FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/5 p. 10-15
  • Hozahan-toetra ny Finoana Kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hozahan-toetra ny Finoana Kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizahan-toetra ny finoana — Nahoana?
  • Fizahan-toetra ny finoana, mahakasika ny 1914
  • Fihetsika teo anoloan’ny fizahan-toetra tamin’izany fotoana izany
  • Zahan-toetra Ankehitriny ny Hatsaran’ny Finoanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fitsapana sy Fanasivanana avy ao Anatiny
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Zato Taona Lasa Izay: 1914
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/5 p. 10-15

Hozahan-toetra ny Finoana Kristiana

“Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.” — 2 TESALONIANA 3:2.

1. Ahoana no nampisehoan’ny tantara fa tsy ary manana ny tena finoana avokoa akory ny olona rehetra?

TAO anatin’ny tantara manontolo, dia nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy nanana ny tena finoana. Mety tokoa ny ampiasana ilay mpamari-toetra hoe “tena”, satria olon-kafa an-tapitrisany maro no nampiseho karazam-pinoana izay tsy inona fa fetezana hinohino fotsiny amin’izao, izany hoe, fahavononana hino na dia tsy misy fototra sy antony marim-pototra aza. Mazàna no tafiditra amin’izany finoana izany ireo andriamani-diso na endri-panompoam-pivavahana izay tsy mifanaraka amin’i Jehovah Tsitoha sy ny Teniny voambara. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra hoe: “Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.” — 2 Tesaloniana 3:2.

2. Nahoana no tena faran’izay zava-dehibe ny handinihantsika ny finoan’ny tenantsika manokana?

2 Milaza an-kolaka anefa izany tenin’i Paoly izany fa nisy nanana ny tena finoana tamin’izany fotoana izany. Tsy mahagaga àry raha misy olona toy izany koa amin’izao andro izao. Ny ankamaroan’ny mpamaky itỳ gazety itỳ dia maniry hanana sy hampitombo izany tena finoana izany — finoana mifanaraka amin’ny fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. (Jaona 18:37; Hebreo 11:6). Izany ve ny aminao? Raha izany no izy, dia tsy maintsy manaiky ianao fa hozahan-toetra ny finoanao, ka tsy maintsy miomana ny amin’izany ianao. Nahoana no azo atao ny milaza izany?

3, 4. Nahoana no tokony hitodika any amin’i Jesosy isika, raha ny amin’ny fizahan-toetra ny finoana?

3 Tsy maintsy ekentsika fa i Jesosy Kristy no kitro ifaharan’ny finoantsika. Miresaka azy ho Mpandavorary ny finoantsika tokoa ny Baiboly. Izany dia noho ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony, indrindra moa fa ny fomba nanatanterahany ny faminaniana. Nohatanjahiny ny fototra azon’ny olombelona hampiorenana ny tena finoana. (Hebreo 12:2; Apokalypsy 1:1, 2). Na dia izany aza, dia vakintsika fa “[voazaha toetra, NW ] tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika [i Jesosy], kanefa tsy nanana ota”. (Hebreo 4:15). Eny, nozahan-toetra ny finoan’i Jesosy. Tsy hoe natao hanakiviana antsika na hampisy fanahiana akory izany, fa tokony hankahery antsika kosa.

4 “Nianatra fanarahana”, na hoe fankatoavana, i Jesosy, rehefa nandia fisedrana mafy, izay tonga hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. (Hebreo 5:8). Noporofoiny fa afaka miaina mifanaraka amin’ny tena finoana ny olombelona, na dia eo aza izay rehetra mety ho fizahan-toetra azy ireo. Vao mainka mifono heviny manokana izany rehefa mieritreritra ny amin’izay nolazain’i Jesosy momba ny mpanara-dia azy isika. Hoy tokoa mantsy izy: “Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony.” (Jaona 15:20). Raha ny marina, dia nilaza mialoha toy izao momba ny mpanara-dia azy amin’izao androntsika izao i Jesosy: “Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” — Matio 24:9.

5. Ahoana no anambaran’ny Soratra Masina fa hiatrika fizahan-toetra isika?

5 Tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nanomboka ny fitsarana teo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra. Nanambara mialoha toy izao ny Soratra Masina: “Tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra? Ary ‘raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ny ratsy fanahy sy ny mpanota?’ ” — 1 Petera 4:17, 18.

Fizahan-toetra ny finoana — Nahoana?

6. Nahoana no sarobidy ny finoana voazaha toetra?

6 Amin’ny heviny iray, dia tsy hita ny hasarobidin’ny finoana tsy voazaha toetra, ary tsy fantatra ihany koa ny hatsarany. Azo ampitahaina amin’ny seky iray mbola tsy nakana vola tany amin’ny banky izany. Mety ho nahazo seky iray ianao noho ny asa nataonao, na noho ny entana nomenao, na ho fanomezana mihitsy aza. Mety ho toa seky ara-dalàna izao ny fahitana azy, kanefa tena izany tokoa ve izy io? Tena hahazo ilay vola voasoratra eo tokoa ve ianao? Toy izany koa fa tsy maintsy mihoatra noho ny endrika ivelany fotsiny na ny fihamboana fotsiny, ny finoantsika. Tsy maintsy zahan-toetra izy io raha tiantsika hoporofoina fa manana ny lanjany sy ny tena hatsarany. Rehefa zahan-toetra ny finoantsika, dia mety ho hitantsika fa matanjaka sy sarobidy izy io. Ny fizahan-toetra koa dia mety hampiharihary izay lafiny rehetra ilana fanatsarana na fanatanjahana, eo amin’ny finoantsika.

7, 8. Avy aiza no iavian’ireo fizahan-toetra ny finoantsika?

7 Avelan’Andriamanitra hitranga amintsika ny fanenjehana, mbamin’ny fizahan-toetra hafa mahazo ny finoantsika. Izao no vakintsika: “Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy”. (Jakoba 1:13). Iza na inona no tompon’andraikitra amin’izany fisedrana izany? Tsy iza akory fa i Satana sy izao tontolo izao ary ny nofontsika tsy tanteraka.

8 Mety hanaiky isika fa mampihatra fitaomana mahery eo amin’izao tontolo izao i Satana, ary tsy vitan’izany ihany fa eo amin’ny fisainan’izy io sy ny lalany koa. (1 Jaona 5:19). Azo inoana koa fa fantatsika hoe izy no rangory fototry ny afo mahatonga fanenjehana eo amin’ny Kristiana. (Apokalypsy 12:17). Moa ve anefa isika miaiky toy izany koa fa miezaka hamitaka antsika i Satana, amin’ny fanintonana ny nofontsika tsy tanteraka, ka mampirantiranty eo imasontsika ireo zava-manintona eo amin’izao tontolo izao, noho ny fanantenana fa ho latsaka ao amin’ilay fandrika isika, ka tsy hankatò an’Andriamanitra, ary dia tsy hankasitrahan’i Jehovah amin’ny farany? Mazava ho azy fa tsy tokony hahagaga antsika ny fomba fiasan’i Satana, satria tetik’ady mitovy amin’izany no nampiasainy rehefa nanandrana naka fanahy an’i Jesosy izy. — Matio 4:1-11.

9. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ireo oha-pinoana?

9 Amin’ny alalan’ny Teniny sy ny kongregasiona kristiana, i Jehovah dia manome antsika oha-pinoana tena nisy, izay azontsika tahafina. Nananatra toy izao i Paoly: “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho [ohatra, NW ].” (Filipiana 3:17). Noho izy iray tamin’ireo voahosotra nanompo an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany, dia nitari-dalana teo amin’ny fanaovana asam-pinoana i Paoly, na dia teo aza ireo fisedrana mafy nodiaviny. Hatramin’izao faran’ny taonjato faha-20 izao, dia manana oha-pinoana maro be mitovy amin’izany isika. Mihatra tsara ankehitriny, toy ny tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly azy, ireto teny ao amin’ny Hebreo 13:7 ireto: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.”

10. Oha-pinoana miavaka inona avy no ananantsika tato anatin’ny fotoana faramparany?

10 Vao mainka manan-kery io fananarana io rehefa mandinika ny niafaran’ny fiainan’ny sisa voahosotra isika. Afaka mandinika ny ohatra navelan’izy ireo isika ka manahaka ny finoany. Tena finoana nohatsarain’ny fisedrana tokoa ny azy ireo. Avy amin’ny fiandohana kely tamin’ireo taona 1870, dia niforona naneran-tany ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana iray. Ho vokatry ny finoana sy ny fiaretana nasehon’ireo voahosotra nanomboka tamin’izay, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy tapitrisa sy sasany ankehitriny no mitory sy mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Porofo mivaingana ny amin’ny fananana finoana voazaha toetra ny fisian’ireo kongregasiona maneran-tany ankehitriny, izay ahitana mpivavaka marina be zotom-po. — Titosy 2:14.

Fizahan-toetra ny finoana, mahakasika ny 1914

11. Toy inona ny naha-zava-dehibe ny taona 1914 ho an’i C. T. Russell sy ireo mpiara-niasa taminy?

11 Taona maro talohan’ny nipoahan’ny ady lehibe voalohany, dia efa nanambara ny sisa voahosotra fa ho daty lehibe eo amin’ny faminanian’ny Baiboly ny 1914. Aloha loatra anefa ny fanombanan’izy ireo ny hahatanterahan’ny sasany tamin’ireo zavatra nantenainy, ary tsy dia tena marina loatra ny fahitany ny zavatra hitranga. Ohatra, i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, sy ireo mpiara-niasa taminy, dia nahita fa nilaina ny nanaovana asa fitoriana goavana. Izao no novakin’izy ireo: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ahoana anefa no ahafahany manao izany, satria vitsy ihany ilay antokon’olona nisy azy ireo?

12. Ahoana no nandraisan’ny iray tamin’ireo mpiara-niasa tamin’i Russell ny fahamarinana ara-baiboly?

12 Diniho ny akon’izany teo amin’i A. H. Macmillan, mpiara-niasa iray tamin’i Russell. Teraka tany Kanada i Macmillan, ary mbola tsy ampy 20 taona akory izy raha nahazo ilay bokin’i Russell hoe Le plan des âges (1886). (Nantsoina koa hoe Le divin plan des âges io boky io, ary izy io no nanjary boky voalohany tamin’ilay fitambaram-boky hoe Études des Écritures, izay naely hatraiza hatraiza. Ilay boky faharoa hoe Le temps est proche [1889], dia nanondro ny taona 1914 ho ny faran’ny “andron’ny jentilisa”. [Lioka 21:24]). Tamin’iny alina nanombohan’i Macmillan namaky iny indrindra, dia hoy ny eritreriny: “Toa izany tokoa no fahamarinana an!” Tamin’ny fahavaratry ny taona 1900, dia nihaona tamin’i Russell izy, tao amin’ny fivoriambe iray nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tsy ela dia natao batisa i Macmillan ary nanomboka niara-niasa tamin’ny Rahalahy Russell, tao amin’ny foiben’ny Fikambanana any New York.

13. Olana inona no hitan’i Macmillan sy ny hafa, raha ny amin’ny fahatanterahan’ny Matio 24:14?

13 Niorina tamin’ny famakiany ny Baiboly, dia notondroin’ireo Kristiana voahosotra ireo fa ho taona hisian’ny fiovana goavana eo amin’ny fikasan’Andriamanitra ny taona 1914. Nanontany tena anefa i Macmillan sy ny hafa hoe: Ahoana no ahafahana mamita ny fitoriana any amin’ireo firenena, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Matio 24:14, ao anatin’ny fotoana sisa tavela? Nilaza toy izao izy tatỳ aoriana: “Tadidiko fa niresaka matetika ny amin’izany izahay sy ny Rahalahy Russell, ka hoy izy: ‘Eto New York ange, ry rahalahy, ka misy Jiosy maro kokoa noho ny any Jerosalema e! Misy Irlandey maro kokoa noho ny any Dublin eto. Ary misy Italiana maro kokoa noho ny any Roma. Koa raha mitory amin’izy ireny eto isika, dia ny olona rehetra eran-tany no efa nitondrantsika ilay hafatra.’ Toa tsy nahafa-po ny sainay anefa izany. Tamin’izay àry no tonga tao an-tsaina ny hanaovana ny ‘Photo-Drame’.”

14. Talohan’ny 1914, tetik’asa miavaka inona no natomboka?

14 Zava-baovao mbola tsy nisy hatrizay naha-tany ny tany no noforonina mba hanaovana ny “Photo-Drame de la création”! Sarimihetsika sy sary diapositives miloko, natao tamin’ny fitaratra, no nampivadina, ka nampiarahina tamin’ny lahateny ara-baiboly sy mozika nalefa tamin’ny grafofaonina. Tamin’ny 1913, dia niresaka toy izao momba ny fivoriambe iray natao tany Arkansas, any Etazonia, Ny Tilikambo Fiambenana: “Tapaky ny rehetra fa tonga ny fotoana hampiasana sarimihetsika eo amin’ny fampianarana ireo fahamarinana ara-baiboly. (...) Nanazava [i Russell] fa efa niasa ho amin’io tetik’asa io indrindra ny tenany, tao anatin’ny telo taona, ka izao dia efa ho vita ireo sary tsara tarehy an-jatony maro, izay tsy isalasalana fa sady hanintona vahoaka betsaka no hanambara ny Filazantsara, ary hanampy ny besinimaro mba hiverina indray amin’ny finoana an’Andriamanitra.”

15. Karazana vokatra nanao ahoana avy no nentin’ny “Photo-Drame”?

15 Izany indrindra no nataon’ny “Photo-Drame”, taorian’ny nisantarana ny fampisehoana azy io, tamin’ny Janoary 1914. Toy izao manaraka izao ny tatitra nalaina avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1914:

1 Aprily: “Nilaza toy izao ny mpitondra fivavahana iray, taorian’ny nahitany ny fizarana roa: ‘Vao ny antsasaky ny PHOTO-DRAME DE LA CRÉATION monja no hitako, nefa dia efa betsaka kokoa noho ny zava-pantatro tao anatin’ny telo taona nianarana tany amin’ny seminera teôlôjika, ny fianarana azoko mahakasika ny Baiboly, avy tamin’izy iny.’ Nanamarika toy izao ny Jiosy iray taorian’ny nahitany azy io: ‘Lasa Jiosy tsara kokoa aho nivoaka avy tao, noho ny tamin’ny nidirako tao.’ Mompera sy masera maromaro no nahita ilay PHOTO-DRAME ka naneho fankasitrahana lehibe. (...) Vao fitambaran-tsary roa ambin’ny folo monja amin’ilay PHOTO-DRAME no efa vita (...). Na dia izany aza, dia tanàna iraika amby telopolo no efa tonganay sy notsidihinay (...). Maherin’ny dimy arivo sy telo alina isan’andro no mahita, mandre, talanjona, misaintsaina, sy mahazo fitahiana.”

15 Jona: “Nahatonga ahy ho be zotom-po kokoa hampiely ny Fahamarinana ireo sary, ary nampitombo ny fitiavako an’ilay Ray any An-danitra sy i Jesosy, Zoky Malalantsika. Mivavaka isan’andro aho mba handrotsahan’Andriamanitra fitahiana faran’izay betsaka amin’ny PHOTO-DRAME DE LA CRÉATION sy ireo rehetra tafiditra amin’ny fampisehoana azy io (...). Mpanomponareo ao Aminy aho, F. W. KNOCHE. — Iowa.”

15 Jolay: “Tianay homarihina fa nahatalanjona ny soritra tsara navelan’ireo sary, teto amin’itỳ tanàna itỳ, ary azonay antoka fa iny fanambarana tamin’izao tontolo izao iny dia ampiasaina koa mba hanangonana olona maro izay manome porofo fa vatosoa nofidin’ny Tompo ny tenany. Mahalala olona maromaro izay mpianatra ny Baiboly mafana fo izahay, ary miaraka amin’ny Kilasy eto izy ireo izao, vokatry ny asan’ilay Photo-Drame. (...) Ny anabavinareo ao amin’ny Tompo, EMMA L. BRICKER.”

15 Novambra: “Azonay antoka fa ho faly ianareo handre ny amin’ny fanambarana tsara dia tsara natao tamin’ny alalan’ny PHOTO-DRAME DE LA CRÉATION, tao amin’ny The London Opera House, eto Kingsway. Niharihary tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany fa ny tanan’ny Tompo no nitarika ny tsipiriany rehetra tamin’iny fampisehoana iny, hany ka faly be ireo rahalahy. (...) Ny sarangan’olona rehetra sy ny karazan’olona rehetra no tonga nanatrika tatỳ aminay; voamarikay fa maro tamin’ny klerjy no tonga nanatrika. Ny vikera iray (...) dia nangataka karatra mba hahafahan’izy mivady ho tonga hijery azy io indray. Ny Presbytera iray ao amin’ny Eglizy Anglikana dia nanatrika imbetsaka ny PHOTO-DRAME, ary (...) nitondra ny maro tamin’ireo namany mba hahita maso azy io. Nisy eveka roa koa tonga tao, mbamin’ny olo-manan-kaja maromaro.”

