FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/4 p. 31
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitahiana Lehibe Kokoa Amin’ny Alalan’ny Fanekena Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fotoan-dehibe Niravoravoana teo Amin’ny Tantaran’ny Isiraely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • “Ho Fanjaka-mpisorona” Ianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ny Ondry Hafa sy ny Fanekena Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/4 p. 31

Tadidinao Ve?

Hitanao ho misy mahasoa anao ve ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, nahoana moa raha tsapaina amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny fitadidianao?

◻ Inona no fahasamihafana eo amin’“ny Andron’ny Tompo” sy “ny andron’i Jehovah”? (Apokalypsy 1:10; Joela 2:11).

“Ny Andron’ny Tompo” dia mahatafiditra ny fahatanterahan’ireo fahitana 16 voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy toko voalohany ka hatramin’ny faha-22, sy ireo fisehoan-javatra fototra nambaran’i Jesosy mialoha ho valin’ilay fanontanian’ny mpianany momba ny famantarana ny fanatrehany. Ho fara tampon’ny andron’ny Tompo, dia hipoaka ny andron’i Jehovah mahatahotra rehefa hampihatra didim-pitsarana amin’ny tontolo ratsin’i Satana izy. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:11). — 15/12, pejy faha-11.

◻ Inona avy ireo lafiny sasany misongadina amin’ny Baibolin’i Makarios?

Miseho maherin’ny in-3 500 ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny Baibolin’i Makarios. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny haisoratra ara-pivavahana rosiana: “Mifikitra amin’ny soratra hebreo [ny] dikan-teny, ary madio sy mifanentana amin’ilay foto-kevitra ny teny ampiasain’ilay fandikan-teny.” — 15/12, pejy faha-27.

◻ Inona “ny marina” izay nolazain’i Jesosy fa hanafaka antsika tsy ho andevo? (Jaona 8:32).

Ny tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “ny marina”, dia ny filazalazana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra — indrindra fa ny filazalazana momba ny sitrapon’Andriamanitra — izay voatahiry ao amin’ny Baiboly. — 1/1, pejy faha-3.

◻ Iza no Jeho sy Jonadaba amin’ny andro maoderina?

I Jeho dia mampiseho an’i Jesosy Kristy izay soloan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” tena eto an-tany, dia ireo Kristiana voahosotra. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 12:17). Toy ny nivoahan’i Jonadaba mba hihaona tamin’i Jeho, no nivoahan’ny “olona betsaka” avy amin’ny firenen-tsamihafa mba hanohana an’ireo solontenan’i Jesosy eto an-tany. (Apokalypsy 7:9, 10; 2 Mpanjaka 10:15). — 1/1, pejy faha-13.

◻ Inona no hevitry ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’? (Genesisy 5:24; 6:9).

Ny heviny dia hoe ireo izay nanao toy izany, toa an’i Enoka sy i Noa, dia nanana fitondran-tena izay nanome porofon’ny finoany mafy an’Andriamanitra. Nanao izay nandidian’i Jehovah azy izy ireo ary nampifanaraka ny fiainany tamin’izay fantany momba Azy, avy tamin’ny fifampiraharahany tamin’ny taranak’olombelona. — 15/1, pejy faha-13.

◻ Nahoana ny olona iray no tokony hanao fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny mety hahafaty ny tenany?

Amin’ny heviny iray, ny fanaovana fandaharana toy izany dia fanomezana ho an’ny ankohonan’ny tena. Mampiseho fitiavana izany. Manaporofo izany fa maniry ny ‘hanome izay ilain’ny ankohonanao’ ianao, na dia rehefa tsy eo amin’izy ireo intsony aza. (1 Timoty 5:8). — 15/1, pejy faha-22.

◻ Inona no notanterahin’ny “fanekena taloha”? (2 Korintiana 3:14).

Nirakitra lafin-javatra izay nampiseho taratr’ilay fanekena vaovao izy io, ary ireo sorona niverimberina notakin’izy io, dia nampiharihary fa nila mafy ny fanavotana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ny olombelona. ‘Mpitaiza ho amin’i Kristy’, izy io. (Galatiana 3:24). — 1/2, pejy faha-14.

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no hoe mandrakizay ny fanekena vaovao? (Hebreo 13:20).

Voalohany, dia tsy mba sahala amin’ny faneken’ny Lalàna izy io fa tsy hosoloana na oviana na oviana. Faharoa, dia maharitra ny vokatry ny asan’izy io. Ary fahatelo, dia hanohy handray soa avy amin’ny fandaharana ny amin’ny fanekena vaovao ireo olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. — 1/2, pejy faha-22.

◻ Inona avy no soa entin’ny fahaiza-mankasitraka?

Ny hafanana tsapan’ny olona iray noho izy velom-pankasitrahana ao am-po dia manome azy fahasambarana sy fiadanana. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:13, 15.) Noho izy io toetra tsara, ny fahaiza-mankasitraka dia miaro ny olona amin’ny fihetseham-po ratsy toy ny fahatezerana sy ny fialonana ary ny lolompo. — 15/2, pejy faha-4.

◻ Nampidirina tao amin’ny fanekena inona avy ireo nateraky ny fanahy?

Ny fanekena vaovao izay nifanaovan’i Jehovah tamin’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy, sy ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana izay nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy voahosotra. (Lioka 22:20, 28-30). — 15/2, pejy faha-16.

◻ Andro firavoravoana lehibe telo inona avy no nandidiana ny Isiraelita mba hatrehiny?

Ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay nanaraka avy hatrany ny Paska tamin’ny 14 Nisana; ny Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro, amin’ny andro faha-50 isaina manomboka amin’ny 16 Nisana; ary ny Andro Firavoravoana Amin’ny Fanangonana, na Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo, tamin’ny volana fahafito. (Deoteronomia 16:1-15). — 1/3, pejy faha-8, 9.

◻ Nahoana no tombontsoa ny manatrika ireo fiaraha-mivory kristiana?

Hoy i Jesosy: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” (Matio 18:20; 28:20). Afa-tsy izany koa, ny fomba lehibe iray anaovana famahanana ara-panahy, dia amin’ny alalan’ireo fivorian’ny kongregasiona sy ireo fiaraha-mivory lehibe kokoa. (Matio 24:45). — 1/3, pejy faha-14.

◻ Ahoana no niandohan’ilay anarana hoe Nimroda?

Manam-pahaizana maromaro no miray hevitra momba ny hoe tsy anarana nomena teo am-pahaterahana ny anarana hoe Nimroda. Mihevitra kosa izy ireo fa anarana nomena tatỳ aoriana izy io, mba hifanaraka tamin’ny toetrany mpikomy, rehefa nanjary niharihary izany. — 15/3, pejy faha-25.

◻ Zava-dehibe ho an’ny fitambaran’olona ve ny fianakaviana?

Zavatra tena ilain’ny olombelona ny fianakaviana. Mampiseho ny tantara fa, rehefa mirodana ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana, dia mihena ny tanjaky ny fiaraha-monina ary mihamalemy ny firenena. Koa mitarika mivantana ho amin’ny fitambaran’olona miorina tsara sy ny fahasambaran’ny ankizy sy ny taranaka ho avy àry ny fianakaviana. — 1/4, pejy faha-6.

◻ Inona avy ireo porofo telo mampiseho fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

1) Marina ara-tsiansa izy io; 2) mirakitra foto-pitsipika tsy tontan’ny ela izay azo ampiharina amin’ny fiainana maoderina izy io; 3) mirakitra faminaniana voafaritra tsara izay efa tanteraka izy io, araka ny asehon’ireo zava-misy ara-tantara. — 1/4, pejy faha-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara