“Tsara Noho ny Aina ny Hatsaram-panahinao Miharo Fitiavana”
Notantarain’i Calvin H. Holmes
Desambra 1930 tamin’izay, ary vao avy nitery omby aho, rehefa nody avy nitsidika mpiara-monina teo akaiky teo, i Dada. “Misy boky nampindramin’i Wyman ahy itỳ”, hoy izy, sady namoaka boky mangamanga avy tany am-paosiny izy. Nitondra ny lohateny hoe Délivrance izy io, ary natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Namaky an’io boky io hatramin’ny alina be i Dada, izay saika tsy mamaky boky na inona na inona mihitsy.
TATỲ aoriana, dia nindrana boky hafa, izay nitondra ny lohateny toy ny hoe Lumière sy Réconciliation, natontan’io Fikambanana io ihany, i Dada. Hitany ny Baiboly tontan’i Neny, ka niari-tory be izy mba hamaky tamin’ny fanazavan’ny jiro solitany. Niova be i Dada. Tamin’io ririnina io dia niresaka nandritra ny ora maro taminay — ny reniko sy ny anabaviko telo ary izaho — izy, rehefa nitanina afo nanodidina ilay fatana kitay efa tranainy, izahay.
Nilaza i Dada fa antsoina hoe Mpianatra ny Baiboly ny olona manonta ireny boky ireny, ary, araka ny tenin’izy ireo, dia miaina amin’ny ‘andro farany’ isika. (2 Timoty 3:1-5). Nanazava izy fa tsy hopotehina amin’ny faran’izao tontolo izao ny tany, fa hovana ho paradisa kosa, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (2 Petera 3:5-7, 13; Apokalypsy 21:3, 4). Nahaliana ahy tokoa ny fandrenesana izany.
Nanomboka niresaka tamiko i Dada rehefa niara-niasa izahay. Tadidiko fa namaofy katsaka izahay rehefa nanazava tamiko izy fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18). Noho izany, nandritra ny lohataonan’ny 1931, raha vao 14 taona monja aho, dia niandany tamin’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nivavaka tamin’i Jehovah tao amin’ny tanim-paoma efa tranainy tao ambadiky ny trano aho ary nivoady mafy taminy fa hanompo azy mandrakizay. Efa nanohina ny foko sahady ny hatsaram-panahy miharo fitiavan’ilay Andriamanitsika mahatalanjona. — Salamo 63:3.
Nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, tokony ho 30 kilaometatra avy ao Saint Joseph, Missouri, any Etazonia, ary latsaka ny 65 kilaometatra avy ao Tanànan’i Kansas, izahay. Teraka tao amin’ny trano hazo namboarin’ny raibeny tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-19 teo amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana, i Dada.
Fampiofanana ho amin’ny fanompoana
Tamin’ny fahavaratry ny 1931, dia nandre tao amin’ny radio an’ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao”, izay nataon’i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, tamin’ny fivoriambe tany Columbus, Ohio, ny fianakavianay. Nampientam-po ahy izy io, ka faly aho niara-niasa tamin’i Dada tamin’ny fizarana an’ilay bokikely nirakitra an’io lahateny ampahibemaso lehibe io, tamin’ireo olom-pantatray.
Tamin’ny lohataonan’ny 1932, dia nanatrika voalohany ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanasa ahy sy i Dada mba hanatrika ny lahateny hataon’i George Draper, mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Saint Joseph, ilay mpiara-monina taminay. Rehefa tonga izahay, dia efa nisasaka ny fivoriana, ary nahita toerana hipetrahana tao ambadiky ny lamosina tomady sy lehiben’i J. D. Dreyer, izay hanana anjara lehibe eo amin’ny fiainako, aho.
Tamin’ny Septambra 1933, dia nanatrika fivoriambe tany amin’ny Tanànan’i Kansas niaraka tamin’i Dada aho, ka tany aho dia nandray anjara voalohany tamin’ny fitoriana ampahibemaso. Nomen’i Dada bokikely telo aho ary nomeny toromarika hilaza hoe: “Vavolombelon’i Jehovah mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Tsy isalasalana fa efa nandre an’i Rutherford Mpitsara tao amin’ny radio ianao. Alefa amin’ny foibena radio efa ho 300 isan-kerinandro ireo lahateniny.” Avy eo, dia nanolotra bokikely iray aho. Tamin’io hariva io, rehefa nitery omby aho fony tafaverina tao amin’ny toeram-piompiana, dia nihevitra fa io no andro tsy hay hadinoina indrindra teo amin’ny fiainako.
Tsy ela dia tonga ny ririnina, ka voafetra ny fanaovana dia lavitra ho anay. Tamin’izay anefa ny Rahalahy Dreyer sy ny vadiny dia nitsidika anay sy nanontany ahy raha tiako ny ho tonga any an-tranony ny asabotsy hariva ka hatory any. Mendrika ny hanaovana ezaka ireo folo kilaometatra ho any an-tranon-dry Dreyer, satria afaka niaraka tamin’izy ireo teny amin’ny fanompoana aho ny ampitson’iny ary nanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tany Saint Joseph. Nanomboka tamin’izay, dia mahalana no tsy nandray anjara tamin’ny fanompoana aho ny alahady. Hita ho sarobidy ny fampiofanana sy ny torohevitry ny Rahalahy Dreyer.
Tamin’ny 2 Septambra 1935, rehefa ela ny ela, dia afaka nanamarika ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, tany amin’ny fivoriambe tany amin’ny Tanànan’i Kansas, aho.
Fanombohan’ny asa iray naharitra ela be
Aloha be, tamin’ny 1936, dia nangataka ny hanompo amin’ny maha-mpisava lalana, na minisitra manontolo andro, aho, ary nosoratana tao amin’ny lisitr’ireo izay mitady namana hiara-manao ny fanompoan’ny mpisava lalana, ny anarako. Tsy ela taorian’izay, dia nahazo taratasy avy tamin’i Edward Stead, avy any Arvada, any Wyoming, aho. Nohazavainy fa tsy afa-nihetsika teo ambonin’ny seza misy kodiarana izy, ka nila fanampiana mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nanaiky ny fanolorany avy hatrany aho, ka notendrena ho mpisava lalana tamin’ny 18 Aprily 1936.
Talohan’ny nialako mba ho any amin’ny Rahalahy Stead, dia niresaka tamiko manokana ny reniko nanontany hoe: “Azonao antoka ve, anaka, fa izao no tena tianao hatao?”
“Tsy misy antony iainana raha tsy izany”, hoy aho namaly. Nanjary takatro tsara fa zava-dehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana.
Tena fampiofanana tsara ny fiarahana nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’i Ted, araka ny niantsoanay ny Rahalahy Stead. Feno zotom-po izy, ary nanana fomba manintona aoka izany hanehoana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny hany zavatra vitan’i Ted anefa dia ny manoratra sy miresaka; voan’ny rohana ny vanin-taolany rehetra. Nifoha maraina aho mba hanadio sy hanala ny volombavany sy hanomana sakafo ary hamahana azy. Avy eo aho dia nampiakanjo azy sy nanomana azy ho amin’ny fanompoana. Tamin’io fahavaratra io dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Wyoming sy Montana izahay, natory teny an-kalamanjana tamin’ny alina. Natory tao amin’ny efitra kely manokana namboarina tao amin’ny kamiaonetiny i Ted, ary izaho kosa natory teo amin’ny tany. Taoriana kokoa tamin’io taona io, dia nifindra tany atsimo aho mba hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Tennessee, any Arkansas, sy Mississippi.
Tamin’ny Septambra 1937, dia nanatrika fivoriambe lehibe voalohany tao Columbus, any Ohio, aho. Io fandaharana io dia natao mba hanomezana hery ny asa fitoriana, amin’ny fampiasana grafofaonina. Nanao tatitra fanomanana iray izahay, isaky ny mihaino an’ilay grafofaonina ny tompon-trano. Tamin’ny volana iray dia nahazo fanomanana 500 sy olona mihoatra ny 800 nihaino aho. Taorian’ny nanaovana fanambarana tamin’ny tanàna maro tao Tennessee, Virginia, sy Virginia Andrefana, dia nasaina mba hanompo amin’ny maha-mpisava lalana manokana amin’ny fiandraiketana vaovao aho, dia ny fiaraha-miasa amin’ny mpiandraikitra ny zone, araka ny niantsoana ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany.
Nitsidika ireo kongregasiona sy groupes isolés tany Virginia Andrefana aho — nandany tapa-bolana ka hatramin’ny iray volana tamin’ny tsirairay avy amin’izy ireny — ary nitari-dalana teo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Avy eo, tamin’ny Janoary 1941, dia notendrena ho mpiandraikitra ny zone aho. Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay, dia niandany tamin’ilay Fanjakana ny reniko sy ireo anabaviko telo — Clara sy Lois ary Ruth. Koa tamin’io fahavaratra io àry, dia niara-nanatrika ilay fivoriambe lehibe tany Saint Louis ny fianakavianay manontolo.
Tsy ela taorian’ilay fivoriambe, dia nilazana ireo mpiandraikitra ny zone fa ho tapitra amin’ny Novambra 1941 ny asan’ny zone. Niditra tao amin’ny Ady Lehibe Faharoa i Etazonia, ny volana nanaraka an’izay. Notendrena ho amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana, izay nitaky ny handaniana 175 ora isam-bolana, amin’ny fanompoana, aho.
Tombontsoam-panompoana manokana
Tamin’ny Jolay 1942, dia naharay taratasy aho, izay nanontany ahy raha naniry ny hanompo any an-tany hafa aho na tsia. Rehefa nanaiky izany aho, dia nasaina ho any amin’ny Betela, ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao Brooklyn, New York. Nisy rahalahy mpitovo 20 teo ho eo nantsoina hiaraka hanao fiofanana manokana.
Nanazava i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, fa nihena ny asa fitoriana, ka hampiofanina izahay mba hanatanjaka ireo kongregasiona eo amin’ny lafiny ara-panahy. “Tsy izay tsy mety ao amin’ny kongregasiona fotsiny no tianay ho fantatra”, hoy izy, “fa izay nataonareo momba izany koa.”
Raha mbola tao amin’ny Betela izahay, i Fred Franz, izay nandimby ny Rahalahy Knorr tamin’ny naha-prezidà, tamin’ny 1977, dia nanao lahateny, izay nilazany hoe: “Hifarana ny Ady Lehibe Faharoa, ka hisokatra ny asa fitoriana lehibe. Tsy isalasalana fa mbola hisy olona an-tapitrisany maro hangonina ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah!” Nanova tanteraka ny fomba fijeriko zavatra io lahateny io. Rehefa natao ny fanendrena, dia fantatro fa hitsidika ireo kongregasiona rehetra tao amin’ireo fanjakan’i Tennessee sy i Kentucky aho. Nantsoina hoe mpanompon’ireo rahalahy izahay, anarana izay novana ho mpiandraikitra ny fizaran-tany tatỳ aoriana.
Nanomboka nitsidika ireo kongregasiona aho tamin’ny 1 Oktobra 1942, raha mbola vao 25 taona monja. Tamin’izany fotoana izany, ny hany fomba hahatratrarana ny kongregasiona sasany dia ny fandehanana an-tongotra na an-tsoavaly. Indraindray, dia niara-natory tao amin’ny efitra iray tamin’ilay fianakaviana nampiantrano ahy aho.
Rehefa nitsidika ny Kongregasiona Greeneville, ao Tennessee, aho tamin’ny Jolay 1943, dia nahazo fanasana mba hanatrika ny kilasy faharoa amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tany Gileada aho, dia nianatra izay tena hevitry ny hoe ‘[maneho fitandremana mihoatra noho ny mahazatra, NW ] izay efa rentsika’ sy ny hoe ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’. (Hebreo 2:1; 1 Korintiana 15:58). Nandeha haingana ireo dimy volana tao amin’ilay sekoly, ary tonga tamin’ny 31 Janoary 1944 ny fizarana diplaoma.
Kanada, ary nitohy tany Belzika
Ny maro taminay dia notendrena ho any Kanada, izay vao avy nanafoanana ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Notendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany, izay hitaky fandehanana tamin’ny elanelana lavitra be tamin’ireo kongregasiona sasany, aho. Teny am-pitsidihana, dia fifaliana ny nandre fitantarana ny amin’ny hoe ahoana no nanohizana ny asa fitoriantsika nandritra ny fandrarana tany Kanada. (Asan’ny Apostoly 5:29). Maro no nitantara ny amin’ny nolazaina hoe ezaka manokana tsy ara-tafika, izay nametrahana bokikely iray saika isan-trano, tao anatin’ny alina iray monja, nanerana an’i Kanada manontolo. Vaovao tsara mihitsy ny nahafantatra tamin’ny May 1945 fa tapitra ny ady tatỳ Eoropa!
Tamin’io fahavaratra io, raha mbola nitsidika kongregasiona iray tany amin’ny tanàna kelin’i Osage, any Saskatchewan, aho, dia naharay taratasy avy tamin’ny Rahalahy Knorr, nilaza hoe: “Manolotra anao ny tombontsoa ho any Belzika aho. (...) Misy asa be mila ny hovitaina ao amin’io tany io. Firenena iray rotidrotiky ny ady izy io, ka mila fanampiana ireo rahalahintsika, ary toa tsara ny mandefa olona avy atỳ Amerika mba hanome azy ireo ny fanampiana tokony ho azy sy ny fampaherezana ilainy.” Namaly avy hatrany, tamin’ny fanekena ilay fanendrena, aho.
Tamin’ny Novambra 1945, dia tao amin’ny Betelan’i Brooklyn aho, nianatra teny frantsay niaraka tamin’i Charles Eicher, rahalahy zokiolona avy any Alsace. Nahazo fampiofanana vetivety momba ny fomba fiasan’ny sampana koa aho. Talohan’ny nialako ho atỳ Eoropa, dia nitsidika vetivety ny fianakaviako sy ireo namako tany Saint Joseph, any Missouri, aho.
Tamin’ny 11 Desambra, dia niala tany New York tamin’ny sambo Queen Elizabeth aho, ary efatra andro tatỳ aoriana, dia tonga tao Southampton, any Angletera. Nijanona iray volana tao amin’ny sampan’i Angletera, izay nandraisako fampiofanana fanampiny, aho. Taorian’izay, tamin’ny 15 Janoary 1946, dia niampita an’i La Manche aho, ary niala ny sambo tao Ostend, any Belzika. Avy teo aho, dia nandeha lamasinina ho any Bruxelles, ka tao dia nitsena ahy teo amin’ny gara ny fianakavian’ny Betela manontolo.
Asa nandroso taorian’ny ady
Ny fanendrena ahy dia ny hiandraikitra ny asan’ilay Fanjakana tany Belzika, nefa tsy nahay ny fiteny tany akory aho. Tao anatin’ny enim-bolana teo ho eo, dia nahay teny frantsay ampy mba hiresahana andavanandro aho. Tombontsoa ny niara-niasa tamin’ireo izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fanohizana ny asa fitoriana nandritra ireo dimy taona nisian’ny fanapahana nazia. Vao nafahana avy tany amin’ny toby fitanana, ny sasany tamin’izy ireny.
Dodona ny handamina indray ny asa ireo rahalahy, ka hamahana ireo izay noana ny fahamarinana ara-baiboly. Noho izany, dia nisy fandaharana natao mba hanaovana fivoriambe sy hitsidihan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany an’ireo kongregasiona. Nahazo fitsidihana nampahery avy tamin’i Nathan Knorr, i Milton Henschel, i Fred Franz, i Grant Suiter sy i John Booth — izay samy solontenan’ny foibe any Brooklyn koa, izahay. Tamin’ireny fotoana taloha ireny, dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany sy mpiandraikitra ny distrika ary mpiandraikitra ny sampana, aho. Tamin’ny 6 Desambra 1952, taorian’ny efa ho fito taona niasana tany Belzika, dia nanambady an’i Emilia Vanopslaugh, izay niasa tao amin’ny sampan’i Belzika koa, aho.
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 11 Aprily 1953, dia nampanantsoin’ny biraon’ny polisy teo an-toerana aho ka nampahafantarina fa nandrahona ny filaminan’i Belzika ny fipetrahako tao. Niandry tany Luxembourg aho, raha mbola nangatahana fitsarana ambony tao amin’ny Filan-kevi-panjakana ilay raharaha momba ahy.
Tamin’ny Febroary 1954, dia nanaiky an’ilay didim-pitondrana milaza fa mandrahona an’ilay tany ny fijanonako tao, ny Filan-kevi-panjakan’i Belzika. Ny porofo nomena dia hoe hatramin’ny nahatongavako tao Belzika, dia nitombo be mihitsy ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah — 804 tamin’ny 1946 tafakatra ho 3 304 tamin’ny 1953 — ary ho vokatr’izany, dia tandindomin-doza ny filaminan’i Belzika satria tanora Vavolombelona maro no nitana mafy ny fialanalanana kristiana. Noho izany, dia notendrena ho eto Soisa, izay nanombohanay nanompo tao amin’ny asan’ny fizaran-tany, tamin’ny tapany miteny frantsay, izaho sy i Emilia.
Naorina tany South Lansing, any New York, tamin’ny 1959, ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana — sekoly iray natao hanomezana fampiofanana miitatra ho an’ireo loholona kristiana. Nasaina ho any aho mba handray fampiofanana hampianarana kilasy amin’io sekoly io atỳ Eoropa. Raha mbola tany Etazonia aho, dia nitsidika ny fianakaviako tany Saint Joseph, any Missouri. Tamin’izay no nahitako farany ny reny malalako. Maty tamin’ny Janoary 1962 izy; nody mandry tamin’ny Jona 1955 i Dada.
Nanomboka tany Paris, ao Frantsa, tamin’ny Martsa 1961, ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, ary niaraka tamiko tany i Emilia. Tonga ho amin’ilay sekoly ireo mpiandraikitra ny distrika sy mpiandraikitra ny fizaran-tany sy mpiandraikitra ny kongregasiona ary mpisava lalana manokana avy ao Frantsa sy Belzika ary Soisa. Nandritra ireo 14 volana nanaraka, dia nitarika kilasy 12 tamin’io fianarana maharitra efatra herinandro io aho. Taorian’izay, tamin’ny Aprily 1962, dia fantatray fa bevohoka i Emilia.
Fanamboarana ny fiainana hifanaraka tamin’ny tarehin-javatra
Niverina teto Genève, Soisa, izay nahazoanay fahazoan-dalana hipetraka maharitra, izahay. Kanefa, tsy mora ny nahita toerana hipetrahana, satria nisy tsy fahampiam-ponenana namely mafy tamin’izay. Tsy mora mihitsy koa ny nahita asa. Tamin’ny farany, dia nahita asa tao amin’ny toeram-pivarotana lehibe tao afovoan’i Genève, aho.
Nandany 26 taona tao amin’ny fanompoana manontolo andro aho, ka noho izany dia nitaky fanamboarana be ny fiainana ny tarehin-javatra niova nisy anay. Nandritra ireo 22 taona niasako tao amin’ilay toeram-pivarotana lehibe ary nanampiako mba hitaizana ny zanakay roa vavy, Lois sy Eunice, dia nametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany foana ny fianakavianay. (Matio 6:33). Nanomboka nanompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana, aho, rehefa nanomboka nisotro ronono tamin’ny asa fivelomana tamin’ny 1985.
Ratsy be ny fahasalaman’i Emilia, nefa manao izay azony atao izy amin’ny fanompoana. Nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana nandritra ny folo taona teo ho eo i Lois. Tena zava-dehibe ara-panahy tokoa ny nahafahako niara-nifaly taminy tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena nahafinaritra indrindra tany Moscou, nandritra ny fahavaratra 1993! Tsy ela taorian’izay, nandritra fialan-tsasatra nataony tany Sénégal, any Afrika, dia namoy ny ainy i Lois, fony izy nilomano tany an-dranomasina. Fampaherezana lehibe ho ahy, fony aho tany Sénégal mba hikarakara ny fandevenana, ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ireo rahalahy afrikana sy ireo misionera. Tsy andriko erỳ ny hahita an’i Lois amin’ny fitsanganan’ny maty! — Jaona 5:28, 29.
Velom-pankasitrahana aho noho ireo 40 taona mahery nifaliana tamin’ny fanohanana amim-pahatokian’ny namana iray be fitiavana. Marina tokoa fa na dia eo aza ny aretim-poko sy ny fahasahiranako, dia nahafinaritra ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana ka nahatonga ny fiainako ho mendrika ny iainana. Voatosika ny foko hilaza, mahakasika an’ilay Andriamanitsika dia i Jehovah, amin’ny tenin’ilay mpanao salamo manao hoe: “Fa tsara noho ny aina ny [hatsaram-panahinao miharo fitiavana, NW ]; ny molotro hidera Anao.” — Salamo 63:3.
[Sary, pejy 26]
Nanome hery ny asa fitoriana tamin’ny grafofaonina izahay
[Sary, pejy 26]
Ny ray aman-dreniko, tamin’ny 1936
[Sary, pejy 26]
Fanambarana eny amin’ny arabe tany Belzika, tamin’ny 1948