1 Desambra: “Tena misaotra ilay Raintsika any An-danitra izahay mivady, noho ny fitahiana be tsy hay tombanana azonay tamin’ny alalan’ny tenanao. Ny PHOTO-DRAME kanto nataonao no nahatonga anay hahita sy hanaiky ny Fahamarinana. (...) Anananay ireo bokinao enina amin’ny ÉTUDES DES ÉCRITURES. Fanampiana be ho anay izy ireo.”

Fihetsika teo anoloan’ny fizahan-toetra tamin’izany fotoana izany

16. Nahoana no nizaha toetra ny finoana, ny taona 1914?

16 Ahoana anefa rehefa hitan’ireo Kristiana tso-po sy be fandavan-tena ireo fa tsy tanteraka ilay fanantenany hoe hiaraka amin’ny Tompo tamin’ny 1914? Nandia vanim-potoam-pisedrana faran’izay mafy ireny voahosotra ireny. Nanambara toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1914: “Aoka hotadidintsika fa ao anatin’ny vanim-potoam-pitsapana isika izao.” Momba izany, dia izao no ambaran’ny Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu (1993): “Tena hita ho ‘vanim-potoam-pitsapana’ ho an’ny Mpianatra ny Baiboly tokoa ireo taona teo anelanelan’ny 1914 sy 1918.” Hamela ny finoany hohatsaraina ve izy ireo, ary hamela ny fisainany hahitsy, mba hahafahany hanatontosa ny asa lehibe niandry azy?

17. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo voahosotra nahatoky, rehefa hita fa mbola nitoetra teto an-tany izy ireo taorian’ny 1914?

17 Nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1916: “Nihevitra isika fa ho tanteraka alohan’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa ny asa Fijinjana ho fanangonana ny Fiangonana [ny voahosotra]; nefa tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly milaza izany. (...) Malahelo ve isika satria hoe mbola mitohy ihany ilay asa Fijinjana? (...) Ny fihetsitsika ankehitriny, ry rahalahy malala, dia tokony ho fanehoana fankasitrahana lehibe an’Andriamanitra, ho fampitomboana fankasitrahana ilay Fahamarinana kanto izay nanomezany antsika tombontsoa ny hahita azy sy ny ho tafaray aminy, ary ho fampitomboana zotom-po mba hanampy hitondra izany Fahamarinana izany ho fantatry ny hafa.” Nozahan-toetra ny finoan’izy ireo, kanefa dia niatrika izany fizahan-toetra izany izy ary nanao izany tamim-pahombiazana. Tokony ho takatsika Kristiana anefa fa mety ho maro sy isan-karazany ny fizahan-toetra ny finoana.

18, 19. Tamin’ny fomba ahoana avy no nizahan-toetra ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra, fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell?

18 Ohatra, nisy karazana fizahan-toetra hafa iray nahazo ny sisa, taoriana kelin’ny nahafatesan’ny Rahalahy Charles T. Russell. Fizahan-toetra ny tsy fivadihan’izy ireo sy ny finoany izy io. Iza ilay “mpanompo mahatoky” ao amin’ny Matio 24:45? Nihevitra ny sasany fa ny Rahalahy Russell mihitsy izy io, ka nanda an-kitsirano tsy hiara-miasa tamin’ireo fandaharana vaovao teo anivon’ny fandaminana izy ireo. Raha izy ilay mpanompo, inona no tokony hataon’ireo rahalahy amin’izao izy maty izao? Tokony hanaraka olona vao notendrena ve izy ireo, sa kosa, izao no fotoana tokony hanekena fa tsy olona iray akory, fa antokona Kristiana iray manontolo, no nampiasain’i Jehovah ho fitaovana, na kilasin’ny mpanompo?

19 Nisy fizahan-toetra hafa koa nahazo ny Kristiana marina tamin’ny 1918, rehefa nampirisihin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ireo manam-pahefana teo amin’izao tontolo izao, ka ‘nisaina fampahoriana araka ny lalàna’ mba hamelezana ny fandaminan’i Jehovah. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy). Nirongatra ny fanenjehana nahery vaika iray nampiharina tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, na tany Amerika Avaratra izany na tany Eoropa. Nahatratra ny fara tampony ny fanoherana nentanin’ny klerjy, tamin’ny 7 May 1918. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy ny fanjakana amerikana no namoaka didy hisamborana an’i J. F. Rutherford sy ny maromaro tamin’ireo mpiara-miasa taminy, anisan’izany i A. H. Macmillan. Nampangaina ho mpambosy vahoaka hikomy tamin’ny fitondrana izy ireo, ary tsy noraharahain’ny manam-pahefana ny fanazavana nomen’izy ireo mahakasika ny tsy fananany tsiny.

20, 21. Araka ny nambara mialoha ao amin’ny Malakia 3:1-3, asa inona no natao teo anivon’ny voahosotra?

20 Na dia tsy takatra ho toy izany aza ilay izy tamin’izany, dia nisy asa fanadiovana tamin’izay, araka ny lazalazain’ny Malakia 3:1-3 toy izao: “Iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa [ny Iraky ny fanekena] dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.”

21 Rehefa hifarana ny Ady Lehibe Voalohany, dia niatrika fizahan-toetra hafa indray ny finoan’ny sasany tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly: Hitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny fomba hentitra ve izy ireo sa tsia, raha ny amin’ny raharaha miaramilan’izao tontolo izao? (Jaona 17:16; 18:36). Tsy nanao izany ny sasany. Tamin’ny 1918 àry, dia nirahin’i Jehovah ho ao amin’ny tempoliny ara-panahy i Kristy Jesosy, ilay “Iraky ny fanekena”, mba hanadio an’ilay antokon’olom-bitsy nisy ireo mpivavaka tamin’i Jehovah, mba hanafahana azy ireo tamin’ny kileman’izao tontolo izao. Ireo izay tapa-kevitra ny hampiseho tena finoana dia niana-javatra avy tamin’ilay zava-nitranga ary nandroso, ka nanohy nitory tamim-pahazotoana.

22. Inona no mbola tokony hodinihina, raha ny amin’ny fizahan-toetra ny finoana?

22 Tsy hoe zava-mahaliana ara-tantara mandalo fotsiny akory ny zavatra vao avy nodinihintsika teo. Mifandray mivantana amin’ny toe-piainana ara-panahy ankehitriny misy ny kongregasionan’i Jehovah maneran-tany, izany. Andeha anefa isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka, handinika ny sasany amin’ireo fizahan-toetra ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao, ka hijery ny fomba ahafahantsika miatrika amim-pahombiazana azy ireny.

Tsaroanao Ve?

◻ Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tokony hanampo fa hozahan-toetra ny finoany?

◻ Karazana ezaka nanao ahoana avy no efa natao mba hampielezana ny hafatr’Andriamanitra, talohan’ny 1914?

◻ Inona moa ny “Photo-Drame”, ary inona avy no vokatra nentin’izy io?

◻ Nahoana no fizahan-toetra ho an’ny voahosotra ireo fisehoan-javatra nitranga tao amin’ilay vanim-potoana teo anelanelan’ny 1914 sy ny 1918?

[Sary, pejy 12]

Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-20, ny olona tany amin’ny tany maro dia nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ilay fitambaram-boky hoe “L’Aurore du Millénium”, izay nantsoina hoe “Études des Écritures”, tatỳ aoriana

[Sary, pejy 13]

Taratasy avy tamin’i C. T. Russell, izay mirakitra ny teny fanokafana ho an’ny fandraisam-peo iray, izay nilazany hoe: “Ny ‘Photo-Drame de la création’ dia atolotry ny IBSA — Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Ny tanjona kendrena amin’izy itỳ dia mba hampianarana ny besinimaro eo amin’ny lafiny ara-pivavahana sy ara-tsiansa, ary ho fiarovana ny Baiboly”

[Sary, pejy 15]

Nanao dia lavitra i Demetrius Papageorge mba hampisehoana ny “Photo-Drame de la création”. Naiditra am-ponja izy tatỳ aoriana, noho izy Kristiana tsy nomba ny atsy na ny aroa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara