Miasà Hatrany Hahatanteraka ny Famonjena Anao!
‘Ry malala, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.’ — FILIPIANA 2:12.
1, 2. Inona avy ireo fomba fijery tiam-bahoaka izay nitarika olona maro hieritreritra fa tsy misy zavatra azony atao mahakasika izay ho fizotran’ny fiainany?
“EFA nateraka ho toy izao ve ianao?” Vao haingana izay dia hita teo amin’ny fonon’ny gazetiboky iray tiam-bahoaka io fanontaniana io. Eo ambanin’io lohateny lehibe io no ahitana ireto teny ireto: “Ny mahaianao anao, ny toetranao, na ny safidy ataonao eo amin’ny fiainana aza: asehon’ny fandinihana vaovao fa saiky efa nolovanao avokoa izany.” Ny teny toy izany dia mety hahatonga ny sasany hihevitra fa tsy misy zavatra firy azony atao mahakasika ny fiainany.
2 Matahotra ny hafa fandrao efa voaheloka tsy hanana fiainan-tsambatra izy noho ny fanabeazana ratsy nataon-dray aman-dreniny, na noho ny fampianarana ratsy nataon’ny mpampianatra azy. Mety hihevitra izy ireo fa efa anjara ratsiny ny hamerina ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny, ny hanao zavatra mifanaraka amin’ireo fironany ratsy indrindra, ny tsy hahatoky eo anatrehan’i Jehovah; raha lazaina amin’ny teny fohy dia hoe ny hanao safidy ratsy. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly? Marina aloha fa misy mpivavaka manizingizina hoe fampianaran’ny Baiboly ny zavatra toy izany, dia ny foto-pinoana ny amin’ny lahatra. Araka ny voalazan’io foto-pinoana io, dia efa voalahatr’Andriamanitra hatry ny ela ny zavatra rehetra hiseho eo amin’ny fiainanao.
3. Inona no hafatra mampahery raketin’ny Baiboly, mahakasika ny fahafahantsika ho tompon’andraikitra amin’ny hoavintsika?
3 Izao zavatra iray loha izao no iombonan’ireny fomba fijery samy hafa rehetra ireny: Tsy dia manan-tsafidy loatra ianao, ary tsy misy zavatra firy azonao atao mahakasika izay ho fizotran’ny fiainanao. Mahakivy izany, sa tsy izany? Vao mainka koa manampy trotraka ilay olana ny fahakiviana. Hoy ny Ohabolana 24:10: “Raha [kivy, NW ] amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Mahazo fampaherezana anefa isika noho ny fahafantarana fa afaka ‘miasa hahatanteraka ny famonjena antsika’ isika, araka voalazan’ny Baiboly. (Filipiana 2:12). Ahoana no ahafahantsika manamafy ny fatokisantsika an’io fampianarana mahavelom-bolo ao amin’ny Soratra Masina io?
Ny asa “fanorenana” ataontsika amin’ny tenantsika
4. Tsy te hilaza an-kolaka inona ny 1 Korintiana 3:10-15, na dia miresaka momba ny fanorenana amin’ny fitaovana tsy mety may aza izy io?
4 Diniho ilay fanoharan’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 3:10-15. Miresaka momba ny asa fanorenana kristianina izy ao, ary azo ampiharina amin’ny fanompoana anatiny sy any ivelany ilay foto-pitsipika fonosin’io fanoharany io. Te hilaza an-kolaka ve i Paoly fa izay nampianatra sy nampiofana ilay mpianatra no tompon’andraikitra tanteraka, raha toa izy io amin’ny farany ka mifidy ny hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana na tsia? Tsy izany velively. Nantitranterin’i Paoly fa zava-dehibe ny hanaovan’ilay mpampianatra araka izay fara heriny, eo amin’ny asa fanorenana. Araka ny nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, dia tsy nilaza i Paoly hoe tsy manana ny safidiny ilay mpianatra. Marina aloha fa tsy ny fanorenana ny tenantsika no ifantohan’ilay fanoharan’i Paoly fa ny asa ataontsika eo amin’ny hafa. Mazava loatra izany, satria resahin’i Paoly hoe levona ilay asa fanorenana natao alasafay, fa voavonjy kosa ilay nanorina azy. Ampiharin’ny Baiboly amin’ny asa ataontsika amin’ny tenantsika anefa indraindray io sarin-teny io.
5. Andinin-teny inona avy no mampiseho fa tsy maintsy manao asa “fanorenana” amin’ny tenany ny Kristianina?
5 Diniho, ohatra, ny voalazan’ny Joda 20, 21 (Fandikan-teny Katolika): “Aoka hianareo, ry malala, hiorina mafy amin’ny fototry ny finoanareo masina indrindra, hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra”. Eto dia teny grika mitovy amin’ilay ampiasain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-3 no nadikan’i Joda hoe “hiorina”. Ny hanorenantsika ny tenantsika eo amin’ilay fototry ny finoantsika anefa no toa tian’i Joda horesahina. Rehefa nandrakitra an-tsoratra ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy nanorina ny tranony teo ambony vatolampy i Lioka, ny teny grika nadikany hoe “fototra”, dia mitovy amin’ilay ampiasain’i Paoly ao amin’ilay fanoharany momba ny asa fanorenana kristianina. (Lioka 6:48, 49, NW ). Ankoatra izany, dia nampiasa teny an’ohatra mahakasika ny fiorenana eo amin’ny “fototra” ny apostoly Paoly rehefa nampirisika ireo Kristianina tahaka azy mba hanao fandrosoana ara-panahy. Eny, mampianatra ny Tenin’Andriamanitra fa tena manao asa “fanorenana” amin’ny tenantsika tokoa isika. — Efesiana 3:15-19, NW; Kolosiana 1:23, NW; 2:7.
6. a) Hazavao amin’ny ohatra fa vokatry ny asa fanorenana ifarimbonana ny mpianatra kristianina tsirairay. b) Inona no andraikitra ananan’ny mpianatra tsirairay?
6 Asan’olon-tokana ve ny fanorenana Kristianina iray? Andeha hatao hoe manapa-kevitra ny hanorina trano ianao. Manatona mpanao mari-trano ianao mba hanaovana planina. Na dia mikasa ny hanao ny ankabeazan’ilay asa aza ny tenanao, dia manakarama mpiantoka ianao mba hiara-miasa aminao ka hanoro hevitra anao mahakasika ny fomba tsara indrindra hanaovana azy. Raha mametraka fototra mafy orina izy, manampy anao hahatakatra ny dikan’ireo planina, manolo-kevitra ny hividianana ireo fitaovana tsara indrindra, ary mampianatra anao zavatra betsaka momba ny asa fanorenana mihitsy aza, dia ho azo inoana ny hanekenao fa nahavita asa tsara izy. Ahoana anefa raha tsy miraharaha ny toroheviny ianao, ka mividy fitaovana mora vidy na ratsy, ary mihataka amin’ny planin’ilay mpanao mari-trano mihitsy aza? Azo antoka fa tsy afaka manome tsiny an’ilay mpiantoka na ilay mpanao mari-trano ianao raha mirodana ilay trano! Toy izany koa fa vokatry ny asa fanorenana ifarimbonana ny mpianatra kristianina tsirairay. I Jehovah no ilay mpanao mari-trano ambony indrindra. Mahazo ny fanohanany ny Kristianina mahatoky izay mampianatra sy manorina mpianatra, noho izy ireny “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”. (1 Korintiana 3:9). Manana andraikitra koa anefa ilay mpianatra. Rehefa dinihina tokoa, dia izy no tompon’andraikitra amin’izay ho fizotran’ny fiainany. (Romana 14:12). Raha iriny ny hanana ireo toetra kristianina tsara dia tsara, dia tsy maintsy milofo mafy hanana izany izy, manorina azy ireny ao amin’ny tenany. — 2 Petera 1:5-8.
7. Zava-tsarotra inona avy no atrehin’ny Kristianina sasany, ary inona no mety hampionona azy ireo?
7 Midika àry ve izany fa tsy misy dikany ny rafi-pandovan-toetra sy ny toe-javatra niainana ary ny fahaizan’ny mpampianatra antsika? Tsy izany velively. Eken’ny Tenin’Andriamanitra fa sady zava-dehibe no misy heriny izy tsirairay ireo. Maro amin’ny fironan-dratsy sy ny fironana hanota no efa nolovana ka mety ho tena sarotra iadiana. (Salamo 51:5; Romana 5:12; 7:21-23). Ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreny sy ny toe-javatra iainana ao an-tokantrano dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny ankizy, ka hitaona azy ho amin’ny tsara na ny ratsy. (Ohabolana 22:6; Kolosiana 3:21). Nomelohin’i Jesosy ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy satria nisy vokany ratsy teo amin’ny hafa ny fampianaran’izy ireo. (Matio 23:13, 15). Amin’izao andro izao dia misy heriny eo amintsika rehetra ireny anton-javatra ireny. Tojo zava-tsarotra, ohatra, ny sasany amin’ny vahoakan’Andriamanitra, noho izy ireny nandia fotoan-tsarotra tamin’ny fahazazany. Mila hatsaram-panahy avy amintsika sy ny fahaizantsika miombom-pihetseham-po aminy izy ireny. Afaka manovo fampiononana avy amin’izao hafatry ny Baiboly izao izy ireny: Tsy efa anjara ratsin’izy ireo akory ny hamerina ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny na ny tsy hahatoky. Mba hanazavana izany amin’ny ohatra, dia andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo mpanjakan’ny Joda fahiny.
Nanao ny safidiny manokana ireo mpanjakan’ny Joda
8. Inona no ohatra ratsy hitan’i Jotama teo amin’ny rainy, kanefa inona no safidy nataony na izany aza?
8 Tonga mpanjakan’ny Joda i Ozia raha vao 16 taona monja, ary nanjaka nandritra ny 52 taona izy. ‘Nanaovany izay mahitsy teo imason’i Jehovah, tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy’, ny ankabetsahan’io fotoana io. (2 Mpanjaka 15:3). Fandresena ara-tafika niezinezina no nitahian’i Jehovah azy. Nampalahelo anefa fa nahatonga an’i Ozia hihevi-tena ho zavatra ny fahombiazany. Nanjary nanambony tena sy nikomy tamin’i Jehovah izy, tamin’ny fanolorana ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara tao amin’ny tempoly. Andraikitra natokana ho an’ny mpisorona tokoa mantsy izany. Notenenina mafy i Ozia, saingy hatezerana no nasetriny izany. Naetry izy tamin’izay fotoana izay, izany hoe azon’ny habokana ka voatery nitoka-monina nandritra ny androm-piainany sisa. (2 Tantara 26:16-23). Nanao ahoana ny fihetsik’i Jotama zanany lahy teo anoloan’izany rehetra izany? Ho azon’ilay rainy notaomina mora foana io tovolahy io ka ho sosotra tamin’ilay fanitsiana nomen’i Jehovah. Nety ho fitaoman-dratsy ho azy ny sarambaben’olona, satria nanohy nanaraka ireo fanao ara-pivavahan-diso izy ireny. (2 Mpanjaka 15:4). Nanao ny safidiny manokana anefa i Jotama. “Nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy”. — 2 Tantara 27:2.
9. Inona avy no sasany amin’ireo fitaomana tsara nanodidina an’i Ahaza, kanefa nanao ahoana ny fiainany?
9 Nitondra nandritra ny 16 taona i Jotama, ary nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah nandritra izany fotoana izany. Namela ohatra faran’izay tsara ho an’i Ahaza zanany lahy, noho izany, ilay rainy nahatoky. Mbola nisy lafin-javatra hafa koa afaka nitaona an’i Ahaza ho amin’ny tsara. Fitahiana ho azy ny niara-belona tamin’ny mpaminany nahatoky toa an’i Isaia sy i Hosea ary i Mika, izay samy naminany tamim-paharisihana tao amin’ilay tany. Nanao safidy ratsy anefa izy na izany aza. “Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah tahaka an’i Davida rainy izy”. Nanao sarin’i Bala sy nivavaka tamin’ireny izy ary ny sasany tamin’ny zanany aza dia nodorany tao anatin’ireo afo nanaovana sorona ho an’ny andriamanitra sampy. Na dia teo aza ireo fitaomana faran’izay tsara nanodidina azy, dia tsy nahomby tanteraka izy tamin’ny naha mpanjaka sy mpanompon’i Jehovah azy. — 2 Tantara 28:1-4.
10. Karazana ray nanao ahoana i Ahaza, kanefa inona no safidy nataon’i Hezekia zanany?
10 Raha eo amin’ny sehatry ny fanompoam-pivavahana madio no ijerena an’i Ahaza, dia sarotra ny hieritreretana fa mbola misy ray ratsy kokoa noho izy. Tsy afaka nifidy izay ho rainy anefa i Hezekia zanany! Azo inoana fa rahalahin’i Hezekia iray tam-po taminy ireo ankizilahy zanak’i Ahaza izay nataony sorona ho an’i Bala. Efa voalahatra tsy hahatoky eo anatrehan’i Jehovah ve i Hezekia noho izany tarehin-javatra nahatsiravina niainany izany? Mifanohitra amin’izany aza fa nanjary anisan’ireo mpanjaka vitsy tena niavaka teo amin’ny Joda i Hezekia, satria lehilahy nahatoky sy hendry ary mamy hoditra. ‘Nomba azy i Jehovah.’ (2 Mpanjaka 18:3-7). Raha ny marina, dia misy antony inoana fa i Hezekia no nahazo tsindrimandry hanoratra ny Salamo faha-119, fony izy mbola printsy tanora. Raha izany no izy, dia tsy sarotra ny mahita ny antony nanoratany ireto teny ireto: “Tsy nahita tory ny fanahiko noho ny alahelo.” (Salamo 119:28, NW ). Na dia teo aza ireo adin-tsaina nampahory azy, dia namela ny Tenin’i Jehovah hitarika azy teo amin’ny fiainana i Hezekia. Hoy ny Salamo 119:105: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” Eny, nanao ny safidiny manokana i Hezekia, ary safidy tsara no nataony.
11. a) Na dia fitaomana tsara ho an’i Manase aza ny rainy, dia nanao ahoana ny halehiben’ny fikomiany tamin’i Jehovah? b) Inona no safidy nataon’i Manase tany amin’ny faramparan’ny fiainany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
11 Mifanohitra amin’izany anefa fa avy tamin’ny iray tamin’ireo mpanjakan’ny Joda tsara indrindra no nipoiran’ny mpanjaka ratsy indrindra. I Manase, zanak’i Hezekia, dia nampandroso ny fanompoan-tsampy sy ny spiritisma ary nampanjaka ny herisetra mbola tsy nisy toy izany. Lazain’ny fitantarana fa tsy nitsahatra “niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany [i Jehovah]”, azo inoana fa tamin’ny alalan’ireo mpaminany. (2 Tantara 33:10). Araka ny lovantsofina jiosy, dia nasain’i Manase notsofana i Isaia ho setrin’izany. (Ampitahao amin’ny Hebreo 11:37.) Na marina izany na tsia, dia tsy nihaino izay fampitandremana rehetra avy tamin’Andriamanitra i Manase. Raha ny marina, dia nataony sorona ny sasany tamin’ny zanany lahy ka nasainy nodorana velona, tsy nisy valaka tamin’ny nataon’i Ahaza raibeny. Rehefa tojo fisedrana mafy anefa io lehilahy ratsy fanahy io tany amin’ny faramparan’ny fiainany, dia nibebaka sy niova famindra. (2 Tantara 33:1-6, 11-20). Ny ohatra navelany dia mampianatra antsika fa tsy voatery ho tsy azo avotana akory ny olona iray izay nanao safidy faran’izay ratsy. Afaka miova izy.
12. Inona avy ireo safidy nifanohitra nataon’i Amona sy i Josia zanany, mahakasika ny fanompoana an’i Jehovah?
12 Afaka niana-javatra betsaka avy tamin’ny fibebahan’ny rainy i Amona, zanak’i Manase. Nanao safidy ratsy anefa izy. Raha ny marina dia “nanota bebe kokoa aza” i Amona, mandra-pahatongan’ny fotoana namonoan’ny sasany azy tamin’ny farany. Mahafinaritra fa nifanohitra tanteraka tamin’izany kosa i Josia zanany. Miharihary fa nifidy ny haka lesona avy tamin’izay nitranga tamin’ny raibeny i Josia. Nanomboka nitondra izy raha vao valo taona monja. Vao 16 taona monja izy no nanomboka nitady an’i Jehovah ary hita ho mpanjaka filamatra sy nahatoky izy taorian’izany. (2 Tantara 33:20–34:5). Nanao safidy izy, ary safidy tsara no nataony.
13. a) Inona no fianarana raisintsika avy amin’ireo mpanjakan’ny Joda nodinihintsika? b) Manao ahoana ny halehiben’ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreny?
13 Manome antsika lesona mafonja iray io fandinihana fohifohy ny amin’ireo mpanjaka fito teo amin’ny Joda io. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia mpanjaka faran’izay ratsy no nanan-janaka faran’izay tsara, ary mifanohitra amin’izany fa mpanjaka faran’izay tsara no nanan-janaka faran’izay ratsy. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 2:18-21.) Tsy mampihen-danja ny mahazava-dehibe ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreny akory izany. Ireo ray aman-dreny izay mampiofana ny zanany araka ny lalan’i Jehovah, dia azo antoka fa manome fahafahana faran’izay tsara ho an’ny zanany mba hahatongavan’izy ireny ho mpanompo mahatokin’i Jehovah. (Deoteronomia 6:6, 7). Mifidy ny hanaraka lalana ratsy ihany anefa ny ankizy sasany na dia teo aza ny ezaka mafy nataon’ireo ray aman-dreniny mahatoky. Mifidy ny ho tia sy hanompo an’i Jehovah kosa anefa ny ankizy hafa, na dia fitaomana faran’izay ratsy ho azy ireo aza ny ray aman-dreniny. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia nahomby ny fiainan’izy ireo. Mba manontany tena ve ianao indraindray hoe hanao ahoana ny aminao? Manome toky i Jehovah fa azonao atao ny manao safidy tsara. Diniho àry ny sasany amin’izany fanomezan-toky izany!
Matoky anao i Jehovah!
14. Ahoana no ahafantarantsika fa takatr’i Jehovah ny fetran’ny mety ho vitantsika?
14 Mahita ny zava-drehetra i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 15:3: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” Hoy i Davida Mpanjaka momba an’i Jehovah: “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny [tapany rehetra aminy, NW ], fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.” (Salamo 139:16). Fantatr’i Jehovah àry ireo fironan-dratsy iadianao, na nolovanao izy ireny na vao nisy tatỳ aoriana vokatry ny fitaomana hafa tsy azonao nanoharana. Takany mazava tsara hoe inona marina no fiantraikan’izy ireny eo aminao. Takany tsara kokoa noho ny fahatakaranao azy ny fetran’ny mety ho vitanao. Be famindram-po koa izy. Tsy manantena antsika mihitsy hanao zavatra mihoatra noho izay azontsika atao araka ny antoniny izy. — Salamo 103:13, 14.
15. a) Inona no loharanom-pampiononana iray ho an’ireo izay ninian’ny hafa nampahorina? b) Andraikitra inona no nanomezan’i Jehovah haja amam-boninahitra antsika tsirairay avy?
15 Etsy an-danin’izany, dia tsy mihevitra antsika ho tsy afa-manoatra eo anoloan’ny tarehin-javatra mitranga, i Jehovah. Raha nisy zava-dratsy nahazo antsika tamin’ny lasa, dia afaka mahita fampiononana isika rehefa mahazo antoka fa halan’i Jehovah izay fitondran-tena rehetra iniana atao mba hampahoriana ny hafa toy izany. (Salamo 11:5; Romana 12:19). Avelany ho afa-maina fotsiny àry ve isika raha minia manao safidy ratsy? Mazava ho azy fa tsia. Hoy ny Teniny: “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:5). Nomen’i Jehovah haja amam-boninahitra ny zavaboariny manan-tsaina tsirairay, tamin’ny nanomezany azy andraikitra hanao izay tsara sy hanompo azy. Izany dia tsy misy hafa amin’izay nolazain’i Mosesy tamin’ny firenen’ny Isiraely toy izao: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao”. (Deoteronomia 30:19). Matoky i Jehovah fa afaka manao safidy tsara koa ny tenantsika. Ahoana no ahalalantsika izany?
16. Ahoana no ahafahantsika mahomby eo amin’ny ‘fiasana mba hahatanteraka ny famonjena antsika’?
16 Mariho izay nosoratan’ny apostoly Paoly: “Koa amin’izany, ry malalako, (...) miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.” (Filipiana 2:12, 13). Ilay teny grika tany am-boalohany nadika eto hoe “miasà”, dia midika hoe mamita zavatra iray hatramin’ny farany. Koa tsy misy amintsika àry efa voalahatra tsy hahomby na hitsoaka an-daharana. Azo antoka fa i Jehovah Andriamanitra dia matoky antsika ho afa-mamita ilay asa nampanaoviny antsika, izay tsy inona akory fa asa hitarika ho amin’ny famonjena antsika. Tsy ho nanome tsindrimandry ny hanoratana izany teny izany mantsy izy raha tsy izany. Ahoana anefa no hahombiazantsika? Tsy noho ny herin’ny tenantsika akory. Raha toa ka efa ampy hery isika, dia tsy ho nisy nilana ny “tahotra sy ny hovitra” intsony. ‘Miasa ao anatintsika’ kosa i Jehovah, izany hoe, miasa ao amin’ny saintsika sy ny fontsika ny fanahiny masina, ka manampy antsika ‘hikasa sy hanatanteraka’. Koa raha fanampiana feno fitiavana toy izany no azontsika, moa ve isika manana antony tsy tokony hanaovana safidy tsara eo amin’ny fiainana, ka hiainana mifanaraka amin’izany? Tsia! — Lioka 11:13.
