FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/3 p. 20-24
  • Velom-pankasitrahana Noho ny Lova Kristiana Sarobidy Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velom-pankasitrahana Noho ny Lova Kristiana Sarobidy Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny zotom-pon’i Dada ho an’ny fahamarinana ara-baiboly
  • Zava-tsarotra tamin’ireo taona nisian’ny ady
  • Vonona ny hanome valin-teny
  • Fanasana tsy nampoizina
  • Fanendrena misionera
  • Fiovan’ny fanendrena
  • Asa tany Nizeria
  • Notohanan’ny fanantenanay
  • Nomen’i Jehovah Hery Izahay na Rehefa Nisy Ady na Tsia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Jehovah no Fialofako sy Heriko
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/3 p. 20-24

Velom-pankasitrahana Noho ny Lova Kristiana Sarobidy Iray

NOTANTARAIN’I GWEN GOOCH

Tany am-pianarana aho, dia nihira hira fiderana an’Andriamanitra iray, misy tonony hoe ‘ilay Jehovah Lehibe manjaka amin’ny voninahiny’. Matetika aho no nanontany tena hoe: ‘Iza àry io Jehovah io?’

TIA fivavahana ny raibeko sy ny renibeko. Tamin’ny fiandohan’itỳ taonjato itỳ dia nifanerasera tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, izy ireo. Mpandraharaha nahay ny raiko, nefa tamin’ny voalohany izy dia tsy namindra tamin’ireo zanany telo ny lova kristiana nomena azy.

Rehefa nomen’i Dada ahy sy ny anadahiko, Douglas, ary ny rahavaviko, Anne, ihany ireo bokikely hoe His Works sy hoe Qui est Dieu?, vao fantatro hoe anaran’ilay Andriamanitra marina ny hoe Jehovah. (Salamo 83:18). Nientam-po aho! Inona anefa no nanaitra indray ny fahalianan’i Dada?

Tamin’ny 1938, rehefa hitan’i Dada fa niomana ho amin’ny ady ireo firenena, dia takany fa zavatra mihoatra noho ny fiezahan’olombelona no ilaina mba handaminana ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao. Nomen’i Bebe azy ilay boky hoe Ennemis, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa namaky azy io izy, dia nahafantatra fa ny tena fahavalon’ny olombelona dia i Satana Devoly, ary ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra fiadanana maneran-tany.a — Daniela 2:44; 2 Korintiana 4:4.

Rehefa nanatona ny ady, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Wood Green, atsy Londres Avaratra, ny fianakavianay. Tamin’ny Jona 1939, dia nandeha tany amin’ny Alexandra Palace teo akaikiny teo izahay, mba hihaino ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ny Fitondram-panjakana sy ny Fiadanana”, nataon’i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Nampifandraisina tamin’ny alalan’ny radio tamin’i Londres sy ny tanàna lehibe hafa ny lahatenin’i Rutherford tao amin’ny Madison Square Garden, tany New York. Renay tsara aoka izany ilay lahateny, hany ka rehefa nitondra fikorontanana ny vahoaka romotra nitabataba, tany New York, dia nijery nanodidina aho raha nitranga tao amin’ilay efitrano lehibe nisy anay izany!

Ny zotom-pon’i Dada ho an’ny fahamarinana ara-baiboly

Nanamafy i Dada fa tokony hanao fiaraha-mianatra ny Baiboly ny fianakavianay manontolo, isaky ny asabotsy hariva. Niorina tamin’ny foto-kevitra araka ny Baiboly tao amin’ny Tilikambo Fiambenana natao hodinihina ny ampitson’iny, ny fianaranay. Maneho ny vokatr’ireny fianarana ireny ny mbola maha-velombelona ato an-tsaiko mandraka androany ilay fitantarana mahakasika an’i Josoa sy ny fahirano tamin’ny tanànan’i Ay, nodinihina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1939 (anglisy). Nanitikitika ny saiko aoka izany io fitantarana io, hany ka nojereko tao amin’ny Baiboliko avokoa ireo andinin-teny rehetra nanisy firesahana ny aminy. Hitako ho nahasondriana — sy mbola mahasondriana ihany — ny fanaovana fikarohana toy izany.

Nandentika tao am-poko ireo fampianarana araka ny Baiboly ny fizarana tamin’ny hafa izay nianaranay. Indray andro aho, dia nomen’i Dada grafofaonina niaraka tamin’ny kapila nisy lahateny momba ny Baiboly sy bokikely nampiasaina ho an’ny fianarana Baiboly ary ny adiresin’ny vehivavy zokiolona iray. Avy eo dia nasainy nitsidika an’io vehivavy io, aho.

“Inona no hoteneniko, ary inona no hataoko?”, hoy aho nanontany.

“Efa ao daholo izany”, hoy i Dada namaly. “Alefaso fotsiny ilay kapila, vakio ireo fanontaniana, asaivo vakin’ilay tompon-trano ireo valin-teny ary avy eo dia vakio ireo andinin-teny.”

Nataoko araka izay nolazainy tamiko izany, ka tamin’izany fomba izany no nianarako nitarika fampianarana Baiboly. Tamin’ny fampiasana ireo andinin-teny teny amin’ny fanompoako, araka izany, no nahatonga ahy hahatakatra azy ireny tsaratsara kokoa.

Zava-tsarotra tamin’ireo taona nisian’ny ady

Nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939, ary ny taona nanaraka izay aho dia natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenako hanompo an’i Jehovah. Vao 13 taona monja aho. Tamin’izay aho dia nanapa-kevitra ny ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ireo mpanompo manontolo andro. Niala tamin’ny fianarana aho tamin’ny 1941, ary niaraka tamin’i Douglas tamin’ny asa fitoriana manontolo andro, nanomboka tamin’ilay fivoriamben’ny distrika tao Leicester.

Ny taona nanaraka, dia nampidirina am-ponja i Dada noho izy olona nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Tonga izahay ankizy mba hanampy ny reninay hikarakara ny tranonay nandritra izany fotoan-tsarotra tamin’ny ady izany. Avy eo, tsy ela taorian’ny nanafahana an’i Dada avy tany am-ponja, dia nantsoina hanao raharaha miaramila i Douglas. Hoy ny vakin’ny lohatenin’ny lahatsoratra tamin’ny gazety iray teo an-toerana: “Nahoana Ilay Zanakalahy no Nifidy ny Hiditra Am-ponja toa An-drainy?” Nisy fanambarana tsara naterak’izany, satria nisy fanomezana fahafahana hanazava ny antony tsy andraisan’ny Kristiana anjara amin’ny famonoana olombelona tahaka ny tenany. — Jaona 13:35; 1 Jaona 3:10-12.

Nandritra ireny taona nisian’ny ady ireny, dia Vavolombelona maro tao amin’ny fanompoana manontolo andro no nitsidika anay tsy tapaka tao an-trano, ka ny dinidinika mampahery miorina amin’ny Baiboly nataon’izy ireny, dia namela soritra maharitra. Anisan’ireny anadahy kristiana mahatoky ireny i John Barr sy i Albert Schroeder, izay anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao. Tena tia nandray vahiny ireo ray aman-dreniko, ary nampianariny mba ho toy izany izahay. — Hebreo 13:2.

Vonona ny hanome valin-teny

Tsy ela taorian’ny nanombohako ny asan’ny mpisava lalana, dia hitako teny amin’ny fanompoana isan-trano i Hilda. Nilaza tamin-katezerana izy hoe: “Lasa nandeha any amin’ny ady ny vadiko, mba ho tombontsoan’ny olona toa anao! Nahoana ianao no tsy manao zavatra mba hanohanana ny ezaka atao amin’ny ady?”

“Inona no fantatrao momba izay ataoko?”, hoy aho nanontany. “Fantatrao ve hoe nahoana aho no tonga eto aminao?”

“Angamba tsara kokoa raha mandroso ianao ka milaza izany amiko”, hoy izy namaly.

Afaka nanazava taminy aho fa manolotra fanantenana marina ho an’ny olona mijaly noho ireo zavatra mampihoron-koditra atao, matetika amin’ny anaran’Andriamanitra, izahay. Nihaino tamim-pankasitrahana i Hilda, ary tonga ny fampianarako Baiboly tsy tapaka voalohany, izy. Vavolombelona marisika efa hatramin’ny 55 taona mahery izy, ankehitriny.

Tamin’ny faran’ny ady, ny fanendrena vaovao azoko tamin’ny naha-mpisava lalana ahy dia tany Dorchester, tanàna iray any atsimo andrefan’i Angletera. Io no fotoana voalohany nipetrahako lavitra ny fianakaviako. Ilay kongregasiona kely nisy anay dia nivory tao amin’ny hotely fisakafoana, trano iray natsangana tamin’ny taonjato faha-16, nantsoina hoe “The Old Tea House” (Ilay Trano Fisotroana Dite Taloha). Tsy maintsy nandamina indray ireo latabatra sy seza izahay, isaky ny fivoriana nataonay. Tena samy hafa be tamin’ny Efitrano Fanjakana nahazatra ahy izany. Na izany aza, dia mitovy ny sakafo ara-panahy hita tao sy ny fiarahana amim-pitiavan’ireo anadahy sy rahavavy kristiana.

Tamin’izay ireo ray aman-dreniko dia nifindra tany Tunbridge Wells, any atsimon’i Londres. Niverina tany an-trano aho, mba hahafahako hiara-manao ny asan’ny mpisava lalana amin’i Dada sy i Anne. Tsy ela ilay kongregasionanay dia nitombo avy tamin’ny Vavolombelona 12, lasa 70, ka noho izany dia nangatahina ny fianakavianay mba hifindra tany Brighton, any amin’ny moron-tsiraka atsimo, izay nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Maro no niara-nitory tamin-jotom-po tamin’ny fianakavianay mpisava lalana, ary hitanay ny nitahian’i Jehovah be dia be ny asanay. Tsy ela ilay kongregasiona iray dia tonga telo!

Fanasana tsy nampoizina

Tamin’ny fahavaratra 1950, dia anisan’ireo solontena 850 avy atỳ Grande-Bretagne, izay nanatrika ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe Fitomboan’ny Teokrasia, tao amin’ny Yankee Stadium, tany New York, ny fianakavianay. Maro tamin’ireo mpisava lalana avy any an-tany hafa ho tonga tamin’io fivoriamben’ny distrika io no nandefasana fangatahana mba hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tao akaikin’i South Lansing, any New York. Anisan’izy ireo izaho sy i Douglas ary i Anne! Tadidiko fa fony aho nandatsaka ilay taratasy fangatahana efa nofenoiko, tany amin’ny paositra, dia nieritreritra aho hoe: ‘Tena nataoko marina izy itỳ izao! Hizotra hankaiza ny fiainako?’ Ny fahatapahan-kevitro anefa dia ny hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Nientam-po aho rehefa nahazo ilay fanasana hijanona taorian’ilay fivoriambe mba hanatrika ny kilasy faha-16 tamin’i Gileada, niaraka tamin’i Douglas sy i Anne. Samy nahatakatra tsara izahay rehetra fa mety halefa ho misionera any amin’ny faritra na aiza na aiza amin’ny tany.

Rehefa niara-nifaly tamin’ilay fivoriambe izahay mianakavy, dia tonga ny fotoana hiverenan’ireo ray aman-dreninay — irery — ho atỳ Angletera. Nanao veloma azy ireo izahay telo mianadahy, rehefa nandeha nody tamin’ilay sambo Mauritania izy ireo. Fisarahana nampihetsi-po tokoa izany!

Fanendrena misionera

Voaforon’ny mpianatra 120 avy amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ny kilasy faha-16 tamin’i Gileada, anisan’izany ny sasany izay nijaly tany amin’ireo toby fitanana nazia. Koa satria nampianarina ny teny espaniola ny kilasinay, dia nanantena ny hotendrena any amin’ny tany miteny espaniola any Amerika Atsimo, izahay. Eritrereto ny fahatairanay tamin’ny andro nizarana diplaoma, rehefa nahafantatra fa voatendry ho any Japon i Douglas, ary izaho sy i Anne, ho any Syria. Noho izany, dia tsy maintsy nianatra teny arabo izaho sy i Anne, ary mbola marina izany na dia niova ho Liban aza ny fanendrena anay. Teo am-piandrasana ny visa-nay, dia nahazo fampianarana ny fiteny arabo indroa isan-kerinandro tamin’i George Shakashiri, mpanao composition Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny arabo ho an’ny Fikambanana Watch Tower, izahay.

Nampientanentana erỳ izany hoe handeha any amin’ny tany iray voalaza ao amin’ny Baiboly izay efa nianaranay tao amin’ilay kilasy! Niaraka taminay tany i Keith sy i Joyce Chew sy i Edna Stackhouse sy i Olive Turner sy i Doreen Warburton ary i Doris Wood. Tonga fianakaviana misionera sambatra tokoa izahay! Nitsidika ny trano misioneranay ny Vavolombelona iray teo an-toerana, mba hanampy anay bebe kokoa tamin’ilay fiteny. Nandritra ny fotoana fianaranay isan’andro, dia nanao fanazarana tamin’ny fomba fampiseho fohy izahay, ary taorian’izay dia nandeha nivoaka nitory ka nampiasa azy io tamin’ny asa fitoriana nataonay.

Nandany ireo roa taona voalohany tao Tripoli, izay efa nisy kongregasiona iray voaorina, izahay. Nanampy ireo vehivavy izay vady aman-janaky ny Vavolombelona teo an-toerana mba handray anjara tamin’ireo fivoriana sy tamin’ny fanompoana ampahibemaso, izaho sy i Joyce sy i Edna sy i Olive sy i Doreen sy i Doris ary i Anne. Hatramin’io fotoana io, noho ny fanarahana ny fomba eo an-toerana, dia tsy niara-nipetraka ireo anadahintsika sy rahavavintsika kristiana, ary mahalana ireo rahavavy kristiana ireo no nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. Nila ny fanampian’izy ireo izahay tamin’ny fiteny, teo amin’ny fanompoanay ampahibemaso, ary nampirisika azy ireo mba handray anjara tamin’io asa io.

Avy eo izaho sy i Anne dia notendrena mba hanampy antokona Vavolombelona teo amin’ny tanànan’i Sidona fahiny. Tsy ela taorian’izay, dia nasaina niverina teo amin’ilay renivohitra, dia i Beyrouth, izahay. Nafafy teo amin’ny antokon’olona miteny armeniana tao ireo voan’ny fahamarinana ara-baiboly, ka noho izany, dia nianatra io fiteny io izahay mba hanampiana azy ireo.

Fiovan’ny fanendrena

Nihaona tamin’i Wilfred Gooch aho talohan’ny nialako teto Angletera. Anadahy be zotom-po sy mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, izay nanompo tao amin’ny Betelan’i Londres, izy. Anisan’ny tao amin’ny kilasy faha-15 tamin’i Gileada, izay nahazo diplaoma tamin’ny fivoriambe tao amin’ny Yankee Stadium tamin’ny 1950, i Wilf. Ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Nizeria no fanendrena misionera azony, ary nandritra ny fotoana kelikely, dia nifanoratra izahay. Tamin’ny 1955, dia samy nanatrika ilay fivoriambe hoe “Fanjakana Mandresy” teto Londres izahay, ary fotoana fohy taorian’izay dia tonga mpifamofo. Herintaona taorian’izay, dia natao tany Ghana ny fampakaram-badinay, ka nanaraka an’i Wilf tany amin’ny fanendrena misionera azony, tany Lagos, any Nizeria, aho.

Taorian’ny nandaozako an’i Anne tany Liban, dia nanambady anadahy kristiana nahafinaritra, izay nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tany Jerosalema, izy. Tsy afaka nanatrika ny fampakaram-badinay ny ray aman-dreninay, satria izaho sy i Douglas ary i Anne dia samy nanambady tany amin’ny faritra samy hafa amin’ny tany. Na izany aza dia afa-po izy ireo nahafantatra fa nanompo an’ilay Andriamanitray, i Jehovah, tamim-pifaliana, izahay rehetra.

Asa tany Nizeria

Tao amin’ny biraon’ny sampana tao Lagos, dia notendrena mba hanadio ny efitranon’ireo mpikambana valo tamin’ny fianakavian’ny sampana nisy anay, sy hikarakara ny sakafon’izy ireo, ary hanasa ny lamban’izy ireo, aho. Tamiko dia tsy vitan’ny hoe nahazo vady fotsiny aho, fa nahazo fianakaviana tampoka koa!

Nianatra fomba fampiseho fohy momba ny Baiboly tamin’ny fiteny yorobà izaho sy i Wilf, ary notahina noho ny ezaka nataonay izahay. Ny mpianatra tanora iray niresahanay tamin’izany, dia manana zanakalahy iray sy zanakavavy iray manompo ao amin’ny fianakaviana lehiben’ny Betelan’i Nizeria, misy mpikambana 400 eo ho eo, ankehitriny.

Tamin’ny 1963, dia nahazo fanasana hanatrika fandaharam-pianarana manokana naharitra folo volana tany Brooklyn, any New York, i Wilf. Rehefa nahavita izany izy, dia voatendry tamin’ny fomba tsy nampoizina hiverina teto Angletera. Nijanona tany Nizeria aho, ary 14 andro monja no nampiomanana ahy mba hamonjy an’i Wilf tatỳ Londres. Sady faly aho no nalahelo nony nandeha, satria toerana nanendrena nahafinaritra aoka izany i Nizeria. Rehefa avy nanompo 14 taona tany an-tany hafa aho, dia nitaky fotoana ho ahy ny nizatra ny fiainana teto Angletera indray. Kanefa, velom-pankasitrahana izahay tonga teo akaikin’ireo ray aman-dreninay be taona indray ka afaka nanampy mba hikarakara azy ireo.

Notohanan’ny fanantenanay

Nanomboka tamin’ny 1980 dia nahazo tombontsoa hiaraka tamin’i Wilf aho, rehefa nitety tany maro tamin’ny naha-mpiandraikitra ny zone, izy. Tsy andriko tamin’izay ny hiverenanay hitsidika an’i Nizeria. Tatỳ aoriana, dia nandeha tany Skandinavia sy tany Antilles ary tany Moyen-Orient — anisan’izany i Liban — izahay. Tena nampientam-po manokana ny nahatadidy indray ireo fahatsiarovana nahafinaritra sy ny nahita ireo izay fantatro fony izy zatovo, ka manompo amin’ny maha-loholona kristiana.

Nampalahelo, fa maty tamin’ny lohataona 1992, ny vady malalako. Vao 69 taona monja izy. Tena fahavoazana mafy be izany satria nitranga tampoka loatra. Taorian’ny fanambadiana naharitra 35 taona, dia nitaky fotoana ho ahy ny nizatra. Nandray fanampiana sy fitiavana be dia be avy tamin’ny fianakaviako kristiana maneran-tany anefa aho. Manana zavatra niainana mahafinaritra maro aoka izany izay azoko saintsainina aho.

Samy namela ohatra tsara teo amin’ny tsy fivadihana kristiana na ny raiko na ny reniko. Maty tamin’ny 1981 i Neny, ary i Dada, tamin’ny 1986. Manohy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana i Douglas sy i Anne. Nijanona eto Londres i Douglas sy i Kam vadiny, taorian’ny nikarakaran’izy ireo an’i Dada. Any Etazonia i Anne sy ny fianakaviany. Samy mankasitraka be dia be ny fanantenana sy ny lova nomen’Andriamanitra anay, izahay rehetra. Manohy ‘maneho fihetsika mahay miandry’ izahay, amin’ny fiandrasana fatratra ny fotoana hiarahan’ny velona sy ireo hatsangana amin’ny maty hanompo mandrakizay, amin’ny maha-mpianakavin’i Jehovah eto an-tany. — Fitomaniana 3:24, NW.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1980 ny tantaram-piainan’ny raiko, Ernest Beavor.

[Sary, pejy 23]

Avy eo ambony havia miankavanana

Gwen fony 13 taona, mampiseho ny fampianarana modely, tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Enfield

Fianakavian’ny misionera tany Tripoli, any Liban, tamin’ny 1951

Gwen sy Wilf vadiny, efa maty

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara