Mitandrema Tena Amin’ireo “Epikoreana”
“Olona tena tsara izy! Manaraka fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony izy. Sady tsy mifoka sigara no tsy mampiasa zava-mahadomelina no tsy miteny ratsy izy. Raha ny marina, dia tsara kokoa noho ny sasany izay milaza tena ho Kristiana izy!”
MOA ve ianao efa nandre olona sasany nampiasa izany fanjohian-kevitra izany, mba hanamarinana ny fananany naman-dratsy? Mbola marina ihany ve izany raha dinihina araka ny Soratra Masina? Manazava momba io raharaha io ny ohatra iray hita tao amin’ny kongregasiona kristiana iray tany am-boalohany.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia nampitandrina toy izao ny kongregasiona tany Korinto ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” Angamba ny Kristiana sasany nihazona fifaneraserana akaiky tamin’ny olona voataonan’ny filôzôfia grika, anisan’izany ny an’ireo Epikoreana. Iza moa ireo Epikoreana? Nahoana izy ireo no loza ara-panahy nandrahona ho an’ny Kristiana tany Korinto? Misy olona tahaka azy ireny ve amin’izao andro izao, dia olona izay tokony hitandremantsika tena? — 1 Korintiana 15:33.
Iza moa ireo Epikoreana?
Ireo Epikoreana dia ireo mpanara-dia an’i Épicure, filôzôfa grika, izay velona nanomboka tamin’ny 341 ka hatramin’ny 270 al.f.i. Nampianatra io filôzôfa io fa ny fahafinaretana no zava-tsoa tokana aman-tany eo amin’ny fiainana. Midika ve izany fa ireo Epikoreana dia nanana fiainana namoafady sy tsy nisy foto-pitsipika, nanaraka fanao ratsy teo amin’ny fanohizany nikatsaka fotoana nahafinaritra? Mahagaga fa tsy nampianatra an’ireo mpanara-dia azy hiaina tamin’izany fomba izany i Épicure! Nampianatra kosa izy fa ny fomba tsara indrindra ahazoana fahafinaretana dia ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny fahamalinana, sy herim-po, sy fifehezan-tena, ary ny rariny. Nampirisika ny hikatsahana ny fahafinaretana izay haharitra mandritra ny fiainana manontolo izy, fa tsy ny fahafinaretana eo no ho eo sy mihelina fotsiny. Araka izany, dia nety ho hita fa nanana hatsaran-toetra ireo Epikoreana raha nampitahaina tamin’ireo zatra nanao fahotana lehibe. — Ampitahao amin’ny Titosy 1:12.
Mitovy amin’ny Kristianisma ve?
Raha toa ka mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto tany am-boalohany ianao, moa ve ianao ho voasinton’ireo Epikoreana? Nety ho nanjohy hevitra ny sasany fa ireo toa fitsipika ambony narahin’ny Epikoreana dia nahatonga azy ireo ho olona azon’ny Kristiana nifaneraserana tsara. Rehefa lasa lavitra kokoa ny fanjohian-kevitr’ireo Korintiana dia nety ho nahamarika toa fitoviana teo amin’ny fari-pitsipika epikoreana sy ny an’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.
Ohatra, ny Epikoreana dia nampiasa fahalalana onony teo amin’ny fikatsahany fahafinaretana. Noheveriny ho zava-dehibe nihoatra noho ny fahafinaretan’ny nofo ny fahafinaretan’ny saina. Izay zavatra nohanin’ny olona iray dia tsy zava-dehibe noho ny fifandraisany tamin’ilay olona niara-nisakafo taminy. Nitan-tena mihitsy mba tsy hiditra tamin’ny politika sy ny fanaovan-dratsy miafina aza ny Epikoreana. Nety ho mora erỳ ny nihevitra hoe: “Tena mitovy be amintsika izy ireo!”
Kanefa, tena nitovy marina tamin’ny Kristiana tany am-boalohany ve ny Epikoreana? Tsy izany velively. Ireo nanana fahaiza-mahataka-javatra voaofana araka ny tokony ho izy, dia afaka nahita fahasamihafana lehibe. (Hebreo 5:14). Ary ianao? Andeha isika hijery akaiky kokoa ireo fampianaran’i Épicure.
Ny lafy ratsin’ny filôzôfian’i Épicure
Mba hanampiana ny olona handresy ny tahotra an’ireo andriamanitra sy ny fahafatesana, dia nampianatra i Épicure fa tsy liana amin’ny olombelona ireo andriamanitra, sady tsy misalovana amin’ny raharahan’ny olombelona. Araka an’i Épicure, dia tsy namorona izao rehetra izao ireo andriamanitra, ary nisy noho ny kisendrasendra ny fiainana. Moa ve izany tsy mifanipaka tsotra izao amin’ny fampianaran’ny Baiboly hoe misy “Andriamanitra iray”, dia ny Mpamorona, izay miahy ireo zavaboariny olombelona? — 1 Korintiana 8:6; Efesiana 4:6; 1 Petera 5:6, 7.
Nampianatra koa i Épicure fa tsy mety hisy fiainana aorian’ny fahafatesana. Mazava ho azy, fa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty izany. Raha ny marina, rehefa niteny tao amin’ny Areopago ny apostoly Paoly, dia azo inoana fa anisan’ireo tsy niray hevitra taminy ny amin’ny foto-pinoana momba ny fitsanganana amin’ny maty ny Epikoreana. — Asan’ny Apostoly 17:18, 31, 32; 1 Korintiana 15:12-14.
Mety ho faran’izay misoko mangina koa ilay zavatra mampidi-doza indrindra amin’ny filôzôfian’i Épicure. Ny fandavany ny fiainana any ankoatra dia nitarika azy hanatsoaka hevitra fa ny olona dia tokony hiaina amim-pahasambarana araka izay azo atao, mandritra ny fotoana fohy ananany eto an-tany. Araka ny efa hitantsika, ny hevitr’i Épicure dia tsy voatery hoe hiaina ao anatin’ny ota ny olona, fa hankafy ny ankehitriny kosa, satria tsy manana afa-tsy ny ankehitriny isika.
Araka izany, i Épicure dia tsy nampirisika ny fanaovan-dratsy miafina mba hanalavirana ny tahotra sao ho tratra. Azo antoka fa fandrahonana ho an’ny fahasambarana ankehitriny mantsy izany. Nampirisihany ny hananana fahalalana onony mba hisorohana ireo voka-dratsin’ny fanaranam-po, izay vato misakana ny fahasambarana ankehitriny koa. Nampirisihany koa ny hananana fifandraisana tsara amin’ny hafa satria mahasoa ny zavatra asetrin’izy ireo izany. Mazava ho azy fa tsy misy maha-ratsy azy ny fanalavirana ny fanaovan-dratsy miafina, sy ny fahazarana mahalala onony, ary ny fitadiavana fisakaizana. Koa nahoana àry no nampidi-doza ho an’ny Kristiana ny filôzôfian’i Épicure? Satria ny toroheviny dia niorina tamin’ny fomba fijeriny tsy nisy finoana hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. — 1 Korintiana 15:32.
Marina fa ny Baiboly dia mampiseho amin’ny olona ny fomba hiainana amim-pahasambarana dieny izao. Kanefa, manoro hevitra toy izao izy: “Tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 21). Eny, ny Baiboly dia manantitrantitra bebe kokoa ny amin’ny hoavy mandrakizay, fa tsy ny amin’ny ankehitriny mihelina ihany. Ho an’ny Kristiana dia ny fanompoana an’Andriamanitra no zavatra mahaliana azy indrindra, ary hitany fa rehefa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany izy, dia sambatra sy afa-po. Toy izany koa, i Jesosy dia tsy nanjary revo tamin’ireo zavatra nahaliana ny tenany manokana, fa nandany ny heriny tamin’ny fanompoana an’i Jehovah sy ny fanampiana olona, tamin’ny fomba tsy nisy fitiavan-tena. Nampianariny ny mpianany mba hanao soa amin’ny hafa, tsy hoe noho ny fanantenan-javatra ho setrin’izany, fa noho ny fitiavana marina azy ireny kosa. Mazava fa samy hafa tanteraka ny antony manosika fototra eo amin’ny filôzôfian’i Épicure sy ny Kristianisma. — Marka 12:28-31; Lioka 6:32-36; Galatiana 5:14; Filipiana 2:2-4.
Loza iray misoko mangina
Mahatsikaiky fa na dia nanantitrantitra aoka izany ny amin’ny fahasambarana aza ny Epikoreana, dia fahasambarana voafetra ihany ny azy ireo, raha be indrindra. Noho i Épicure tsy nanana “ny fifaliana avy amin’i Jehovah”, dia nantsoiny hoe “fanomezana mampijaly” ny fiainana. (Nehemia 8:10). Tena sambatra mihitsy ny Kristiana tany am-boalohany, raha oharina amin’izany! Tsy nanoro hevitra ny amin’ny fiainana tsy sambatra feno fampihafian-tena, i Jesosy. Raha ny marina, ny fanarahana ny lalam-pitondran-tenany no lalana mitarika ho amin’ny fahasambarana lehibe indrindra. — Matio 5:3-12.
Raha nisy mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto nihevitra fa afaka nifanerasera tamin’ireo olona voataonan’ny fisainan’i Épicure izy ireo, kanefa tsy ho nampidi-doza ny finoany izany, dia diso hevitra izy ireo. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, dia efa namoy sahady ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty ny sasany taminy. — 1 Korintiana 15:12-19.
Filôzôfian’i Épicure amin’izao andro izao ve?
Na dia nanjavona tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. aza ny filôzôfian’i Épicure, dia misy, amin’izao fotoana izao, ireo manaraka fomba fihevitra mitovy amin’ny azy, dia ny hoe ‘ny anio ihany’. Mino kely na tsy mino mihitsy ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ireny olona ireny. Kanefa, manana fari-pitsipika ara-pitondran-tena somary ambony ihany ny sasany aminy.
Ny Kristiana iray dia mety halaim-panahy hamatotra fifandraisana akaiky amin’ny olona toy izany, angamba amin’ny fieritreretana fa manamarina ilay fisakaizana ny toetra mihajan’ilay olona. Kanefa, na dia tsy manambony tena aza isika, dia tsy maintsy mitadidy ao an-tsaina fa ny “fikambanana amin’ny ratsy” rehetra — anisan’izany ireo manana fitaomana misoko mangina kokoa — dia “manimba ny fitondran-tena tsara”.
Indraindray ny filôzôfian’ny hoe ‘ny anio ihany’, dia mipoitra koa any amin’ireo seminera sasany momba ny fandraharahana, ao amin’ireo boky ampianaran-tena, tantara noforonina, sary mihetsika, sy fandaharan’ny televiziona ary mozika. Na dia tsy mampandroso mivantana fitondran-tena feno ota aza io fomba fijery zavatra tsy misy finoana io, moa ve afaka ny hisy heriny an-kolaka eo amintsika izy io? Ohatra, moa ve isika mety hanjary ho revo aoka izany amin’ny fanomezana fahafaham-po ny tenantsika, hany ka hadinointsika ilay raharaha momba ny fiandrianan’i Jehovah? Mety ho voavily lalana hampihena ny fanompoantsika ve isika, fa tsy ‘hahefa be amin’ny asan’ny Tompo’? Sa isika mety ho voafitaka ka hisalasala ny amin’ny hoe marina sady mahasoa ireo fari-pitsipik’i Jehovah? Sady mila mitandrina ny amin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra ary ny spiritisma mibaribary isika no mila mitandrina ny amin’ireo olona voataonan’ny fomba fihevitr’izao tontolo izao koa! — 1 Korintiana 15:58; Kolosiana 2:8.
Noho izany, dia aoka isika hitady fifaneraserana amin’ireo izay manaraka amin’ny fo manontolo ny tari-dalan’i Jehovah, voalohany indrindra. (Isaia 48:17). Ho vokatr’izany dia hihamatanjaka ireo fahazarantsika mahasoa. Hihamatanjaka ny finoantsika. Hiaina amim-pahasambarana isika, tsy dieny izao ihany, fa amin’ny hoavy, amin’ny fiainana mandrakizay andrandraintsika koa. — Salamo 26:4, 5; Ohabolana 13:20.
[Sary, pejy 24]
Nampianatra i Épicure fa tsy liana ny amin’ny olombelona ireo andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The British Museum