Ny Fomba Handaminana Ireo Zava-manahirana Amim-pilaminana
SAIKA tranainy toy ny fisian’ny olombelona ihany ny herisetra. Lazain’ny Baiboly fa efa hatrany amin’i Kaina, rahalahin’i Abela sady zanaka lahimatoan’ny mpivady olombelona voalohany, no nisian’ny herisetra. Rehefa nankasitrahan’Andriamanitra nihoatra noho ny azy ny fanatitr’i Abela, dia “tezitra indrindra” i Kaina. Ahoana no niatrehany ilay toe-javatra? “Nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny ka namono azy.” Nahita zava-nanahirana lehibe tamin’Andriamanitra izy taorian’izany. (Genesisy 4:5, 8-12). Tsy voalamin’ny herisetra ny naharatsy toerana an’i Kaina teo anatrehan’ny Mpamorona azy.
Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny nataon’i Kaina, izay nampiasa hery mba handaminana ireo zava-manahirana?
Herisetra nanjary fandeferana
Diniho ange ny ohatr’ity lehilahy iray izay sady nanatrika no nankasitraka ny famonoana ho faty an’i Stefana, maritiora kristianina voalohany e. (Asan’ny Apostoly 7:58; 8:1). I Saoly avy any Tarsosy ilay lehilahy. Tsy nitovy hevitra ara-pivavahana tamin’i Stefana izy ka nanohana ilay vonoan’olona feno herisetra, satria nataony fa io no fomba azo nekena mba hampitsaharana ny asan’i Stefana. Marina fa nety ho tsy nahery setra i Saoly tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny fiainany. Kanefa, vonona izy hanaiky ny herisetra ho fomba handaminan-javatra. Taorian’ny nahafatesan’i Stefana avy hatrany, dia ‘nampahory mafy ny kôngregasiôna [kristianina] i Saoly, ka nidirany isan-trano sady nosarihiny, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina’. — Asan’ny Apostoly 8:3.
Araka ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Albert Barnes, ny teny grika nadika teto hoe “mampahory mafy” dia mampiseho ny fandravana aterak’ireo bibidia, toy ny liona sy amboadia. Nanazava i Barnes fa “romotra tamin’ny fiangonana tahaka ny bibidia i Saoly; izany dia teny mahery mampiseho ny zotom-po sy ny fivatravatra nasehony tamin’ny fanenjehana”. Rehefa nankany Damaskosy i Saoly mba hanangona mpianatr’i Kristy maromaro kokoa, dia “mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo [Kristy] ihany” izy. Teny an-dalana, dia niresaka taminy i Jesosy tafatsangana, ka niafara tamin’ny fiovan’i Saoly finoana ho amin’ny Kristianisma izany. — Asan’ny Apostoly 9:1-19.
Niova ny fomba nifampiraharahan’i Saoly tamin’ny hafa, taorian’izany fiovam-pinoana izany. Mampiseho ilay fiovana ny zava-niseho iray nitranga 16 taona taorian’izay. Tonga tao amin’ny kôngregasiôna niavian’i Saoly, tao Antiokia, ny antokon’olona iray ary nampirisika ny Kristianina tao hanaraka ny Lalàn’i Mosesy. ‘Fifandirana be’ no vokatr’izany. Nanome ny heviny tamin’ilay ady hevitra i Saoly, izay fantatra tsara kokoa ho Paoly tamin’izay. Niharihary fa nafana ny ady hevitra. Kanefa, tsy nampiasa herisetra i Paoly. Nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ilay kôngregasiôna kosa izy, dia ny hitondrana ilay raharaha tany amin’ireo apostoly sy loholon’ny kôngregasiôna tany Jerosalema. — Asan’ny Apostoly 15:1, 2.
Nitranga indray ny “ady hevitra be” tamin’ny fivorian’ireo loholona tao Jerosalema. Niandry i Paoly ‘mandra-panginan’ny olona rehetra’, ary avy eo izy dia nanao tatitra momba ny asa lehibe notanterahan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ireo mpino tsy voafora. Rehefa avy nanao fiaraha-midinika niorina tamin’ny Soratra Masina ireo apostoly sy ireo loholon’i Jerosalema, dia tonga tamin’ny ‘fifanarahan-kevitra’ fa tsy hanavesatra ireo mpino tsy voafora amin’ny zavatra tsy ilaina; fa hananatra azy ireo kosa ‘hifadiany ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana’. (Asan’ny Apostoly 15:3-29). Eny tokoa, niova i Paoly. Nianatra nandamina tamim-pilaminana ireo raharaha niadian-kevitra izy.
Fiezahana handresy ny fironana hampiasa herisetra
Tatỳ aoriana i Paoly dia nanome izao fananarana izao: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”. (2 Timoty 2:24, 25). Nampirisika mafy an’i Timoty, mpiandraikitra tanora, i Paoly mba hikarakara ny toe-javatra manahirana amim-pahatoniana. Nijery ny zavatra araka ny tena izy i Paoly. Fantany fa mety hanjary hitroatra ny fihetseham-po mafy na dia eo amin’ny samy Kristianina aza. (Asan’ny Apostoly 15:37-41). Nety tsara ny nanoroany hevitra toy izao: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Ny fifehezana ny fahatezerana tsy hipoaka no fomba mety mba hisetrana ny fihetseham-po mafy toy izany. Ahoana anefa no ahafahana manao izany?
Tsy mora ny manindry ny fahatezerana amin’izao andro izao. “Tian’ny olona ny hoe ratsy fanahy”, hoy ny Dr. Deborah Prothrow-Stith, mpanampy ny lehiben’ny Oniversiten’i Harvard Misahana ny Fahasalamam-bahoaka. “Raha ny marina, ny fahaizana mifankahazo amin’ny hafa — fahaizana mifampiraharaha, mitady marimaritra iraisana, mahatakatra ny toeran’ny hafa, mamela heloka — dia mazàna heverina ho toetran’ny olona malemy.” Kanefa, toetran’ny olona matanjaka ireo ary tena ilaina mba hifehezana ny fironana hampiasa herisetra, fironana izay mety hitroatra ao anatintsika.
Rehefa tonga Kristianina i Paoly dia nianatra fomba tsara kokoa hisetrana ireo tsy fitovian-kevitra. Niorina tamin’ny fampianaran’ny Baiboly izany. Manam-pahaizana momba ny Jodaisma i Paoly, ka nahafantatra tsara ny Soratra Hebreo. Tsy maintsy ho nahalala ny andinin-teny toy itony izy: “Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay làlany akory”. “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” “Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” (Ohabolana 3:31; 16:32; 25:28). Tsy nisakana an’i Paoly tsy hampiasa herisetra tamin’ireo Kristianina anefa izany fahalalana izany, talohan’ny niovany finoana. (Galatiana 1:13, 14). Inona anefa no nanampy an’i Paoly tonga Kristianina, handamina ireo raharaha mahatonga ady hevitra tamin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra sy ny fampiekena fa tsy tamin’ny herisetra?
Manampy antsika hahita ny valin’izany i Paoly rehefa nanao hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1). Nankasitrahany indrindra ny nataon’i Jesosy Kristy ho azy. (1 Timoty 1:13, 14). Tonga modely hotahafiny i Kristy. Fantany ny fomba nijalian’i Jesosy mba ho tombontsoan’ny olombelona mpanota. (Hebreo 2:18; 5:8-10). Afaka nanamarina i Paoly fa tanteraka tamin’i Jesosy ilay faminanian’i Isaia momba ny Mesia manao hoe: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, — eny tsy niloa-bava Izy.” (Isaia 53:7). Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Raha notevatevaina Izy [Jesosy], dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”. — 1 Petera 2:23, 24.
Nanosika an’i Paoly hiova ny fahatakarany ny fomba nisetran’i Jesosy Kristy ireo toe-javatra nampihenjana. Afaka nananatra ireo mpiray finoana taminy toy izao izy: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13). Tsy ampy ny fanekena fa tsy tokony hahery setra. Manampy antsika hanana ny antony manosika ilaina hifehezana ny fironana hampiasa herisetra ny fahatakarana izay nataon’i Jehovah sy i Jesosy Kristy ho antsika.
Azo atao ve izany?
Nila izany antony manosika mahery izany ny lehilahy japoney iray. Nanjakazaka tamin-kerisetra teo amin’ny fianakaviany ny rainy, izay miaramila foizina. Noho izy niharan’ny herisetra sy nahita ny reniny nijaly tahaka izany koa, dia namboly toe-tsaina mahery setra izy. Nitondra teny aminy sabatra samouraï roa tsy nitovy halava izy; ka nampiasainy ireo mba handaminana ny zava-manahirana ary koa mba handrahonana ny olona.
Rehefa nanomboka nianatra Baiboly ny vadiny, dia nanatrika ny fianarana izy, fa tsy nihevitra izany ho zava-dehibe. Rehefa namaky ny bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity anefa izy, dia niova.a Nahoana? “Rehefa namaky ny fanazavana teo ambanin’ny lohatenikely hoe ‘Kristy Jesosy’ sy ‘Ny Avotra’ aho, dia tena nahatsiaro menatra”, hoy ny fanazavany. “Na dia naditra aza aho, dia mbola tiako ny niseho ho tsara fanahy tamin’ireo izay nifankahazo tamiko. Fahafinaretana ho ahy ny manao izay mahafinaritra ireo namako, raha mbola tsy misy fiantraikany eo amin’ny fiainako manokana koa izany. Jesosy, Zanak’Andriamanitra, kosa dia vonona ny hahafoy ny ainy ho an’ny olombelona, anisan’izany ny olona tahaka ahy. Jenjina aho, toy ny voakapoka tamin’ny tantanana.”
Nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ireo namany teo aloha izy ary tsy ela dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika tao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy ireo nisoratra anarana io sekoly io hahazo ny fahaiza-mampianatra ny Baiboly amin’ny hafa. Nitondra soa fanampiny ho an’io lehilahy io ny fianarana. Hoy izy mamisavisa ny lasa: “Fony aho tanora, dia nampiasa rahom-bava sy herisetra aho, satria tsy haiko ny nampita ny fihetseham-poko tamin’ny hafa. Rehefa nianatra nampita ny hevitro tamin’ny hafa aho, dia nanomboka nanjohy hevitra tamin’izy ireo fa tsy nampiasa herisetra.”
Nandray ny fomba fiainan’i Kristy, toa an’i Paoly ve izy? Notsapaina ny finoany rehefa nitady hisakana azy tsy ho tonga Kristianina ny namany iray teo aloha izay nanao fatidra taminy. Namely azy ilay ‘namany’ no sady niteny ratsy an’i Jehovah Andriamaniny. Nifehy tena ilay lehilahy nahery setra teo aloha sady niala tsiny noho ny tsy fahafahany nanatanteraka ilay fianianana. Diso fanantenana ilay “rahalahiny” ka nandao azy.
Nahazo rahalahy sy anabavy maro ara-panahy, tafaray noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana io lehilahy mora tezitra teo aloha io rehefa nifehy ny fironany hahery setra. (Kolosiana 3:14). Raha ny marina, maherin’ny 20 taona taorian’ny nahatongavany ho Kristianina nanolo-tena, dia manompo amin’ny maha mpiandraikitra mpitety faritany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny. Fifaliana toy inona moa ny azy afaka mampiseho avy ao amin’ny Baiboly fa afaka mianatra mandamina amim-pilaminana ireo zava-manahirana, tsy misy hafa amin’ny nataony, ny olona manana fironana toy ny biby! Ary tombontsoa toy inona moa ny azy afaka manintona ny sain’ny olona ho amin’ny teny ara-paminaniana toy izao izay ho tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”! — Isaia 11:9.
Tahaka ny apostoly Paoly sy io lehilahy nahery setra teo aloha io, ianao koa dia afaka mianatra misetra ireo toe-javatra mahatezitra, ka mandamina amim-pilaminana ireo zava-manahirana. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana misy anao hanampy anao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Nijery ny zavatra araka ny tena izy i Paoly. Fantany fa mety hihamafana ny fihetseham-po mafy na dia eo amin’ny samy Kristianina aza
[Sary, pejy 7]
Miteraka fifandraisana milamina ny fankasitrahana ireo zavatra nataon’Andriamanitra ho antsika