Ela ny Ela ka Hisy Ihany ny Rariny ho An’ny Rehetra
“Hiezaka izahay mba hihaino amin’ny fomba vaovao (...) ny feon’ireo niharan’ny tsy rariny, ny feon’ireo mitebiteby, ny feon’ireo tsy manantena hohenoina intsony. (...) Ny hany sisa hatao dia ny mampihatra izay voasoratra ao amin’ny lalàna: fanomezana antoka amin’izay, rehefa ela ny ela, fa toy ny ahaterahan’ny rehetra manana fahamendrehana mitovy eo anatrehan’Andriamanitra, no ahaterahan’ny rehetra manana fahamendrehana mitovy eo anatrehan’ny olombelona.” — Kabary fitokanana nataon’ny Prezidàn’i Etazonia, Richard Milhous Nixon, tamin’ny 20 Janoary 1969.
REHEFA mandray ny asany ireo mpanjaka sy prezidà ary praiminisitra, dia mirona hiresaka momba ny rariny izy ireo. Tsy maningana amin’izany i Richard Nixon, prezidàn’i Etazonia teo aloha. Rehefa tarafina amin’ny jiron’ny tantara anefa ireo teny tsara lahatra ireo, dia tsy hita akory izay fahamboniany. Na dia nampanantena ‘hampihatra ny lalàna’ aza i Nixon, dia meloka ho nandika lalàna izy tatỳ aoriana, ka voatery niala tamin’ny asany. Telopolo taona atỳ aoriana dia mbola miantsoantso mitaky fihainoana ihany ‘ny feon’ireo iharan’ny tsy rariny sy ireo mitebiteby ary ireo tsy manantena intsony’.
Tsy asa mora akory ny fihainoana izany feo izany sy ny fikarakarana ny fitarainan’izy ireo, araka ny hitan’ireo mpitondra tsara fikasa, tsy tambo isaina. Hita fa tanjona tsy mety tratra ilay hoe ‘rariny ho an’ny rehetra’. Na izany aza anefa, taonjato maro lasa izay, dia nomena ny fampanantenana iray mendrika hodinihintsika — dia fampanantenana tsy manam-paharoa momba ny rariny.
Tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny, dia nanome toky ny vahoakany Andriamanitra fa handefa any amin’izy ireo ‘mpanompo’ iray izay hofidin’ny tenany mihitsy. “Napetrako tao aminy ny Fanahiko”, hoy i Jehovah tamin’izy ireo. “Hamoaka [rariny ho an’ireo firenena, NW ] Izy.” (Isaia 42:1-3). Tsy misy mpitondra olombelona ho sahy hanao fanambarana mahafaoka be toy izany, dia fanambarana izay hidika fa hisy ny rariny maharitra ho an’ny firenena rehetra. Ho azo itokiana ve io fampanantenana io? Ho azo tanterahina ve ny asa mahatalanjona toy izany indray andro any?
Fampanantenana azontsika itokiana
Matoa azo itokiana ny fampanantenana iray, dia azo itokiana koa ilay nanome azy. Raha ny amin’itỳ fisehoan-javatra itỳ, dia tsy iza fa ilay Andriamanitra Tsitoha no nanambara fa hanorina ny rariny maneran-tany ny ‘mpanompony’. Tsy sahala amin’ireo mpanao politika i Jehovah, fa tsy mba manome fampanantenana ataotao befahatany. Manome toky antsika ny Baiboly fa ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. (Hebreo 6:18). “Izay notapahiko fa atao no hatao”, hoy ny fanambarana hentitra nataony. — Isaia 14:24, Today’s English Version.
Manamafy ny fatokiantsika an’izany fampanantenana izany koa ny tantaram-piainan’ilay ‘mpanompo’ nofidin’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy. Tsy maintsy tia ny rariny sy miaina mifanaraka amin’ny rariny izay olona hanorina ny rariny. Tsy nisy pentina ny tantaram-piainan’i Jesosy, noho izy lehilahy ‘tia ny fahamarinana fa nankahala ny heloka’. (Hebreo 1:9). Izay nolazainy sy ny fomba niainany, ary na dia ny fomba nahafatesany aza, dia samy nanaporofo avokoa fa tena lehilahy marina tokoa izy. Tamin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia voatosika hiteny toy izao ny manamboninahitra iray tao amin’ny tafika romana, izay toa vavolombelon’ny nitsarana an’i Jesosy sy ny namonoana azy ho faty: “Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.” — Lioka 23:47.
Ankoatra ny fiainan’i Jesosy araka ny fahamarinana, dia notoheriny koa ny tsy rariny izay niely patrana tokoa tamin’ny androny. Tsy nanao izany tamin’ny fanonganam-panjakana na tamin’ny revôlisiôna akory izy, fa tamin’ny fampianarana ny tena rariny tamin’ny olona rehetra nihaino. Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nataony, dia fanazavana tamim-pahakingana ny fomba tokony hampiharana ny tena rariny sy fahamarinana. — Matio, toko faha-5-7.
Nampihatra izay notoriny i Jesosy. Tsy nataony tsinontsinona ireo boka tsy nambinina izay “tsy fikasika” teo amin’ny fitambaran’olona jiosy. Niresaka tamin’izy ireny kosa izy, nikasika azy ireny ary nanasitrana azy ireny mihitsy aza. (Marka 1:40-42). Nisy vidiny taminy ny olona rehetra nihaona taminy, anisan’izany ny mahantra sy ireo voahosihosy. (Matio 9:36). “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”, hoy izy tamin’izy ireo. — Matio 11:28.
Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy navelan’i Jesosy hanimba azy, na hahasosotra azy, ny tsy rariny nanodidina azy. Tsy namaly ratsy ny ratsy mihitsy izy. (1 Petera 2:22, 23). Ary na dia rehefa nanaintaina mafy dia mafy aza izy, dia nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra ho an’ireo miaramila izay nanombo azy teo amin’ny hazo fijaliana. “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:34). Azo antoka fa ‘nitory ny rariny tamin’ny jentilisa’ i Jesosy. (Matio 12:18). Misy porofo lehibe kokoa ve ananantsika momba ny fanirian’Andriamanitra hanorina tontolo iray hanjakan’ny rariny ankoatra ilay ohatra velona nomen’ny Zanany?
Azo resena ny tsy rariny
Eto amin’itỳ tontolo ankehitriny itỳ, dia misy koa porofo velona mampiseho fa azo resena ny tsy rariny. Ny Vavolombelon’i Jehovah isam-batan’olona, ary koa amin’ny maha fandaminana azy, dia miezaka mafy mba handresy ny fitsarana an-tendrony, ny fizahan-tavan’olona, ny fanavakavaham-bolon-koditra, sy ny herisetra. Hevero itỳ ohatra manaraka itỳ.
Nihevitra i Pedroa fa ny fanonganam-panjakana no hany fomba hitondrana ny rariny tao amin’ny Firenena Basque, ilay faritra nisy azy tany Espaina. Mba hanaovana izany dia tonga mpikambana tao amin’ny fikambanana mpampihorohoro izay nanome azy fiofanana paramilitaire tany Frantsa, izy. Raha vao vita ny fiofanany, dia nodidiana izy mba hanangana andiana mpampihorohoro ka hanapoaka trano fitobian’ny polisy. Efa teo am-panomanana ireo vanja hapoaka ilay ekipany, rehefa nisambotra azy ny polisy. Nandany 18 volana tany am-ponja izy, kanefa na dia tao ambadik’ireo bara vy aza izy, dia nanohy ireo fihetsiketsehany ara-politika, ka nandray anjara tamin’ny fitokonana tsy hihinan-kanina, ary indray mandeha dia ninia nandidy ny hatotanany.
Nihevitra i Pedro fa niady ho an’ny rariny ny tenany. Tamin’izay dia nanjary nahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany izy. Raha mbola tany am-ponja i Pedro, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, ary rehefa tafavoaka izy, dia nanasa azy ny vadiny mba hanatrika ny iray tamin’ny fivorian’izy ireo. Nankafiziny tokoa ilay fotoana ka nangataka mba hampianarina ny Baiboly izy, dia fianarana izay nahatonga azy hanao fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiheviny sy teo amin’ny fomba fiainany. Farany, tamin’ny 1989, dia natao batisa i Pedro sy ny vadiny.
“Misaotra an’i Jehovah aho fa tsy tena nahafaty olona na iza na iza mihitsy nandritra ireo taona naha mpampihorohoro ahy”, hoy i Pedro. “Ankehitriny aho dia mampiasa ny Baiboly izay sabatry ny fanahin’Andriamanitra, mba hanomezana hafatra momba ny tena fiadanana sy ny tena rariny — ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Tsy ela izay, dia nitsidika ilay trano fitobiana izay nokasainy hopotehina, i Pedro, izay manompo amin’ny maha loholon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ izy dia nandeha tany mba hitory hafatra momba ny fiadanana tamin’ireo fianakaviana izay nipetraka tao.
Manao izany fiovana izany ny Vavolombelon’i Jehovah satria maniry mafy tontolo marina iray izy ireo. (2 Petera 3:13). Na dia matoky tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra hanatanteraka izany aza izy ireo, dia takany fa adidiny koa ny miaina mifanaraka amin’ny rariny. Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa antenain’Andriamanitra ny hanaovantsika ny anjarantsika.
Mamafy voa araka ny fahamarinana
Marina fa rehefa mifanehatra amin’ny tsy rariny isika, dia mety hirona hiantsoantso hoe: “Aiza ilay Andriamanitry ny rariny?” Nihiaka toy izany ireo Jiosy tamin’ny andron’i Malakia. (Malakia 2:17, NW ). Noraisin’Andriamanitra ho zava-dehibe ve ny fitarainan’izy ireo? Mifanohitra amin’izany, fa ‘nanasatra’ azy ilay izy, satria ny tenan’izy ireo mihitsy aza dia namitaka ny vadiny efa antitra, ka antony faran’izay tsy nisy dikany dia nisarahan’izy ireo taminy; ary manginy fotsiny izany. Nilaza ny fanahiany i Jehovah mahakasika ‘ny vadin’ny fahatanoran’izy ireo, izay nofitahiny na dia namany sady vady efa vita fanekena taminy aza’. — Malakia 2:14.
Afaka mitaraina ara-dalàna ny amin’ny tsy rariny ve isika raha ny tenantsika aza manao zavatra tsy ara-drariny? Etsy an-danin’izany anefa, raha miezaka manahaka an’i Jesosy isika ka manongotra ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavaham-bolon-koditra tsy ho ao am-pontsika, ary tsy mizaha tavan’olona sy tia ny rehetra ary tsy mamaly ratsy ny ratsy, dia asehontsika fa tia marina tokoa ny rariny isika.
Raha te hijinja rariny isika, dia ampirisihin’ny Baiboly mba ‘hamafy voa araka ny fahamarinana’. (Hosea 10:12). Na dia mety ho toa kely aza ny fandresen’ny tena manokana ny tsy rariny, dia tsy mampaninona izany, satria efa zava-dehibe ny tsirairay amin’izany. Araka ny nosoratan’i Martin Luther King, zanany, tao amin’ilay Taratasiny avy tao Amin’ny Fonjan’i Birmingham, “na aiza na aiza misy tsy rariny, izany dia mandrahona ny rariny hatraiza hatraiza”. Ireo izay ‘mitady ny fahamarinana’ no olona fantenan’Andriamanitra mba handova ilay tontolony vaovao sy marina ho avy tsy ho ela. — Zefania 2:3.
Tsy afaka manorina ny fanantenantsika ny rariny eo ambonin’ny fampanantenan’olombelona izay fototra mangozohozo isika, fa afaka matoky kosa ny tenin’ilay Mpamorona antsika be fitiavana. Izany no nilazan’i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy mba hanohy hivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:9, 10). ‘Hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy, ka hiantra ny reraka sy ny malahelo ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo’, i Jesosy, ilay Mpanjaka voatendry ho amin’izany Fanjakana izany. — Salamo 72:12, 13.
Mazava àry, fa tsy haharitra ny tsy rariny. Handresy mandrakizay ny tsy rariny ny fanapahan’i Kristy hanerana ny tany manontolo, araka ny anomezan’Andriamanitra toky antsika toy izao, amin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny: “Indro avy ny andro hanatanterahako ny fampanantenana nomeko (...) Amin’izay fotoana izay dia hifidy olo-marina taranak’i Davida ho mpanjaka aho. Io mpanjaka io dia hanao ny marina sy ny rariny manerana ny tany.” — Jeremia 33:14, 15, TEV.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Solon’anarana.