Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra ny Fiainanao
TAO an-trano ilay ray, teo am-pandriana, ary efa teo ambavahoana noho ny kansera. Ny zanany lahy kosa tao amin’ny trano fiasana, nandamina ny fitaovam-pandrafetan-drainy. Teo am-pikarakarana ireo fitaovana izy dia nieritreritra ny amin’ireo zavatra mahatalanjona namboarin-drainy tamin’ireo fitaovana ireo. Na dia nifanila tamin’ilay trano aza ilay trano fiasana, dia fantany fa tsy hiditra ao intsony mihitsy ny rainy, ary tsy handray intsony ireo fitaovana izay nampiasainy tamim-pahakingana erỳ. Efa lasa izany fe-potoana izany.
Noeritreretin’ilay zanakalahy ilay andinin-teny ao amin’ny Mpitoriteny 9:10 manao hoe: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] izay alehanao.” Fantany tsara io andinin-teny io. Efa nampiasa azy io imbetsaka izy rehefa nampianatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly hoe ny fahafatesana dia tsy fahafahana manao na inona na inona. Nanohina ny fony anefa izao ny herin’ny fanaporofoan-kevitr’i Solomona manao hoe: Tokony hanana fiainana feno sy hankafy ny androntsika isika dieny mbola afaka manao izany, satria ho avy ny fotoana izay tsy hahafahantsika hanao izany intsony.
Ankafizo ny fiainana
Manerana ny bokin’ny Mpitoriteny, i Solomona Mpanjaka hendry dia mampirisika ny mpamaky azy hahita fifaliana eo amin’ny fiainana. Milaza toy izao, ohatra, ny toko faha-3: “Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.” — Mpitoriteny 3:12, 13.
Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra i Solomona mba hamerina izao hevitra izao: “Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny fisasarana rehetra izay isasaran’ny olona atỳ ambanin’ny masoandro amin’izay andro vitsy iainany omen’Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.” — Mpitoriteny 5:17.
Mampirisika ny tanora toy izao koa izy: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao”. (Mpitoriteny 11:9a). Tsara erỳ izany hoe mifaly amin’ny fomba feno amin’ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana izany! — Ohabolana 20:29.
“Tsarovy ny Mpanao anao”
Mazava ho azy, fa tsy te hilaza akory i Solomona fa fahendrena ny mikatsaka ny zavatra rehetra izay mety hanintona ny fontsika na ny masontsika. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 2:16.) Manazava izany izay nosoratany manaraka hoe: “Nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany [fikatsahan-javatra izay mety hanome fahafaham-po ny fanirianao].” (Mpitoriteny 11:9b). Na firy taona isika na firy taona, dia tokony hitadidy fa mandinika izay ampiasantsika ny fiainantsika Andriamanitra, ary hitsara antsika mifanaraka amin’izany.
Tena hadalana mihitsy ny hanjohiana hevitra fa afaka manana fiainana mifantoka amin’ny tenantsika isika, ary hampihemotra ny fifikirana amin’Andriamanitra ho any aoriana kokoa! Mety hifarana tampoka amin’ny fotoana rehetra ny fiainantsika. Ary na dia tsy izany aza no izy, dia tsy hoe manjary mora kokoa akory ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fahanterana. Noho ny fahatakarany io zava-misy io no nanoratan’i Solomona toy izao: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy [mahita fahafinaretana amin’izany aho, NW ]”. — Mpitoriteny 12:1.
Mitondra voka-dratsy ny fandrosoan’ny taona. Amin’ny teny ara-panoharana no nilazalazan’i Solomona, manaraka izany, ny vokatry ny fahanterana. Mangovitra ny tanana sy ny sandry, mangozohozo ny tongotra, ary manjary vitsy ny nify. Manjary fotsy ny volo sady mihintsana. Manao torimason’akoho ny tena, hany ka manaitra na dia ny feom-borona aza. Tsy miasa tsara intsony ireo vavahadin-tsaina rehetra — ny fahitana, ny fandrenesana, ny fikasihana, ny fanamboloana, ary ny fandrenesana tsiron-javatra. Miteraka tahotra ny hianjera, ny vatana osa, ary mampipoitra “zava-mahatahotra” hafa eny an-dalambe. Amin’ny farany dia maty ilay olona. — Mpitoriteny 12:2-7.
Mampahory indrindra ny fahanterana ho an’ireo izay tsy ‘nahatsiaro ny Mpanao azy’ nandritra ny fahatanorany. Noho ny nandanilaniany foana ny fiainany, ny olona toy izany dia ‘tsy mahita fahafinaretana’ atỳ aoriana. Mety hanampy trotraka ny zava-manahirana sy ny fanaintainana noho ny fahanterana koa ny fomba fiaina tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra. (Ohabolana 5:3-11). Mampalahelo fa rehefa mijery ny hoavy ny olona toy izany dia tsy mahita afa-tsy ny fasana izy eo anoloany.
Nifaly teo amin’ny fahanterana
Tsy midika akory izany fa tsy afaka mankafy ny fiainana ireo zokiolona. Ao amin’ny Baiboly, ny “andro maro sy taona ela iainana” dia ampifandraisina koa amin’ny fitahian’Andriamanitra. (Ohabolana 3:1, 2). Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama sakaizany: “Nefa hianao kosa (...) ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry.” (Genesisy 15:15). Na dia teo aza ny fahasorisorena noho ny fahanterana, dia nahita fiadanana sy fahatoniana i Abrahama teo amin’ireo taona faramparany niainany, rehefa nanao jery todika tamim-pahafaham-po ny fiainany feno fandavan-tena ho an’i Jehovah. Niandrandra tamim-pinoana ilay “tanàna misy fanorenana”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra, koa izy. (Hebreo 11:10). Araka izany, dia maty izy rehefa “lahy antitra afa-pon’ny miaina”. — Genesisy 25:8, fanamarihana ambany pejy.
Koa nampirisika toy izao i Solomona: “Na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ny androny rehetra izy”. (Mpitoriteny 11:8). Na tanora isika na antitra, ny tena fifaliana dia mifandray amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Rehefa nampirina ireo fitaovan-drainy farany ilay tovolahy tao amin’ilay trano fiasana, dia nieritreritra ny amin’izany zavatra izany. Noeritreretiny ny amin’ny olona rehetra fantany izay niezaka nampiasa ny fiainany tamin’ny fomba tsara indrindra, nefa tsy nahita fahasambarana, noho izy ireo tsy nanana fifandraisana tamin’ny Mpamorona azy. Toa tena nety mihitsy ny namintinan’i Solomona an’izany tamin’izao teny izao, rehefa avy nampirisika ny hifaliana mandritra ny fiainan’ny tena izy: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra”! — Mpitoriteny 12:13.