin’ireo sekoly any Kopervik, toy ilay sekoly fanabeazana fototra nianarako efa ho 100 taona lasa izay. Faly aho fa mbola afaka mitory tsy tapaka ihany.
Soa ihany fa eo amin’ny rihana iray ihany no misy ny efitrano fisakafoana sy ny Efitrano Fanjakana ary ny efitranoko ato amin’ny Betela, izay efa eto Ytre Enebakk, atỳ ivelan’i Oslo, nanomboka tamin’ny 1983. Koa afaka mamonjy ny fanompoam-pivavahana amin’ny maraina sy ireo sakafo ary ireo fivoriana àry aho, amin’ny fitondrana fitaovana manampy handeha. Ary faly aho fa mbola afaka mamonjy fivoriambe. Tiako ny mihaona amin’ireo namana fantatro hatramin’ny taona maro, ary koa amin’ireo anadahy sy rahavavy vaovao ary ankizy maro mahafinaritra.
Fihazonana ny finoana hatramin’ny farany
Fitahiana izany hoe voahodidina olona mazoto miasa sy mahafinaritra ary araka ny fanahy izany, ato amin’ny Betela. Fony aho nanomboka nanompo tato amin’ny Betela, ny mpianakavy rehetra dia olona nanantena ny ho any an-danitra avokoa. (Filipiana 3:14). Ankehitriny, ny rehetra ato amin’ny Betela, afa-tsy izaho, dia manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany.
Marina fa nantenainay hisalovana taloha kokoa i Jehovah. Kanefa, faly aho mahita ny olona betsaka mihamitombo isa hatrany. Fitomboana re izany hitako izany! Fony aho vao nirotsaka tao amin’ny fanompoana, dia nisy mpitory tokony ho 5 000 naneran-tany. Izao dia misy maherin’ny 5 400 000! Eny tokoa, hitako ny ‘kely tonga arivo, ary ny malemy tonga firenena mahery’. (Isaia 60:22). Ilaintsika ny miandry an’i Jehovah hatrany, araka ny nosoratan’ny mpaminany Habakoka hoe: “Na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy”. — Habakoka 2:3.