Jerosalema — ‘Ambony Indrindra Amin’ny Fifalianao Rehetra’ ve Izy Io?
“Aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko, raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra.” — SALAMO 137:6.
1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy maro tany an-tsesitany mahakasika ilay tanàna voafidin’Andriamanitra?
EFA ho 70 taona izay no lasa hatramin’ny nahatafaverina tao Jerosalema an’ireo Jiosy voalohany avy tany amin’ny sesitany, tamin’ny 537 al.f.i. Efa voaorina ny tempolin’Andriamanitra, fa mbola rava ilay tanàna. Tetsy an-danin’izany, dia nisy taranaka vaovao nihalehibe tany an-tsesitany. Tsy isalasalana fa maro tamin’izy ireo no nitovy fihetseham-po tamin’ilay mpanao salamo izay nihira hoe: “Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, aoka kosa ny tànako ankavanana mba hanadino.” (Salamo 137:5). Tsy vitan’ny nahatsiaro an’i Jerosalema fotsiny ny sasany; nasehon’izy ireo tamin’ny asany fa izy io no “ambony indrindra tamin’ny fifalia[ny] rehetra”. — Salamo 137:6.
2. Iza moa i Ezra, ary ahoana no nitahiana azy?
2 Hevero, ohatra, i Ezra mpisorona. Na dia talohan’ny niverenany tany an-tanindrazany aza, dia efa niasa tamin-jotom-po ho tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana madio tany Jerosalema izy. (Ezra 7:6, 10). Nahazo fitahiana tondraka i Ezra noho ny nanaovany izany. Natosik’i Jehovah Andriamanitra ny fon’ilay mpanjaka persanina mba hanome an’i Ezra tombontsoa hitarika andiany faharoa tamin’ireo natao sesitany izay niverina tany Jerosalema. Ankoatra izany, dia nisy volamena sy volafotsy betsaka nataon’ny mpanjaka fanomezana mba “hahatsara tarehy ny tranon’i Jehovah”. — Ezra 7:21-27.
3. Ahoana no nanaporofoan’i Nehemia fa i Jerosalema no nahiny voalohany indrindra?
3 Nisy Jiosy iray hafa koa nanao zavatra tamim-pahatapahan-kevitra, 12 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Tsy iza izany fa i Nehemia. Nanompo tao amin’ny lapa persanina tao Sosana izy. Nanana toerana ambony i Nehemia, satria mpitondra kapoakan’ny Mpanjaka Artaksersesy. Tsy izany anefa no ‘ambony indrindra tamin’ny fifaliany rehetra’. Niriny mafy kosa ny handeha hanorina indray an’i Jerosalema. Nivavaka momba izany izy nandritra ny volana maro, ary nitahy azy i Jehovah Andriamanitra noho ny nanaovany izany. Raha vao fantatr’ilay mpanjaka persanina ny zavatra nampanahy an’i Nehemia, dia nomeny andiana miaramila izy, ary koa taratasy fanomezan-dalana azy hanorina indray an’i Jerosalema. — Nehemia 1:1–2:9.
4. Ahoana no azontsika anehoana fa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah no ambony kokoa noho izay mety ho fifaliana hitantsika?
4 Tsy isalasalana fa noporofoin’i Ezra sy i Nehemia mbamin’ny Jiosy maro izay niara-niasa taminy fa lehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, izay tao Jerosalema ny foibeny. ‘Ambony indrindra amin’ny fifaliany rehetra’ izy io, izany hoe ambony kokoa noho izay mety ho zavatra hafa nahafaly azy. Mampahery tokoa ny olona toy izany, ho an’izay rehetra manana fiheverana mitovy amin’izany momba an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana aminy ary ny fandaminany tarihin’ny fanahy amin’izao andro izao! Toy izany ve ianao? Asehonao amin’ny faharetanao manao asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra ve fa antony mahafaly anao indrindra ny tombontsoa manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany nanolo-tena? (2 Petera 3:11, NW ). Andeha hodinihintsika ny vokatra tsara dia tsara nentin’ny dian’i Ezra nankany Jerosalema, mba hahazoana fampirisihana bebe kokoa ho amin’izany.
Fitahiana sy andraikitra
5. Inona avy ireo fitahiana tondraka azon’ny mponin’ny Joda tamin’ny andron’i Ezra?
5 Tokony ho 6 000 ireo avy tany amin’ny sesitany anisan’ilay antokon’olona niara-niverina tamin’i Ezra. Nitondra fanomezana volamena sy volafotsy ho an’ny tempolin’i Jehovah izy ireo. Mifanitsy amin’ny 1 925 miliara FMG eo ho eo, araka ny tombam-bidiny ankehitriny izany. Volamena sy volafotsy tokony ho avo fito heny noho izay nentin’ilay andiany voalohany avy tany amin’ny sesitany izany. Tsy maintsy ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah erỳ ireo mponina tany Jerosalema sy Joda noho ny fahazoan’izy ireo izany olona sy fitaovana rehetra izany ho fanampiana! Mitondra andraikitra koa anefa ny fitahiana tondraka avy amin’Andriamanitra. — Lioka 12:48.
6. Inona no hitan’i Ezra tany an-tanindrazany, ary nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana izany?
6 Tsy ela dia hitan’i Ezra fa nisy Jiosy maro, anisan’izany ny mpisorona sy loholona sasany, nandika ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ny fanambadiana vehivavy mpanompo sampy. (Deoteronomia 7:3, 4). Rariny raha ory dia ory izy noho io fandikana ny Lalàn’ny fanekena tamin’Andriamanitra io. “Nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko (...), dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.” (Ezra 9:3). Avy eo dia namboraka ny tao am-pony tamin’ny vavaka tamin’i Jehovah i Ezra, teo anatrehan’ireo Isiraelita nitebiteby. Ren’ny sofin’ny rehetra ny namerenan’i Ezra indray ny fitantarana ny tsy fankatoavan’ny Isiraely tamin’ny lasa sy ny fampitandreman’Andriamanitra ny amin’izay hitranga raha sanatria ka nanambady mpanompo sampy nonina teo amin’ilay tany izy ireo. Namarana ny teniny toy izao izy: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.” — Ezra 9:14, 15.
7. a) Inona no ohatra tsara dia tsara nomen’i Ezra rehefa nandamina raharaha nahakasika fanaovan-dratsy izy? b) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo diso tamin’ny andron’i Ezra?
7 Nampiasa ilay fitenenana hoe “izahay” i Ezra. Eny, nampiditra ny tenany izy, na dia tsy diso aza ny tenany manokana. Nanohina ny fon’ny olona ny fahorian-tsaina mafy nahazo an’i Ezra, mbamin’ilay vavaka feno fanetren-tena nataony, ka nanosika azy ireo hanao asa nifanaraka tamin’ny fibebahana. An-tsitrapo no nanoloran’izy ireo izao vahaolana nampanaintaina izao: Izay rehetra nandika ny Lalàn’Andriamanitra dia handefa hody any an-tanindrazany ireo vehivavy hafa firenena nalainy ho vady, mbamin’ireo zanaka naterany taminy. Nanaiky ny handraisana izany fepetra izany i Ezra ka nampirisika ireo diso mba hanaraka. Nanana zo hamono ho faty izay mpandika lalàna rehetra i Ezra, na handroaka azy ireo hiala tany Jerosalema sy Jodia, noho ilay fahefana nomen’ny mpanjaka persanina azy. (Ezra 7:12, 26). Niharihary anefa fa tsy voatery nanao izany izy. Hoy “ny fiangonana rehetra”: “Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay”. Ankoatra izany, dia niaiky heloka toy izao izy ireo: “Izahay no efa nanota tamin’izany zavatra izany”. (Ezra 10:11-13). Omena ao amin’ny Ezra toko faha-10 ny lisitry ny anaran’ireo lehilahy 111 izay nankato ilay fanapahan-kevitra ka nandefa hody ireo vehivavy hafa firenena nalainy ho vady, mbamin’ireo zanaka naterany taminy.
8. Nahoana no tombontsoa ho an’ny taranak’olombelona manontolo ny nanaovan-javatra hentitra ka nandefasana ireo vady hafa firenena?
8 Tsy ho tombontsoan’ny Isiraely ihany fa ho an’ny taranak’olombelona manontolo koa no nanaovana izany. Nety ho voatelin’ireo firenena nanodidina azy ny Isiraelita raha tsy nisy na inona na inona natao mba hanitsiana ilay tarehin-javatra. Raha izany no nitranga, dia ho voaloto ilay tetirazana hiavian’ilay Taranaka Nampanantenaina izay hitondra fitahiana ho an’ny taranak’olombelona manontolo. (Genesisy 3:15; 22:18). Ho sarotra ny hanaporofoana fa avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka avy amin’ny fokon’i Joda, ilay Taranaka Nampanantenaina. Nasiana fiheverana indray io raharaha tena lehibe io, 12 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa “niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Isiraely”. — Nehemia 9:1, 2; 10:29, 30.
9. Torohevitra tsara inona no omen’ny Baiboly ny Kristianina izay manambady tsy mpino?
9 Inona no azon’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao ianarana avy amin’io fitantarana io? Tsy eo ambanin’ny faneken’ny Lalàna akory ny Kristianina. (2 Korintiana 3:14). Mankato “ny lalàn’i Kristy” kosa izy ireo. (Galatiana 6:2). Noho izany, ireo Kristianina manambady tsy mpino dia manaraka ilay torohevitr’i Paoly manao hoe: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.” (1 Korintiana 7:12). Ambonin’izany, ireo Kristianina manambady tsy mpino dia manana adidy araka ny Soratra Masina mba hanao izay hahavanona ny fanambadiany. (1 Petera 3:1, 2). Matetika no niteraka fitahiana ny fankatoavana io torohevitra tsara dia tsara io, satria nisy vady tsy mpino niova fo mahakasika ny fanompoam-pivavahana marina. Tonga Kristianina mahatoky vita batisa mihitsy aza ny sasany. — 1 Korintiana 7:16.
10. Fianarana inona no azon’ny Kristianina raisina avy amin’ireo lehilahy isiraelita 111 izay nandefa ny vehivavy hafa firenena nalainy ho vady?
10 Manome fianarana faran’izay tsara ho an’ireo Kristianina mpitovo koa anefa ny nandefasan’ireo Isiraelita ny vehivavy hafa firenena nalainy ho vady. Tsy tokony hanomboka hiaraka amin’ny tsy mpino lahy na vavy tsy toa azy, ireny Kristianina mpitovo ireny. Mety ho sarotra, na hampanaintaina mihitsy aza ny fanalavirana fifandraisana toy izany, kanefa izany no lalam-pitondran-tena tsara indrindra mba handraisana fitahiana mitohy avy amin’Andriamanitra. Nodidiana toy izao ny Kristianina: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” (2 Korintiana 6:14). Izay Kristianina mpitovo rehetra maniry hanambady dia tokony hikendry ny hanambady mpiray finoana aminy izay tena mpino marina. — 1 Korintiana 7:39.
11. Sahala amin’ireo lehilahy isiraelita, ahoana no mety hahavoasedra antsika eo amin’ny zavatra mahafaly antsika?
11 Tamin’ny lafiny maro hafa koa ireo Kristianina dia nanao fanitsiana rehefa nampahafantarina azy fa mizotra mankamin’ny lalana tsy araka ny Soratra Masina izy ireo. (Galatiana 6:1). Tsindraindray ity gazety ity dia mampahafantatra fitondran-tena tsy araka ny Soratra Masina izay mahatonga olona iray tsy hahafeno fepetra hitoetra ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra. Tamin’ny 1973, ohatra, dia nanjary takatry ny vahoakan’i Jehovah tsara fa fahotana lehibe ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Mba hanarahana lalam-pitondran-tena tsara, dia tsy maintsy ‘manadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy’ isika. (2 Korintiana 7:1). Maromaro ihany ireo nandray am-po izany torohevitry ny Baiboly izany ka vonona ny hijaly noho ny vokatry ny fialana amin’ny voalohany, mba hitoerana ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra madio. Nisy koa toromarika mazava araka ny Soratra Masina nomena mahakasika ireo zavatra momba ny firaisana, ny fitafiana, ny fisehoana ankapobe, sy ny fifidianana amim-pahendrena ny asa fivelomana, mbamin’ny fialam-boly sy ny mozika. Na inona na inona foto-pitsipika araka ny Soratra Masina isarihana ny saintsika, dia enga anie isika ho vonona ‘hanaiky harenina’ sahala amin’ireo lehilahy isiraelita 111. (2 Korintiana 13:11, NW ). Hampiseho izany fa ‘ambony indrindra amin’ny fifaliantsika rehetra’ ny tombontsoa manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany masina.
12. Inona no nitranga tamin’ny 455 al.f.i.?
12 Tsy milaza amintsika izay nitranga tany Jerosalema nandritra ireo 12 taona nanaraka, ny Baiboly, taorian’ny fitantarany ilay raharaha nahatafiditra ireo vady hafa firenena. Tsy isalasalana fa nanjary feno fankahalana kokoa ireo mponina teny amin’ny manodidina ny Isiraely noho ilay nanafoanana fifanekem-panambadiana maro. Tonga tany Jerosalema i Nehemia notronina miaramila, tamin’ny 455 al.f.i. Voatendry ho governoran’ny Joda izy, ary nitondra taratasy avy tany amin’ny mpanjaka persanina, nanome azy lalana hanorina indray ilay tanàna. — Nehemia 2:9, 10; 5:14.
Fanoherana avy amin’ireo mpialona nanodidina
13. Inona no fihetsika nasehon’ireo mpanaraka fivavahan-diso teny amin’ny nanodidina ny Jiosy, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Nehemia nanoloana izany?
13 Nanohitra ilay anton’ny nahatongavan’i Nehemia ireo mpanaraka fivavahan-diso teny amin’ny manodidina. Nanao rahom-bava taminy ny mpitarika azy ireo rehefa nanontany hoe: “Hikomy amin’ny mpanjaka angaha hianareo?” Naneho finoana an’i Jehovah i Nehemia ka namaly hoe: “Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa hianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.” (Nehemia 2:19, 20). Naneso toy izao ireo fahavalo ireo ihany, rehefa natomboka ny fanamboarana ny manda: ‘Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo? Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.’ Tsy namaly ireo teny ireo i Nehemia fa nivavaka hoe: “Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony”. (Nehemia 3:34, 36). Tsy nitsahatra nanome ohatra tsara dia tsara toy izany i Nehemia teo amin’ny fianteherany tamin’i Jehovah! — Nehemia 6:14; 13:14.
14, 15. a) Ahoana no niatrehan’i Nehemia ny fandrahonan’ny fahavalo hampiasa herisetra? b) Ahoana no nahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanohy ny asa fanorenany ara-panahy na dia teo aza ny fanoherana feno fahasiahana?
14 Miantehitra amin’Andriamanitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanatanterahana ilay asa fitoriana lehibe nanendrena azy. Manandrana manakana io asa io amin’ny fanesoana, ny mpanohitra. Indraindray dia misy olona liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izay miala satria tsy zakan’izy ireo ny fanesoana. Rehefa tsy mahomby ny fanesoana dia mety ho tezitra ireo mpanohitra ka mandrahona ny hampiasa herisetra. Izany no nanjo ireo mpanorina ny mandan’i Jerosalema. Tsy nanaiky hampitahorina anefa i Nehemia. Nasainy nirongo fiadiana kosa ireo mpanorina mba hanohitra ny fanafihan’ny fahavalo, ary nohatanjahiny ny finoan’izy ireo tamin’ny filazana hoe: “Aza matahotra azy hianareo; [Jehovah, NW ] lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.” — Nehemia 4:7, 8.
15 Toy ny tamin’ny andron’i Nehemia, dia ampy fitaovana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanohizana ny fanorenany ara-panahy na dia eo aza ny fanoherana feno fahasiahana. Manome sakafo ara-panahy manatanjaka finoana ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ka izany no mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hamokatra na dia any amin’izay toerana andrarana ny asa aza. (Matio 24:45, NW ). Ho vokatr’izany, dia manohy mitahy ny vahoakany amin’ny alalan’ny fitomboana maneran-tany, i Jehovah. — Isaia 60:22.
Olana avy tao anatiny ihany
16. Inona avy ireo olana avy tao anatiny izay nitady hanimba ny sain’ireo mpanorina ny mandan’i Jerosalema?
16 Rehefa nandroso ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema ka lasa avo kokoa ilay manda, dia nihasarotra kokoa ilay asa. Tamin’izay no nisehoan’ny olana iray izay nitady hanimba ny sain’ireo mpanorina niasa mafy. Noho ny tsy fahampian-tsakafo, dia sarotra tamin’ny Jiosy sasany ny nahita sakafo ho an’ny fianakaviany sy handoa ny hetrany ho an’ny fanjakana persanina. Nampisambotra azy sakafo sy vola ireo Jiosy nanankarena kokoa. Nifanohitra tamin’ny Lalàn’Andriamanitra anefa, fa voatery nanome ny taniny sy ny zanany ireo Isiraelita nahantra kokoa, mba ho antoka fa hamerina ilay vola niaraka tamin’ny zanabola izy ireo. (Eksodosy 22:25; Levitikosy 25:35-37; Nehemia 3:38; 4:4; 5:1-5). Nandrahona haka ny taniny sy hanery azy hivarotra ny zanany ho andevo izao ireo tompon-trosa. Tafintohina mafy tamin’io fiahiana fatratra ny ara-nofo sy tsy nampiseho fitiavana io, i Nehemia. Nanao zavatra haingana izy mba hahazoana antoka fa hanohy hitahy ilay asa fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema, i Jehovah.
17. Inona no nataon’i Nehemia mba hahazoana antoka fa hanohy hitahy ilay asa fanorenana i Jehovah, ary ahoana ny niafaran’izany?
17 Notendrena ny hisian’ny “fiangonan-dehibe”, ary nasehon’i Nehemia mazava tsara tamin’ireo Isiraelita nanankarena kokoa fa tsy nahafaly an’i Jehovah izay nataon’izy ireo. Niangavy ireo diso, anisan’izany ny mpisorona sasany, izy avy eo mba hamerina ireo zanabola rehetra efa nalainy sy hamerina ny tany izay nalainy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tamin’ireo tsy afaka nandoa zanabola. Mendri-piderana ireo diso satria hoy izy ireo: “Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao.” Tsy teny nataotao foana akory ireo, satria tantarain’ny Baiboly fa “nanao araka izany ten[in’i Nehemia] izany ny olona”. Ary nidera an’i Jehovah ny fiangonana iray manontolo. — Nehemia 5:7-13.
18. Inona no fihetsika nanjary nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah?
18 Ahoana ny amin’izao androntsika izao? Tsy mpanararaotra olona akory ny Vavolombelon’i Jehovah fa fantatra hatraiza hatraiza kosa noho ny fahalalahan-tanany amin’ireo mpiray finoana aminy sy amin’ny hafa izay tra-doza. Toy ny tamin’ny andron’i Nehemia, dia maro ny fanehoam-pankasitrahana sy fiderana an’i Jehovah, naterak’izany. Etsy an-danin’izany anefa, dia hitan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fa nilaina ny hanomezana torohevitra araka ny Soratra Masina eo amin’ny lafiny fandraharahana sy momba ny ilana hanalavirana ny fanararaotana ny hafa amim-pierenana. Mahazatra ny mangataka vodiondry mihoa-pampana any amin’ny tany sasany, kanefa ampitandreman’ny Baiboly mazava tsara fa ny mpierina sy ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9, 10). Mandray tsara ny torohevitra toy izany ny ankamaroan’ny Kristianina, ka izany dia mampahatsiaro ny nahatsapan’ireo Jiosy fa ratsy ny nanararaotra ireo rahalahiny nahantra kokoa.
Vita ny mandan’i Jerosalema
19, 20. a) Inona no vokatry ny fahavitan’ny mandan’i Jerosalema teo amin’ireo mpanohitra ara-pivavahana? b) Fandresena inona no hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro?
19 Na dia teo aza ny fanoherana rehetra, dia vita tao anatin’ny 52 andro ny mandan’i Jerosalema. Inona no vokatr’izany teo amin’ireo mpanohitra? Hoy i Nehemia: “Rehefa ren’ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.” — Nehemia 6:16.
20 Mitohy amin’ny fomba samihafa sy any amin’ny toerana samihafa ny fanoheran’ny fahavalo ny asan’Andriamanitra, amin’izao andro izao. Olona an-tapitrisany maro anefa no efa nahita fa herim-po very maina foana ny hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hevero, ohatra, ny ezaka natao tamin’ny lasa mba hampitsaharana ny asa fitoriana tany Alemaina Nazia sy tany Eoropa Atsinanana ary any amin’ny tany maro atsy Afrika. Nandamòka avokoa ireny ezaka rehetra ireny, ka maro izao ny olona miaiky fa ‘avy amin’Andriamanitra no nahavitana izany asantsika izany’. Izany ka valisoa ho an’ireo efa tranainy kanefa mbola mahatoky, any amin’ny tany toy izany! Izy ireo tokoa mantsy dia nanao ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho ‘ambony indrindra amin’ny fifaliany rehetra’!
21. Fisehoan-javatra lehibe inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fisehoan-javatra lehibe izay nialoha lalana ny fitokanana tamin-kafaliana ilay mandan’i Jerosalema voaorina indray. Hodinihintsika koa fa madiva ho vita ny tanàna iray lehibe lavitra, ho tombontsoan’ny taranak’olombelona iray manontolo.
Tsaroanao Ve?
◻ Ahoana no nifalian’i Ezra sy ny hafa tamin’i Jerosalema?
◻ Nanampy Jiosy maro mba hanitsy fahadisoana inona avy i Ezra sy i Nehemia?
◻ Fianarana inona avy no azonao raisina avy amin’ireo fitantarana mahakasika an’i Ezra sy i Nehemia?
[Sary, pejy 15]
I Jerosalema, fa tsy ny asa ambony nananany tao Sosana no nahin’i Nehemia voalohany indrindra
[Sary, pejy 16, 17]
Sahala amin’i Nehemia, dia mila mivavaka isika mba hahazoana ny fitarihan’i Jehovah sy ny tanjaka hanohizana ny fitoriana tena lehibe izay nanendrena antsika