17. Fanovana inona avy no azontsika atao amin’ny tenantsika, ary ahoana no anampian’i Jehovah antsika hanao izany?
17 Hanana vato misakana tsy maintsy horesena isika. Angamba izany fahazaran-dratsy sy fitaomana manimba efa nandritra ny androm-piainantsika ka mety hanolana ny fisainantsika. Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah anefa, dia afaka mandresy azy ireny isika! Na dia ny “zavatra miorim-paka mafy” aza, dia azon’ny Tenin’Andriamanitra ravana, satria ampy hery hanaovana izany izy io, araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kristianina tany Korinto. (2 Korintiana 10:4, NW ). Raha ny marina, dia afaka manampy antsika hanao fanovana goavana eo amin’ny tenantsika i Jehovah. Mampirisika antsika ny Teniny mba ‘hialantsika amin’ny toetra taloha’ sy ‘hitafiantsika ny toetra vaovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. (Efesiana 4:22-24). Tena afaka manampy antsika tokoa hanao izany fiovana izany ve ny fanahin’i Jehovah? Izany dia izany tokoa! Ny fanahin’Andriamanitra dia mamokatra voa eo amintsika, izay tsy inona fa toetra tsara sy sarobidy izay irintsika rehetra hambolena. Voalohany amin’izany ny fitiavana. — Galatiana 5:22, 23.
18. Tena afaka manao safidy inona ny olona misaina rehetra, ary tokony hanampy antsika ho tapa-kevitra ny hanao inona izany?
18 Fahamarinana lehibe sy manafaka no hita ao anatin’izany. Manana fahaiza-mitia tsy manam-petra i Jehovah Andriamanitra, ary natao araka ny endriny isika. (Genesisy 1:26; 1 Jaona 4:8). Afaka mifidy ny ho tia an’i Jehovah àry isika. Io fitiavana io no fanalahidy mamaritra ny hoavintsika, fa tsy ny fiainantsika tamin’ny lasa, na ny kilema azontsika tatỳ aoriana, na ny fironana hanao ratsy nolovantsika. Ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra no nilain’i Adama sy i Eva mba hitoerana ho mahatoky tany Edena. Io fitiavana io no ilain’ny tsirairay amintsika mba hahatafitana velona amin’ny Haramagedona sy mba hahatafita antsika amin’ilay fitsapana farany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Apokalypsy 7:14; 20:5, 7-10). Afaka mamboly izany fitiavana izany ny tsirairay amintsika, na toy inona na toy inona tarehin-javatra misy antsika. (Matio 22:37; 1 Korintiana 13:13). Aoka isika ho tapa-kevitra ny ho tia an’i Jehovah sy hanorina eo ambonin’izany fitiavana izany mandrakizay doria.
Ahoana no Fiheveranao?
◻ Inona avy ireo fomba fijery tiam-bahoaka izay mifanohitra amin’ilay fampianarana mahavelom-bolo ao amin’ny Baiboly mahakasika ny andraikitry ny isam-batan’olona?
◻ Asa fanorenana inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina tsirairay amin’ny tenany?
◻ Amin’ny ahoana ny ohatr’ireo mpanjakan’ny Joda no mampiseho fa ny isam-batan’olona no manao ny safidiny manokana?
◻ Ahoana no anomezan’i Jehovah toky antsika fa afaka manao safidy tsara isika eo amin’ny fiainana, na dia eo aza ireo fitaoman-dratsy manodidina antsika?
[Sary, pejy 15]
Ny rafi-pandovan-toetra ve no mamaritra ny hoavinao?
[Sary, pejy 17]
Nifidy ny hanompo an’Andriamanitra i Josia Mpanjaka na dia nanome ohatra ratsy aza ny rainy