FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/9 p. 3-4
  • Fantatrao Tsara ve ny Fotoana Iainantsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Tsara ve ny Fotoana Iainantsika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Namonjy aina ny fanaovan-javatra nety
  • Fandosirana ny loza amin’antambo nentin’olombelona
  • Voavonjy Izy Ireo Satria Nankatò
    Miambena Hatrany!
  • Izao Indrindra no Fotoana Tokony Hifohazana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Miaina eo Am-pototry ny Volkano
    Mifohaza!—2007
  • Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/9 p. 3-4

Fantatrao Tsara ve ny Fotoana Iainantsika?

METY hidika ho fiainana na fahafatesana ny fahafantarana ny fisian’ny loza. Azo hazavaina amin’ny ohatra ny amin’izay nitranga tao amin’ny nosy volkanika roa izany.

Nipoaka ny Tendrombohitra Pelée, ilay volkano nahafaty olona betsaka indrindra tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ, tamin’ny 8 May 1902, tany Martinika, nosin’i Antilles. Saika matiny avokoa ireo mponina 30 000 tao Saint-Pierre, tanàna eo am-pototr’ilay volkano.

Tamin’ny Jona 1991, dia nipoaka ny Tendrombohitra Pinatubo. Izany no azo inoana fa ny fipoahana lehibe indrindra tamin’itỳ taonjato itỳ. Tao amin’ny faritra iray faran’izay be mponina tany Philippines no nitrangan’izany, ary nahafaty olona 900 teo ho eo. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ anefa, dia nisy anton-javatra roa nahatonga aina an’arivony maro ho voavonjy: 1) fahafantarana ny fisian’ny loza ary 2) fahavononana hanao zavatra nifanaraka tamin’ireo fampitandremana.

Namonjy aina ny fanaovan-javatra nety

Efa natory an-jatony taona maro ny Tendrombohitra Pinatubo, fony izy nanomboka nampiseho famantarana fipoahana nananontanona, tamin’ny Aprily 1991. Nanomboka nivoaka teny an-tampony ny etona sy ny roanôksida-na solifara. Nahatsapa fihovotrovotry ny tany nitohitohy ny olona teo an-toerana, ary nanomboka nipoitra teo amin’ilay tendrombohitra ny vatom-bolkano toy ny tafo boribory nanambara loza. Nanara-maso akaiky ireo mpahay siansa avy tao amin’ny Philippine Institute of Volcanology and Seismology, ka nampiaiky an’ireo manam-pahefana, tamin’ny fotoana nety, fa fahendrena ny hamindrana toerana ireo mponina 35 000 teny amin’ny tanàna sy ny vohitra teo akaiky.

Tsy vonona ny handao tsy amin’antony ny tranony ny olona, ary mora takatra izany. Resy anefa ny fisalasalana rehefa nisy fampisehoana vidéo iray, izay nampiharihary tamin’ny fomba mazava tsara ny loza ateraky ny fipoahana volkano. Ara-potoana indrindra no nanaovana ilay fifindrana rodobe. Roa andro tatỳ aoriana, dia nanipy lavenona valo kilaometatra toratelo teny amin’ny habakabaka ny fipoahana nahery vaika iray. Namono olona an-jatony maro ny rihi-potaka nitsonika, na lahars, tatỳ aoriana. Ain’olona an’arivony maro anefa no voatsimbina, azo inoana fa noho izy ireo efa nampitandremana ny amin’ilay loza, ka nanao zavatra nifanaraka tamin’ireo fampitandremana.

Fandosirana ny loza amin’antambo nentin’olombelona

Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia tsy maintsy nanapa-kevitra na tokony handao na tsia ny tranony koa ireo Kristianina nonina tao Jerosalema. Ny fandosirana an’io tanàna io, tamin’ny 66 am.f.i., no namonjy azy ireo tamin’ilay fandringanana namely ny mponina hafa sy ny Jiosy an’arivony maro tonga tao Jerosalema mba hamonjy ny Paska tamin’ny 70 am.f.i. Olona maherin’ny iray tapitrisa no tao amin’io tanàna nimanda io mba hitandrina ilay Paska, tamin’ny fotoana tsy nanomezan’ny tafika rômanina fahafahana handositra intsony. Niteraka fahafatesan’olona maherin’ny iray tapitrisa ny mosary sy ny ady mba hahazoana fahefana ary ny fanafihana tsy nisy indrafo nataon’ny Rômanina.

Tsy hoe nanampoka akory ilay loza amin’antambo izay nampandamòka ny fikomian’ny Jiosy tamin’i Roma. Am-polony taona maromaro talohan’izay, dia efa nanambara i Jesosy Kristy fa hatao fahirano i Jerosalema. Hoy izy: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:20, 21). Nazava izany toromarika izany, ary noraisin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ho zava-dehibe.

Nanao tatitra i Eusèbe avy any Kaisaria, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahefatra, fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fampitandreman’i Jesosy ny Kristianina tany Jodia manontolo. Rehefa niala tamin’ny fanaovana fahirano voalohany an’i Jerosalema ny Rômanina tamin’ny 66 am.f.i., dia Kristianina jiosy maro no lasa nipetraka tany Pela, tanàna jentilisa tany amin’ny provansy rômanin’i Pere. Noho izy ireny nahafantatra tsara ny fotoana nisy azy, ka nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fampitandreman’i Jesosy, no nahafahany nandositra izay voalazalaza ho “iray tamin’ireo fahirano mafy indrindra teo amin’ny tantara rehetra”.

Amin’izao andro izao, dia ilaina ny ho mailo toy izany. Ilaina koa ny fanaovan-javatra voafaritra tsara. Hanazava ny antony ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Godo-Foto, West Stock

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara