Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Ohatra Iray Mampiseho Fahafoizan-tena sy Tsy Fivadihana
HO AN’NY tantsaha tanora iray, nantsoina hoe Elisa, dia niova ho ny andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainany ny andro iray izay teo am-boalohany dia andro nahazatra famadihany bainga. Raha teo am-piasana tany an-tsaha i Elisa, dia nahazo fitsidihana tsy nampoizina avy tamin’i Elia, mpaminany lehibe indrindran’ny Isiraely, izy. ‘Hataony inona àry aho?’, hoy angamba i Elisa nanontany tena. Tsy voatery niandry ela izy mba hahazoana valiny. Nanipy ny akanjony ofisialy hanarona an’i Elisa i Elia, ka nampiseho tamin’izany fa ho mpandimby azy i Elisa indray andro any. Tsy nohamaivanin’i Elisa io fanendrena io. Avy hatrany dia nilaozany ny sahany mba hahatongavana ho mpanompon’i Elia. — 1 Mpanjaka 19:19-21.
Enin-taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia tonga ny fotoana hialan’i Elia. Nantsoina hoe “iray amin’ireo fitantarana manaitra ny saina indrindra” ao amin’ny Soratra Hebreo, ny fitantarana ny fiaingany.
Miomana ny hiainga i Elia
Naniry hitsidika farany an’i Betela sy i Jeriko ary i Jordana, i Elia. Hahafaoka kilaometatra maro hanaovana dia an-tongotra izany, ka ny ampahany dia hamakivakiana faritra be tendrombohitra mikitoantoana. Tamin’ny ampahany tsirairay tamin’ilay dia lavitra, dia nampirisihin’i Elia mba hijanona i Elisa. Nikiry hiaraka tamin’ny tompony hatramin’ny farany anefa i Elisa. — 2 Mpanjaka 2:1, 2, 4, 6.
Tao Betela sy Jeriko, dia nanatona an’i Elisa “ireo zanaky ny mpaminany”.a “Fantatrao va fa anio no hangalan’i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao?”, hoy izy ireo nanontany azy. “Eny, fantatro ihany koa izany”, hoy izy namaly, “fa mangìna hianareo.” — 2 Mpanjaka 2:3, 5.
Avy eo dia niainga ho any amin’ny Ony Jordana i Elia sy i Elisa. Rehefa tonga teo Jordana izy ireo, dia nanao fahagagana iray i Elia, raha mbola nitazana teny lavitra teny ireo zanaka mpaminany 50 teo ho eo. ‘Nandray ny kapaotiny i Elia ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ny tany maina izy roa lahy.’ — 2 Mpanjaka 2:8.
Rehefa tafita izy ireo, dia hoy i Elia tamin’i Elisa: “Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho.” Nangataka “anjaran-droa” tamin’ny fanahin’i Elia i Elisa — izany hoe ilay anjara avo roa heny izay zo ara-dalàna ananan’ny lahimatoa. Eny tokoa, nanaja an’i Elia tahaka izay ho nanajan’ny lahimatoa ny rainy, i Elisa. Ankoatra izany, dia voahosotra ho tonga mpandimby an’i Elia amin’ny maha-mpaminanin’i Jehovah teo amin’ny Isiraely izy. Koa sady tsy nampiseho fitiavan-tena no tsy hoe tsy nety akory ny fangatahany. Na dia izany aza, noho ny fahafantarany fa i Jehovah irery ihany no afaka hahatò io fangatahana io, dia namaly tamim-panetren-tena toy izao i Elia: “Sarotra ny nangatahinao”. Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Raha mahita ahy misaraka aminao hianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.” — 2 Mpanjaka 2:9, 10; Deoteronomia 21:17.
Tsy isalasalana fa tapa-kevitra mbola tsy nisy toy izany ny hifikitra akaiky tamin’ny tompony i Elisa. Avy eo dia nisy “kalesy afo sy soavaly afo” niseho. Teo anoloan’ny mason’i Elisa talanjona indrindra no nipaohan’ny tafio-drivotra an’i Elia — nafindra tany an-toeran-kafa tamin’ny fomba mahagaga.b Noraisin’i Elisa ny akanjo ofisialin’i Elia, dia niverina tany amoron’ny Ony Jordana izy. Nokapohiny ny rano dia hoy izy: “Aiza Jehovah, Andriamanitr’i Elia?” Nisaraka ny rano, ka nanome porofo mazava tamin’izany fa nanana ny fanohanan’Andriamanitra tamin’ny naha-mpandimby an’i Elia azy, i Elisa. — 2 Mpanjaka 2:11-14.
Fianarana ho antsika
Rehefa notolorana ny fanasana ho amin’ny fanompoana manokana niaraka tamin’i Elia i Elisa, dia nandao ny sahany avy hatrany izy mba hanompo an’io mpaminany lehibe indrindran’ny Isiraely io. Mazava ho azy fa ambany ireo andraikiny sasany, satria nanjary fantatra ho ilay “mpanondra-drano ny tànan’i Elia” izy.c (2 Mpanjaka 3:11). Na dia izany aza, dia noheverin’i Elisa ho tombontsoa ny asany, ka nifikitra tamim-panehoana tsy fivadihana teo anilan’i Elia izy.
Mpanompon’Andriamanitra maro amin’izao andro izao no mampiseho toe-tsaina feno fahafoizan-tena mitovy amin’izany. Ny sasany nandao ny ‘taniny’, ny asa fivelomany, mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny faritany lavitra, na mba hanompoana amin’ny maha-mpianakavin’ny Betela. Ny hafa nanao dia lavitra nankany an-tany hafa mba hiasa amin’ny tetik’asa fanorenan’ny Fikambanana. Maro no nanaiky izay mety hoheverina ho asa ambany. Kanefa, tsy misy na iza na iza manompo an’i Jehovah ka hoe manao fanompoana tsy misy vidiny. I Jehovah dia mankasitraka izay rehetra manompo azy amim-pahavononana, ary hitahy ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena asehon’izy ireo. — Marka 10:29, 30.
Nifikitra tamin’i Elia hatramin’ny farany, i Elisa. Tsy nety nandao an’ilay mpaminany zokiolona izy, na dia nomena fahafahana hanao izany aza. Tsy isalasalana fa ny fifandraisana akaiky nananany tamin’i Elia dia nahatonga an’io fitiavana naneho tsy fivadihana io ho fifaliana. Amin’izao andro izao, ireo mpanompon’Andriamanitra dia miezaka fatratra hanamafy ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy hifandray akaiky kokoa amin’ireo mpiray finoana aminy. Hotahina ny fifamatorana amim-piraisan-tsaina mafy, satria milaza toy izao ny amin’i Jehovah ny Baiboly: “Amin’ny olona tsy mivadika no hanaovanao zavatra amim-panehoana tsy fivadihana.” — 2 Samoela 22:26, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “zanaky ny mpaminany” dia mety hanondro sekoly iray ho an’ireo voantso amin’izany asa izany, na koa fikambanan’ny mpaminany miara-miasa fotsiny.
b Ny hafatr’i Elia ho an’i Jehorama, Mpanjakan’ny Joda, dia nosoratana taona maromaro tatỳ aoriana. — 2 Tantara 21:12-15.
c Fanao nahazatra ny mpanompo ny nandrotsaka rano tamin’ny tanan’ny tompony mba hisasany, indrindra fa taorian’ny sakafo. Io fanao io dia nitovy tamin’ny fanasan-tongotra, izay asa nampiseho fahaiza-mandray vahiny sy fanajana, ary nampiseho fanetren-tena teo amin’ny fifandraisana sasany. — Genesisy 24:31, 32; Jaona 13:5.