FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/5 p. 3-4
  • Iza no ao Ambadik’izao Rehetra Izao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no ao Ambadik’izao Rehetra Izao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza moa i Jehovah?
    Iza moa i Jehovah?
  • Fanadinadinana Mpahay Simia
    Mifohaza!—2006
  • Iza no Afaka Milaza Amintsika?
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Ankafizo ny Zavaboary ary Fantaro Ilay Namorona Azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/5 p. 3-4

Iza no ao Ambadik’izao Rehetra Izao?

TONGA teo amin’ny hady vory lehibe nanodidina ny tempoly iray i Henri Mouhot, Frantsay mpizaha tany mbola tsy fantatra iray tamin’ny taonjato faha-19, rehefa namakivaky ny ala mikitroka tany Kambodja. Tokony ho iray kilaometatra avy teo amin’ny toerana nijoroany no nisy ny tilikambo dimin’ilay tempoly. Nijoalajoala tany amin’ny 60 metatra tany ambony tany ireo tilikambo ireo. Ny Angkor Wat izy io, dia ilay trano fivavahana goavana indrindra etỳ ambonin’ny tany. Efa niaritra ireo fiovaovan’ny toetr’andro nandritra ny taonjato fito izy io, fony i Mouhot nahita azy voalohany.

Taorian’ny indray nitopy maso monja, dia afaka nilaza i Mouhot fa asa tanan’olombelona ireo trano rakotry ny volombato ireo. “Natsangan’olona fahiny nanana ny fahaizan’i Michel-Ange izy ireo, ka miezinezina mihoatra noho izay mety ho navelan’i Gresy na i Roma ho antsika”, hoy ny nosoratany. Efa taonjato maro no nandaozana ireo trano kanto ireo, kanefa azony antoka fa nisy mpamolavola izy ireny.

Mahaliana fa nampiasa fanjohian-kevitra mitovy amin’izany ny bokim-pahendrena iray nosoratana taonjato maro lasa izay, mba hanazavana hoe nahoana no tsy maintsy ho vokatry ny asan’ny Mpamolavola iray izao tontolo izao manodidina antsika. Tsy maintsy ho noforonina izy io. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4). Mety tsy hanaiky an’io fampitovian-javatra io ny sasany, amin’ny filazana hoe: ‘Samy hafa amin’ny an’ny zavatra nataon’ny olombelona, ny fiasan’ny natiora.’ Tsy ary manaiky an’io fandavana io avokoa anefa ny mpahay siansa rehetra. Nanontany toy izao i Michael Behe, mpampianatra biôsimia ao amin’ny oniversiten’i Lehigh, rehefa avy nanaiky fa “tsy hoe zavatra tsy misy aina akory ireo rafitra biôsimika”: “Moa ve azo volavolaina amim-pahiratan-tsaina ireo rafitra biôsimika?” Nasehony koa fa mamolavola fiovana fototra eo amin’ireo zavamiaina ny mpahay siansa ankehitriny, amin’ny alalan’ny fomba toy ny fanovana fototarazo. Mazava fa samy azo volavolaina sy asiam-piovana eo amin’ny fototarazo ny zavamananaina sy ny tsy mananaina! Nanao fikarohana lalina tao amin’ny tontolo bitiky ny sela i Behe, ka nanazava momba ireo rafitra mahatalanjona mifampidipiditra, izay tsy inona fa fitambarana singan-javatra maro manana asa mifampiankina. Ny famaranan-keviny? “Antsoantso mafy sady mazava hoe: ‘Famolavolana!’, no vokatr’ireny ezaka fanampiny natao handinihana akaiky ny sela ireny — ka nandinihana akaiky ny aina, teo amin’ny sehatry ny molekiola.”

Nandinika akaiky toy izany koa ny tany sy izao rehetra izao, ireo manam-pahaizana momba ny haitontolo sy ny fizika, ka tonga tamin’ny fahitana zava-misy mahazendana sasany. Fantatr’izy ireo izao, ohatra, fa raha nisy fiovana na dia faran’izay bitika aza teo amin’ireo sanda tsy miova eo amin’izao rehetra izao, dia tsy ho nisy fiainana teo amin’izao rehetra izao.a Nantsoin’i Brandon Carter, manam-pahaizana momba ny haitontolo, hoe fifanandrifian-javatra mahazendana, ireny zava-misy ireny. Kanefa, raha tojo fifanandrifian-javatra maromaro mifono zava-miafina sy mifandray ianao, moa ve ianao, fara faharatsiny, tsy ho velona ahiahy ka hieritreritra hoe mety ho misy olona ao ambadik’izy ireny?

Eny tokoa, misy Mpamolavola iray ao ambadik’ireny rafitra mifampidipiditra rehetra ireny, sy ireny “fifanandrifian-javatra” tena tsara rindra ireny. Iza izy io? “Mety ho tena faran’izay sarotra ny hamantatra hoe iza io mpamolavola io, raha ny fomba siantifika no enti-manao izany”, hoy ny fieken’ny Profesora Behe, ary dia navelany ho an’ny “filôzôfia sy ny teôlôjia” ny fanandramana mamaly izany. Mety hihevitra ny tenanao manokana fa tsy mahakasika anao ilay fanontaniana. Kanefa, raha mahazo fonosan’entana tsara tarehy feno ireo zavatra tena ilainao indrindra ianao, moa ve ianao tsy haniry hahafantatra hoe iza no nandefa izany ho anao?

Azo lazaina hoe nahazo fonosan’entana toy izany isika — dia fonosan’entana feno fanomezana mahatalanjona, izay mahatonga antsika ho afaka ny ho velona sady hifaly amin’ny fiainana. Ny tany io fonosan’entana io, ka ao anatin’izany ireo rafitra mahavariana rehetra natao hampaharitra ny fiainana eo aminy. Moa ve isika tsy tokony haniry hahafantatra hoe iza no nanome antsika an’ireo fanomezana ireo?

Soa ihany fa nisy hafatra nampiarahin’ilay Mpandefa tamin’ilay fonosan’entana. Ilay “hafatra” dia ny Baiboly, ilay bokim-pahendrena tranainy voalaza terỳ aloha. Ao amin’ny teny fanokafana azy, ny Baiboly dia mamaly amin’ny fomba tena tsotra sy mazava toy izao an’ilay fanontaniana hoe iza no nanome antsika ilay fonosan’entana: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” — Genesisy 1:1.

Ao amin’ilay “hafatra” nalefany, ny Mpamorona dia mampahafantatra hoe iza no anarany: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra (...), Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy”. (Isaia 42:5, izahay no manao sora-mandry.) Eny, Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra izay namolavola izao rehetra izao, ary nampisy lehilahy sy vehivavy teto an-tany. Kanefa, iza moa i Jehovah? Karazan’Andriamanitra manao ahoana izy? Ary nahoana ny olona rehetra amin’ny tany no tokony hihaino azy?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny atao hoe “sanda tsy miova” dia sanda toa tsy miova manerana izao rehetra izao. Ohatra roa amin’izany ny hafainganam-pandehan’ny hazavana sy ny fifandraisan’ny sinton’ny tany sy ny lanja.

[Sary, pejy 3]

Naorin’olombelona ny Angkor Wat

[Sary, pejy 4]

Rehefa mahazo fanomezana ianao, moa ve ianao tsy maniry hahafantatra hoe iza no nandefa azy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara