FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/8 p. 3-4
  • Tsy Azo Ihodivirana ve ny Tsy Rariny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Azo Ihodivirana ve ny Tsy Rariny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Endrika lozabe isehoan’ny tsy rariny
  • Mampanahy ve ny tsy rariny?
  • Mbola ho Foana ve ny Tsy Rariny Indray Andro Any?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ahoana no Hiatrehana ny Tsy Rariny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ahoana no Azonao Iatrehana ny Tsy Rariny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Hanao zavatra hanoherana ny tsy rariny ve Andriamanitra indray andro any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/8 p. 3-4

Tsy azo Ihodivirana ve ny Tsy Rariny?

“Mbola mino ihany aho fa tena manana fo tsara ny olona, na dia eo aza izany rehetra izany. Ny tsy azoko atao fotsiny, dia ny manorina ny fanantenako eo amin’ny fototra vita amin’ny fisafotofotoana sy fahantrana ary fahafatesana.” — Anne Frank.

I ANNE FRANK, tovovavy kely jiosy 15 taona no nanoratra ireo teny manohina ny fo ireo tao amin’ny diariny, taloha kelin’ny nahafatesany. Nandritra ny roa taona mahery ny fianakaviany dia nafenina, tsy nisy nahita, tao amin’ny efitra mifanolotra amin’ny tafo, tany Amsterdam. Rava ny fanantenany tontolo tsara kokoa, rehefa nanoro ny toerana nisy azy ireo tany amin’ny Nazia ny mpitsikilo iray. Ny taona nanaraka, tamin’ny 1945, dia matin’ny typhus tao amin’ny toby fitanan’i Bergen-Belsen, i Anne. Jiosy hafa maherin’ny enina tapitrisa no nitovy fiafara tamin’izany.

Mety ho ny teti-dratsin’i Hitler handringana firenena iray manontolo no ratsy indrindra tamin’ireo tsy rariny ara-pirazanana hita nandritra itỳ taonjato misy antsika itỳ, kanefa tsy io irery ihany no tsy rariny misy. Tamin’ny 1994, dia Tutsi maherin’ny antsasa-tapitrisa no naripaka tany Rwanda, noho izy ireo anisan’ilay foko “tsy izy” fotsiny. Ary nandritra ny ady lehibe voalohany, dia Armenianina tokony ho iray tapitrisa no maty tao amin’ny fanadiovana ara-pirazanana iray.

Endrika lozabe isehoan’ny tsy rariny

Tsy ny fandripahana foko iray akory no hany endrika isehoan’ny tsy rariny. Ny tsy rariny ara-tsosialy dia manery ny ampahadimin’ny taranak’olombelona hiaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny mandritra ny androm-piainany. Mbola ratsy kokoa aza ny fisian’ny olona maherin’ny 200 000 000 andevozina, araka ny fanombanan’ilay fikambanana hoe Anti-Slavery International (Mpanohitra ny Fanandevozana Maneran-tany) miaro ny zon’olombelona. Mety ho maro kokoa ny andevo eto amin’ny tontolo ankehitriny, noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantara. Mety tsy hamidy atao lavanty ampahibemaso izy ireny, kanefa izay manjo azy any amin’ny asany dia matetika ratsy lavitra noho ny an’ny ankamaroan’ireo andevo tamin’ny andro fahiny.

Manaisotra amin’ny olona an-tapitrisany maro ireo zo fototra ananany ny tsy rariny eo amin’ny lalàna. “Saiky isan’andro dia misy habibiana atao amin’ny zon’olombelona, any ho any eto an-tany”, hoy ny voalazan’ny Amnesty International, tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny 1996. “Ny mora voa indrindra dia ny mahantra sy ny tsy manana, indrindra fa ny zaza amam-behivavy sy ny zokiolona ary ny mpitsoa-ponenana.” Nanao izao fanamarihana izao ilay tatitra: “Any amin’ny tany sasany, dia saiky nirodana tanteraka ny rafi-panjakana, hany ka tsy misy intsony fahefana ara-dalàna mba hiaro ny osa amin’ny matanjaka.”

Nandritra ny taona 1996, dia olona an’aliny maro no notanana am-ponja sy nampijalijalina tany amin’ny tany maherin’ny zato. Ary tato anatin’ireo taona faramparany, dia olona ana hetsiny maro no tsy hita popòka fotsiny, toa hoe nalaina an-keriny, ka na ny mpitandro filaminana, na ireo antokon’olona mpampihorohoro no nanao izany. Maro amin’izy ireny no heverina fa efa maty.

Tsy maintsy misy tsy rariny amin’ny ady, mazava ho azy, kanefa vao mainka mihamitombo izany. Ny ady maoderina dia mikendry ny mponina sivily, anisan’izany ny zaza amam-behivavy. Ary izany dia tsy avy amin’ny fanjerana baomba amin’ireo tanàna tsy an-kanavaka fotsiny. Fanao mahazatra eo amin’ny fanafihan’ny miaramila ny fametavetana vehivavy lehibe sy ankizivavy, ary misy antokona mpikomy maro maka an-keriny ankizy mba hampiofanana azy ireo ho tonga mpamono olona. Raha nanazava ny amin’izany fironana izany ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fiantraikan’ny Fifandonana Itanam-piadiana eo Amin’ny Ankizy”, dia nilaza hoe: “Mihamaro kokoa hatrany ny olona manjary tsy manana fitsipi-pitondran-tena intsony eto an-tany.”

Tsy isalasalana fa io tsy fananana fitsipi-pitondran-tena intsony io no nahatonga izao tontolo izao ho vonton’ny tsy rariny — na eo amin’ny lafiny ara-pirazanana izany, na ara-tsosialy, na eo amin’ny lalàna, na ara-tafika. Tsy zava-baovao akory izany, mazava ho azy. Maherin’ny dimanjato sy roa arivo taona lasa izay, dia nitomany toy izao ny mpaminany hebreo iray: “Ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny; fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.” (Habakoka 1:4). Na dia efa niely patrana foana aza ny tsy rariny, dia ny taonjato faha-20 no tena vanim-potoana naha be dia be ny tsy rariny mbola tsy nisy toy izany.

Mampanahy ve ny tsy rariny?

Mampanahy izy io rehefa ny tenanao mihitsy no mijaly noho ny tsy rariny. Mampanahy izy io satria manaisotra amin’ny ankamaroan’ny taranak’olombelona ny zony ho sambatra. Ary mampanahy koa izy io, satria matetika ny tsy rariny no manetsika fifandonana misy ra mandriaka izay vao mainka mihazona ny afon’ny tsy rariny tsy ho faty.

Mifamatotra mafy tsy azo vahana amin’ny rariny ny fandriampahalemana sy ny fahasambarana, fa ny tsy rariny kosa dia mandrodana ny fanantenana ary manamontsana ny fahaiza-mijery lafy tsaran-javatra. Tamin’ny fomba nampalahelo no nahitan’i Anne Frank fa ny olona dia tsy afaka manorina ny fanantenany amin’ny fototra vita amin’ny fisafotofotoana sy fahantrana ary fahafatesana. Sahala aminy, dia samy maniry mafy zavatra tsara kokoa isika rehetra.

Io faniriana io no nitarika olona tso-po hanandrana hampisy rariny teo amin’ny fitambaran’olona. Ho fikendrena izany, dia milaza toy izao ny Fanambarana Eran-tany Momba ny Zon’olombelona, izay noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1948: “Ny olombelona rehetra dia teraka ho olona afaka sady mitovy fahamendrehana sy zo. Nomena fahaiza-misaina sy feon’ny fieritreretana izy ireo ka tokony hifampitondra amin’ny toe-tsaina mampiseho firahalahiana.”

Azo antoka fa teny mampiseho fahamboniana tokoa ireo teny ireo, saingy mbola tsy tanteraky ny olombelona velively izany tanjona mamin’ny fo izany — dia fitambaran’olo-marina ananan’ny rehetra zo mitovy sy itondran’ny rehetra ny mpiara-belona aminy toy ny rahalahiny. Ny fanatanterahana io zava-kendrena io, araka ny asehon’ny sasin-tenin’ilay Fanambarana nataon’ny ONU, dia ho “fototry ny fahafahana sy ny rariny ary ny fandriampahalemana eto an-tany”.

Efa tandra vadin-koditra eo amin’ny fitambaran’olona ve ny tsy rariny ka tsy ho fongotra na oviana na oviana? Sa hisy fomba hametrahana fototra mafy ho an’ny fahafahana sy ny rariny ary ny fandriampahalemana? Raha eny, dia iza no ho afaka hanangana izany sy hiantoka fa handray soa avy amin’izany ny rehetra?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

UPI/Corbis-Bettmann

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara