Boky avy Amin’Andriamanitra
“Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” — 2 PETERA 1:21.
1, 2. a) Nahoana no misy misalasala raha sahaza ny fiainana maoderina ny Baiboly? b) Porofo telo inona avy no azontsika ampiasaina mba hampisehoana fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?
SAHAZA ny olona miaina eo an-tokonan’ny taonjato faha-21 ve ny Baiboly? Misy mihevitra hoe tsia. “Tsy hisy olona hampirisika ny hampiasana [boky] fianarana simia vita tamin’ny 1924, ao an-dakilasy fianarana simia ao amin’ny sekoly maoderina iray — maro loatra ireo zavatra fantatra momba ny simia nanomboka tamin’io fotoana io”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Eli S. Chesen, mba hanazavana ny antony niheverany ny Baiboly ho lany andro. Raha tombanana ivelany fotsiny, dia toa mitombina io hevitra narosony io. Rehefa heverina tokoa mantsy, Raolombelona dia efa nianatra zavatra betsaka momba ny siansa sy ny fahasalaman’ny saina ary ny fihetsiky ny olombelona, hatramin’ny andron’ny Baiboly. Noho izany, dia mety hisy hanontany tena hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny boky tranainy toy izany tsy hirakitra tsy fahamarinana ara-tsiansa? Ahoana no ahafahany mirakitra torohevitra izay azo ampiharina amin’ny fiainana maoderina?’
2 Ny Baiboly ihany no manome ny valiny. Ilazana isika ao amin’ny 2 Petera 1:21, fa “avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’[ireo mpaminanin’ny Baiboly] araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy”. Asehon’ny Baiboly, araka izany, fa boky avy amin’Andriamanitra izy. Ahoana anefa no ahafahantsika mandresy lahatra ny hafa ny amin’izany? Andeha isika handinika porofo telo fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly: 1) Marina ara-tsiansa izy io, 2) mirakitra foto-pitsipika tsy tontan’ny ela izay azo ampiharina amin’ny fiainana maoderina izy io, ary 3) mirakitra faminaniana voafaritra tsara izay tanteraka izy io, araka ny asehon’ireo zava-misy ara-tantara.
Boky mifanaraka amin’ny siansa
3. Nahoana no tsy natahorana hamely ny Baiboly ireo zava-baovao hitan’ny siansa?
3 Tsy boky fianarana siansa ny Baiboly. Bokin’ny fahamarinana anefa izy io, ary ny fahamarinana dia tsy tontan’ny ela. (Jaona 17:17). Tsy natahorana hamely ny Baiboly ireo zava-baovao hitan’ny siansa. Rehefa milaza zavatra mifandray amin’ny siansa ny Baiboly, dia tsy ahitana mihitsy ireo teôria “siantifika” fahiny izay tsy inona fa hevi-dravina fotsiny. Raha ny marina, ny hevitra raketiny dia tsy vitan’ny hoe marina ara-tsiansa fotsiny, fa manohitra an-kitsirano koa ireo fiheverana neken’ny olona tamin’izany andro izany. Diniho, ohatra, ny fifanarahan’ny Baiboly sy ny siansa ara-pitsaboana.
4, 5. a) Inona, momba ny aretina, no tsy takatr’ireo dokotera fahiny? b) Nahoana no azo antoka fa fantatr’i Mosesy tsara ny fanao ara-pitsaboan’ireo dokotera egyptiana?
4 Ireo dokotera fahiny dia tsy nahatakatra tamin’ny fomba feno ny fomba ihanahan’ny aretina, ary tsy takany koa ny naha-zava-dehibe ny fitandremam-pahadiovana ho fisorohana aretina. Fanao ara-pitsaboana fahiny maro no ho toa baribariàna, raha araka ny fari-pitsipika maoderina. Ny iray amin’ireo soratra ara-pitsaboana tranainy indrindra dia ny Horonana Papyrus Ebers, izay manambatra ireo fahalalana ara-pitsaboana egyptiana, ary vita tamin’ny 1550 al.f.i. tany ho any. Izy io dia mirakitra fomba fitsaboana 700 hoenti-miady amin’ny fanaintainana maro samihafa, “hatramin’ny kaikitra voay ka hatramin’ny fanaintainan’ny hohon-tongotra”. Tsy nandaitra tsotra izao ny ankamaroan’ireo fanafody, fa ny sasany kosa dia faran’izay nampidi-doza. Mba hitsaboana ratra, ny taratasim-panafody iray dia nampirisika ny hanosorana dikin’olombelona nafangaro tamin-javatra hafa.
5 Io soratra misy fomba fitsaboana egyptiana io dia nosoratana tokony ho tamin’ilay fotoana nanoratana ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly, izay nirakitra ny Lalàn’i Mosesy. Nihalehibe tany Egypta i Mosesy, izay teraka tamin’ny 1593 al.f.i. (Eksodosy 2:1-10). Nobeazina tao amin’ny ankohonan’i Farao i Mosesy, ka “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana”. (Asan’ny Apostoly 7:22). Nahafantatra tsara ireo dokotera “mpanao fanafody” tao Egypta izy. (Genesisy 50:1-3). Nanan-kery teo amin’ny asa sorany ve ny fanaon’izy ireo ara-pitsaboana, izay tsy nandaitra na nampidi-doza?
6. Fitsipi-pitandremam-pahadiovana inona tao amin’ny Lalàn’i Mosesy no heverin’ny siansa ara-pitsaboana maoderina ho azo ekena?
6 Mifanohitra amin’izany fa, ny Lalàn’i Mosesy dia nirakitra fitsipi-pitandremam-pahadiovana izay heverin’ny siansa ara-pitsaboana maoderina ho azo ekena. Ohatra, ny lalàna iray momba ireo toby miaramila dia nitaky ny handevenana ny diky tany ivelan’ny toby. (Deoteronomia 23:14). Fepetra fisorohana aretina tena nandroso be izany. Nisakana ny rano tsy ho voaloto izany, ary niaro tamin’ny shigellose entin’ny lalitra sy ny aretim-pivalanana hafa izay mbola amoizana ain’olona an-tapitrisany maro ihany isan-taona, indrindra fa any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana.
7. Fitsipi-pitandremam-pahadiovana inona avy, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, no nanampy tamin’ny fisorohana ny fihanahan’areti-mifindra?
7 Nirakitra fitsipi-pitandremam-pahadiovana hafa, ny Lalàn’i Mosesy. Nanampy tamin’ny fisorohana ny fihanahan’areti-mifindra, ireny. Natokana ny olona efa voa na nahina ho voan’ny areti-mifindra. (Levitikosy 13:1-5). Ireo fitafiana na fitaovana nifampikasoka tamim-biby maty ho azy (angamba noho ny aretina), dia tsy maintsy nopotehina, na nosasana vao azo nampiasana indray. (Levitikosy 11:27, 28, 32, 33). Izay rehetra nikasika faty dia noheverina ho tsy madio ka tsy maintsy nanaraka fandaharam-pidiovana iray, nahafaoka fanasana ny fitafiany sy fandroana. Nandritra ilay fe-potoam-pahalotoana naharitra hafitoana, dia tsy maintsy nohalaviriny ny fifampikasohana tamin’ny hafa. — Nomery 19:1-13.
8, 9. Nahoana no azo lazaina fa efa lasa lavitra be ilay fitsipi-pitandremam-pahadiovana tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, raha tamin’izany fotoana izany?
8 Io fitsipi-pitandremam-pahadiovana io dia mampiharihary fahendrena efa lasa lavitra be, raha tamin’izany fotoana izany. Nianatra zavatra betsaka momba ny fihanahan’aretina sy ny fisorohana aretina, ny siansa ara-pitsaboana maoderina. Ireo fandrosoana teo amin’ny fitsaboana tamin’ny taonjato faha-19, ohatra, dia nampiditra ny fampiasana antiseptique: Ny fahadiovana no hampihenana ny fahazoana aretina. Ny vokany dia fihenana be teo amin’ny isan’ny olona azon’aretina sy maty aloha be. Tamin’ny taona 1900, dia latsaka ny 50 taona no halavam-piainana azo nantenaina teo am-pahaterahana, tany amin’ny tany maro tany Eoropa sy tany Etazonia. Nanomboka hatreo, dia niakatra be izy io, tsy hoe noho ny fandrosoana ara-pitsaboana teo amin’ny fampihenana aretina ihany, fa noho ny fihatsaran’ny fahadiovana sy ny toe-piainana koa.
9 An’arivony taona maro talohan’ny nianaran’ny siansa ara-pitsaboana ny fomba ihanahan’ny aretina anefa, dia efa namoaka fepetra fisorohana aretina araka ny antonona ny Baiboly, ho fiarovana tamin’ny aretina. Tsy mahagaga raha afaka nilaza i Mosesy fa tamin’ny androny, ireo Isiraelita tamin’ny ankapobeny dia niaina hatramin’ny 70 na 80 taona. (Salamo 90:10). Ahoana no mety ho nahafantaran’i Mosesy an’izany fitsipi-pitandremam-pahadiovana izany? Ny Baiboly mihitsy no manazava toy izao: Ny Fehezan-dalàna dia “nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely”. (Galatiana 3:19, NW ). Eny, tsy bokim-pahendren’olombelona akory ny Baiboly; boky avy amin’Andriamanitra izy io.
Boky azo ampiharina eo amin’ny fiainana maoderina
10. Na dia efa ho 2 000 taona lasa aza izay no nahavitana ny Baiboly, dia mbola manao ahoana ihany ireo toroheviny?
10 Mazàna no manjary lany andro ireo boky mpanome torohevitra, ka tsy ela dia havaozina na soloana. Manokana tokoa anefa ny Baiboly. “Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra”, hoy ny Salamo 93:5. Na dia efa ho 2 000 taona lasa aza izay no nahavitana ny Baiboly, dia mbola azo ampiharina ihany ny teniny. Ary mitovy ny vokatry ny fampiharana azy, na toy inona na toy inona volon-koditsika, na tany onenantsika. Andeha isika handinika ohatra sasantsasany ny amin’ny torohevitry ny Baiboly “marina indrindra” tsy tontan’ny ela.
11. Am-polony taona maromaro lasa, dia inona no nampinoana an’ireo ray aman-dreny momba ny fifehezan-janaka?
11 Am-polony taona maromaro lasa izay, dia ray aman-dreny maro no nentanin’ireo “hevi-baovao” momba ny fitaizan-janaka ka nihevitra fa “voarara ny mandrara”. Natahotra izy ireo sao hiteraka fikorontanana anaty sy fahakiviana ny fameperana ny ankizy. Nisy mpanolo-tsaina tsara fikasa nanizingizina mba tsy hanaovan’ny ray aman-dreny na inona na inona, afa-tsy fanasaziana faran’izay malefaka amin’ny zanany. Maro amin’ireny manam-pahaizana ireny izao no “mampirisika ireo ray aman-dreny mba ho somary hentitra kokoa, mba hampihatra fifehezana indray”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times.
12. Inona no dikan’ilay anarana grika hoe “lalàm-pifehezana”, ary nahoana ny ankizy no mila izany?
12 Nandritra izay fotoana rehetra izay anefa, ny Baiboly dia nanolotra torohevitra voafaritra tsara sy voalanjalanja momba ny fitaizan-janaka. Manoro hevitra toy izao izy: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Ilay teny grika nadika hoe “lalàm-pifehezana” dia midika hoe “fitaizana, fampiofanana, fampianarana”. Lazain’ny Baiboly fa porofon’ny fitiavan-dray aman-dreny ny lalàm-pifehezana, na fampianarana. (Ohabolana 13:24). Mivelatra tsara ny ankizy rehefa misy toro lalana ara-pitondran-tena mazava tsara izay manampy azy ireo hampitombo fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy. Ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny lalàm-pifehezana, dia manampy azy ireo hahatsapa tsy fananana ahiahy; milaza amin’izy ireo izany fa sady miahy azy ny ray aman-dreniny no miahy ny amin’ny hoe ho karazan’olona hanao ahoana ny zanany. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 4:10-13.
13. a) Inona no ampitandreman’ny Baiboly ny ray aman-dreny momba ny lalàm-pifehezana? b) Karazam-pifehezana manao ahoana no ampirisihan’ny Baiboly?
13 Mampitandrina ny ray aman-dreny anefa ny Baiboly, raha ny amin’io lalàm-pifehezana io. Tsy tokony hanampatra fahefana na oviana na oviana ny ray aman-dreny. (Ohabolana 22:15). Tsy misy ankizy tokony hosazina amin’ny fomba tsy mifaditra ovana. Tsy manan-toerana ao amin’ny fianakaviana izay miaina mifanaraka amin’ny Baiboly ny herisetra ara-batana. (Salamo 11:5). Tsy manan-toerana ao koa ny herisetra ara-pihetseham-po — teny henjana, fanakianana lava, sy ny esoeso mandratra fo, izay samy mety hahatorotoro fanahy ny ankizy iray. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 12:18.) Mampitandrina amim-pahendrena ny ray aman-dreny toy izao ny Baiboly: “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy [na “fandrao hanaisotra aminy ny herim-pony rehetra ianareo”, Phillips].” (Kolosiana 3:21). Mampirisika ny handraisana fepetra ho fisorohana, ny Baiboly. Ao amin’ny Deoteronomia 11:19, ny ray aman-dreny dia ampirisihina mba hahay hanararaotra ireo fotoana tsy anaovan-draharaha, mba hampianarana tsikelikely ny zanany momba ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Sahaza izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly, ny torohevitra mazava sy araka ny antonona momba ny fitaizan-janaka toy izany.
14, 15. a) Amin’ny ahoana no tsy torohevitra feno fahendrena fotsiny no omen’ny Baiboly? b) Fampianaran’ny Baiboly inona avy no afaka manampy lehilahy sy vehivavy tsy mitovy firazanana sy firenena, mba samy hihevitra ny andaniny avy ho tsy misy tombo sy hala?
14 Tsy vitan’ny hoe manome torohevitra feno fahendrena fotsiny ny Baiboly. Manintona ny fo koa ny hafatra raketiny. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” Andeha isika handinika ohatra iray momba ny hery manosika ananan’ny Baiboly.
15 Voasaratsaraky ny fefy ara-pirazanana sy ara-pirenena ary ara-poko ny olona amin’izao andro izao. Izany fefy natsangan’olombelona izany dia anisan’ny nahatonga ilay fandripahana olona tsy manan-tsiny sesehena tamin’ny ady, nanerana ny tany. Ny Baiboly anefa, etsy an-danin’izany, dia mirakitra fampianarana izay manampy lehilahy sy vehivavy tsy mitovy firazanana sy firenena, mba samy hihevitra ny andaniny avy ho tsy misy tombo sy hala. Milaza, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 17:26 fa nanao “ny firenena rehetra avy amin’ny [olona] iray ihany”, Andriamanitra. Asehon’izany fa tsy misy afa-tsy firazanana iray ihany, raha ny tena izy — dia ny olombelona! Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba “hanahaka an’Andriamanitra” izay lazainy toy izao: “Tsy mizaha tavan’olona [izy]; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Efesiana 5:1; Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Manan-kery mampiray io fahalalana io, ho an’ireo izay miezaka marina tokoa hiaina mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Mandaitra hatrany amin’ny ambaratonga lalina indrindra izy io — hatrao am-po — ka mandrodana ireo fefy natsangan’olombelona izay mampisaratsaraka ny olona. Mandaitra tokoa ve izany eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
16. Mitantarà zavatra niainana mampiseho fa tena fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah.
16 Izany dia izany tokoa! Mampahalaza ny Vavolombelon’i Jehovah ny firahalahiany iraisam-pirenena. Izy io dia mampiray olona samy hafa fiaviana izay ho nifandrafy, raha ny tokony ho izy. Nandritra ireo fifandonana ara-poko tatsy Rwanda, ohatra, dia samy niaro ny rahalahiny sy anabaviny kristiana hafa foko avy, ny Vavolombelon’i Jehovah avy tamin’ny foko tsirairay, ka nahatandindomin-doza ny ainy tamin’ny fanaovana izany. Tamin’ny toe-javatra iray, dia nisy Vavolombelona hutu nanafina tao an-tranony fianakaviana tutsi eni-mianaka, avy tao amin’ny kongregasionany. Nampalahelo fa tratra tamin’ny farany ilay fianakaviana tutsi, ka novonoina. Tamin’izay ilay rahalahy hutu sy ny fianakaviany dia niatrika ny fahatezeran’ireo mpamono, ka voatery nandositra tany Tanzania. Misy ohatra maro mitovitovy amin’izany nanaovana tatitra. Tsy misalasala ny Vavolombelon’i Jehovah manaiky fa matoa misy io firaisan-tsaina io, dia satria nanohina lalina ny fon’izy ireo ilay hery manosika ananan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Ny fahafahan’ny Baiboly mampiray olona eto amin’itỳ tontolo feno fankahalana itỳ, dia porofo mahery fa avy amin’Andriamanitra izy io.
Bokim-paminaniana marina
17. Ahoana no tsy itovian’ireo faminanian’ny Baiboly amin’ireo filazana mialoha ataon’olombelona?
17 “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany”, hoy ny 2 Petera 1:20. Tsy namakafaka ny fironana nisy teo amin’ny raharahan’izao tontolo izao akory ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly, ka hoe naminavina ny hoavy nony avy eo, niorina tamin’ny fanazavan’izy ireo manokana an’ireny fizotran-javatra ireny. Tsy nilaza mialoha zavatra nanjavozavo koa izy ireo ka hoe ho azo namboamboarina mba hifanahantsahana amin’izay fisehoan-javatra ho avy rehetra. Ho ohatra, dia andeha hodinihintsika ny faminaniana ara-baiboly iray izay voafaritra tsara tamin’ny fomba miavaka ary nilaza mialoha zavatra nifanohitra indrindra tamin’izay nety ho nampoizin’ny olona niaina tamin’izany.
18. Nahoana no azo antoka fa tena tsy nanana ahiahy ireo mponina tao Babylona fahiny, kanefa inona no nambaran’i Isaia mialoha momba an’i Babylona?
18 Tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., dia i Babylona no renivohitra toa tsy azo noresena teo amin’ny Empira Babyloniana. Teo amin’ny andaniny roa tamin’ny Ony Eofrata ilay tanàna, ary ny ranon’ilay ony dia sady nampiasaina mba hahaforona hadivory malalaka sady lalina no nanaovana lakan-drano maro mifampidipiditra. Niaro ilay tanàna koa ny manda roa sosona matevina, izay nohamafisin’ny tilikambo fiarovana. Tsy isalasalana fa tena tsy nanana ahiahy ireo mponina tao Babylona. Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. anefa, raha mbola tsy nisandratra ho amin’ny fara tampon’ny voninahiny akory i Babylona, dia efa nanambara mialoha toy izao i Isaia: “Babylona (...) dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora; tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby, tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any”. (Isaia 13:19, 20). Mariho fa tsy ny fandravana an’i Babylona fotsiny no nambaran’ilay faminaniana mialoha, fa ny hahalao azy tanteraka koa. Izany ka faminaniana feno fahasahiana! Sao dia nanoratra ny faminaniany taorian’ny nahitany an’i Babylona efa lao kosa àry i Isaia? Tsia no avalin’ny tantara!
19. Nahoana no tsy tanteraka tamin’ny fomba feno ny faminanian’i Isaia, tamin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i.?
19 Tamin’ny alin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i., i Babylona dia lavo teo an-tanan’ireo tafika mediana sy persiana teo ambany fitarihan’i Kyrosy Lehibe. Tsy tanteraka tamin’ny fomba feno tamin’izay fotoana izay anefa ny faminanian’i Isaia. Taorian’ny nahazoan’i Kyrosy ny fahefana, dia mbola nisy hatrany nandritra ny taonjato maro ny Babylona iray nisy mponina — na dia efa lefy kokoa aza ny heriny. Tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., tokony ho tamin’ilay fotoana nanaovana kopia ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty misy ny Isaia, dia teo ambany fifehezan’ny Parthes i Babylona izay noheverina ho zavatra faniry nifandritahan’ireo firenena nanodidina tamin’izay fotoana izay. Ilay mpahay tantara jiosy atao hoe Josèphe dia nanao tatitra fa nisy Jiosy “maro be” nipetraka tany, tamin’ny taonjato voalohany al.f.i. Araka ny The Cambridge Ancient History, dia mpivarotra maro avy tany Palmyre no nanankarena tamin’ny raharaham-barotra ka nanorim-ponenana tao Babylona, tamin’ny taona 24 am.f.i. Koa mbola tsy lao tanteraka àry i Babylona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.; kanefa ny bokin’i Isaia dia efa vita ela be talohan’izay. — 1 Petera 5:13.
20. Inona no porofo fa tonga “korontam-bato” fotsiny sisa i Babylona tamin’ny farany?
20 Tsy nahita mihitsy an’i Babylona nanjary tsy nisy mponina i Isaia, fony fahavelony. Mifanaraka amin’ilay faminaniana anefa, dia “tonga korontam-bato” fotsiny sisa i Babylona tamin’ny farany. (Jeremia 51:37). Araka ny voalazan’ilay manam-pahaizana hebreo atao hoe Jérôme (teraka tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i.), dia toeram-pihazana nivenjivenjen’izao “karazam-biby rehetra” izao i Babylona, tamin’ny androny, ary nitoetra ho lao izy io mandraka androany. Izay mety ho fanarenana an’i Babylona mba hisarihana mpizaha tany, dia mety hanintona ny mpitsidika, saingy efa tsy hita intsony mandrakizay ny “zanany sy ny taranany”, araka ny voalazan’i Isaia mialoha. — Isaia 14:22.
21. Nahoana no afaka nilaza mialoha ny hoavy tamim-pahamarinana tanteraka ireo mpaminany nahatoky?
21 Tsy naminavina araka ny fandinihana ny zava-misy akory i Isaia mpaminany. Tsy namerina nanoratra tantara koa izy mba hahatonga azy io hanana endrika faminaniana. Mpaminany marina i Isaia. Toy izany koa ireo mpaminany hafa nahatoky rehetra ao amin’ny Baiboly. Nahoana ireo lehilahy ireo no afaka nanao izay tsy azon’ny olombelona hafa atao — dia ny manambara mialoha ny hoavy amim-pahamarinana tanteraka? Mazava ny valin’izany. Ireo faminaniana dia avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny faminaniana, “Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany”. — Isaia 46:10.
22. Nahoana isika no tokony hanao araka izay fara herintsika mba hampirisihana ny olona tso-po handinika ny Baiboly?
22 Mendrika hodinihina àry ve ny Baiboly? Fantatsika fa mendrika izany izy io! Misy olona maro tsy resy lahatra ny amin’izany anefa. Efa manana ny heviny momba ny Baiboly izy ireo, na dia mety ho mbola tsy namaky azy io mihitsy aza. Tsarovy ilay profesora voatonona teo am-piandohan’ilay lahatsoratra teo aloha. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ary rehefa avy nandinika tamim-pitandremana azy io izy, dia nanatsoaka hevitra fa boky avy amin’Andriamanitra izy io. Natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny farany, ary amin’izao andro izao izy dia manompo amin’ny maha-loholona! Aoka isika hanao araka izay fara herintsika mba hampirisihana ny olona tso-po handinika ny Baiboly ka hanana ny heviny momba azy io, avy eo. Matoky isika fa, raha ny tenan’izy ireo mihitsy no mandinika amim-pahatsorana, dia hanjary ho takany fa tena boky ho an’ny olona rehetra tokoa io boky tsy manam-paharoa io, dia ny Baiboly!
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no azonao ampiasana ny Lalàn’i Mosesy mba hampisehoana fa tsy avy tamin’olombelona ny Baiboly?
◻ Foto-pitsipika tsy tontan’ny ela inona avy no raketin’ny Baiboly ka azo ampiharina amin’ny fiainana maoderina?
◻ Nahoana no tsy nety ho nosoratana taorian’ilay zava-nitranga, ny faminaniana ao amin’ny Isaia 13:19, 20?
◻ Tokony hampirisika ny olona tso-po hanao inona isika, ary nahoana?
[Efajoro, pejy 19]
Ahoana ny Amin’izay Tsy Azo Porofoina?
Mirakitra fanambarana maro samihafa izay tsy ahitana porofo fizika avy amin’ny loharano hafa, ny Baiboly. Izay lazainy momba ny faritra tsy hita maso onenan’ny zavaboary ara-panahy, ohatra, dia tsy azo porofoina — na lavina — ara-tsiansa. Voatery hampifanohitra ny Baiboly amin’ny siansa ve ireny fanambarana tsy azo porofoina ireny?
Izany no fanontaniana azon’ny lehilahy iray mpahay siansa momba ny vohon’ireo planeta. Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, taona vitsivitsy lasa izay. “Voatery miaiky aho fa sarotra tamiko, tamin’ny voalohany, ny hanaiky ny Baiboly, satria tsy afaka nanaporofo ara-tsiansa ny fanambarana sasany tao anatiny aho”, hoy ny tsaroany. Nanohy nianatra ny Baiboly io lehilahy tso-po io, ary tamin’ny farany, dia resy lahatra izy fa ireo porofo efa misy dia mampiseho fa Tenin’Andriamanitra izy io. “Izany dia nampihena ilay faniriana fatratra hanaporofo ny zava-drehetra ao amin’ny Baiboly, amin’ny alalan’ny loharano hafa”, hoy ny fanazavany. “Tsy maintsy vonona handinika ny Baiboly amin’ny fomba fijery ara-panahy, ny olona iray manana fironana ara-tsiansa, raha tsy izany, dia tsy hanaiky mihitsy ny fahamarinana, izy. Tsy azo antenaina ny hanamarinan’ny siansa ny fanambarana rehetra ao amin’ny Baiboly. Tsy hoe tsy marina anefa ny fanambarana sasany, satria fotsiny hoe tsy azo porofoina ilay izy. Ny zava-dehibe dia ny hoe, amin’ny toe-javatra rehetra azo porofoina, dia hita fa araka ny marina ny Baiboly.”
[Sary, pejy 17]
I Mosesy dia nandrakitra an-tsoratra fitsipi-pitandremam-pahadiovana izay efa lasa lavitra be, raha tamin’izany fotoana izany