Hila Tafika Foana ve Isika?
NY TAFIKA dia nandanilany foana ampahany lehibe tamin’ny fananan’ny olombelona sy nanimba be dia be ny fahasambaran’ny olona. Noho izany, dia misy olona manontany tena hoe: ‘Moa ve ny olombelona, indray andro any, ho afaka hanatratra ilay karazana filaminana maneran-tany izay hahatonga hety ny handravana ny tafika?’ Noho ireo fitaovam-piadiana fandripahana olona tambabe mahatonga hety ny famongorana ny fiainana misy rehetra ankehitriny, dia manjary ilaina maika dia maika ny hametrahana io fanontaniana io. Moa ve fiheverana ny zavatra tena misy ny fanantenana tontolo iray tsy hisy tafika?
Ireo zava-nisy maro teo aloha dia manaporofo fa rehefa miteraka fifampitokiana ny fifandraisana tsara iraisam-pirenena dia mety hitarika ho amin’ny fampihenana ireo fitaovam-piadiana. Ohatra, ny fisakaizana ankapobe nisy teo amin’i Kanada sy i Etazonia, dia niseho tamin’ny tsy fisian’ny tafika niaro ireo 5 000 kilaometatra mahaforona ny sisin-taniny, nandritra ny taonjato iray sy tapany mahery. Tonga tamin’ny fifanarahana mitovy amin’izany koa i Norvezy sy i Soeda, ary toy izany koa ny firenena maro hafa. Mety hahatonga tontolo iray tsy hisy tafika ve ny fifanarahana iray ifanaovan’ireo firenena rehetra? Noho ireo zavatra nampihorohoro tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia lasa be mpitia mbola tsy nisy toy izany, ilay hevitra.
Rehefa azo ny fandriampahalemana tamin’ny 1918, ny iray tamin’ireo zava-nokendrena tamin’ny fanekem-pihavanan’i Versailles, dia ny “hahatonga hety ny fampanombohana ny famerana ankapobe ny fanaovan’ireo firenena rehetra fitaovam-piadiana”. Nanjary nalaza ny tolona ho an’ny fandriampahalemana, nandritra ireo taona nanaraka. Nanao teôria ireo mpitolona ho an’ny fandriampahalemana fa ny ady no zavatra ratsy indrindra mety hahazo ny firenena iray, ka noho izany, dia ratsy kokoa noho ny hiharan’ny faharesena. Tsy nanaiky kosa anefa ireo mpanohitra ny tolona ho an’ny fandriampahalemana, tamin’ny fanazavana fa nandritra ireo taonjato, ireo Jiosy tany amin’ny faritra maro dia tsy nampiseho afa-tsy fanoherana nampiasana fiadiana kely fotsiny nanoloana ireo mpanafika, nefa nitohy hatrany ireo fanandramana nampiseho habibiana hamongotra azy ireny. Ireo Afrikana dia tsy nanana fahafahana firy hanoherana ireo izay nitondra azy ho andevo tany amin’ireo tanin’i Amerika, nefa dia nentina tamin’ny fomba ratsy nampiseho habibiana nandritra ny taonjato maro izy ireo.
Rehefa nipoaka anefa ny Ady Lehibe Faharoa, dia maro ireo mpitolona ho an’ny fandriampahalemana no nanatsoaka hevitra fa mila fiarovana ireo firenena. Koa rehefa naorina àry ny Firenena Mikambana, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nasongadina bebe kokoa noho ny fampihenana ny fitaovam-piadiana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, mba hisakanana ny fanafihana. Nanantena ireo mpikambana fa ny filaminana azo tamin’izany fomba izany, dia hanome toky an’ireo firenena mba hampihenany ny fitaovam-piadiany.
Nisy olana iray hafa nanjary nihaniharihary. Matetika ny fiezahan’ny firenena iray mba hiaro tena, dia mahatonga ny mpifanila aminy hahatsiaro ho tsy milamina. Nitarika ho amin’ny fifaninanana hanao fitaovam-piadiana izany olana mifampidipiditra izany. Kanefa, vao haingana kokoa, ny fihatsaran’ny fifandraisana teo amin’ireo firenena lehibe indrindra, dia nanamafy ny fanantenana fampihenana ny fitaovam-piadiana. Rava anefa ny fanantenan’ny maro ny hampihenana ny fitaovam-piadiana, hatramin’ny Adin’ny Hoala Persika sy ireo korontana tany Iogoslavia teo aloha. Tokony ho dimy taona lasa izay, dia nanao izao fanazavana izao ny gazety Time: “Na dia efa nifarana aza ny ady mangatsiaka, dia vao mainka nihananjary toerana mampidi-doza izao tontolo izao.”
Faniriana “polisy” iray haneran-tany.
Maro ireo mpandinika no tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa mila fahefana tokana iray haneran-tany, izay hanana tafika matanjaka iray ho afaka hiaro ny rehetra, ny olombelona. Koa satria tsy afaka manao izany na ny fandaminan’ny Firenena Mikambana na ireo hery ara-tafika matanjaka indrindra eran-tany, dia mahatsapa ny sasany fa kely ny fanantenana ny amin’ny hoavy. Kanefa, raha manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ianao, dia mety ho efa nanontany tena raha hanome fahafaham-po amin’izany zavatra ilaina maika izany ilay Andriamanitra Tsitoha.
Moa ve Ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” hampiasa hery ara-tafika mba hampiharana ny rariny? Raha izany no izy, dia tafika inona? Maro amin’ireo tafika amin’izao andro izao no mihambo ho manana ny fanohanan’Andriamanitra, nefa moa ve izy ireo tena manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa? Sa Andriamanitra manana fomba hafa hirotsahana an-tsehatra ka hitondrana fiadanana sy filaminana? — 2 Korintiana 13:11.
Nandamina ilay fikomiana voalohany ilay Andriamanitra Tsitoha, tamin’ny fandroahana an’i Adama sy Eva avy tao Edena ary, tamin’ny fametrahana ireo kerobima mba hisakana azy ireo tsy hiverina tao. Nanambara ny fikasany hanorotoro ny fikomiana rehetra hanoherana ny fiandrianany koa izy. (Genesisy 3:15). Mety hahatafiditra ny fampiasan’Andriamanitra tafika iray ve izany?
Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ireo toe-javatra izay tena nampiasan’Andriamanitra tafika, mba hampiharana ny didim-pitsarany. Ohatra, ireo fanjakana tany amin’ny tany Kanana dia nanao firaisana tamin’ny biby sy sorona ankizy ary ady feno halozana. Nandidy ny handringanana tanteraka azy ireo Andriamanitra ary nampiasa ny tafik’i Josoa mba hampiharana ny fanamelohana. (Deoteronomia 7:1, 2). Mitovy amin’izany koa, ny tafik’i Davida Mpanjaka dia nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo Filistina, ho ohatra ny amin’ny fomba hamongoran’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra amin’ny andro fitsarany farany.
Nahitana fianarana ireny fisehoan-javatra ireny. Nasehon’i Jehovah fa afaka mampiasa tafika iray izy, mba hanomezana filaminana ny olona. Eny tokoa, i Jehovah dia manana karazana tafika tokana, izay handamina ny fikomiana, manerana izao tontolo izao, amin’ny fanapahany.
“Jehovah-n’ny tafika”
Mampiasa ilay fitenenana hoe “Jehovah-n’ny tafika” (NW ) mihoatra ny in-250 ny Baiboly. Amin’ny heviny fototra, io fitenenana io dia manondro ny toeran’Andriamanitra amin’ny maha-filoha tampon’ny tafik’anjely maro be azy. Tamin’ny fisehoan-javatra iray, ny mpaminany Mikaia dia nilaza toy izao tamin’i Ahaba sy i Josafata Mpanjaka: “Nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany aho, ary [ny tafiky ny lanitra rehetra, Fandikan-teny Katolika] nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.” (1 Mpanjaka 22:19). Ireo tafik’anjely no voaresaka eto. Nampiasa ireny tafika ireny i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany. Rehefa natao fahirano ny tanànan’i Dotana dia namoy fo ny mpanompon’i Elisa. Kanefa, mba hanomezana toky azy, dia nomen’Andriamanitra fahitana mahagaga ny amin’ny tafiny voaforon’ireo zavaboary ara-panahy izy. “Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina”. — 2 Mpanjaka 6:15-17.
Moa ve izany fisehoan-javatra izany midika fa manohana ny tafika Andriamanitra ankehitriny? Ny sasany amin’ireo tafika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mety hihambo ho tafik’Andriamanitra. Maro tamin’izy ireny no nangataka tamin’ireo anisan’ny klerjy mba hitso-drano azy ireo. Kanefa, matetika ireo tafika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia miady amin’izy samy izy, amin’ny samy mpiray finoana. Ireo ady lehibe roa tamin’itỳ taonjato itỳ dia nanomboka teo amin’ny tafika izay samy nihambo ho kristiana. Tsy mety ho asan’Andriamanitra izany. (1 Jaona 4:20). Na dia mety hihambo aza ireny tafika ireny fa miady ho an’ny fiadanana, moa ve i Jesosy nanome toromarika an’ireo mpanara-dia azy mba handamina tafika toy izany, mba ho fisakanana ny korontana eo amin’izao tontolo izao?
Tena tapaka ny fiadanana rehefa nisy vahoaka romotra nitondra fitaovam-piadiana, tonga hisambotra an’i Jesosy, izay nivavaka niaraka tamin’ny mpianany tao amin’ny zaridaina iray. Nasian’ny iray tamin’ireo mpianatra tamin’ny sabatra ny lehilahy iray anisan’ilay vahoaka romotra. Nohararaotin’i Jesosy ilay tarehin-javatra mba hanazavana foto-pitsipika lehibe iray. Hoy izy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?” Nanana tafika lehibe teo ambany fahefany i Jesosy, saingy tsy voantso ho miaramila tao anatiny i Petera, na ny olona hafa, na iza na iza. Nantsoina hoe “mpanarato olona” kosa i Petera sy ny sisa tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 4:19; 26:47-53). Nanazava ny tarehin-javatra tamin’i Pilato i Jesosy, ora vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 18:36). Tsy tahaka ny fanjakan’i Davida izay naorina tetỳ an-tany, ny Fanjakana izay nomen’Andriamanitra an’i Jesosy dia any an-danitra ary hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany.
Mandroso ho amin’ny ady ny tafik’Andriamanitra
Tsy ho ela, dia hanao zavatra ny tafik’Andriamanitra. Raha milazalaza ny fifandonana ho avy ny Apokalypsy dia miantso an’i Jesosy hoe “Ny Tenin’Andriamanitra”. Izao no vakintsika: “Ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena”. Milaza ny Baiboly fa hiafara amin’ny fandringanana ireo “mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany” io ady io. Ho an’ireo tsy nampiseho tsy fivadihana tamin’Andriamanitra, dia manampy teny toy izao ilay faminaniana: “Ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly”. Na dia i Satana Devoly aza, dia tsy havela hanao zavatra intsony. Izany dia tena hamela marina tokoa ny hisian’ny tontolom-piadanana iray tsy hisy tafika. — Apokalypsy 19:11-21; 20:1-3.
Alao sary an-tsaina ny tontolo iray tsy hisy ady
Afaka maka sary an-tsaina tontolo iray milamina aoka izany ve ianao, hany ka tsy hilaina ny tafika? Milaza toy izao ny salamo iray ao amin’ny Baiboly: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”. — Salamo 46:8, 9.
Ho fanamaivanana re izany! Alao sary an-tsaina izay zavatra ho azon’ny fitambaran’olona, izay nafahana tamin’ny farany, tamin’ny enta-mavesatra manimba nentin’ny fandoavan-ketra ho an’ny tafika sy ireo fitaovana nampiasainy! Ny olona dia ho afaka hampifantoka ny heriny amin’ny fanatsarana ny toe-piainan’ny rehetra sy ny fanadiovana ny tany ary ny fambolena azy indray. Hisy fahafahana vaovao hamorona zavatra izay tena hilain’ny olombelona marina.
Hanana fahatanterahany haneran-tany itỳ fampanantenana itỳ: “Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao”. (Isaia 60:18). Tsy hisy intsony, na oviana na oviana, mpitsoa-ponenana mamoy fo, an-tapitrisany maro, hitanjozotra avy amin’ireo faritra misy ady, ho voatery handao ny tranony sy ny fananany mba hiaina any amin’ireo tobin’ny fahoriana. Tsy hisy intsony, na oviana na oviana, olona hitomany ny olon-tiana novonoina na lasa kilemaina tamin’ireo ady nifanaovan’ireo firenena. Hanorina fiadanana maharitra haneran-tany ilay Mpanjaka nofidin’i Jehovah any an-danitra. “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy”. — Salamo 72:7, 14.
Mbola hahafinaritra kokoa aza ny fiainana eo anivon’ny olona izay nianatra ny tsy hankahala fa ny hanaraka kosa an’ireo lalam-pitiavan’Andriamanitra. Nanambara mialoha ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Hanao ahoana izany hoe hiaina eo anivon’ny olona mahalala sy tia an’i Jehovah izany? Maminany toy izao ihany ilay boky teo: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. — Isaia 11:9; 32:17, 18.
Ireo olona izay manana finoana miorina amin’ny fahalalana ny Baiboly dia mahatakatra fa, vonona hanadio ny tany amin’ny fahavalon’ny fiadanana rehetra ny tafik’Andriamanitra. Izany fahalalana izany dia manome toky azy ireo mba hampihatra izay lazain’ny Baiboly fa ‘ho tonga atỳ am-parany’, dia izao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:2-4.
Ireo olona avy amin’ny firenena maro izay tonga Vavolombelon’i Jehovah dia efa mitan-tena mba ‘tsy hianatra ady’. Nametraka ny fitokiany amin’ny fiarovan’ireo tafik’Andriamanitra any an-danitra izy ireo. Ianao koa dia afaka mampitombo fatokiana mitovy amin’izany amin’ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’izy ireo.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
U.S. National Archives photo