Azonao Itokiana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
REHEFA mandeha tsara ny zava-drehetra, dia fitaovana mendri-pitokisana ny tondroavaratra (boussole). Manondro ny avaratra amin’ny fomba tsy miovaova ny fanjaitrany, noho izy io atodiky ny sahan’andriambin’ny tany. Amin’izany no ahafahan’ireo mpanao dia lavitra miantehitra amin’ny tondroavaratra mba hahitana ny lalan-kaleha rehefa tsy misy fanamarihan-toerana hitari-dalana azy ireo. Inona anefa no mitranga rehefa asiana andriamby eo akaikin’ilay tondroavaratra? Mihodina mankamin’ilay andriamby ilay fanjaitra fa tsy manondro ny avaratra. Tsy mpitari-dalana azo ianteherana intsony ilay izy.
Misy zavatra mitovy amin’izany mety hitranga amin’ny feon’ny fieritreretan’olombelona. Napetraky ny Mpamorona tao amintsika io fahaizana io mba ho mpitari-dalana azo ianteherana. Koa satria isika natao tahaka ny endrik’Andriamanitra, ny feon’ny fieritreretana dia tokony hampitodika antsika amin’ny fomba tsy miovaova any amin’ny lalana tsara, rehefa mila manao fanapahan-kevitra isika. Tokony hanosika antsika hampiseho taratry ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena izy io. (Genesisy 1:27). Matetika no manao izany izy. Nanoratra, ohatra, i Paoly, apostoly kristianina, fa na dia ireo tsy manana ny lalàn’Andriamanitra voambara aza dia “manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony”. Nahoana? Satria “ny fieritreretany no vavolombelony”. — Romana 2:14, 15.
Na izany aza anefa, ny feon’ny fieritreretana dia tsy manaitra foana amin’ny fotoana tokony hanaovany izany. Noho ny tsy fahalavorarian’olombelona, dia mirona hanao izay zavatra fantatsika fa ratsy isika. “Mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty”, hoy ny fieken’i Paoly, “nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” (Romana 7:22, 23). Raha manaiky ho resin’ny fironan-dratsy matetika isika, dia mety hanjary donto tsikelikely ny feon’ny fieritreretantsika, ary amin’ny farany dia hitsahatra tsy hilaza amintsika intsony izy io hoe tsy mety anie ny fitondran-tena toy izany.
Na dia eo aza anefa ny tsy fahalavorariana, dia afaka mampifanaraka ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra isika. Tena zava-dehibe tokoa ny hanaovantsika izany. Tsy vitan’ny hoe mahatonga fifandraisana mafana sy manokana amin’Andriamanitra fotsiny ny feon’ny fieritreretana madio sy tsara ofana, fa tena ilaina koa ho amin’ny famonjena antsika. (Hebreo 10:22; 1 Petera 1:15, 16). Ankoatra izany, ny feon’ny fieritreretana tsara dia hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra feno fahendrena eo amin’ny fiainana, izay hitondra fiadanana sy fahasambarana ho antsika. Hoy ny mpanao salamo momba ny olona manana feon’ny fieritreretana toy izany: “Ny lalàn’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.” — Salamo 37:31.
Fampiofanana ny feon’ny fieritreretana
Ny hoe mampiofana ny feon’ny fieritreretana dia tsy vitan’ny hoe mitadidy fotsiny lisitra iray misy lalàna sy manaraka izany amin’ny fomba hentitra avy eo. Izany no nataon’ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy. Nahafantatra ny Lalàna ireny mpitarika ara-pivavahana ireny, ary nanao lovantsofina be tsipiriany, izay nolazaina fa tokony ho nanampy ny olona tsy handika ny Lalàna. Noho izany, dia mailaka erỳ izy ireo nanohitra rehefa nioty salohim-bary tamin’ny Sabata sy nihinana voam-bary, ireo mpianatr’i Jesosy. Nila ady tamin’i Jesosy koa izy ireo, fony izy nanasitrana lehilahy iray maty tanana tamin’ny Sabata. (Matio 12:1, 2, 9, 10). Araka ny lovantsofin’ny Fariseo, dia samy fandikana ny didy fahefatra avokoa ireo zavatra roa ireo. — Eksodosy 20:8-11.
Mazava fa nianatra ny Lalàna ny Fariseo. Nifanaraka tamin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra ve anefa ny feon’ny fieritreretan’izy ireo? Tsy izany velively! Avy hatrany dia niara-nikaon-doha hamely an’i Jesosy “hahafaty Azy” ny Fariseo, taorian’ilay filam-baniny nataony momba izay noheveriny fa fandikana nanafintohina ny fitsipika momba ny Sabata. (Matio 12:14). Alao sary an-tsaina ange e — nitroatra ireto mpitarika ara-pivavahana nanamarin-tena ireto raha vao nieritreritra fotsiny ny amin’ny fihinanana voam-bary vao notazana sy ny fanasitranana tamin’ny Sabata; kanefa dia tsy nampihontsina azy ireo akory ny fanaovana teti-dratsy hamonoana an’i Jesosy!
Naneho fisainana nibirioka toy izany koa ireo lohan’ny mpisorona. Tsy nahatsiaro tena ho meloka na dia kely akory aza ireo lehilahy ratsy fanahy ireo, fony nanolotra sekely volafotsy 30 ho an’i Jodasy avy tao amin’ny rakitry ny tempoly, mba hamadihana an’i Jesosy. Rehefa tsy nampoizin’izy ireo anefa fa naverin’i Jodasy ilay vola ka natsipiny tao amin’ny tempoly indray, dia sahirana ny feon’ny fieritreretan’ireo lohan’ny mpisorona niatrika olana momba ny lalàna. “Tsy mety”, hoy izy ireo “raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly io [vola io], fa vidin-dra.” (Matio 27:3-6). Miharihary fa nanahy ireo lohan’ny mpisorona fa tsy nadio izao ilay volan’i Jodasy. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 23:18.) Kanefa dia tsy hitan’io antokon’olona io izay naharatsy ny fanaovana sisi-bola mba hamadihana ny Zanak’Andriamanitra!
Mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra
Asehon’ireo ohatra etsy ambony fa ny fampiofanana ny feon’ny fieritreretana dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny famenoana ny saina amin’ny lisitr’ireo zavatra tokony sy tsy tokony hatao. Ekena aloha fa tena zava-dehibe ny fahalalana ny lalàn’Andriamanitra ary tena ilaina amin’ny famonjena ny fankatoavana azy ireny. (Salamo 19:7-11). Ankoatra ny fianarana ny lalàn’Andriamanitra anefa, dia tsy maintsy manao izay hananana fo mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra isika. Amin’izay dia hihatra amintsika ilay faminanian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia manao hoe: “Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” — Isaia 30:20, 21; 48:17.
Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe hisy feo ara-bakiteny hilaza amintsika izay tokony hatao rehefa manao fanapahan-kevitra lehibe isika. Na dia izany aza, rehefa mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra ny fisainantsika, dia ho ampy fitaovana ny feon’ny fieritreretantsika mba hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra izay hampifaly azy. — Ohabolana 27:11.
Hevero i Josefa izay niaina nandritra ny taonjato faha-18 al.f.i. Rehefa nasain’ny vadin’i Potifara hiara-mijangajanga taminy izy, dia tsy nety ka nilaza hoe: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9). Tamin’ny andron’i Josefa, dia tsy nisy lalàna voasoratra avy tamin’Andriamanitra izay nanameloka ny fijangajangana. Ankoatra izany, dia nipetraka tany Egypta i Josefa, lavitra ny fifehezam-pianakaviana na ireo fitsipiky ny patriarika. Inona àry no nahatonga an’i Josefa hahatohitra fakam-panahy? Raha tsorina, dia noho ny feon’ny fieritreretany voaofana. Neken’i Josefa ilay fiheveran’Andriamanitra hoe tokony ho “nofo iray ihany” ny lehilahy sy ny vadiny. (Genesisy 2:24). Noho izany, dia takany fa tsy hety ny hakana ny vadin’olon-kafa. Nifanaraka tamin’ny fisainan’Andriamanitra ny fisainan’i Josefa mahakasika ilay raharaha. Nandika ny fieritreretany ny fijangajangana.
Vitsy ny olona toa an’i Josefa amin’izao andro izao. Miely patrana ny fahalotoam-pitondran-tena, ary maro no tsy mahatsapa fa manana andraikitra hitoetra ho madio ara-pitondran-tena izy eo anatrehan’ny Mpamorona azy, eo anatrehan’ny tenany, na eo anatrehan’ny vadiny mihitsy aza. Be itoviana amin’ilay voalazalaza ao amin’ny bokin’i Jeremia ny toe-javatra: “Tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin’ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady.” (Jeremia 8:6). Araka izany, dia ilaintsika mbola tsy misy toy izany ny hifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra. Misy fandaharana mahatalanjona nomena antsika, izay manampy antsika hanao izany.
Fanampiana mba hampiofanana ny feon’ny fieritreretana
Ny Soratra ara-tsindrimandry dia “mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tanteraka ho amin’ny asa tsara rehetra”. (2 Timoty 3:16, 17, NW ). Ny fianarana ny Baiboly dia hanampy antsika hampiofana ilay antsoin’ny Baiboly hoe “saina”, mba hanavahana ny tsara sy ny ratsy. (Hebreo 5:14). Izany dia hahatonga antsika ho tia ireo zavatra tian’Andriamanitra sy hahatsapa rikoriko amin’ireo zavatra izay ankahalainy. — Salamo 97:10; 139:21.
Ny zava-kendren’ny fianarana ny Baiboly àry, dia mba hahatakarana ny votoatin’ny fahamarinana sy ny mahazava-dehibe azy io, fa tsy ny fahalalana ny Baiboly amin’ny tsipiriany fotsiny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny nomeraony tamin’ny 1 Aprily 1977: ‘Rehefa mianatra ny Soratra masina isika, dia tokony hiezaka hamantatra ny hevitry ny rariny sy ny fitiavana ary ny fahitsiana ananan’i Jehovah ka handentika lalina ireo toetra ireo ao am-pontsika mba hahatonga izany ho isan’ny tenantsika, toy ny filana hihinana sy hifoka rivotra. Tokony hiezaka koa isika mba ho mora hahatsapa kokoa ny andraikitra ara-pitondran-tena ananantsika amin’ny fanaovana izay hahazoana fahaiza-manavaka tena mazava ny amin’ny tsara sy ny ratsy. Ambonin’izany, dia tokony hataontsika izay hahatsapan’ny feon’ny fieritreretantsika mafy kokoa ny andraikiny eo anatrehan’ilay Mpanao lalàna sady Mpitsara tanteraka (Isaia 33:22). Sady miana-javatra momba an’Andriamanitra isika no tokony hiezaka hanahaka azy koa eo amin’ny lafim-piainantsika rehetra.’
Fananana ny “sain’i Kristy”
Hanampy antsika koa ny fianarana ny Baiboly mba hanana “ny sain’i Kristy”, dia ilay fahavononan’i Jesosy ara-tsaina ny hankato sy hanetry tena. (1 Korintiana 2:16). Ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy dia fifaliana, fa tsy fanao mahazatra fotsiny izay tokony handeha ho azy, tsy ombam-pisainana. Voalazalaza ara-paminaniana ny fihetsika nananany, araka ny nosoratan’i Davida mpanao salamo toy izao: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.”a — Salamo 40:8.
Tena zava-dehibe eo amin’ny fampiofanana ny feon’ny fieritreretana, ny fananana “ny sain’i Kristy”. Fony izy lehilahy lavorary teto an-tany, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba feno araka izay farany mety ho vitan’olombelona ny toetran-dRainy sy ny mahaizy Azy. Noho izany, dia afaka nilaza izy hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. (Jaona 14:9). Tamin’ny toe-javatra rehetra natrehiny teto an-tany, dia araka izay nanirian-dRainy azy indrindra no nataon’i Jesosy. Noho izany, rehefa mianatra momba ny fiainan’i Jesosy isika, dia mihamazava amintsika tsara hoe manao ahoana moa i Jehovah Andriamanitra.
Vakintsika fa “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”, i Jehovah. (Eksodosy 34:6). Imbetsaka i Jesosy no naneho ireo toetra ireo teo amin’ny fifandraisany tamin’ny apostoliny. Rehefa nifanditra imbetsaka ny amin’izay lehibe kokoa izy ireo, dia naneho faharetana i Jesosy nampianatra azy tamin’ny teny sy ny ohatra, fa “izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo”. (Matio 20:26, 27). Ohatra iray monja izany mba hampisehoana fa afaka mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra isika amin’ny fandinihana ny fiainan’i Jesosy.
Arakaraka ny habetsahan’izay ianarantsika momba an’i Jesosy no hahatonga antsika ho ampy fitaovana kokoa mba hanahafana an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. (Efesiana 5:1, 2). Hitarika antsika amin’ny lalana mety ny fananana feon’ny fieritreretana izay mifanaraka amin’ny fisainan’Andriamanitra. Nampanantena toy izao an’ireo mitoky aminy i Jehovah: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” — Salamo 32:8.
Fandraisan-tsoa avy amin’ny feon’ny fieritreretana voaofana
Noho ny fahafantarany fa naniasia ny olombelona tsy lavorary, dia nampitandrina ny Isiraelita toy izao i Mosesy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” (Deoteronomia 32:46). Tsy maintsy manoratra ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fontsika koa isika. Raha manao izany isika, dia azo inoana kokoa fa hitarika ny diantsika sy hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra tsara ny feon’ny fieritreretantsika.
Mazava ho azy fa tsy maintsy mitandrina isika. Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 14:12). Nahoana no matetika izany no mitranga? Araka ny ilazan’ny Baiboly azy, dia satria: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Noho izany, dia ilaintsika rehetra harahina ilay fananarana ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6 manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nampihatra ireo teny ao amin’ny Salamo faha-40 tamin’i Jesosy Kristy, ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. — Hebreo 10:5-10.
[Sary, pejy 7]
Toy ny tondroavaratra, dia afaka mampitodika antsika any amin’ny lalana tsara ny feon’ny fieritreretana voaofan’ny Baiboly
[Sary nahazoan-dalana]
Tondroavaratra: Courtesy, Peabody Essex Museum, Salem, Mass.