FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/12 p. 4-7
  • Ny Niandohan’ny Krismasy Maoderina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Niandohan’ny Krismasy Maoderina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ratsy fototra
  • Nampidirina ny fanimbana
  • Fety iraisam-pirenena
  • Fanomezana endrika vaovao ny Krismasy
  • “Tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana”
  • Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny noely — Nahoana izy io no malaza aoka izany any Japana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny Krismasy — Nahoana no Ankalazaina na dia any Atsinanana Aza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/12 p. 4-7

Ny Niandohan’ny Krismasy Maoderina

HO AN’NY olona an-tapitrisany maro maneran-tany, dia fotoana tena mahafaly amin’ny taona ny Krismasy. Izany dia fotoan’ny hanim-pito loha, fotoan’ireo fomba tsy tontan’ny ela, ary fotoana iarahan’ny mpianakavy. Fotoana itiavan’ny havana aman-tsakaiza mifanolotra cartes sy fanomezana koa, ny fetin’ny Krismasy.

Vao 150 taona lasa anefa izay, dia fety hafa dia hafa ny Krismasy. Nanoratra toy izao i Stephen Nissenbaum, profesora momba ny tantara, ao amin’ilay bokiny hoe The Battle for Christmas: “Fotoan’ny fibobohan-toaka ny Krismasy (...), rehefa nariana vetivety ireo fitsipika nifehy ny fitondran-tenan’ny olona teny imasom-bahoaka ka nosoloana ‘karnavaly’ tsy voafehy, karazana Mardi Gras tamin’ny Desambra.”

Mety hampikorontan-tsaina an’ireo manaja fatratra ny Krismasy, io filazalazana io. Nahoana no nisy olona nanazimba fety iray izay lazaina fa mampahatsiaro ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra? Mety hanaitra anao ny valin’izany.

Ratsy fototra

Hatramin’ny niandohany tamin’ny taonjato fahefatra, dia efa saron’ny ady hevitra ny Krismasy. Teo, ohatra, ilay resaka momba ny andro nahaterahan’i Jesosy. Koa satria tsy faritan’ny Baiboly na ny andro na ny volana nahaterahan’i Kristy, dia nisy daty maro samy hafa naroso. Tamin’ny taonjato fahatelo, dia nisy antokona teôlôjiana egyptiana nanao azy io tamin’ny 20 May, kanefa naleon’ny hafa daty aloha kokoa, toy ny 28 Martsa, 2 Aprily, na 19 Aprily. Tamin’ny taonjato faha-18, dia nampifandraisina tamin’ny volana rehetra tamin’ny taona ny nahaterahan’i Jesosy! Ahoana àry no nifidianana ny 25 Desambra, tamin’ny farany?

Miombon-kevitra ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana fa notendren’ny Eglizy Katolika ho andro nahaterahan’i Jesosy ny 25 Desambra. Nahoana? “Ny azo inoana indrindra fa antony”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica, “dia hoe nirin’ireo Kristiana tany am-boalohany ny hampifanitsy an’ilay daty tamin’ilay fetin’ny mpanompo sampy romana izay nanamarihana ny ‘andro nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy’.” Fa nahoana no nalaky nilefitra teo anoloan’ny mpanenjika azy ny Kristiana izay nenjehin’ny mpanompo sampy tamin-kalozana nandritra ny taonjato roa sy tapany mahery?

Nampidirina ny fanimbana

Tamin’ny taonjato voalohany, ny apostoly Paoly dia nampitandrina an’i Timoty fa hisy “ratsy fanahy sy mpisoloky” hitsofoka tsimoramora ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ka hamitaka ny maro. (2 Timoty 3:13, NW ). Nanomboka taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly io fivadiham-pinoana lehibe io. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30). Taorian’ilay nolazaina fa fiovam-pinoan’i Constantin tamin’ny taonjato fahefatra, dia mpanompo sampy maro be no nirohotra tany amin’ilay endriky ny Kristianisma nahazo vahana tamin’izany fotoana izany. Inona no vokatr’izany? Hoy ilay boky hoe Early Christianity and Paganism: “Difotra tao anatin’ilay vahoaka sesehena nisy ireo nilaza tena ho Kristiana, ilay antokon’olona somary vitsy, nisy ireo mpino tena tso-po.”

Tena marina mihitsy ny tenin’i Paoly! Toy ny hoe natelin’ny fanimban’ny mpanompo sampy ny Kristianisma marina. Ary tsy nisy toerana nahitana miharihary kokoa io fandotoana io toy ny tao amin’ny fankalazana fety.

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo, raha ny marina, no hany fankalazana nandidiana ny Kristiana hotandremany. (1 Korintiana 11:23-26). Noho ireo fanaon’ny mpanompo sampy nampiarahina tamin’ny andro firavoravoana romana, dia tsy nandray anjara tamin’izy ireny ny Kristiana tany am-boalohany. Noho io antony io no nahatonga ireo mpanompo sampy tamin’ny taonjato fahatelo hanome tsiny ny Kristiana ka hilaza hoe: “Tsy mitsidika ireo fampirantiana ianareo; tsy miraharaha ireo fampisehoana natao ho an’ny besinimaro ianareo; lavinareo ireo fanasana ho an’ny besinimaro, ary halanareo ireo fifaninanana masina.” Nirehareha toy izao kosa ireo mpanompo sampy, tetsy an-danin’izany: “Izahay manolotra fanompoam-pivavahana amin’ireo andriamanitra amim-paharavoana, amin’ny fanasam-be, amin’ny hira sy lalao.”

Nanjary nangina izany menomenona izany teo antenatenan’ny taonjato fahefatra. Ahoana no nahatonga izany? Nitombo ireo hevitra mampiseho fivadiham-pinoana, arakaraka ny naha-maro kokoa hatrany an’ireo Kristiana sandoka nitsofoka tsimoramora tao amin’ny antokon’ireo mpino. Nitarika ho amin’ny fanekena lembenana ny tontolo romana izany. Raha nanazava izany ilay boky hoe The Paganism in Our Christianity, dia nilaza hoe: “Tetika maty paika nataon’ny Kristiana ny hoe alaina ireo fetin’ny mpanompo sampy izay nanjary tian’ny olona noho ny lovantsofina, dia omena heviny kristiana.” Eny, nisy voka-dratsiny ilay fivadiham-pinoana lehibe. Vonona handray ireo fankalazan’ny mpanompo sampy ireo nolazaina fa Kristiana ka somary nekena teo anivon’ny fiaraha-monina izy ireo, noho izany. Tsy ela, dia nanjary nanana andro firavoravoana isan-taona maro toy ny an’ireo mpanompo sampy, ny Kristiana. Tsy mahagaga raha loha laharana tamin’izany ny Krismasy.

Fety iraisam-pirenena

Raha nihanaka nanerana an’i Eoropa ilay endriky ny Kristianisma nahazo vahana, dia niely niaraka tamin’izy io koa ny Krismasy. Noraisin’ny Eglizy Katolika ilay fomba fiheverana hoe tsara raha avela hitohy ny fety mahafaly iray ho fanomezam-boninahitra ny andro nahaterahan’i Jesosy. Mifanaraka amin’izany, ny Konsilin’i Tours, tamin’ny 567 am.f.i., dia “nanambara fa fotoana masina sy fanaovana fety ireo 12 andro manomboka amin’ny Krismasy ka hatramin’ny Epifania”. — The Catholic Encyclopedia for School and Home.

Tsy ela ny Krismasy dia naka endriny maro avy amin’ireo andro firavoravoana tsy ara-pivavahana, izay fanao tamin’ny fotoam-pijinjana tany amin’ny tapany avaratra amin’i Eoropa. Nitoetra ho fahita kokoa noho ny fitiavam-pivavahana ny fikoranana amin’ny fety, satria nanaram-po tamin’ny fihinanana sy ny fisotroana tafahoatra ireo mpiliba. Tsy sahy nanohitra ilay fitondran-tena tsy voafehy ny eglizy, fa nankasitraka izany kosa. (Ampitahao amin’ny Romana 13:13; 1 Petera 4:3.) Tamin’ny 601 am.f.i., dia nanoratra tany amin’i Mellitus, misionerany tany Angletera, ny Papa Grégoire I, ka nilaza taminy “mba tsy hampitsahatra izany lanonan’ny mpanompo sampy fahiny izany, fa mba hampifanaraka azy ireny kosa amin’ireo fombafomban’ny Eglizy, ka ny antony nanaovana azy fotsiny no ovana ho kristiana fa tsy avy tamin’ny mpanompo sampy intsony”. Izany no tatitra nataon’i Arthur Weigall, izay taloha dia manamboninahitra mpanadihady ny rakitry ny ela, tao amin’ny fitondrana egyptiana.

Tsapan’ireo olona tia fanovana, nandritra ny Moyen Âge, fa nilaina ny fahasahiana hanohitra ny filibana toy izany. Namoaka didy maro nanohitra “ny fampiasana tamin’ny fomba ratsy ny fikoranana tamin’ny Krismasy”, izy ireo. Hoy ny Pr. Penne Restad, ao amin’ilay bokiny hoe Christmas in America—A History: “Nanantitrantitra ny klerjy sasany fa nila fotoana hanaranam-po tanteraka sy hilibana ny olombelona mpanota, raha mbola teo ambany fanaraha-maso kristiana koa no nanaovana izany.” Vao mainka izany nanampy trotraka ny fisafotofotoana. Tsy nampiova zavatra firy anefa izany satria efa nifangaro tanteraka tamin’ny Krismasy ireo fomba amam-panaon’ny mpanompo sampy, hany ka tsy vonona ny hamoy izany ny ankamaroan’ny olona. Nilaza izany toy izao ilay mpanoratra atao hoe Tristram Coffin: “Ny olona tamin’ny ankapobeny [dia] tsy nanao afa-tsy izay efa [n]ataony hatramin’izay ihany, ary tsy niraharaha firy izay ady hevitr’ireo mpanorina fitsipi-pitondran-tena.”

Efa fety be mpahalala ny Krismasy tamin’ny fotoana nanombohan’ireo Eoropeana niorim-ponenana tany Amerika. Na dia izany aza, dia tsy nankasitrahan’ireo zanatany ny Krismasy. Nihevitra ireo Puritains mpanao fanavaozana fa an’ny mpanompo sampy ilay fankalazana, ka nandrara azy io tao Massachusetts, izy ireo, teo anelanelan’ny 1659 sy 1681.

Taorian’ny nanesorana ilay fandrarana, dia nitombo nanerana ireo zanatany ny fankalazana ny Krismasy, indrindra fa tany atsimon’i Nouvelle-Angleterre. Noho ny tantaran’ilay fety tamin’ny lasa anefa, dia tsy mahagaga raha nisy niahy kokoa ny hampifalifaly ny tenany, fa tsy ny hanome voninahitra ny Zanak’Andriamanitra. Fomba fanao iray tamin’ny Krismasy, izay nanakorontana indrindra, ny fibobohan-toaka narahin-tabataba. Niditra ny tranon’ireo mpiara-monina nanankarena ireo andiana jiolahim-boto, ka nitaky sakafo sy zava-pisotro maimaim-poana, fa raha tsy izany, hono, dia hanao sangisangy ratsy izy ireo. Raha nanda ilay tompon-trano, dia mazàna no nompana izy, ary indraindray nosimbasimbana ny tranony.

Niharatsy ny toe-javatra tamin’ireo taona 1820, hany ka nanjary “fandrahonana ara-tsosialy lehibe” ny “korontana tamin’ny Krismasy”, hoy ny Profesora Nissenbaum. Nanomboka nanarama mpiambina mba hiaro ny fananany ireo tompon-tany nanankarena tany amin’ny tanàna toa an’i New York sy Philadelphie. Voalaza mihitsy aza fa nandamina ny andiana polisy matihanina voalohany teo aminy i New York, ho setrin’ny rotaka nahery vaika iray nandritra ny fotoan’ny Krismasy tamin’ny 1827/1828!

Fanomezana endrika vaovao ny Krismasy

Nitondra fiovana mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny taranak’olombelona ny taonjato faha-19. Nanomboka nifamoivoy haingana kokoa ny olona sy ireo entam-barotra ary ny vaovao, arakaraka ny nipoiran’ny fifandraisan’ireo lalana ary koa ny lalamby. Namorona asa an-tapitrisany maro ny revolisiona ara-taozava-baventy, ary namokatra haingana ireo orinasa ka nampitobaka entam-barotra tsy an-kijanona. Nampiditra olana ara-tsosialy vaovao sy saro-bahana koa ny taozava-baventy, ka tamin’ny farany izany dia nisy fiantraikany teo amin’ny fomba nankalazana ny Krismasy.

Hatramin’ny ela no nampiasan’ny olona ireo fety ho toy ny fomba anatanjahana ny rohim-pihavanana, ary izany no izy raha ny amin’ny Krismasy. Nandinika indray ny sasany tamin’ireo fomba tranainy kokoa momba ny Krismasy ireo mpomba azy io, ka nanao izany tamim-pifantenana. Tamin’izany no nanovan’izy ireo tamim-pahombiazana ny Krismasy ho fetim-pianakaviana, fa tsy ho andro firavoravoana tsy voafehy toy ny karnavaly.

Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 tokoa, dia nanjary noheverina ho karazana fanafody ho an’ireo aretin’ny fiainana amerikana maoderina, ny Krismasy. “Tamin’ireo fety rehetra”, hoy ny Pr. Restad, “dia fitaovana tonga lafatra ny Krismasy mba hitondrana ny fivavahana sy ny fihetseham-po ara-pivavahana hankao an-tokantrano, sy mba hanitsiana ireo filibana sy tsy fahombiazan’ny sarambaben’olona.” Nanampy teny toy izao izy: “Ny fanolorana fanomezana sy ny fanaovana asa soa, ary na dia ny fifampiarahabana amim-pisakaizana tratran’ny fety aza, mbamin’ny fampihaingoana sy ny fankafizana hazo maitsoririnina tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny, na tao amin’ny efitrano fanaovana sekoly alahady, tatỳ aoriana, dia nampifandray ny mpianakavy tamin’izy samy izy sy tamin’ny fiangonana ary tamin’ny fitambaran’olona.”

Toy izany koa fa, maro amin’izao andro izao no mankalaza ny Krismasy ho toy ny fomba anamafisana ny fifankatiavany sy anampiana mba hihazonana firaisam-pianakaviana. Mazava ho azy fa tsy azo odian-tsy hita ireo lafiny ara-panahy. Olona an-tapitrisany maro no mankalaza ny Krismasy ho fanomezam-boninahitra ny nahaterahan’i Jesosy. Mety hanatrika fotoam-pivavahana manokana any am-piangonana izy ireo, na hanangana tranon’omby kely ao an-trano, na hanao vavaka ho fisaorana an’i Jesosy mihitsy aza. Ahoana anefa no fiheveran’Andriamanitra ilay raharaha? Ankasitrahany ve ireo zavatra ireo? Diniho izay lazain’ny Baiboly.

“Tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana”

Fony i Jesosy teto an-tany, dia hoy izy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24). Niaina nifanaraka tamin’ireo teny ireo i Jesosy. Nilaza ny fahamarinana mandrakariva izy. Tonga lafatra izy teo amin’ny fanahafana an-dRainy, dia i “Jehovah (...) Andriamanitry ny fahamarinana”. — Salamo 31:5; Jaona 14:9.

Nataon’i Jehovah mazava tsara manerana ireo pejin’ny Baiboly fa mankahala izay rehetra endriky ny famitahana izy. (Salamo 5:6). Noho izany, tsy mifanohitra amin’ny tokony ho izy ve ny fahitana soritry ny lainga ao amin’ireo lafin-javatra maro mifandray amin’ny Krismasy? Eritrereto, ohatra, ny amin’ilay tantara noforomporonina momba an’i Dadabe Noely. Efa mba nanandrana nanazava tamin’ny ankizy iray ve ianao hoe nahoana i Dadabe Noely no tia kokoa miditra avy any amin’ny lalan-tsetroka fa tsy avy any am-baravarana, araka ny inoana hatraiza hatraiza, any amin’ny tany maro? Ary ahoana no itsidihan’i Dadabe Noely trano an-tapitrisany maro indray takariva monja? Ahoana ny amin’ireo diera manidina? Rehefa fantatry ny ankizy iray fa nofitahina izy hino fa tena olona i Dadabe Noely, tsy hanimba tsikelikely ny fatokiany ny ray aman-dreniny ve izany?

Nilaza mazava tsara toy izao ny The Catholic Encyclopedia: “Voasariky ny Krismasy (...) ireo fomba amam-panaon’ny mpanompo sampy.” Koa nahoana àry ny Eglizy Katolika sy ireo fiangonana hafa ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no mamela hatrany ny hitohizan’ny fety iray izay misy fomba amam-panao tsy nanam-piandohana kristiana? Tsy milaza fanalana tsiny ny fampianaran’ny mpanompo sampy ve izany?

Fony teto an-tany i Jesosy, dia tsy nampirisika ny olona hanolotra fanompoam-pivavahana taminy. Hoy mihitsy i Jesosy: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. (Matio 4:10). Mitovy amin’izany koa fa, taorian’ny nanomezam-boninahitra an’i Jesosy tany an-danitra, dia nilaza tamin’ny apostoly Jaona ny anjely iray hoe “Andriamanitra ihany no ivavaho”. Nasehony tamin’izany fa tsy nisy na inona na inona niova mahakasika io raharaha io. (Apokalypsy 19:10). Mahatonga fanontaniana toy izao izany: Moa ve i Jesosy hankasitraka ny fifikirana mitory fankamasinana rehetra atefa any aminy, fa tsy any amin’ny Rainy, amin’ny fotoan’ny Krismasy?

Mazava fa tsy milaza zavatra tsara loatra ireo zava-misy momba ny Krismasy maoderina. Fety namboamboarina izy io, tamin’ny ankabeazany, ary maro rahateo ny porofo fa nanana tantara nikororosy izy io. Tamim-pieritreretana madio tsara àry no nanaovan’ny Kristiana an-tapitrisany maro fanapahan-kevitra ny tsy hankalaza ny Krismasy. Niteny toy izao momba ny Krismasy, ohatra, ny tanora iray antsoina hoe Ryan: “Taitaitra erỳ ny olona amin’izay andro vitsivitsy ao anatin’ny taona, rehefa miaraka ny mpianakavy ka falifaly ny rehetra. Inona anefa no mahatonga izany ho tena manokana? Manolotra fanomezana ho ahy mandavantaona ny ray aman-dreniko!” Hoy ny tanora hafa iray 12 taona: “Tsy mahatsiaro tena ho very tombontsoa aho. Mahazo fanomezana mandritra ny taona manontolo aho, fa tsy amin’ny andro manokana iray monja, izay maha-voatery ny olona hividy fanomezana.”

Nampirisika ireo Isiraelita namany mba ‘ho tia ny fahamarinana sy ny fiadanana’ i Zakaria. (Zakaria 8:19). Raha ‘tia ny fahamarinana’ sahala amin’i Zakaria sy ireo olon-kafa nahatoky fahiny isika, moa ve isika tsy tokony hanalavitra izay mety ho fankalazana ara-pivavahan-diso izay manala baraka an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra velona sy marina”? — 1 Tesaloniana 1:9.

[Sary, pejy 7]

“Tsy mahatsiaro tena ho very tombontsoa aho. Mahazo fanomezana mandritra ny taona manontolo aho”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara