Fahatafitana Velona Amin’ny “Andron’i Jehovah”
“Lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?” — JOELA 2:11.
1. Nahoana no tokony ho fotoam-pifaliana ‘ny andron’i Jehovah mahatahotra’?
“MAHATAHOTRA”! Izany no fomba nilazalazan’i Joela, mpaminanin’Andriamanitra, ny ‘andro lehiben’i Jehovah’. Na dia izany aza anefa, isika izay tia an’i Jehovah ka nanatona azy tamin’ny fanoloran-tena niorina tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia tsy voatery hitakemotra noho ny tahotra ny andron’i Jehovah mihamanatona. Ho andro hampahatahotra tokoa izy io, kanefa koa ho andro famonjena lehibe, ho andro fanafahana amin’ny fandehan-javatra ratsy iray izay nampahory ny olombelona nandritra ny an’arivony taona maro. Niandrandra izany andro izany i Joela ka nanasa ny vahoakan’Andriamanitra mba ‘hiravoravo sy hifaly; fa manao zava-dehibe i Jehovah’, ary mbola nanome toky toy izao koa izy: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. Avy eo, ao amin’ilay fandaharan’Andriamanitra momba ny Fanjakany, dia “hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra”. — Joela 2:11, 21, 22; 3:5.
2. Ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra, inona no hitranga a) amin’ny “Andron’ny Tompo” b) amin’ny “andron’i Jehovah”?
2 Tsy tokony hafangaro amin’ilay “Andron’ny Tompo” voalazan’ny Apokalypsy 1:10 ny andron’i Jehovah mahatahotra. Tafiditra ao anatin’io andron’ny Tompo io ny fahatanterahan’ireo fahitana 16 ao amin’ny Apokalypsy toko voalohany ka hatramin’ny toko faha-22. Tafiditra ao anatin’izy io ny fotoana ahatanterahan’ireo fisehoan-javatra rehetra nambaran’i Jesosy mialoha, ho valin’ilay fanontanian’ny mpianany, manao hoe: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Ny fanatrehan’i Jesosy any an-danitra dia voamariky ‘ny ady sy ny mosary sy ny fankahalana sy ny areti-mandringana ary ny tsy fankatoavan-dalàna’ mampihoron-koditra, eto an-tany. Raha mbola tsy mitsaha-mitombo ireo loharanom-pahoriana ireo, dia nanome fampiononana ho an’ny olona matahotra an’Andriamanitra i Jesosy rehefa naniraka ny mpianany amin’ny andro maoderina mba hitory “amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Avy eo, ho fara tampon’ny andron’ny Tompo, dia hipoaka “ny farany” ho an’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ, dia ilay andron’i Jehovah mahatahotra. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:11). Ho andron’i Jehovah hampiharany didim-pitsarana haingana amin’ny tontolo ratsin’i Satana izany. “Hihorohoro ny tany aman-danitra; fa Jehovah no fialofan’ny olony”. — Joela 4:16.
Nanao zavatra i Jehovah tamin’ny andron’i Noa
3. Amin’ny ahoana ny toe-piainana amin’izao andro izao no mifanitsy amin’izay nisy tamin’ny andron’i Noa?
3 Ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mifanitsy amin’izay nisy tamin’ny “andron’i Noa”, efa maherin’ny 4 000 taona lasa izay. (Lioka 17:26, 27). Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 6:5: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” Tsy misy hafa amin’izany izao tontolo izao ankehitriny! Hatraiza hatraiza, dia be dia be ny faharatsiana sy ny fierenana ary ny tsy fisiam-pitiavana. Mety hieritreritra isika indraindray fa efa tonga amin’ny fara tampony ny faharatsiam-pitondran-tenan’ny olombelona. Vao mainka tanteraka hatrany anefa ilay faminanian’i Paoly momba “ny andro farany”, manao hoe: “Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia handroso hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka.” — 2 Timoty 3:1, 13, NW.
4. Nisy vokany inona ny fanompoam-pivavahana diso, tany am-boalohany?
4 Nety ho nitondra fanamaivanana ho an’ny olombelona ve ny fivavahana tamin’ny andron’i Noa? Mifanohitra amin’izany fa ho nandray anjara betsaka tamin’ny fisian’ny toe-piainana simba, raha fivavahana nivadi-pinoana toy ilay nisy tamin’izany fotoana izany. Nanaiky ho resin’ny fampianaran-dison’“ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana”, ireo ray aman-drenintsika voalohany. Tamin’ny taranaka faharoa nandimby an’i Adama, dia nanomboka ‘nantsoina ny anaran’i Jehovah’, toa tamim-pitenenan-dratsy. (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:3-6; 4:26). Tatỳ aoriana, dia nisy anjely nikomy, izay niala tamin’ny fifikirana tsy nizarazara tamin’Andriamanitra ka nitafy vatan’olombelona mba hanaovana firaisana tsy ara-dalàna tamin’ireo vehivavy tsara tarehy, zanakavavin’ny olona. Ireny vehivavy ireny dia niteraka safiotra goavambe, nantsoina hoe Nefilima, izay nampahory sy nisetrasetra tamin’ny olombelona. ‘Samy nanimba ny lalany avy tambonin’ny tany ny nofo rehetra’, teo ambanin’izany fitaoman’ny demonia izany. — Genesisy 6:1-12.
5. Raha ny amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Noa, inona no fananarana fampitandremana omen’i Jesosy antsika?
5 Nihazona tsy fivadihana tamin’i Jehovah anefa ny fianakaviana iray. Noho izany, Andriamanitra dia “namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. (2 Petera 2:5). Tandindon’ilay andron’i Jehovah mahatahotra izay hanamarika ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, iny Safo-drano iny. Hoy ny faminanian’i Jesosy momba izany andron’i Jehovah izany: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:36-39). Ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany koa isika amin’izao andro izao, koa nampirisika antsika i Jesosy mba ‘hitandrina sy hiambina, ka hivavaka mandrakariva, mba hahery isika ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany’. — Lioka 21:34-36.
Ny sazy ara-pitsarana nampiharin’i Jehovah tamin’i Sodoma sy Gomora
6, 7. a) Inona no aseho ho tandindona amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Lota? b) Fampitandremana mazava inona no ampitain’izany amintsika?
6 Taonjato maromaro taorian’ny Safo-drano, rehefa nitombo ny taranak’i Noa teto an-tany, dia vavolombelona nahita maso ny andron’i Jehovah nahatahotra hafa iray i Abrahama nahatoky sy i Lota, zana-drahalahiny. I Lota sy ny fianakaviany dia nonina tao amin’ny tanànan’i Sodoma. Nanjary tafalentika tanteraka tao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena naharikoriko io tanàna io, niaraka tamin’i Gomora teo akaiky teo. Vaindoham-panahiana koa ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ka nisy fiantraikany teo amin’ny vadin’i Lota mihitsy aza izany nony farany. Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Ny fitarainan’i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra”. (Genesisy 18:20). Niangavy an’i Jehovah i Abrahama mba tsy handrava ireo tanàna ireo noho ireo olo-marina tao. Nanambara anefa i Jehovah fa tsy nahitany olo-marina folo akory tao. Nisy anjely avy tamin’Andriamanitra nanampy an’i Lota sy ireo zanany vavy roa mba handositra ho any amin’ny tanànan’i Zoara teo akaiky teo.
7 Inona avy eo no nitranga? Mampitaha ny “andro farany” misy antsika sy ny an’i Lota ny Lioka 17:28-30, ka mitatitra toy izao: “Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” Mampita fampitandremana mazava ho antsika amin’izao fotoan’ny fanatrehan’i Jesosy izao ny fiafarana ratsy nahazo an’i Sodoma sy Gomora tamin’io andron’i Jehovah nampahatahotra io. “Nijangajanga (...) koa ka lasa nanaraka nofo hafa” ny taranak’olombelona maoderina. (Joda 7). Ambonin’izany, ny fitondran-tena maloto momba ny firaisana amin’izao androntsika izao dia rangory fototry afo mahatonga ny ankamaroan’ireo “areti-mandringana” nambaran’i Jesosy mialoha ho an’izao andro izao. — Lioka 21:11.
Nijinja “tadio” ny Isiraely
8. Hatraiza ny fitandreman’ny Isiraely ny faneken’i Jehovah?
8 Rehefa nandeha ny fotoana, i Jehovah dia nifidy ny Isiraely ho ‘rakitra soa ho azy mihoatra noho ny firenena rehetra, ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina’. Niankina tamin’ny ‘fihainoan’izy ireo ny feony sy ny nitandreman’izy ireo ny fanekeny’ anefa izany. (Eksodosy 19:5, 6). Nanaja an’io tombontsoa lehibe io ve izy ireo? Tsy izany velively! Marina aloha fa nisy olona nahatoky izay nanompo azy tamin’ny tsy fivadihana tao amin’io firenena io — i Mosesy, i Samoela, i Davida, i Josafata, i Hezekia, i Josia, ary koa ireo mpaminany sy mpaminanivavy be fandavan-tena. Na dia izany aza anefa, dia tsy nahatoky ilay firenena tamin’ny fitambarany. Tatỳ aoriana dia nizara roa ilay fanjakana — ny Isiraely sy ny Joda. Tamin’ny ankapobeny, ireo firenena roa ireo dia voasingotry ny fanompoan-tsampy sy ireo fombafomba hafa nanala baraka an’Andriamanitra, izay fanaon’ireo firenena teny akaikiny. — Ezekiela 23:49.
9. Ahoana no nitsaran’i Jehovah ilay fanjakan’ny foko folo nikomy?
9 Ahoana no nitsaran’i Jehovah ilay raharaha? Toy ny efa fanaony mandrakariva, dia nandefa fampitandremana izy, mifanaraka amin’ilay foto-pitsipika nambaran’i Amosa toy izao: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” Na dia ny tenan’i Amosa aza, dia nanambara loza tamin’ilay firenen’ny Isiraely tany avaratra, ka nanao hoe: “Hataonareo inona moa ny andron’i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana”. (Amosa 3:7; 5:18). Ankoatra izany, dia nanambara toy izao i Hosea, mpaminany niara-belona tamin’i Amosa: “Rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany”. (Hosea 8:7). Tamin’ny 740 al.f.i., dia nampiasa ny tafika asyriana i Jehovah mba handravana mandrakizay ilay fanjakan’ny Isiraely tany avaratra.
Ny nampamoahan’i Jehovah an’i Joda nivadi-pinoana
10, 11. a) Nahoana i Jehovah no tsy nety namela ny heloky ny Joda? b) Zava-betaveta inona avy no naharatsy fitondran-tena ilay firenena?
10 Nandefa ny mpaminaniny tany amin’ny fanjakan’i Joda tany atsimo koa i Jehovah. Na dia izany aza, ireo mpanjakan’i Joda toa an’i Manase, sy i Amona, mpandimby azy, dia nanohy nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, ka nandatsaka ‘ra marina be dia be ary nanompo sampy sy niankohoka teo anatrehany’. Na dia nanao izay nahitsy teo imason’i Jehovah aza i Josia, zanakalahin’i Amona, ireo mpanjaka nandimby azy mbamin’ny vahoaka, dia nanjary vonton’ny faharatsiana indray, hany ka ‘tsy nety namela ny helony i Jehovah’. — 2 Mpanjaka 21:16-21; 24:3, 4.
11 Nanambara toy izao tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny i Jehovah: “Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany; ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona manapaka araka izay atoron’ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; koa hanao ahoana re hianareo any am-parany?” Nanjary nivesatra trosan-dra izaitsizy ny firenen’i Joda, ary ratsy fitondran-tena ny mponina tao aminy noho ny halatra, ny vonoana olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fianianan-tsy to, ny fivavahana tamin’ny andriamani-kafa, ary zava-betaveta hafa. Nanjary “zohy fieren’ny jiolahy” ny tempolin’i Jehovah. — Jeremia 2:34; 5:30, 31; 7:8-12.
12. Ahoana no nanasazian’i Jehovah an’i Jerosalema nivadika?
12 Hoy ny nambaran’i Jehovah: “Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra [Kaldea].” (Jeremia 4:6). Nitondra Firenena Matanjaka izy, araka izany, dia i Babylona, “ilay fampohazan’ny tany rehetra” tamin’izany fotoana izany, mba hamely an’i Jerosalema nivadika sy ny tempoliny. (Jeremia 50:23). Tamin’ny 607 al.f.i., taorian’ny fahirano mafy dia mafy iray, dia azon’ilay tafika natanjak’i Nebokadnezara ilay tanàna. “Ary ny zanakalahin’i Zedekia [Mpanjaka] dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babylona. Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona. Ary nodoran’ny Kaldeana tamin’ny afo ny tranon’ny mpanjaka sy ny tranon’ny vahoaka, ary ny màndan’i Jerosalema noravany. Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo tany Babylona.” — Jeremia 39:6-9.
13. Iza avy no voavonjy tamin’ny andron’i Jehovah tamin’ny 607 al.f.i., ary nahoana?
13 Izany tokoa ka tena andro mahatahotra! Na dia izany aza anefa, dia nisy olona sasantsasany nankatò an’i Jehovah, ka anisan’ireo nafahana tamin’izany didim-pitsarana nivaivay izany. Anisan’izy ireny ireo Rekabita tsy Isiraelita, izay nampiseho toe-tsaina feno fanetren-tena sy fankatoavana, fa tsy mba toy ireo mponin’i Joda izay nanao ny nifanohitra tamin’izany. Novonjena koa i Ebeda-meleka, ionoka nahatoky, izay namonjy an’i Jeremia tsy ho faty tao amin’ny lavaka famorian-drano be fotaka iray, sy i Baroka, sekreteran’i Jeremia tsy nivadika taminy. (Jeremia 35:18, 19; 38:7-13; 39:15-18; 45:1-5). Tamin’ny olona toy izany no nanambaran’i Jehovah hoe: ‘Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo [hoavy sy fanantenana, NW ].’ Nisy fahatanterahany kely io fampanantenana io tamin’ny 539 al.f.i., rehefa nafahan’i Kyrosy Mpanjaka, ilay nandresy an’i Babylona, ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra ka niverina mba hanorina indray ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Ireo olona amin’izao andro izao izay mivoaka avy amin’ny fivavahana babyloniana ka tafaverina ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah, dia afaka miandrandra hoavy be voninahitra toy izany koa, dia ny fiadanana mandrakizay ao amin’ny Paradisan’i Jehovah tafaorina indray. — Jeremia 29:11; Salamo 37:34; Apokalypsy 18:2, 4.
“Fahoriana lehibe” tamin’ny taonjato voalohany
14. Nahoana i Jehovah no nanda ny Isiraely tamin’ny fomba raikitra?
14 Andeha hojerentsika ny tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Tamin’io fotoana io dia efa latsaka indray tao amin’ny fivadiham-pinoana ireo Jiosy tafaverina tao amin’ny taniny. Nirahin’i Jehovah ho eto an-tany ny Zanany lahitokana mba ho Voahosony, na Mesiany. Nandritra ireo taona nanomboka tamin’ny 29 ka hatramin’ny 33 am.f.i., dia nitory nanerana ny tanin’ny Isiraely i Jesosy, ka nanao hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Ankoatra izany, dia nanangona sy nampiofana mpianatra izy mba hiara-mandray anjara aminy amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpanapaka ny Jiosy? Nanambany an’i Jesosy izy ireo ary nanao heloka bevava naharikoriko tamin’ny farany, dia ny fampamonoana azy tamin’ny fomba nampanaintaina teo amin’ny hazo fijaliana iray. Narian’i Jehovah tsy ho vahoakany ny Jiosy. Efa zavatra raikitra tamin’izay ny fandavana an’io firenena io.
15. Nanana tombontsoa hanao inona ireo Jiosy nibebaka?
15 Tamin’ny andro pentekosta 33 am.f.i., i Jesosy natsangana tamin’ny maty dia nandatsaka ny fanahy masina. Nanome hery an’ireo mpianany izany mba hiteny tamin’ny fiteny tsy fantatra tamin’ireo Jiosy sy proselyta izay tafavory vetivety teo. Niteny tamin’ny vahoaka ny apostoly Petera, ka nanao hoe: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. (...) Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Jiosy tso-po? ‘Voatsindrona tam-pony izy ireo’, nibebaka tamin’ny fahotany, ary natao batisa. (Asan’ny Apostoly 2:32-41). Nihafaingana ny fitoriana ilay Fanjakana ka tao anatin’ny 30 taona dia efa niitatra ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’. — Kolosiana 1:23.
16. Ahoana no nitarihan’i Jehovah ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny fampiharany ny didim-pitsarany tamin’ny Isiraely ara-nofo?
16 Tonga tamin’izay ny fotoana mety mba hampiharan’i Jehovah didim-pitsarana tamin’ilay vahoakany nolaviny, dia ny Isiraely ara-nofo. Nisy olona an’arivony maro avy tamin’ireo firenena nanerana an’izao tontolo izao nisy tamin’izany, nirohotra ho amin’ny kongregasiona kristiana ka voahosotra ho “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy. (Galatiana 6:16). Ny vahoaka jiosy tamin’izany fotoana izany kosa anefa dia nikororosy nanaraka ny lalan’ny fankahalana sy ny herisetra nifanaovan’ireo anisan’ny sekta samy hafa. Nifanohitra tamin’izay nosoratan’i Paoly momba ny ‘fanekena ny fahefana lehibe’, fa nikomy an-karihary tamin’ny fitondrana romana nanapaka azy izy ireo. (Romana 13:1). Toa nitarika ireo fisehoan-javatra nanaraka izany i Jehovah. Tamin’ny 66 am.f.i., ny andian-tafika romana notarihin’ny Jeneraly Gallus dia niroso nanao fahirano an’i Jerosalema. Tafatsofoka tao an-tanàna ireo Romana mpanafika, ka nanimba tsikelikely ny rindrin’ny tempoly mihitsy aza. Araka ny voarakitra ao amin’ny tantara nosoratan’i Josèphe, dia tena nisy fahoriana tokoa tao amin’ilay tanàna sy teo amin’ny olona.a Vaky nandositra tampoka teo anefa ireo miaramila mpanafika. Namela ireo mpianatr’i Jesosy “handositra ho any an-tendrombohitra” izany, araka ny fananarana nomeny ao amin’ilay faminaniany ao amin’ny Matio 24:15, 16.
17, 18. a) Tamin’ny alalan’ny fahoriana inona no nampiharan’i Jehovah didim-pitsarana tamin’ny vahoaka jiosy? b) Nofo inona no ‘novonjena’, ary tandindon’ny inona izany?
17 Na dia izany aza anefa, dia mbola ho avy ny fampiharana feno ny didim-pitsaran’i Jehovah, eo amin’ny fara tampon’ny fahoriana lehibe. Tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina nanafika ny andian-tafika romana, izay notarihin’ny Jeneraly Titus tamin’izay. Fanapahan-javatra ilay ady tamin’itỳ indray mitoraka itỳ! Niohatra tamin’ny Romana, dia atody niady tamim-bato ireo Jiosy, izay na izy samy izy aza dia nifandrotika an-toerana. Rava tanteraka ilay tanàna sy ny tempoliny. Jiosy efa kaozatra, maherin’ny iray tapitrisa, no nijaly sy maty, ka faty tokony ho 600 000 no natsipy avy teo amin’ny vavahadin’ny tanàna. Taorian’ny nianjeran’ilay tanàna, dia Jiosy 97 000 no nentina ho babo, ka ny maro taminy dia ho faty tamin’ireo fampisehoana nampiadiana gladiatera, tatỳ aoriana. Marina tokoa fa ny hany nofo novonjena nandritra ireo taona nisian’izany fahoriana izany dia ny an’ireo Kristiana nankatò izay nandositra nankany an-tendrombohitra tany andafin’i Jordana. — Matio 24:21, 22; Lioka 21:20-22.
18 Araka izany, ilay faminaniana lehibe nataon’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia efa nahita ny fahatanterahany voalohany, ka nahatratra ny fara tampony tamin’ilay andron’i Jehovah nampiharany didim-pitsarana tamin’ny firenena jiosy nikomy, tamin’ny 66-70 am.f.i. (Matio 24:3-22, NW ). Na dia izany aza anefa, dia tandindona fotsiny ihany izany — tandindon’ny ‘fahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina’. (Joela 3:4). Ahoana no ‘ahafahanao mandositra’? Ny lahatsoratra manaraka no hilaza izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nitantara i Josèphe fa ireo Romana mpanafika dia nanodidina ilay tanàna, nanimba tsikelikely ny ampahany tamin’ny manda, ary efa nadiva handoro ny vavahadin’ny tempolin’i Jehovah. Nampisy tahotra nahatsiravina teo amin’ireo Jiosy maro tsy afa-nihetsika tao izany, satria nahita ny fahafatesana nananontanona izy ireo. — Wars of the Jews (Adin’ireo Jiosy), Boky II, toko faha-19.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Inona no ifandraisan’ny “Andron’ny Tompo” amin’ny “andron’i Jehovah”?
◻ Rehefa dinihina indray ny andron’i Noa, fampitandremana inona no tokony harahintsika?
◻ Amin’ny ahoana no manome fianarana lehibe i Sodoma sy i Gomora?
◻ Iza no voavonjy tamin’ny “fahoriana lehibe” tamin’ny taonjato voalohany?
[Sary, pejy 15]
Nanafaka ny fianakavian’i Noa sy i Lota i Jehovah, ary nanao toy izany koa tamin’ny 607 al.f.i. sy tamin’ny 70 am.f.i.