Ny Fiainako Fony Aho Boka — Falifaly sy Notahina Ara-panahy
NOTANTARAIN’I ISAIAH ADAGBONA
Nihalehibe tany Akure, atỳ Nizeria aho. Mpamboly oviala, akondro, mangahazo, sy kakao ny fianakaviako. Tsy navelan’ny raiko nandeha tany an-tsekoly aho. Nilaza tamiko izy hoe: “Mpamboly ianao. Tsy hisy olona hangataka anao mba hamaky oviala mihitsy.”
NA DIA izany aza, dia naniry hianatra hamaky teny aho. Isan-kariva, dia nitsangana nihaino teo am-baravarankelin’ny trano iray, izay nisy ankizy nampianarin’ny mpampianatra manokana iray aho. Taona 1940 tamin’izay, fony aho 12 taona teo ho eo. Isaky ny hitan’ny rain’ireo ankizy aho dia nikiakiaka sy nandroaka ahy hiala teo izy. Kanefa, niverina foana aho. Indraindray, rehefa tsy tonga ny mpampianatra dia niditra nitsaitsaika aho ary niara-nijery tamin’ireo ankizy ny bokin’izy ireo. Nampindraminy ahy ny bokiny indraindray. Tamin’izany fomba izany no nianarako namaky teny.
Tonga anisan’ny vahoakan’Andriamanitra aho
Rehefa nandeha ny fotoana dia nahazo Baiboly aho ary namaky azy io tsy tapaka, alohan’ny hatoriana. Indray hariva, dia namaky ny Matio toko faha-10 aho, izay mampiseho fa hankahalaina sy henjehin’ny olona ireo mpianatr’i Jesosy.
Tadidiko fa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tatỳ an-tranoko nentina tamin’ny fomba ratsy. Nanaitra ny saiko ny hoe mety ho ireny olona ireny no noresahin’i Jesosy. Tamin’ny fitsidihana nanaraka nataon’ireo Vavolombelona dia nahazo gazety iray tamin’izy ireo aho. Rehefa nanomboka nifanerasera tamin’izy ireo aho, dia nanjary niharam-panesoana. Nefa, arakaraka ny nanandraman’ny olona nanakivy ahy no nampiaiky sy nahafaly ahy fa nahita ny fivavahana marina aho.
Ny tena nanaitra ny saiko momba ireo Vavolombelona dia noho izy ireo tsy nampifangaro ny fanompoam-pivavahany tamin’ireo fomba amam-panaon’ilay fivavahan’ny mpanompo sampy teo an-toerana, tsy tahaka ireo antokom-pivavahana hafa teo amin’ny faritra nisy ahy. Ohatra, na dia nankany amin’ny fiangonana Anglikana aza ny fianakaviako, dia mbola nanana toerana masina ho an’ilay andriamanitra yorobà, Ogun, ihany ny raiko.
Izaho no tokony handova ilay toerana masina taorian’ny nahafatesan’ny raiko. Tsy nilaiko ilay izy satria fantatro fa nomelohin’ny Baiboly ny fanompoan-tsampy. Nandroso ara-panahy aho noho ny fanampian’i Jehovah, ary natao batisa aho tamin’ny Desambra 1954.
Mamely ny habokana
Taloha kokoa tamin’io taona io, dia nahamarika fivontosana sy fahaverezan’ny fahatsapana tao amin’ny tongotro aho. Raha nandeha teo ambony saribao mahamay aho, dia tsy nahatsapa fanaintainana. Rehefa afaka kelikely, dia nisy fery menamena nipoitra teo amin’ny handriko sy ny molotro. Na izaho na ny fianakaviako dia samy tsy nisy nahalala izay tsy nety; noeritreretinay fa hazaka ilay izy. Nanatona mpanao raokandro 12 aho mba hitady fanasitranana. Tamin’ny farany, dia nilaza taminay ny iray tamin’izy ireo fa habokana ilay izy.
Hatairana mafy re izany! Nivalaketraka aho ary tsy natory tsara. Nanonofy ratsy aho. Nefa, ny fahalalako ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny fianteherako tamin’i Jehovah dia nanampy ahy hibanjina ny hoavy tamim-patokiana.
Nilaza tamin’ny reniko ny olona fa, raha mankany amin’ny mpimasy aho mba hanolotra fanatitra, dia hihatsara. Nanda tsy handeha aho, satria fantatro fa tsy hampifaly an’i Jehovah izany fihetsika izany. Rehefa takatr’ireo naman’ny reniko fa tsy azo nahodina tamin’ny hevitro aho dia nanome soso-kevitra azy izy ireo mba haka voan-kolà iray ary hampikasika izany amin’ny handriko. Avy eo, dia afaka mitondra ilay voan-kolà any amin’ilay mpimasy izy mba hampiasaina amin’ny fanatitra, ho tombontsoako. Tsy naniry handray anjara tamin’izany aho ka nolazaiko taminy izany. Tamin’ny farany, dia nampitsahatra ireo ezaka mba hampandraisana anjara ahy tamin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy izy.
Tamin’ny fotoana nidirako tany amin’ny hopitaly dia efa nihombo be ilay habokana. Nisy fery ny vatako manontolo. Nomena fanafody aho tany amin’ny hopitaly, ary niverina tsikelikely ho toy ny teo aloha ny hoditro.
Nieritreritra izy ireo fa efa maty aho
Tsy nifarana hatreo akory ireo zava-nanahirana ahy. Nanjary voan’ny otrikaretina ny tongotro havanana, ka tsy maintsy notapahina tamin’ny 1962. Nisy zava-tsarotra ara-pitsaboana taorian’ny fandidiana. Tsy nantenain’ireo dokotera ho velona intsony aho. Tonga mba hanao ireo fombafomba farany ny mompera misionera fotsy hoditra iray. Kely loatra ny aiko ka tsy afaka niteny aho, kanefa nisy mpitsabo mpanampy iray nilaza taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho.
Nilaza tamiko ilay mompera hoe: “Maniry hiova sy ho tonga Katolika ve ianao mba hahafahanao hankany an-danitra?” Nihomehy anakampo aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny hery hamaliana. Tamim-piezahana mafy dia nahateny aho hoe: “Tsia!” Nihodina ilay mompera, dia lasa nandeha.
Niharatsy ny toe-pahasalamako mandra-pieritreritr’ireo mpiasan’ny hopitaly hoe maty aho. Nosaronany lambam-pandriana ny tarehiko. Tsy nentiny tany amin’ny tranom-paty anefa aho, satria tsy maintsy nisy dokotera na mpitsabo mpanampy nanamarina fa maty aho. Tsy nisy dokotera niandry raharaha, ary ireo mpitsabo mpanampy rehetra dia lasa namonjy lanonana. Koa navelany tao amin’ilay efitrano lehibe aho nandritra ny alina manontolo. Rehefa tonga nitsidika ireo marary ny dokotera ny ampitso maraina, dia tsy nisy nanatona ny fandrianako satria efa voasarona aho ary noheverina fa efa maty. Tamin’ny farany, dia nisy olona nahamarika fa nihetsika ilay “faty” tao ambany lambam-pandriana!
Sitrana aho, ary tamin’ny Desambra 1963 dia nafindra teto amin’ny Toeram-pitsaboana Boka eto Abeokuta, atỳ atsimo-andrefan’i Nizeria. Ary eto aho no mipetraka hatramin’izao.
Fanoherana ny asa fitoriako
Nisy tokony ho 400 ireo boka teto amin’ilay toerana fony aho tonga, ary izaho irery no Vavolombelona. Nanoratra tamin’ny Fikambanana aho, ary namaly haingana izy ireo tamin’ny fanomezana toromarika ny Kongregasiona Akomoje mba hifandray tamiko. Koa tsy tapaka mihitsy ny fifandraisako tamin’ireo rahalahy.
Nanomboka nitory aho, raha vao tonga teto. Tsy nahafaly ilay pastora teto an-toerana izany, ka nanaovany tatitra tany amin’ilay lehiben’ny fanampiana ara-tsosialy niandraikitra ilay toby aho. Lehilahy efa zokiolona avy any Alemaina, izy io. Nilaza tamiko izy fa tsy nanana zo hampianatra ny Baiboly aho satria tsy nahita fianarana na nanana taratasy fanamarinana hahafahako hanao izany; koa satria aho tsy nahafeno fepetra, dia mety hampianatra zavatra diso ny olona. Ary raha mbola mikiry aho, dia mety horoahina hiala eto amin’ilay toerana sy tsy homena fitsaboana. Tsy navelany hiteny mihitsy aho.
Nanaraka izany dia namoaka toromarika izy, nilazana fa tsy tokony hisy olona hiara-mianatra Baiboly amiko. Vokatr’izany, dia tsy tonga nanatona ahy intsony ireo izay nampiseho fahalianana.
Nentiko tamim-bavaka teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha, ka nangataka fahendrena sy fitarihan-dalana taminy aho. Ny alahady nanaraka, dia nankany amin’ilay fiangonana batista teo amin’ilay toerana aho, na dia tsy nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana aza. Nisy fotoana, nandritra ny fotoam-pivavahana, izay nahafahan’ireo mpanatrika nametraka fanontaniana. Nanangan-tanana aho ary nanontany hoe: “Raha toa ka mankany an-danitra daholo ny olona tsara rehetra, ary ho any amin’ny toeran-kafa ny olona ratsy rehetra, nahoana ny Isaia 45:18 no milaza fa nanao ny tany mba honenana Andriamanitra?”
Nisy fimonomononana be teo amin’ireo mpiangona. Farany, dia nilaza ilay pastora misionera fa tsy azontsika fantarina ireo lalan’Andriamanitra. Tamin’izay, dia namaly ny fanontaniana napetrako ihany aho tamin’ny famakiana ny andinin-teny mampiseho fa hisy 144 000 ho any an-danitra, fa haringana ireo ratsy fanahy, ary fa hiaina eto ambonin’ny tany mandrakizay ny olona marina. — Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 14:1, 4.
Nitehaka daholo ny olona ho fankasitrahana ilay valiny. Avy eo, dia niteny ilay pastora hoe: “Mitehafa fanindroany fa tena mahay Baiboly marina itỳ lehilahy itỳ.” Taorian’ilay fotoam-pivavahana, dia nanatona ahy ny sasany ka nilaza hoe: “Mahay kokoa noho ilay pastora ianao!”
Mitohy ny fanerena mba handroahana ahy
Nampihena betsaka ny fanenjehana izany, ary niaraka tamiko indray ny olona mba hianatra Baiboly. Na dia izany aza, dia mbola nisy mpanohitra ihany, izay nanery ilay lehiben’ny fanampiana ara-tsosialy mba hampandeha ahy. Tokony ho iray volana taorian’iny fotoam-pivavahana iny, dia nampiantso ahy izy ary nanao hoe: “Nahoana ianao no mbola manohy mitory? Tsy tia Vavolombelon’i Jehovah ny olona any amin’ny taniko, ary toy izany koa eto. Nahoana ianao no mitondra fahasahiranana ho ahy? Tsy fantatrao angaha fa afaka mandroaka anao aho?”
Hoy aho namaly: “Manaja anao noho ny antony telo aho, tompoko. Voalohany, satria ianao be taona kokoa noho izaho, ary milaza ny Baiboly fa tokony homentsika fanajana ireo fotsy volo. Ny antony faharoa anajako anao dia noho ianao nandao ny taninao mba hanampiana anay atỳ. Ny antony fahatelo dia noho ianao tsara fanahy, malala-tanana, sy manampy ireo ory. Kanefa, fahefana avy aiza no ahafahanao mandroaka ahy, araka ny hevitrao? Tsy nandroaka ny Vavolombelon’i Jehovah ny filoham-pirenena. Tsy nandroaka anay ny filoha ara-pomba eto amin’itỳ faritra itỳ. Na dia horoahinao amin’itỳ toby itỳ aza aho, dia mbola hiahy ahy ihany i Jehovah.”
Mbola tsy niresaka taminy tsy niolakolaka tahaka izany mihitsy aho hatramin’izay, ary hitako fa nanaitra azy ilay izy. Lasa nandeha izy, tsy niteny. Tatỳ aoriana, rehefa nisy olona nitaraina taminy momba ahy, dia namaly tamim-pahasosorana izy hoe: “Tsy te hiditra amin’izany raharaha izany intsony aho. Raha manan-java-manahirana mahakasika ny fitoriany ianareo, dia miresaha aminy!”
Ilay kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra
Nitohy ny fanoherana ny fitoriana nataoko, avy tamin’ireo mpiangona tao amin’ny fiangonana batista, tao amin’ilay toby. Tamin’izay dia nahita hevitra aho. Nankany amin’ilay lehiben’ny fanampiana ara-tsosialy aho, ary nangataka raha afaka nanangana kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra aho. Rehefa nanontany izy hoe ohatrinona ny karama tadiaviko, dia nilaza aho fa hampianatra maimaim-poana.
Koa nanomboka nampianatra namaky teny ny mpiara-monina sasany tamiko aho rehefa nomena efitrano fianarana sy solaitrabe ary tsaoka. Nianatra isan’andro izahay. Nampianatra namaky teny aho nandritra ireo antsasak’adiny voalohany, avy eo dia nitantara sy nanazava tantara avy ao amin’ny Baiboly aho. Taorian’izay, dia namaky ilay fitantarana avy tao amin’ny Baiboly izahay.
Ny mpianatra iray dia vehivavy iray nantsoina hoe Nimota. Naneho fahalianana lalina tamin’ireo zavatra ara-panahy izy, ary nametraka fanontaniana momba ny fivavahana, tany am-piangonana sy tany amin’ny mosquée. Satria tsy voavaly tany ireo fanontaniany, dia tonga nanontany ahy izy. Tamin’ny farany, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ka natao batisa, izy. Nivady izahay tamin’ny 1966.
Ny ankamaroan’ireo olona ao amin’ny kongregasiona misy anay ankehitriny dia nianatra namaky teny sy nanoratra tao amin’io kilasy io. Tsy fahendrena avy amiko ny soso-kevitra ny amin’ny hisian’io kilasy io; azo antoka fa niharihary ny fitahian’i Jehovah. Tsy nisy olona nanandrana nisakana ahy tsy hitory intsony taorian’izay.
Efitrano Fanjakana ao amin’ilay toby
Tamin’ny fotoana nanambadiako an’i Nimota, dia nisy efatra izahay no nivory tsy tapaka mba hiara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Nandritra ny herintaona teo ho eo, dia nivory tao amin’ilay efitrano fanadiovana ireo ratra vokatry ny habokana izahay. Avy eo, dia niteny tamiko ilay lehiben’ny fanampiana ara-tsosialy, izay tonga namako ankehitriny, hoe: “Tsy mety raha ao amin’ny efitrano fitsaboana no hanoloranareo fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitrareo.”
Nilaza izy fa afaka nivory tao amin’ny trano heva fandrafetana iray tsy nampiasaina, izahay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia novana ho Efitrano Fanjakana ilay trano heva. Vitanay izy io tamin’ny 1992, noho ny fanampian’ireo rahalahy avy tany an-tanàna. Araka ny azonareo jerena eo amin’ny sary, eo amin’ny pejy faha-24, dia mafy orina tsara ny efitranonay — voalalotra sy voaloko, miaraka amin’ny gorodona simenitra sy tafo mafy tsara.
Fitoriana amin’ireo voan’ny habokana
Ny toerana misy an’ireo boka no faritaniko, nandritra ny 33 taona. Manao ahoana izany mitory amin’ny boka izany? Ny ankamaroan’ny olona atỳ Afrika dia mino fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Koa rehefa tratran’ny habokana izy ireo, dia mino fa tompon’andraikitra Andriamanitra, amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ketraka mafy ny sasany noho ny toe-batany. Ny hafa dia tezitra ary milaza hoe: “Aza miresaka aminay ny amin’izany Andriamanitra be fitiavana sy mamindra fo izany. Raha marina izany, dia efa tsy nisy an’itony aretina itony intsony!” Amin’izay izahay dia mamaky sy manjohy hevitra avy amin’ny Jakoba 1:13, izay manao hoe: ‘Andriamanitra tsy mba maka fanahy olona amin’ny ratsy.’ Avy eo izahay dia manazava hoe nahoana i Jehovah no mamela ny aretina hamely ny olona, ary manintona ny saina ho amin’ny fampanantenany tany iray zary paradisa izay tsy hisy olona harary intsony. — Isaia 33:24.
Maro no nandray tsara ny vaovao tsara. Hatramin’ny nahatongavako teto amin’itỳ toby itỳ, dia nampiasain’i Jehovah mba hanampy olona mihoatra ny 30, ho tonga amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, aho, boka daholo izy rehetra. Maro no nody tany aminy rehefa sitrana, ary maty ny sasantsasany. Manana mpitory ilay Fanjakana 18 izahay ankehitriny, ary eo amin’ny olona 25 eo ho eo no manatrika tsy tapaka ireo fivoriana. Roa izahay no manompo amin’ny maha-loholona, ary manana mpanampy amin’ny fanompoana iray sy mpisava lalana maharitra iray izahay. Sambatra erỳ aho mahita olona maro aoka izany, ankehitriny, manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah eto amin’itỳ toby itỳ! Fony aho tonga teto, dia natahotra aho sao ho irery, kanjo notahin’i Jehovah tamin’ny fomba mahatalanjona.
Ny fifaliana manompo ireo rahalahiko
Nanomboka tamin’ny 1960 ka hatramin’ny tokony ho efa dimy taona teo ho eo izay no nihinanako fanafody momba ny habokana. Efa sitrana tanteraka aho ankehitriny, tahaka ireo hafa ao amin’ny kongregasiona. Namela takaitra ny habokana — namoy ny ranjoko ambany aho ary tsy afaka manatsotra ireo tanako — kanefa sitrana ilay aretina.
Hatramin’ny nahasitrana ahy, dia maro no nanontany ahy hoe nahoana aho no tsy mandao ilay toby ka mody any amiko. Maromaro ny antony ijanonako, fa ny lehibe indrindra dia noho izaho ta hanohy hanampy ireo rahalahiko eto. Mihoatra noho izay rehetra azon’ny fianakaviako omena ahy, raha miverina any aminy aho, ny fifaliana entin’ny fikarakarana ny ondrin’i Jehovah.
Tena velom-pankasitrahana tokoa aho fa nahalala an’i Jehovah talohan’ny nahafantarako fa tratran’ny habokana aho. Raha tsy izany, dia nety ho namono tena aho. Nisy zava-tsarotra sy zava-nanahirana maro nandritra ireo taona, saingy tsy ny fanafody no nanohana ahy — fa i Jehovah. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia faly; ary rehefa mieritreritra ny hoavy eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra aho, dia vao mainka faly.
[Efajoro, pejy 25]
Tsara ho Fantatra Momba ny Habokana
Inona izy io?
Ny habokana, amin’izao andro maoderina izao, dia aretina azo avy amin’ny basiliosy hitan’i Armauer Hansen, tamin’ny 1873. Ho fankasitrahana ny asany, ireo dokotera dia miresaka ny habokana koa ho ny aretin’i Hansen.
Manimba ny hozatra, ny taolana, ny maso, sy ny taova sasany, ilay basiliosy. Very ny fahatsapana eo amin’ny tanana sy ny tongotra matetika. Raha tsy voatsabo, dia mety hiteraka fanimbana lehibe eo amin’ny tarehy sy eo amin’ny rantsana ilay aretina. Mahalana vao mahafaty izy io.
Azo sitranina ve?
Ireo olona tratran’ny habokana amin’ny endriny tsy dia atahorana, dia mihatsara na dia tsy misy fitsaboana aza. Azo sitranina amin’ny alalan’ny fanafody ireo karazany atahorana kokoa.
Ny fanafody voalohan’ny habokana, izay nampiasaina tany amin’ireo taona 1950, dia ela fiasa, ary nanjary tsy nandaitra hatrany rehefa nampitombo fahatoherana azy ny basiliosin’ny habokana. Nisy fanafody vaovao namboarina, ary nanomboka tany am-piandohan’ireo taona 1980, dia nanjary ny fitsaboana mahazatra ampiasaina maneran-tany ny Fitsaboana Ampiasana Fanafody Maro. Itỳ fitsaboana itỳ dia mampiaraka ny fampiasana fanafody telo — ny dapsone sy ny rifampicine ary ny clofazimine. Na dia mamono ilay basiliosy aza ny Fitsaboana Ampiasana Fanafody Maro, dia tsy manasitrana ireo fahavoazana efa nentiny.
Tena mandaitra amin’ny fanasitranana ilay aretina ny Fitsaboana Ampiasana Fanafody Maro. Vokatr’izany, raha 12 tapitrisa ny isan’ireo olona tratran’ny habokana tamin’ny 1985, dia nihena tokony ho 1,3 tapitrisa izany teo antenatenan’ny taona 1996.
Mora mifindra ve izy io?
Tsy aretina mora mifindra ny habokana; ny ankamaroan’ny olona dia manana hery fanefitra amin’ny aretina matanjaka mba hahatoherana azy. Rehefa tena mitranga anefa izany, dia mazàna eo amin’ireo olona miara-miaina sy mifampikasoka maharitra amin’ireo voan’ilay aretina.
Tsy azon’ireo dokotera antoka ny fomba idiran’ilay basiliosy ao amin’ny tenan’olombelona, nefa mieritreritra izy ireo fa mety ho avy amin’ny alalan’ny hoditra na ny orona.
Fahatsinjovan-javatra ho avy
Kendrena “hofongorana amin’ny maha-fahavalon’ny fahasalamam-bahoaka” ny habokana amin’ny taona 2000. Midika izany fa ny isan’ireo tratran’ny habokana any amin’ny fiaraha-monina rehetra dia tsy hihoatra ny 1 isaky ny olona 10 000. Ho fongotra tanteraka izany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Isaia 33:24.
Loharanon-kevitra: Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana; Federasiona Iraisam-pirenen’ireo Fikambanana Miady Amin’ny Habokana; sy Manson’s Tropical Diseases, Fanontana tamin’ny 1996.
[Efajoro, pejy 27]
Mitovy ve ny Habokana Tamin’ny Andron’ny Baiboly sy ny Amin’izao Andro Izao?
Faritan’ny boky fianarana ara-pitsaboana amin’izao andro izao, amin’ny teny mazava tsara, ny habokana; Mycobacterium leprae no anarana siantifikan’ilay mikraoba mahatonga azy io. Mazava ho azy fa tsy boky fianarana ara-pitsaboana akory ny Baiboly. Ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “habokana”, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro, dia manana heviny malalaka kokoa. Ohatra, ny habokana, ao amin’ny Baiboly, dia miteraka famantarana aretina izay hita, tsy eo amin’ny olombelona ihany, fa eo amin’ny akanjo sy ny trano koa, zavatra izay tsy azon’ny basiliosy iray atao. — Levitikosy 13:2, 47; 14:34.
Ankoatra izany, ny famantarana aretin’ny habokana eo amin’ny olombelona amin’izao andro izao, dia tsy mifanitsy tanteraka amin’ny filazalazana momba ny habokana tamin’ny andron’ny Baiboly. Nandroso hevitra ny sasany fa ny mety ho anton’izany, dia satria miova miaraka amin’ny fandehan’ny fotoana ny toetran’ny aretina. Mino ny sasany fa ny habokana resahin’ny Baiboly dia milazalaza aretina isan-karazany izay mety hahafaoka na tsia, ilay aretina avy amin’ny M. leprae.
Manambara ny Theological Dictionary of the New Testament fa ny teny grika sy hebreo nadika hoe habokana, dia matetika no “manondro aretina iray ihany, na fitambaran’aretina (...) Tsy azo antoka anefa raha io aretina io ihany na tsia ilay antsointsika hoe habokana. Kanefa, tsy misy fiantraikany eo amin’ny fankasitrahantsika ireo fitantarana momba ny fanasitranana [boka nataon’i Jesosy sy ireo mpianany] akory, ny famaritana ara-pitsaboana mazava tsaran’ilay aretina”.
[Sary, pejy 24]
Ny kongregasiona, eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana, ao amin’ilay toby misy ireo boka
[Sary, pejy 26]
Isaiah Adagbona sy Nimota vadiny