FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/12 p. 29-31
  • Ratsy ve ny Fitarainana Rehetra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ratsy ve ny Fitarainana Rehetra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voka-dratsiny eo amin’ny tena sy ny hafa
  • Melohina avokoa ve ny fitarainana rehetra?
  • Ny kongregasiona kristiana
  • Ataovy amin’ilay fahefana tokony ho izy
  • Ny Antony Tsy Maha-sambatra ny Toe-piainana Misy ny Mpitaraina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nahoana Isika no Tsy Tokony ho Be Taraina?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitandrema mba Tsy Himonomonona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Manompoa Hatrany Amin’ny Firaisan-kina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/12 p. 29-31

Ratsy ve ny Fitarainana Rehetra?

Misy fanorisorena mampanaintaina kokoa noho ireo izay tsy azontsika itarainana ve? — Marquis De Custine, 1790-1857.

NANDRITRA ny roa taona izy dia niaritra fanadalana momba ny lahy sy ny vavy avy tamin’ny mpiara-miasa iray. Teny henjana sy tsy firaharahana no nasetry ny fanoherana nataony. Nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamany ny fihenjanana nokobonina, kanefa inona no azony natao? Nitovy tamin’izany koa, fa noroahina ny mpianatra iray izay voalohany tao amin’ny kilasiny, satria ny feon’ny fieritreretany tsy namela azy handray anjara tamin’ny fanazaran-tena amin’ny arts martiaux, izay notakin’ny sekoly. Samy nahatsiaro ho nentina tsy ara-drariny izy ireo, kanefa tokony hitaraina ve izy ireo? Raha izany no izy, afaka manantena fanamaivanana ve izy ireo, sa vao mainka hanaratsy ny toe-javatra kosa izany?

Fahita amin’izao andro izao ny fitarainana tahaka ireo sy ny hafa koa, noho isika miara-miaina amin’olona tsy lavorary eo amin’ny tontolo iray tsy tonga lafatra. Ny fitarainana dia mahafaoka fanehoana fotsiny tsy fifaliana, alahelo, fanaintainana na fahatezerana ny amin’ny tarehin-javatra iray, ka hatramin’ny fametraham-pitoriana olona iray. Tian’ny ankamaroan’ny olona kokoa ny manalavitra ny fitarainana sy ny fifanatrehana; kanefa, tsy maintsy mangina foana ve ny tena? Ahoana no fomba fihevitry ny Baiboly?

Voka-dratsiny eo amin’ny tena sy ny hafa

Tsy isalasalana fa ny toe-tsaina tia mitarain-dava dia manimba sady melohin’ny Baiboly. Hitondra fahavoazana ara-batana sy ara-panahy ho an’ny tenany ny mpitaraina iray ary hampahasosotra an’ireo izay mahatonga azy hitaraina. Rehefa niresaka momba ny vady iray mpitaraina ny ohabolana ara-baiboly, dia hoy izy: “Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be ny vehivavy tia ady.” (Ohabolana 27:15). Ny fitarainana momba an’i Jehovah na ny iray amin’ireo fandaharana noraisiny dia melohina indrindra. Fony nitaraina momba ny mana nomena tamin’ny fomba mahagaga nandritra ny diany 40 taona tany an’efitra ny firenen’ny Isiraely, ka niantso azy io hoe “itony mofomofo foana itony”, dia nandefa bibilava misy poizina hanafay ireo mpitaraina i Jehovah, ary maro taminy no maty. — Nomery 21:5, 6.

Ankoatra izany, dia nanoro hevitra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba tsy hitaraina momba ireo fahadisoana izay toy ny “sombin-kazo” hita eo amin’ireo mpiara-belona amintsika, fa mba hahafantatra tsara kosa ireo kileman-toetra izay toy ny “andry” lehibe eo amin’ny tenantsika. (Matio 7:1-5). Mitovy amin’izany koa, fa nanameloka ny fitsarana (endrika iray amin’ny fitarainana) olon-kafa ho “tsy azo alan-tsiny” i Paoly, “satria ianao izay mitsara dia mba manao zavatra mitovy amin’izany koa”. Ireny fampitandremana momba ny fitarainana ireny dia tokony hanosika antsika hanalavitra ny fanakianana tsy amin’ny antony sy ny fambolena toe-tsaina tia mitaraina. — Romana 2:1, NW.

Melohina avokoa ve ny fitarainana rehetra?

Tokony hanatsoaka hevitra ve isika fa melohina avokoa, araka izany, ny endriky ny fitarainana rehetra? Tsia, tsy tokony hanao izany isika. Mampiseho ny Baiboly fa misy tsy rariny be dia be eo amin’izao tontolo izao misy tsininy iainantsika, izay mitaky fanitsiana araka ny tokony ho izy. Tao amin’ny fanoharana iray, i Jesosy dia niresaka momba ny mpitsara tsy marina iray izay nanome rariny tsy satry ny vehivavy mpitondratena nampahorina iray “fandrao ho avy mandra-kariva izy ka hampahasosotra [azy]”. (Lioka 18:1-8). Amin’ny lafiny sasany, isika koa dia mety ho voatery hikiry amin’ny fitarainantsika mandra-panitsy ireo tsy rariny.

Tamin’ny fampirisihana antsika hivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, moa ve i Jesosy tsy nangataka antsika mba hiaiky ny amin’ny tsy fahalavorarian’izao tontolo izao ankehitriny ka ‘hitaraina’ amin’Andriamanitra mba hitondrany ny fanafodiny? (Matio 6:10). Rehefa tonga hatrany am-poto-tsofin’i Jehovah ‘ny fitarainana’ momba ny haratsiam-pitondran-tenan’i Sodoma sy i Gomora fahiny, dia naniraka ireo mpitondra hafany izy mba “hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy [ireo] araka ny fitarainan’ny tany”, ka hitondra ny fanafodiny. (Genesisy 18:20, 21). Nahita fanamaivanana ireo izay nitaraina taminy, rehefa nanitsy ny tarehin-javatra i Jehovah taorian’izany, tamin’ny fandringanana ireo tanàna roa ireo sy ireo mponiny naloto fitondran-tena.

Ny kongregasiona kristiana

Tokony ho hafa noho izany ve eo amin’ireo rahalahy ao anatin’ny kongregasiona kristiana? Na dia lehilahy sy vehivavy tsy lavorary aza ny Kristiana, dia miezaka amim-pitandremana izy ireo hanompo an’Andriamanitra amim-pilaminana sy amim-piraisan-tsaina. Na dia izany aza, dia hisy tarehin-javatra hipoitra eo aminy izay hahatonga fitarainana sasany ary hitaky fanafodiny. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy tarehin-javatra nipoitra tao amin’ny kongregasionan’ireo voahosotra, fotoana fohy taorian’ny Pentekosta. Maro tamin’ireo vao niova ho Kristiana no nijanona tao Jerosalema mba hahazo fampianarana sy fampaherezana fanampiny. Nisy fizarana tahirin-tsakafo azo noraisina tamin’izay. Kanefa, dia “nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany”. Tsy nanameloka ireo nitaraina ireo ho mpanakorontana ireo apostoly, fa nanao zavatra kosa mba hanitsiana ilay tarehin-javatra. Eny, ny fitarainana ara-drariny atao amim-panajana mety ary amin’ny toe-tsaina tsara dia hohenoina amim-panetren-tena ka hanao zavatra araka izany ireo izay manana fiandraiketana ao amin’ny kongregasiona. — Asan’ny Apostoly 6:1-6; 1 Petera 5:3.

Ataovy amin’ilay fahefana tokony ho izy

Nomarihinao tamin’ireo ohatra tetsy ambony ve fa tokony hatao amin’ny toe-tsaina tsara sy amin’ny fahefana tokony ho izy ny fitarainana? Ohatra, tsy hisy vokany ny hitarainana amin’ny polisy momba ny hetra mavesatra na ny hitarainana amin’ny mpitsara iray momba ny tsy metimety amin’ny fahasalaman’ny tena. Koa tsy hety toy izany koa àry ny hitarainana momba ny tarehin-javatra iray na ao anatiny na any ivelan’ny kongregasiona amin’ny olona iray izay tsy manana fahefana na fahaizana mba hanampy.

Any amin’ny ankamaroan’ny tany ankehitriny, dia misy fitsarana sy fahefana mety hafa izay azo itarainana mba hahazoana fanamaivanana. Rehefa nitondra ny fitarainany teo anatrehan’ny fitsarana ilay mpianatra voalaza teo am-piandohan’itỳ lahatsoratra itỳ, dia namoaka didim-pitsarana nanohana azy ny mpitsara, ka noraisin’ilay sekoly izy no sady notolorany fialan-tsiny. Mitovy amin’izany koa, ilay vehivavy mpiasa nadalaina momba ny lahy sy vavy dia nahita fanamaivanana tamin’ny alalan’ny fikambanam-behivavy miaro ny tombontsoan’ny mpiasa. Nahazo fialan-tsiny avy tamin’ireo mpitantana ilay sekoly niasany izy. Nanao zavatra ireo mpampiasa azy mba hampitsaharana ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy.

Tsy tokony hantenaina anefa fa hiafara toy izany daholo ny fitarainana rehetra. Nanamarika toy izao tamim-pahalalana ny zava-misy i Solomona Mpanjaka hendry: “Ny meloka tsy mety tonga mahitsy”. (Mpitoriteny 1:15). Tsara indrindra ny hanekentsika fa ny raharaha sasany dia tsy maintsy miandry fotsiny ny hanitsian’Andriamanitra azy amin’ny fotoanany.

[Sary, pejy 31]

Mihaino sy manao zavatra momba ireo fitarainana ara-drariny ny loholona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara