Fanaovana Fandaharana Mialoha ho An’ireo Olon-tiantsika
NISEHO vao haingana tao amin’ny gazety afrikana iray ny tantara mampalahelon’i Annie. Mpandraharaha ny vadin’i Annie. Maty tamin’ny 1995 izy io, namela fiarakodia 15; kaonty any amin’ny banky be dia be; lelavola 4 000 dolara (20 000 000 FMG eo ho eo); fivarotana iray sy trano fisotroan-toaka iray ary trano misy efitra fandriana telo. Ny zavatra tsy navelany dia didim-pananana.
Araka ny tatitra dia naka ny fananana sy vola ary nanery an’i Annie sy ireo zanany enina hiala ny trano, ny zaodahin’i Annie. Ankehitriny izy sy ireo zanany dia tsy manana na inona na inona ka miara-mipetraka amin’ny anadahiny. Voatery niala tamin’ny fianarana ny efatra tamin’ireo zanany satria tsy misy vola handoavana ny saram-pianarana na ny akanjo fanaovana any am-pianarana.
Nangataka fitsarana ambony i Annie, ka namoaka didy izy io fa tokony haverina amin’i Annie ny fananana sasany, anisan’izany ny fiarakodia iray. Kanefa tsy nisy na inona na inona naverina taminy. Tsy maintsy miverina any amin’ny fitsarana indray izy mba hitady taratasy hanerena ny zaodahiny hanaiky ny didy navoakan’ny fitsarana ambony.
Nahoana no mieritreritra ny amin’ny fahafatesana?
Ny tantaran’i Annie dia mampiseho izay mety hitranga rehefa tsy mahavita manao fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny mety hahafatesany ny raim-pianakaviana iray. Amin’ny fahafatesana, ny olombelona rehetra dia “mamela ny fananany ho an’ny hafa”. (Salamo 49:10). Fanampin’izany, ny maty dia tsy afaka mifehy izay hatao amin’ny fananany. (Mpitoriteny 9:5, 10). Mba hananan’ny olona iray fahefana amin’izay hitranga amin’ny fananany, dia tsy maintsy mandamina ireo raharaha alohan’ny hahafatesany, izy.
Na dia mahafantatra aza isika rehetra fa mety ho faty tampoka, dia olona maro no tsy mahavita manao fandaharana mialoha ho an’ireo olon-tiany mbola velona. Na dia hifantoka amin’ny antokon-kolontsaina sasany atỳ Afrika aza ny dinidinitsika, dia misy zava-manahirana mitovy amin’izany any amin’ny tapany hafa amin’ny tany.
Ny fandraisana fepetra mahakasika ny fitantanana ny fanananao raha mitranga ny fahafatesana, dia raharaha manokana. (Galatiana 6:5). Na izany aza, dia mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana ny lehilahy iray no mikarakara ny vady aman-janany raha mbola velona izy, nefa tsy manao fandaharana na inona na inona hahasoa azy ireo raha sanatria ka maty izy?’ Ny antony iray lehibe dia noho ny ankamaroantsika tsy tia mieritreritra ny amin’ny mety hahafaty antsika, mainka fa ny hoe hanao fandaharana momba ny fahafatesana. Raha ny marina, dia tsy afaka mahafantatra mialoha ny andro hahafatesantsika isika, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona.” — Jakoba 4:14.
Mahasoa ny fanaovana fandaharana ho fitsinjovana ny mety hahafatesana. Mampiseho fiahiana feno fitiavana an’ireo mbola velona koa, izany. Raha tsy alamintsika ireo raharahantsika, dia ny hafa no hanao izany. Angamba olona mbola tsy nihaona tamintsika mihitsy no hanapa-kevitra momba ny fananantsika sy ny fandaharam-pandevenana antsika. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, any amin’ny tany sasany, dia ny fanjakana no manapa-kevitra hoe iza no hahazo ny volantsika sy ny fananantsika. Any an-toeran-kafa, dia ireo havana no manapa-kevitra, ary ireny fanapahan-kevitra ireny matetika dia arahina fifandirana izay miteraka hasomparana eo anivon’ny fianakaviana. Fanampin’izany, izay notapahina dia mety tsy hifanaraka velively amin’izay naniriantsika azy.
Fakana an-keriny ny fananana
Ny vehivavy no mijaly indrindra rehefa maty ny vadiny. Ankoatra ny alahelo noho ny namoizany ny vadiny, dia matetika izy no iharan’ny fakana an-keriny ny fananana. Noresahina teo aloha, tamin’ny tarehin-javatra nisy an’i Annie, izany. Anisan’ny antony mahatonga ny fakana an-keriny ny fananana dia mifandray amin’ny fomba mety hiheverana an’ireo vehivavy vady. Amin’ny kolontsaina sasany, ny vadin’ny lehilahy iray dia tsy heverina ho anisan’ny fianakaviany. Amin’ny heviny iray izy dia vahiny izay mety hiverina any amin’ny fianakaviany amin’ny fotoana rehetra na hanambady indray ao amin’ny fianakaviana hafa. Etsy an-danin’izany kosa, araka io fomba fisaina io, ny rahalahy sy anabavy ary ray aman-drenin’ny lehilahy iray dia tsy hiala aminy na oviana na oviana. Raha maty izy, dia mino ny fianakaviany fa izay azy dia azy ireo, fa tsy an’ny vady aman-janany.
Mampirisika fomba fisaina toy izany ny lehilahy izay tsy miresaka tsiambaratelo amin’ny vadiny. I Mike dia tsy niresaka ny fandraharahany afa-tsy tamin’ireo rahalahiny. Fantatr’ireo rahalahiny ny fananany, nefa zara raha nahafantatra izany ny vadiny. Rehefa maty izy, dia tonga tao amin’ilay vadiny ireo rahalahiny mba hitaky vola izay nandrasany. Tsy nahafantatra momba izany akory ilay vehivavy. Avy eo, dia nalain’izy ireo ny fitaovana fanaovana photocopie sy ny milina fanoratana novidin’ny vadiny ho an’ilay vehivavy. Tamin’ny farany dia nalain’ireo rahalahiny ny trano sy ny zavatra rehetra tao. Io vehivavy maty vady io sy ny zanany vavy kely dia voatery niala, tsy nitondra afa-tsy ny fitafian’izy ireo fotsiny.
“Ho nofo iray ihany izy roroa”
Tia ny vadiny sy mihevitra azy ho mendri-pitokiana, ireo lehilahy Kristiana manambady. Ny lehilahy toy izany dia mandray am-po ilay torohevitra araka ny Soratra Masina hoe: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany”. Ireo lehilahy ireo koa dia miray hevitra amin’ilay filazana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.” — Efesiana 5:28, 31.
Ireo vady matahotra an’Andriamanitra koa dia miray hevitra amin’ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Mifanaraka amin’io foto-pitsipika io, raha mikasa ny hanao dia lavitra maharitra ny lehilahy kristiana manambady iray, dia hanao izay hahazoana antoka izy fa ho voakarakara ny fianakaviany, mandritra ny fotoana tsy haha-ao azy. Mitovy amin’izany koa, tsy araka ny fandrindran-kevitra ve raha manao fandaharana ho an’ny vady aman-janany izy raha sanatria ka maty? Tsy vitan’ny hoe mahasoa fotsiny ny fiomanana ho amin’ny loza tsy nampoizina fa maneho fitiavana koa.
Fombafombam-pandevenana
Ho an’ireo lehilahy kristiana manambady, dia misy lafiny hafa amin’io raharaha io ilaina hodinihina. Fanampin’ny alahelon’ilay vehivavy noho ny namoizany ny vadiny sy ny fananany ary angamba aza ireo zanany, dia manery azy hanao fombafomba fitomaniana nentin-drazana ny fiaraha-monina sasany. Mitaraina ny gazety The Guardian any Nizeria fa any amin’ny faritra sasany, ny fomba dia mitaky ny hatorian’ilay vehivavy maty vady ao amin’ny efitra maizina misy ny fatin’ilay vadiny. Any amin’ny toerana sasany, ireo vehivavy maty vady dia tsy avela hiala ny tranon’izy ireo mandritra ny fe-potoana fisaonana maharitra efa ho enim-bolana. Mandritra izany fotoana izany, dia tsy mahazo mandro izy ireo, ary na dia ny manasa tanana aloha na aorian’ny sakafo aza dia voarara.
Miteraka zava-manahirana ny fombafomba toy izany, indrindra ho an’ireo vehivavy kristiana maty vady. Manosika azy ireo hanalavitra ireo fombafomba izay tsy mifanaraka amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly ny fanirian’izy ireo hampifaly an’Andriamanitra. (2 Korintiana 6:14, 17). Noho izy tsy manaraka ireny fombafomba ireny anefa, dia mety hiaritra fanenjehana ny vehivavy iray maty vady. Mety ho voatery handositra mihitsy aza izy mba hamonjena ny ainy.
Fandraisana fepetra araka ny lalàna
Milaza amim-pahendrena toy izao ny Baiboly: “Ny [fanaovan’ny, NW ] mazoto [fandaharana mialoha, NW ] dia mampanan-karena”. (Ohabolana 21:5). Fandaharana mialoha inona avy no azon’ny loham-pianakaviana atao? Amin’ny ankamaroan’ny fitambaran’olona, dia azo atao ny manao didim-pananana na manomana antontan-taratasy milaza ny fomba hizarana ny fananan’ny olona iray raha sanatria ka maty izy. Mety hahatafiditra ireo fandaharana momba ny fandevenana, izany. Mety hamaritra ny zavatra tokony (na tsy tokony) hataon’ny vady iray, mifandray amin’ny fomba fandevenana sy fitomaniana koa, ireo antontan-taratasy.
Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny 1992 ny vadin’ny vehivavy iray antsoina hoe Leah. Hoy izy: “Manan-janaka dimy aho — efa-bavy, iray lahy. Narary nandritra ny fotoana kelikely talohan’ny nahafatesany, ny vadiko. Nefa na dia talohan’ny naharariany aza, dia nanoratra taratasy izy, milaza fa tiany ny handraisako sy ny zanakay ny fananany rehetra. Izany dia mahatafiditra ny vola amin’ny fiantohana sy ny tany fambolena sy ireo biby ao amin’ny toeram-piompiana ary trano iray. Nosoniaviny ilay didim-pananana ka nomeny ahy. (...) Taorian’ny nahafatesan’ny vadiko, dia naniry hahazo anjara tamin’ny lova navelany, ireo havana. Nohazavaiko tamin’izy ireo fa tamin’ny volany manokana no nividianan’ny vadiko ny tany fambolena ka tsy manana zo hitaky na inona na inona izy ireo. Rehefa nahita ilay didim-pananana voasoratra izy ireo, dia nanaiky izany.”
Firesahana ny raharaha amin’ny fianakaviana
Mety hitranga ny zava-manahirana raha tsy miresaka amin’ny fianakaviany mahakasika ny zavatra inoany sy ny faniriany, ny olona iray. Hevero ny amin’ny tarehin-javatra nisy ny lehilahy iray, izay ny havany dia nisisika ny hanaovana ny fandevenana azy eo an-tanàna, mifanaraka amin’ny fombafomba eo an-toerana. Rehefa notandindomin-doza ny ain’ny vady aman-janany dia voatery namela ny fatiny tamin’ireo havany, izy ireo. Hoy ilay vehivavy nitaraina: “Raha mba nilaza na dia tamin’ny iray amin’ireo dadatoany na zanak’olo-mpiray tam-po, ny fomba naniriany handevenana azy mantsy ny vadiko, dia tsy ho nikiry hanaraka fanao nentin-drazana ny amin’ny fandevenana ny fianakaviana.”
Amin’ny fitambaran’olona sasany, ny fifanekena am-bava dia manan-kery ara-dalàna sahala amin’ny taratasy voasoratra. Izany no tarehin-javatra any amin’ny tapany amin’i Swaziland, izay isian’ny olona maro manan-javatra inoana izay mampirisika ny hanarahana fomba fandevenana sy fisaonana nentin-drazana. Noho ny fahafantarana izany, ny lehilahy kristiana iray atao hoe Isaac dia nanao fivoriana niaraka tamin’ireo havany izay tsy Vavolombelon’i Jehovah, ary niresaka izay iriny hataon’izy ireo rehefa maty izy. Nolazainy tamin’izy ireo hoe iza no hahazo fananana ara-nofo voafaritra tsara iray, ary nohazavainy mazava ny fomba hitarihana ny fandevenana azy. Rehefa maty izy, dia nandeha araka ny naniriany azy ny zavatra. Nalevina tamin’ny fomba kristiana i Isaac, ary voakarakara tsara ny vadiny.
Arovy ny fianakavianao
Izay hataonao mba hiarovana ny fianakavianao raha sanatria ka maty ianao, dia raharaha manokana, nefa nilaza toy izao ny Kristiana iray atao hoe Edward: “Manana fiantohana aina (assurance-vie) mba handraisan’ireo mpianakaviko valo vola aho. Anisan’ny manao sonia amin’ny kaontiko any amin’ny banky ny vadiko. Koa raha maty aho, dia afaka maka vola avy amin’ilay kaonty izy. (...) Manana didim-pananana handraisan’ny ankohonako soa aho. Raha maty aho, izay zavatra rehetra havelako dia ho an’ny vady aman-janako. Dimy taona lasa izay no nanoratako ny didim-pananako. Nomanin’ny mpahay lalàna iray ilay izy, ary manana kopian’izany ny vadiko sy ny zanako lahy. Ao amin’ilay didim-pananako, dia nofaritako fa tsy tokony hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fandevenana ahy ireo anisan’ny fianakaviako. An’ny fandaminan’i Jehovah aho. Noho izany, na dia Vavolombelona iray na roa monja aza no ho afaka hitarika ny fandevenana ahy, dia efa ampy izay. Noresahiko tamin’ireo havako izany.”
Amin’ny heviny iray, ny fanaovana fandaharana toy izany dia fanomezana ho an’ny ankohonanao. Mazava ho azy fa tsy mitovy amin’ny fanomezana sokolà na fehezam-boninkazo akory ny fanaovana fandaharana ho fitsinjovana ny mety hahafaty ny tena. Na izany aza, dia mampiseho ny fitiavanao izany. Manaporofo izany fa maniry ny ‘hiahy ny amin’izay ilain’ny ankohonanao’ ianao, na dia rehefa tsy eo amin’izy ireo intsony aza.
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Nanao Fandaharana ho An’ny Reniny, i Jesosy
“Nijanona teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’i Klopa, sy Maria Magdalena. Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra [Jaona] ho any aminy izy.” — Jaona 19:25-27.
[Sary, pejy 22]
Kristiana maro no mandray fepetra araka ny lalàna amim-pieritreretana mba hiarovana ny fianakaviany