Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Zanakareo!
TANY amin’ny sekoly ambaratonga faharoa iray tany Nizeria, ny zazavavy iray nalaza ho naloto fitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy dia tia nanome torohevitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy an’ireo tovovavy mpiara-mianatra taminy. Ny iray tamin’ny fanafody nampiasainy ho amin’ny fanalana zaza dia ny labiera mahery miharo paraky be dia be. Ireo tantarany, izay nalainy avy tao amin’ny bokin-tsary vetaveta, dia nahavariana ny maro tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Nanomboka nanandrana nanao firaisana ny sasany, ary dia bevohoka ny iray tamin’izy ireo. Mba hanalana ilay zaza, dia nisotro tamin’ilay fangaro-na labiera mahery sy paraky izy. Tao anatin’ny ora vitsivitsy, dia nanomboka nandoa ra izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia maty tany amin’ny hopitaly izy.
Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia tanora maro no miresaka tsy an-kijanona momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ka manimba ireo mpihaino mora minomino foana. Iza no tokony hitodihan’ny zatovo mba hahitana fahalalana araka ny marina izay hiaro azy ireo? Tena tsara mihitsy rehefa afaka mitodika any amin’ny ray aman-dreniny tia an’Andriamanitra, izay manana andraikitra hitaiza azy amin’ny “famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”, izy ireo. — Efesiana 6:4.
Fihetsiky ny Afrikana eo anoloan’ny fampianarana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy
Manerana izao tontolo izao, dia ray aman-dreny maro no mahita fa sarotra ny miresaka amin’ny zanany ny raharaha momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Marina indrindra izany atỳ Afrika. Toy izao no nomarihin’i Donald, ray iray atsy Sierra Leone: “Saika tsy misy manao mihitsy izany atỳ. Tsy anisan’ny kolontsaina afrikana ny fanaovana izany.” Ny vehivavy nizeriana iray antsoina hoe Confident dia mitovy hevitra amin’izany koa: “Ny ray aman-dreniko dia mihevitra ny maha-lahy sy ny maha-vavy ho zavatra tsy tokony hotononina ampahibemaso; fady ara-kolontsaina izy io.”
Amin’ny kolontsaina afrikana sasany, dia heverina ho vetaveta ny manonona teny mifandray amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, toy ny hoe filahiana, tsirinaina, na fadimbolana. Nandrara ny zanany vavy tsy hampiasa ny teny hoe “maha-lahy sy maha-vavy” mihitsy aza ny reny kristiana iray, fa ny hoe “fijangajangana” kosa, hoy izy, dia azony ampiasaina. Mifanohitra amin’izany, ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, dia miresaka amim-pahatsorana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. (Genesisy 17:11; 18:11; 30:16, 17; Levitikosy 15:2). Ny zava-kendren’izany dia tsy hoe mba hanafintohinana na hanaitairana akory, fa mba hiarovana sy hampianarana ny vahoakan’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:16.
Ankoatra ireo fady ara-kolontsaina, dia misy antony iray hafa mahatonga ny ray aman-dreny sasany hiahotra tsy hiresaka azy io. Hoy ny voalazan’ny ray nizeriana iray: “Raha miresaka amin’ny zanako momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy aho, dia mety handrisika azy ireo hijangajanga izany.” Moa ve anefa ny fanazavana amim-pahamendrehana sy miorina amin’ny Baiboly momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, mampirisika ny ankizy ho maimaika sy hanandranandrana? Tsia. Raha ny marina aza dia mety ho arakaraka ny maha-kely ny fahalalana ananan’ireo tanora, no azo inoana kokoa fa hanaovany fijangajangana. “Fialokalofana ny fahendrena [miorina amin’ny fahalalana araka ny marina]”, hoy ny Baiboly. — Mpitoriteny 7:12.
Ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ny lehilahy malina iray nahita mialoha ny mety hitrangan’ny tafio-drivotra amin’ny hoavy, dia nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy, fa ny lehilahy adala iray kosa nanorina ny azy teo ambonin’ny fasika ary dia nahita loza. (Matio 7:24-27). Toy izany koa, ireo ray aman-dreny kristiana malina, izay mahafantatra fa ny zanany dia hiatrika fanerena toy ny rivo-doza mba hanarahany ny fari-pitsipika mivahan’izao tontolo izao eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, dia hanatanjaka ny zanany amin’ny alalan’ilay fahalalana sy ilay fahatakaran-javatra araka ny marina, izay hanampy azy ireo tsy ho resy.
Ny antony fanampiny mahatonga ny ray aman-dreny maro tsy hiresaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’ny zanany dia nambaran’ny vehivavy afrikana iray toy izao: “Fony aho mbola kely, ny ray aman-dreniko Vavolombelona dia tsy niresaka tamiko momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, noho izany, dia tsy tonga tato an-tsaiko ny hiresaka ireny zavatra ireny tamin’ny zanako.” Kanefa, lehibe kokoa ny fanerena eo amin’ny tanora amin’izao andro izao noho ny tamin’ireo tanora tamin’ny 10 na 20 taona lasa. Tsy mahagaga izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia nanambara mialoha fa “[atỳ] am-parany (...) ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky (...) dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina”. — 2 Timoty 3:1, 13.
Manampy trotraka ilay zava-manahirana ny hoe ankizy maro no tsy mety na tsy afaka mitoky amin’ny ray aman-dreniny. Tsy misy fifampiresahana na dia momba ny raharaha madinika aza matetika. Nitaraina toy izao ny tanora iray 19 taona: “Tsy miresaka zavatra amin’ny ray aman-dreniko aho. Tsy misy fifampiresahana tsara eo amiko sy ny raiko. Tsy maneho fiheverana izy.”
Mety hatahotra koa ireo zatovo sao hiteraka voka-dratsy ny fanontaniany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Nilaza toy izao ny tovovavy iray, 16 taona: “Tsy miresaka ny zava-manahirana momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy amin’ny ray aman-dreniko aho, noho ny fomba fihetsiny eo anoloan’ny zavatra toy izany. Tsy ela izay, ny zokiko vavy dia nanontany an’i Neny zavatra sasany nifandray tamin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Tsy nanampy azy tamin’ny zava-nanahirana azy i Neny, fa nanjary niahiahy ny amin’izay nokasainy hatao. Matetika i Neny no niantso ahy ary nanontany momba ny rahavaviko, ka indraindray dia niahiahy momba ny fitondran-tenany. Tsy iriko ny hamoy ny fitiavan’i Neny; noho izany, dia tsy miresaka aminy ny zava-manahirana ahy aho.”
Nahoana isika no tokony hampianatra?
Ny fampianarana ny zanatsika araka izay mifanentana aminy momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia tsy vitan’ny hoe zavatra tokony hatao fotsiny, fa fanehoana hatsaram-panahy koa. Raha tsy mampianatra ny zanany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ny ray aman-dreny, dia ny hafa no hanao izany — mazàna dia aloha kokoa tsy araka ny anampoizan’ny ray aman-dreny azy, ary saika tsy mifanaraka mihitsy amin’ireo foto-pitsipik’Andriamanitra. Ny zazavavy iray, 13 taona, dia nijangajanga satria nolazain’ny mpiara-mianatra taminy fa raha tsy namoy ny naha-virjiny azy izy, dia hijaly mafy amin’ny hoavy. “Hotatahiny amin’ny hety ny sarom-pivavianao”, hoy ny nolazaina taminy. Rehefa nanontaniana ny antony tsy nilazany izay reny tamin’ny reniny kristiana ilay zazavavy tatỳ aoriana, dia namaly fa tsy noresahina tamin’ny olon-dehibe na oviana na oviana ny raharaha toy izany.
Nilaza toy izao ny zazavavy nizeriana iray: “Ireo namako tany an-tsekoly dia nanandrana nandresy lahatra ahy ny amin’ny hoe zavatra tsy maintsy ataon’ny olombelona ara-dalàna rehetra ny firaisana. Nilaza tamiko izy ireo hoe raha tsy manao firaisana aho izao, rehefa feno 21 taona aho dia ho voan’ny aretina izay hisy vokany ratsy eo amin’ny fiainako amin’ny maha-vehivavy ahy. Noho izany, mba hanalavirana ny loza mahatsiravina toy izany, hoy izy ireo, dia tsara ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana.”
Nanana fifandraisana tsara tamin’ny ray aman-dreniny izy, ka nahita avy hatrany ny fifanoheran’izany tamin’izay nianarany tany an-trano. “Toy ny fanaoko, dia nody tany an-trano aho, ary nilaza tamin’ny reniko izay nolazain’izy ireo tamiko tany am-pianarana.” Afaka nanohitra ilay fanazavana diso ny reniny. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 14:15.
Amin’ny fanomezana ny fahalalana ilaina mba hanampiana ny ankizy hahazo ny fahendrena araka an’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny ray aman-dreny dia manampy azy hahay hanavaka ireo tarehin-javatra mampidi-doza sy hahafantatra ny olona mitady hanararaotra azy ireo. Izany dia manampy mba hiarovana azy ireo amin’ny alahelo mafy vokatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana sy ny fananana anaka tsy nirina. Izany koa dia miteraka fahatsapan-tena ho manana haja sy fanajan’ny hafa ny tena, ary manafaka azy ireo amin’ny fiheveran-diso sy ny fanahiana. Izany fanampian’ny ray aman-dreny izany koa dia miteraka fomba fijery madio sy manorina momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy araka ny tokony ho izy, ary mitondra fahasambarana rehefa manambady izy ireo any aoriana. Ary farany, izany dia afaka manampy azy tsy hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra, ka hanosika azy ho vao mainka hanaja sy ho tia ny ray aman-dreniny, rehefa hitany ny fiahiana feno fitiavana aseho azy.
Fifampiresahana tsara
Mba hampifanarahan’ny ray aman-dreny ny torohevitra amin’izay ilain’ny zanany, dia tena ilaina ny resaka tsy mandeha ila. Raha tsy fantatry ny ray aman-dreny izay ao an-tsaina sy ao am-pon’ny zanany, dia mety tsy hahasoa na dia ny torohevitra tsara aza, tsy misy hafa amin’ny dokotera iray mitady hanome fanafody, nefa tsy mahafantatra izay aretin’ilay marary akory. Mba ho mpanome torohevitra mahita vokatra, ny ray aman-dreny dia tsy maintsy mahafantatra izay tena eritreretin’ny zanany sy tsapany. Mila ny mahatakatra ny fanerena sy ny zava-manahirana atrehin’ny zanany, ary koa ireo fanontaniana manelingelina azy, ny ray aman-dreny. Zava-dehibe ny mihaino amim-pitandremana ny ankizy, ny “halady hihaino [sy] ho malai-miteny”. — Jakoba 1:19, Ohabolana 12:18; Mpitoriteny 7:8.
Mila fotoana sy faharetana ary ezaka ny ray aman-dreny mba hambolena sy hihazonana fifandraisana akaiky amin’ny zanany, fifandraisana izay hahatonga ny ankizy tsy hisalasala haneho ny fihetseham-pony lalina indrindra. Tena tsara mihitsy anefa raha tratra izany tanjona izany! Milaza toy izao ny ray iray manan-janaka dimy atsy Afrika Andrefana: “Sady ray aho no namana akaiky itokiana. Tsy misalasala miresaka amiko momba ny zavatra rehetra ny ankizy, anisan’izany ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Na dia ireo ankizivavy aza dia mitoky amiko. Maka fotoana mba hiresahana ny zava-manahirana azy ireo izahay. Milaza ny fifaliany amiko koa izy ireo.”
Milaza toy izao i Bola, iray amin’ireo zanany vavy: “Tsy mihazona tsiambaratelo na inona na inona amin’ny raiko aho. Maneho fiheverana sy mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, i Dada. Tsy mpampijaly kely izy na mitondra anay amin-kasiahana, na dia nanao diso aza izahay. Tsy misafoaka izy fa mamakafaka ilay raharaha kosa, ary mampiseho aminay izay tokony hataonay, na izay tsy tokony ho nataonay. Matetika izy no miresaka momba ny boky Fahatanoranao sy ny boky Fahasambaram-pianakaviana.”a
Rehefa azo atao, dia tsara raha manomboka miresaka amin’ny zanany momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ny ray aman-dreny, raha mbola tena kely ny ankizy. Izany dia mametraka fototra ho amin’ny fiaraha-midinika mitohy mandritra ireo taona manahirana maha-zatovo azy ireo. Raha tsy atomboka aloha ny fiaraha-midinika, dia mahasanganehana indraindray ny mampiditra azy atỳ aoriana, nefa azo atao ihany izany. Nilaza toy izao ny reny iray manan-janaka dimy: “Nanery tena hiresaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy aho, mandra-paha-tsy sanganehana ahy, na ilay zaza intsony.” Koa satria zava-dehibe toy izany no tafiditra, dia azo antoka fa mendrika ny hatao ny ezaka toy izany.
Voaro sy sambatra
Ny ankizy dia mankasitraka ny ray aman-dreny izay manome amim-pitiavana fahalalana izay hiaro azy ireo. Diniho ny fanambaran’ireto Vavolombelon’i Jehovah afrikana ireto:
Nilaza toy izao i Mojisola teo amin’ny faha-24 taonany: “Ho velom-pankasitrahana ny reniko foana aho. Nanome ahy ny fanabeazana nilaiko momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy tamin’ny fotoana nety izy. Na dia sanganehana aza aho, rehefa niresaka ireo raharaha ireo izy, efa ela izay, ankehitriny dia hitako ireo zavatra tsara nataon’ny reniko ho ahy.”
Nanampy teny toy izao i Iniobong: “Faly foana aho, rehefa mijery ny lasa ary mieritreritra izay nataon’i Neny ho ahy tamin’ny fanomezana ahy fampiofanana ampy momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Tena fanampiana lehibe teo amin’ny fitarihana ahy ho tonga vehivavy lehibe izany. Nianiana ny hanao toy izany amin’ny zanako aho amin’ny hoavy.”
Nilaza toy izao i Kunle, 19 taona: “Nanampy ahy mba hanohitra ireo fitaoman’ireo vehivavy eo amin’izao tontolo izao momba ny firaisana malalaka, ny ray aman-dreniko. Raha tsy noho ny fampiofanana nomen’izy ireo ahy, dia ho latsaka tao amin’ny fahotana aho. Hankasitrahako foana ny nataon’izy ireo.”
Nilaza toy izao i Christiana: “Nahazo soa betsaka avy amin’ny fifampiresahana tamin’ny reniko momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy aho. Voaro tamin’ny aretina mahafaty sy ny fananana anaka tsy nirina aho, ary afaka namela ohatra tsara mba harahin’ireo zandriko lahy sy vavy. Nanjary nohajain’ny hafa koa aho, ary ny ho vadiko dia hanaja ahy koa. Ny zava-dehibe kokoa, dia manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra aho, noho ny fitandremako ny didiny.”
Nilaza toy izao i Bola, izay noresahina teo aloha: “Nisy mpiara-mianatra tamiko izay nilaza fa azo atao ny firaisana, na dia tsy manambady aza. Ho azy, dia toy ny kilalao izy io. Kanefa, hitany fa tsy kilalao ilay izy, rehefa bevohoka izy ary koa tsy afaka nanala fanadinana fifindrana kilasy niaraka taminay. Raha tsy nanana ray tsara nitari-dalana ahy aho, dia angamba ho nitovy taminy koa, ka ho voa vao hendry.”
Fitahiana toy inona moa izany hoe ray aman-dreny kristiana manampy ny zanany mba ‘ho hendry ho amin’ny famonjena’ eo amin’itỳ tontolo adalan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy itỳ izany! (2 Timoty 3:15). Ny toromarika miorina amin’ny Baiboly omen’izy ireo dia toy ny rojo sarobidy izay mandravaka sy mahatsara tarehy ny ankizy eo imason’Andriamanitra. (Ohabolana 1:8, 9). Mahatsapa ho voaro ny ankizy, ary ny ray aman-dreny dia mahita fahafaham-po lalina. Nilaza toy izao ny ray afrikana iray, izay miezaka mafy mandrakariva mba hihazona ny lalan’ny fifampiresahana amin’ny zanany hivoha hatrany: “Manana fiadanan-tsaina izahay. Matoky izahay fa ny zanakay dia mahafantatra izay ankasitrahan’i Jehovah; tsy afaka ny ho voafitak’ireo olona eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Matoky izahay fa tsy hanao zavatra izay hitondra alahelo ho an’ny fianakaviana izy ireo. Misaotra an’i Jehovah aho fa nanamarina ny fatokianay izy ireo.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 10]
Ireo tanora kristiana izay mandray fanazavana miorina amin’ny Baiboly avy amin’ny ray aman-dreniny, dia afaka mandà ireo filazana habobo ataon’ireo tanora hafa