Nahoana Izy ireo no Mampiasa Herisetra?
TERAKA tao Denver, Colorado, any Etazonia, ny zazakely iray tsy tonga volana latsaka ny fito volana. Velona ihany ilay zazalahy kely ary rehefa nahazo fikarakarana manokana tany amin’ny hôpitaly nandritra ny telo volana, dia nody tany amin’ny ray aman-dreniny. Naverina tany amin’ny hôpitaly ilay zazakely, roa tokom-bolana tatỳ aoriana. Nahoana? Nisy fahavoazana be tamin’ny atidohany noho ny nanotsonkotsonan-drainy azy mafy. Tsy nahatanty ny fitomanian’ilay zazakely ny rainy. Nanjary jamba sy nalemy ilay zazalahy kely. Nahavonjy azy tamin’ny fikorontanana teo am-pahaterahana ny fitsaboana maoderina, fa tsy naharo azy tamin’ny herisetran-drainy kosa.
Ankizy tsy tambo isaina no ampijalina, kapohina na vonoina ho faty ao amin’ny iray amin’ireo toerana be herisetra indrindra eto an-tany, dia ny tokantrano! Any Etazonia fotsiny, dia tombanana ho 5 000 ireo ankizy maty isan-taona noho ny ataon’ny ray aman-dreniny! Ary tsy ny ankizy ihany no iharam-pahavoazana. Araka ny gazetiboky World Health, dia “ny fikapoham-bady no antony voalohany mahatonga faharatrana eo amin’ireo vehivavy afaka miteraka” any Etazonia. Ahoana ny amin’ny tany hafa? “Ampahatelony ka hatramin’ny antsasany mahery amin’ireo vehivavy nanaovana fanadihadiana [tany amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana] no manao tatitra fa nokapohin’ny vadiny.” Eny, mampitondra faisana ny herisetra, indrindra fa ao an-tokantrano.
Maro ireo lehilahy sy vehivavy manambady no manandrana mandamina ny tsy fifankahazoany amin’ny alalan’ny herisetra. Any amin’ny tany sasany, dia mampiasa herisetra amin’ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mba hamoahana ny hatezerany. Mba ho fialam-boly fotsiny, dia mampijaly ireo malemy kokoa noho ny tenany ireo mpila sotasota, ka mampiasa herisetra amin’izy ireny. Nahoana no manjary mahery setra aoka izany ny olona?
Nahoana no manjary mahery setra ny olona?
Misy manambara fa efa toetra voajanahary amin’ny olona ny herisetra. Na dia nihena aza amin’ny ankapobeny ny heloka bevava feno herisetra any Etazonia, dia mitombo kosa izany eo amin’ireo tanora. Ary vao mainka mahaliana ny herisetra. Nitombo avo sasaka ireo tantara misy heloka bevava nalefan’ny antokona televiziona telo lehibe ary nitombo avo telo heny ny fitantarany famonoana olona. Eny, ahazoana tombony ny heloka bevava! “Tsy vitan’ny hoe milefitra amin’ny herisetra fotsiny isika”, hoy ilay mpitsabo aretin-tsaina atao hoe Karl Menninger, “fa mametraka izany eo amin’ny matoam-baovaon’ireo gazetintsika koa. Ampahatelony na ampahefatr’ireo fandaharana amin’ny televiziona no manao izany ho fialam-bolin’ny zanatsika. Tsy manala tsiny izany fotsiny isika, ry havana, fa mankafy mihitsy!”
Toa manondro ireo fandinihana siantifika vao haingana fa misy ifandraisana be dia be amin’ny fironana hihetraketraka asehon’ny olona ny fomba fiasan’ny atidoha sy ny toe-javatra manodidina. “Manomboka tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra izahay rehetra fa ny toe-javatra ratsy manodidina ny ankizy mihamaro hatrany no tena miteraka fihanahan’ny herisetra”, hoy ny Dr. Markus J. Kruesi ao amin’ny Ivon-toeram-pikarohana Momba ny Tanora ao amin’ny Oniversiten’i Illinois. “Tena mahatonga fiovana eo amin’ny môlekiolan’ny atidoha, izay manosika ny olona hanao zavatra amin’ny fihetseham-po, ny fisehoan-javatra manodidina azy.” Ny anton-javatra toy ny “faharavan’ny rafi-pianakaviana, ny fitomboan’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany, ny fahantrana mitohy, sy ny fidorohana zava-mahadomelina raiki-tampisaka dia tena afaka mampivadika ny fiasan’ireo raha simika ao amin’ny atidoha ka mahatonga azy hirona ho tia hetraketraka, dia vokany izay tsy noheverina hitranga mihitsy teo aloha”, hoy ilay boky hoe Inside the Brain.
Voalaza fa anisan’ireo fiovana mitranga ao amin’ny atidoha ny fihenan’ny fatrana sérotonine, raha simika ao amin’ny atidoha izay heverina ho mifehy ny fironana hihetraketraka. Asehon’ireo fandinihana fa afaka mampihena ny fatrana sérotonine ao amin’ny atidoha ny alkaola, ka noho izany dia manjary marim-pototra ara-tsiansa fa mifandray ny herisetra sy ny fidorohana alkaola, dia fifandraisana efa fantatra hatramin’ny ela.
Ho fanampin’izany, dia misy anton-javatra hafa iray tafiditra eo amin’ny fitomboan’ny herisetra amin’izao androntsika izao. Hoy ny fampitandreman’ny boky iray ara-paminaniana azo itokiana, dia ny Baiboly: “Aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, (...) tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, [mahery setra, Today’s English Version], lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, (...) ireny koa dia halaviro.” (2 Timoty 3:1-5). Eny, fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ‘ny andro farany’ ny herisetra hitantsika amin’izao andro izao.
Misy zavatra hafa mahatonga izany ho fotoana anjakan’ny herisetra indrindra. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Voaroaka avy tany an-danitra ny Devoly sy ireo andiana demoniany maro be ary mampifantoka ny haratsiany amin’ny olombelona. Amin’ny maha “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra” azy, ny Devoly dia mampiasa araka izay itiavany azy ny “fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”, ka mahatonga ny tany ho toerana mihafeno herisetra hatrany. — Efesiana 2:2.
Ahoana àry no ahafahantsika miatrika ny ‘rivotr’izao’ tontolo izao ankehitriny feno herisetra? Ary ahoana no ahafahantsika mandamina amim-pilaminana ireo fifanolanana?
[Teny notsongaina, pejy 3]
Ankizy tsy tambo isaina no ampijalina, kapohina na vonoina ho faty ao amin’ny iray amin’ireo toerana be herisetra indrindra eto an-tany, dia ny tokantrano!