FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/10 p. 5-7
  • Ny Tena Fahasambarana — Inona no Fanalahidiny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tena Fahasambarana — Inona no Fanalahidiny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitarika ho amin’ny fahasambarana ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy
  • Ny fahafahantsika hisafidy
  • Ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fankatoavana — Ilay fanalahidy
  • Momba ny Fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Aiza no Mety Hahitana Tena Fahasambarana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/10 p. 5-7

Ny Tena Fahasambarana — Inona no Fanalahidiny?

NATAO ho sambatra ny olombelona. Nahoana isika no afaka mahazo antoka ny amin’izany? Andeha isika handinika ny fiandohan’ny olombelona.

Namorona ny mpivady olombelona voalohany niaraka tamin’ny fahafahana hifaly amin’ny fahasambarana i Jehovah Andriamanitra. Napetraka tao amin’ny paradisa iray, dia zaridainam-pahafinaretana iray nantsoina hoe Edena, i Adama sy i Eva. Nanome azy ireo ny zavatra ara-nofo rehetra ilaina eo amin’ny fiainana, ilay Mpamorona. Nisy ny “hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”, ilay zaridaina. (Genesisy 2:9). I Adama sy i Eva dia salama sy tomady ary tsara tarehy — lavorary izy ireo ary tena sambatra marina.

Inona anefa no fanalahidin’ny fahasambaran’izy ireo? Moa ve izany ny fonenan’izy ireo toy ny paradisa, na angamba ny fahatanterahan’izy ireo ara-batana? Tena nandray anjara tamin’ny fifalian’izy ireo tamin’ny fiainana ireo fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo. Kanefa, tsy niankina tamin’izany zavatra azo tsapain-tanana izany ny fahasambaran’izy ireo. Nihoatra noho ny saha tsara tarehy iray ny zaridainan’i Edena. Fitoerana masina iray izy io, toerana hanaovana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra. Ny fanalahidin’ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay dia ny fahafahan’izy ireo hanorina sy hihazona fifandraisana feno fitiavana amin’ny Mpamorona azy ireo. Mba hahafahan’izy ireo ho sambatra, dia tsy maintsy ho olona mifikitra amin’ny zavatra ara-panahy izy ireo voalohany indrindra. — Ampitahao amin’ny Matio 5:3, NW.

Mitarika ho amin’ny fahasambarana ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy

Nanana fifandraisana ara-panahy tamin’Andriamanitra i Adama tamin’ny voalohany. Izany dia fifandraisana feno fitiavana sy hatsaram-panahy, mitovy amin’ny fifandraisan’ny zanakalahy sy ny rainy. (Lioka 3:38). Tao amin’ny saha Edena, i Adama sy i Eva dia nanana ny toe-javatra nety indrindra namela azy ireo hanome fahafaham-po ny fanirian’izy ireo hanolotra fanompoam-pivavahana. Tamin’ny alalan’ny fankatoavan’izy ireo an-tsitrapo sy amim-pitiavana an’i Jehovah, dia ho nitondra haja sy voninahitra ho an’Andriamanitra, lehibe lavitra noho izay mety ho vitan’ny biby, izy ireo. Izy ireo dia ho afaka nidera an’Andriamanitra tamim-pahiratan-tsaina, noho ny toetrany mahatalanjona, sy ho afaka nanohana ny fiandrianany. Ho afaka nanohy nandray ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana sy hatsaram-panahy ihany koa izy ireo.

Izany fihavanana tamin’ny Mpamorona sy fankatoavana ny lalàny izany dia nitondra fahasambarana marina ho an’ireo ray aman-drenintsika voalohany. (Lioka 11:28). Tsy nantenaina ny hoe hanandranandrana nandritra ny taona maro i Adama sy i Eva, talohan’ny nahitan’izy ireo ny fanalahidin’ny fahasambarana. Sambatra izy ireo nanomboka tamin’ilay fotoana namoronana azy ireo. Nahatonga azy ireo ho sambatra ny fananana fihavanana tamin’Andriamanitra sy ny fanekena ny fahefany.

Nifarana anefa izany fahasambarana izany, tamin’ny fotoana tsy nankatoavan’izy ireo an’Andriamanitra. Tamin’ny fikomiany, i Adama sy i Eva dia nanapaka ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah. Tsy sakaizan’Andriamanitra intsony izy ireo. (Genesisy 3:17-19). Hita fa nanomboka tamin’ilay andro nandroahana azy ireo avy tao amin’ilay zaridaina, dia nanapaka ny fifandraisana rehetra tamin’izy ireo i Jehovah. Nanary ny fahatanterahany sy ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ary ny fonenany zaridaina, izy ireo. (Genesisy 3:23). Zava-dehibe kokoa anefa fa, noho izy ireo nanary ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, dia nariany koa ilay fanalahidin’ny fahasambarana.

Ny fahafahantsika hisafidy

Talohan’ny nahafatesany, i Adama sy i Eva dia namindra tamin’ny taranany, ireo toetra maha-olona ny olona, sy ny feon’ny fieritreretana voajanahary, ary ny fahaizana mifikitra amin’ny zavatra ara-panahy. Tsy nampietrena hitovy amin’ny biby ny fianakavian’olombelona. Azo ampihavanina amin’ny Mpamorona isika. (2 Korintiana 5:18). Amin’ny maha-zavaboary manan-tsaina azy, ny olombelona dia tsy mitsahatra manana ny fahefana hisafidy ny hankatò an’Andriamanitra na tsia. Hita izany, taonjato maro tatỳ aoriana, fony i Jehovah nanome an’ilay firenen’i Isiraely vao niforona, ny safidy ho an’ny fiainana na ny fahafatesana. Tamin’ny alalan’i Mosesy mpitondra teniny, dia nilaza toy izao Andriamanitra: “Efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza”. — Deoteronomia 30:15-18.

Na dia ankehitriny aza, an’arivony taona maro taorian’ny naha-very ilay Paradisa tany am-boalohany, isika olombelona dia mbola afaka foana manao ny safidy tsara. Manana ny feon’ny fieritreretana miasa sy ny fahaizana fototra mba hankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra isika. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “toetray anatiny” sy ny olona ao “anaty”. (2 Korintiana 4:16; Romana 7:22). Ireo fomba fiteny ireo dia mifandray amin’ny hery voajanahary ananantsika rehetra, mba hanome taratry ny toetran’Andriamanitra, hanana ny fomba fiheviny ary ho olona araka ny fanahy.

Mahakasika ny toetrantsika ara-pitondran-tena sy ny feon’ny fieritreretantsika, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza”. — Romana 2:14, 15.

Ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fankatoavana — Ilay fanalahidy

Mety hanontany anefa ny olona iray hoe: ‘Raha manana fironana voajanahary hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra isika rehetra, ary ho vokatr’izany dia hifaly amin’ny fahasambarana marina, nahoana no miely patrana aoka izany ny tsy fahasambarana?’ Izany no izy satria mba hahatonga ny tsirairay avy amintsika ho sambatra, dia tsy maintsy mitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. Na dia noforonina araka ny endrik’Andriamanitra aza ny olombelona tamin’ny voalohany, dia nanjary tafasaraka tamin’ny Mpamorona azy izy. (Efesiana 4:17, 18). Noho izany, ny tsirairay avy amintsika dia tsy maintsy manao dingana hentitra mba hanorina sy hihazona fifandraisana ara-panahy amin’Andriamanitra. Tsy hitombo amin’izao fotsiny izany fifandraisana izany.

Nanoritra foto-pitsipika roa lehibe mba hampitomboana ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy, i Jesosy. Ny iray dia ny fandraisana fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra, ary ny faharoa dia ny hanaiky amim-pankatoavana ny sitrapony. (Jaona 17:3). Tamin’ny fakana ny Tenin’Andriamanitra, dia nilaza toy izao i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’ ”. (Matio 4:4). Tamin’ny toe-javatra iray hafa dia nilaza toy izao izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Tsy voatery handany am-polony taona maro hanaovana andranandrana isika, mba hitadiavana fahasambarana. Tsy fanalahidin’ny fahasambarana ny fanaovana fanandramana. Ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Mpamorona antsika kosa, dia afaka mitarika ho amin’ny fifaliana marina eo amin’ny fiainana. — Salamo 19:7, 8; Mpitoriteny 12:13.

Mazava fa ny fahasambarana azo avy amin’ny fanehoana fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fananana laza tsara eo imason’Andriamanitra, dia tsy hoe tsy azontsika tratrarina akory. (Asan’ny Apostoly 17:26, 27). Azon’ny tsirairay raisina ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fikasany. Miaraka amin’ireo Baiboly an’arivony tapitrisa maro amin’ny fiteny maro be, dia mbola io boky io hatrany no voazara be indrindra maneran-tany. Afaka manampy anao ny Baiboly, mba hahatongavanao ho sakaizan’Andriamanitra sy hifaly amin’ny fahasambarana marina, satria milaza amintsika ny Soratra Masina fa “sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”. — Salamo 144:15.

[Efajoro, pejy 6]

Dingana ho Amin’ny Fahasambarana

1. Mankasitraka sy mamboly fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy. Nilaza i Jesosy hoe: “Sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” — Lioka 11:28.

2. Miaiky fa ny fankasitrahan’Andriamanitra dia zava-dehibe kokoa noho ny harena na ny haitraitra. Nanoratra i Paoly hoe: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. (...) Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — 1 Timoty 6:6-8.

3. Miezaka mafy mba hamboly sy hihaino feon’ny fieritreretana voataizan’ny Baiboly. — Romana 2:14, 15.

4. Manapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah Andriamanitra, ka amin’izany dia hahafeno fepetra ho anisan’ny vahoakany. Nanoratra toy izao i Davida fahiny: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15.

[Sary, pejy 7]

“Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. — Matio 5:3, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara